1 Suleymanu Dawda izo sinji nga mayra ra, Rabbi a Irikoyo go a banda, a n'a beerandi mo gumo.
1[Fanatitra nataon'i Solomona, ary nisehoan'Andriamanitra taminy tao Gibeona] Ary Solomona, zanak'i Davida, dia nitombo hery tamin'ny fanjakany, ary Jehovah Andriamaniny nomba azy ka nanandratra azy indrindra.
2 Suleymanu salaŋ da Israyla* kulu, da zambar-zambarey da zangu-zangey jine borey, da ciitikoy mo, ngey da Israyla mayraykoy kulu, sanda kaayey windi arkusey nooya.
2Ary Solomona nandidy Isiraely rehetra, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpitsara ary loham-pirenena rehetra tamin'ny Isiraely, dia lohan'ny fianakaviana,
3 Suleymanu binde, nga nda jama kulu a banda ziji ka koy sududuyaŋ nango do kaŋ go Jibeyon, zama noodin no Irikoy kubayyaŋ hukumo go, wo kaŋ Irikoy tamo Musa te saajo ra.
3ka dia niara-niakatra ho any amin'ny fitoerana avo tao Gibeona Solomona sy fiangonana rehetra; fa tao trano-lay fihaonana izay an'Andriamanitra, ilay nataon'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, tany an-efitra.
4 Amma Dawda jin ka Irikoy sundurko sambu ka fun d'a Ciriyat-Yeyarim ka kond'a nango kaŋ nga din, Dawda, soola a se, zama a na hukum sinji a se Urusalima* ra.
4Fa fiaran'Andriamanitra efa nampakarin'i Davida avy ta Kiriata-jearima ho ao amin'izay efa namboariny ho azy; fa efa nanorina lay ho azy tany Jerosalema izy.
5 Hala sohõ mo, guuru-say sargay* feema kaŋ Bezaleyel Uri izo, Hur ize te go noodin Jibeyon, Rabbi nangora jine. Suleymanu mo, nga nda jama kulu koy noodin a do.
5Ary alitara varahina izay nataon'i Bezalila, zanak'i Ory zanak'i Hora, dia teo anoloan'ny tabernakelin'i Jehovah; ary Solomona sy fiangonana nitady Azy tao. [Na: azy]
6 Noodin binde Suleymanu ziji ka koy guuru-say feema do, Rabbi jine, feema kaŋ go kubayyaŋ hukumo do haray. A na sargay kaŋ i ga ton zambar fo salle a boŋ.
6Ary Solomona nanatitra fanatitra teo amin'ny alitara varahina teo anatrehan'i Jehovah, izay momba ny trano-lay fihaonana; fanatitra dorana arivo no nateriny teo.
7 Cin woodin ra binde Irikoy bangay Suleymanu se ka ne a se: «Ma ŋwaaray haŋ kaŋ ay ga ni no.»
7Tamin'ny alin'iny no nisehoan'Andriamanitra tamin'i Solomona, ka hoy Izy taminy: Angataho izay tianao homeko anao.
8 Suleymanu ne Irikoy se: «Ni na baakasinay suuji boobo cabe ay baaba Dawda se. Ay mo, ni n'ay ciya bonkooni a nango ra.
8Dia hoy Solomona tamin'Andriamanitra: Hianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin'i Davida raiko ary nampanjaka ahy handimby azy.
9 Sohõ binde, ya Rabbi Irikoy, nin d'ay baaba Dawda game ra alkawlo, a tabbat, zama ni n'ay ciya bonkooni borey boŋ, jama kaŋ ga baa gumo sanda laabo gurey cine.
9Koa ankehitriny, ry Jehovah Andriamanitra ô. aoka ho tanteraka teninao tamin'i Davida raiko; fa Hianao efa nampanjaka ahy tamin'ny vahoaka maro be tahaka ny vovo-tany.
10 Sohõ binde, ni m'ay no laakal da bayray, zama ay ma jama wo may. Zama may no ga hin ka ciiti te ni jama bambata wo se?»
10Koa omeo fahendrena sy fahalalana aho hitarihako ireto vahoaka ireto mivoaka sy miditra; fa iza no hahay mitsara izao olonao betsaka izao?
11 Kala Irikoy ne Suleymanu se: «Za kaŋ woodin go ni bina ra, ni mana duure wala arzaka ŋwaaray, wala beeray, wala ni ibarey fundi. Ni mana baa aloomar kuuku ŋwaaray mo ni boŋ se, amma ni na laakal da bayray ŋwaaray ni boŋ se, kaŋ ga naŋ ni ma hin ka ciiti dumbu ay jama se, ngey kaŋ yaŋ ay na ni ciya i bonkoono.
11Dia hoy Andriamanitra tamin'i Solomona: Satria tao am-ponao izany ka tsy nangataka vola aman-karena ianao, na voninahitra, na ain'ny fahavalonao, ary tsy nangataka ho ela velona aza, fa nangataka fahendrena sy fahalalana hitsaranao ny oloko izay nampanjakako anao,
12 To, laakal da bayray, ay na ni no d'ey. Ay ga ni no mo arzaka nda duure da beeray kaŋ dumi bonkooni fo mana du a cine baa ce fo ni jine, a sinda mo boro kaŋ ga ye ka du a cine ni banda.»
12dia omena anao ny fahendrena sy fahalalana; ary homeko vola aman-karena sy voninahitra koa ianao, mihoatra noho izay nananan'ny mpanjaka rehetra na iza na iza tany alohanao, ary tsy hisy hanana tahaka izany ny any aorianao.
13 Suleymanu binde ye ka kaa ka fun sududuyaŋ nango do kaŋ go Jibeyon, kubayyaŋ hukumo jine. A kaa Urusalima, a na Israyla may mo.
13Ary tonga tany Jerosalema Solomona avy teo amin'ny fitoerana avo tao Gibeona, dia teo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary nanjaka tamin'ny Isiraely izy.
14 Suleymanu na torkoyaŋ da bari-kariyaŋ margu. A gonda torko zambar fo da zangu taaci, kaarukoyaŋ mo zambar way cindi hinka, kaŋ yaŋ a jisi torkey galley ra. I go bonkoono banda mo Urusalima ra.
14[Ny amin'ny nanangonan'i Solomona soavaly aman-kalesy mbamin'ny harena be] Ary Solomona nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ka nanana kalesy efa-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina, izay nataony tany amin'ireny tanàna fitoeran'ny kalesy ary tao amin'ny mpanjaka tany Jerosalema.
15 Bonkoono na wura da nzarfu ciya sanda tond'izeyaŋ Urusalima ra. Sedre* bundu mo a n'a ciya sanda durmi bundu kaŋ go Safela* ra, i baayaŋo sabbay se.
15Ary nataon'ny mpanjaka ho tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy sy ny volamena tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka. [Heb. Sefela]
16 Suleymanu bariyey mo, Misira no i ga fun d'ey. Bonkoono dillaŋey g'i ta kuru-kuru, kuru fo kulu da nga hayo.
16Avy tany Egypta no nahazoan'i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin'ny mpandranton'ny mpanjaka dia naka andiany iray araka izay vidiny voatendry.
17 I ga kande torkoyaŋ ka fun d'ey Misira. I ga kande afo kulu nzarfu kilo iyye cine boŋ, bari fo mo sekel zangu nda waygu boŋ. Yaadin cine mo no dillaŋey ga kand'ey Hittancey da Suriya bonkooney se.
17Ary ny vidin'ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany koa no nitondrany ho an'ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny Syriana.[Ny niomanan'i Solomona hanao ny tempoly] Ary Solomona nilaza fa hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah sy lapa ho an'ny tenany.
18[Ny niomanan'i Solomona hanao ny tempoly] Ary Solomona nilaza fa hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah sy lapa ho an'ny tenany.