1 Yowasa gonda jiiri iyye waato kaŋ a sintin ka may. A may mo jiiri waytaaci Urusalima ra. A nyaŋo maa Zibiya, Beyer-Seba boro no.
1[Ny nanjakan'i Joasy, sy ny nanamboarana ny rafitry ny tempoly] Fito taona no niainan'i Joasy, fony izy vao nanjaka, efa efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Zibia, avy any Beri-sheba.
2 Yowasa te haŋ kaŋ ga saba Rabbi diyaŋ gaa Alfa Yehoyda funayaŋ jirbey kulu ra.
2Ary Joasy nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah tamin'ny andro rehetra niainan'i Joiada mpisorona.
3 Yehoyda na wande hinka hiiji ka kande a se. A hay mo izeyaŋ, alboro nda wayboro.
3Ary nangalan'i Joiada vady roa Joasy, dia niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
4 A ciya mo, woodin banda Yowasa miila nga ma Rabbi windo hanse.
4Ary nony afaka izany, dia mby ao am-pon i Joasy ny hanamboatra ny tranon'i Jehovah.
5 Kal a na alfagey da Lawi borey margu. A ne i se: «Wa koy ka Yahuda galley gana, ka nooru margu-margu Israyla kulu ra, kaŋ i g'araŋ Irikoyo windo hanse nd'a jiiri kulu. Wa laakal ye araŋ ma muraado te da cahãyaŋ.» Kulu nda yaadin Lawi borey mana goyo te da cahãyaŋ.
5Dia namory ny mpisorona sy ny Levita izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ho any amin'ny tanànan'ny Joda, ka mamoria vola isan-taona amin'ny Isiraely rehetra hanamboarana ny tranon'Andriamanitrareo; ary hafainganonareo ny raharaha. Nefa ny Levita tsy nanafaingana izany.
6 Bonkoono mo na alfaga beero Yehoyda ce ka ne a se: «Ifo se no i mana Lawi borey lordi ka ne i ma koy Yahuda nda Urusalima ra ka jangal margu, Rabbi tamo Musa jangalo, da Israyla jama wano, hukumo kaŋ gonda seeda se?»
6Ary ny mpanjaka dia nampaka an'i Joiada, lohany tamin'ireo, ka nanao taminy hoe: Nahoana no tsy nasainao nitondra ny hetra avy tany Joda sy Jerosalema ny Levita, araka ny didin'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah sy ny fiangonan'ny Isiraely ho ao amin'ny tabernakelin'ny vavolombelona?
7 Zama wayboro laala din, Ataliya, a izey jin ka Irikoy windo ku, Rabbi windo jinay kaŋ i fay waani kulu nooya, ka goy d'ey Baaley se.
7Fa ny zanak'i Atalia, ilay vehivavy ratsy fanahy, efa nandrava ny tranon'Andriamanitra; ary ny zavatra masina rehetra tao an-tranon'i Jehovah koa dia efa nateriny ho an'ireo Bala.
8 Bonkoono binde na lordi te. I na sundurku fo te mo k'a jisi taray, Rabbi windo meyo gaa.
8Ary nasain'ny mpanjaka nanao vata anankiray izy, dia napetrany teo ivelan'ny vavahadin'ny tranon'i Jehovah izany.
9 I fe Yahuda nda Urusalima ra ka ne i ma kande Rabbi se jangal kaŋ Musa, Irikoy tamo, daŋ Israyla boŋ saajo ra.
9Ary nandefa teny eran'i Joda sy Jerosalema izy mba haterina ho an'i Jehovah ny hetra izay nasain'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, haloan'ny Isiraely, fony izy tany an-efitra.
10 Koyey kulu nda jama kulu te bine kaani ka kand'a. I n'a daŋ sundurko ra, kal a to.
10Dia faly ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra, ka dia nitondra izany ary nandatsaka azy tao amin'ny vata ambara-pahatapiny.
11 A ga ciya mo, waati kulu kaŋ Lawi borey ga kande sundurko bonkoono goy-teerey do, i ga di nzarfu boobo go a ra, gaa bonkoono hantumkwa, da alfaga beero goy-teero ma kaa ka sundurko feeri ka haŋ kaŋ go a ra ku ka koy. I ga sundurko ye nga nango ra koyne. Yaadin no i soobay ka te zaari ka koy zaari, i na nzarfu boobo margu-margu mo.
11Ary tamin'izay andro nitondran'ny Levita ny vata ho any amin'ny toniany voatendrin'ny mpanjaka, raha hitany fa be ny vola, dia avy ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny toniany voatendrin'ny mpisoronabe ka nanaisotra izay rehetra tao amin'ny vata, dia nitondra ny vata niverina ho eo amin'ny fitoerany indray. Toy izany no nataony mandrakariva, ka nahavory vola betsaka izy.
12 Bonkoono Yehoyda mo n'a no Rabbi windo goy-teerey se. Koyne, i zinga nda cinakoyaŋ, da saceyaŋ, i ma Rabbi windo hanse se.
12Ary nomen'ny mpanjaka sy Joiada ho an'izay nanao ny raharahan'ny tranon'i Jehovah ny vola, ka nanakaraman'ireo mpipai-bato sy mpandrafitra ary mpanefy vy sy varahina mba hanamboatra ny tranon'i Jehovah.
13 Goy-teerey binde goy, goyo mo kubay i kambey ra. I na Rabbi windo ye ka te mate kaŋ a go za doŋ, i n'a gaabandi mo.
13Dia nanao ny mpiasa, ka vita tsara ny asa; ary namboariny ho toy ny teo aloha ny tranon'Andriamanitra ka nataony mafy.
14 Waato kaŋ cine i na goyo ban, kulu i kande nzarfu kaŋ cindi din bonkoono da Yehoyda do. Ngey mo no, i na jinay te d'a Rabbi windo se, danga saajaw jinayey da sargay kaŋ i ga ton jinayey, da taasayaŋ da jinay fooyaŋ, wura nda nzarfu wane yaŋ. I na sargay kaŋ i ga ton no mo Rabbi windo ra kaŋ sinda fappeyaŋ Yehoyda jirbey kulu ra.
14Ary nony vitany izany, dia nentiny teo anatrehan'ny mpanjaka sy Joiada ny vola sisa ka nanaovany fanaka ho an'ny tranon'i Jehovah, dia fanaka ho enti-manao fanompoam-pivavahana sy manatitra fanatitra ary lovia kely sy fanaka volamena sy volafotsy. Ary nanatitra fanatitra dorana tao an-tranon'i Jehovah mandrakariva izy tamin'ny andron'i Joiada rehetra.
15 Amma Yehoyda kaa ka zeen, a kungu nda ndunnya kal a bu mo. A jiirey jiiri zangu nda waranza no waato kaŋ a bu.
15Fa tratrantitra sy ela niainana Joiada vao maty: telo-polo amby zato taona izy vao maty. [Heb. voky andro, na afa-pon'ny miaina]
16 I n'a fiji Dawda birno ra bonkooney banda, zama a na booriyaŋ goy te Israyla ra, da Irikoy da nga windo mo se.
16Ary nalevina tao an-Tanànan'i Davida tao amin'ny mpanjaka izy, satria nanao soa teo amin'ny Isiraely ary tamin'Andriamanitra sy ny tranony koa.
17 I go no, Yehoyda buuyaŋo banda, kala Yahuda mayraykoyey kaa ka sombu bonkoono se. Bonkoono mo hangan i se.
17Ary rehefa maty Joiada, dia avy Ireo mpanapaka ny Joda ka niankohoka teo anatrehan'ny mpanjaka. Dia nihaino azy ny mpanjaka.
18 Kal i fay da Rabbi, ngey kaayey Irikoyo windo. I ye ka may wayboro himandi bundu toorey se, da tooru fooyaŋ. Futay mo kaŋ Yahuda nda Urusalima boŋ i taalo din sabbay se.
18Ary nandao ny tranon'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ireo ka nanompo ny Aseraha sy ny sampy dia nisy fahatezerana nihatra tamin'ny Joda sy Jerosalema noho ny fahadisoany.
19 Kulu nda yaadin Rabbi na annabiyaŋ donton i gaa, hala i ma ye ka kand'ey Rabbi do. I n'i bayrandi, amma i mana hanga jeeri.
19Ary naniraka mpaminany tany aminy Izy hampiverina azy amin'i Jehovah; dia nananatra azy mafy ireo, nefa tsy nety nihaino izy.
20 Rabbi Biya mo kaa Zakariya Alfa Yehoyda ize boŋ. A kay jama se beene ka ne i se: «Yaa no Irikoy ci: Ifo se no araŋ goono ga Rabbi lordey daaru, hal araŋ ma jaŋ ka du albarka? Za kaŋ araŋ na Rabbi furu, nga mo na araŋ furu.»
20Ary Zakaria, zanak'i Joiada mpisorona, notsindrian'ny Fanahin'Andriamanitra, dia nitsangana teo amin'ny avoavo teo anatrehan'ny vahoaka izy ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'Andriamanitra: Nahoana ianareo no mandika ny didin'i Jehovah ka tsy mahita fanambinana? Satria efa nahafoy an'i Jehovah ianareo, dia nahafoy anareo kosa Izy.
21 I na me-hawyaŋ soola Zakariya boŋ k'a catu nda tondiyaŋ kal a bu bonkoono lordo boŋ, noodin Rabbi windo batama ra.
21Dia nanao teti-dratsy ireo ka nitora-bato azy teo amin'ny kianjan'ny tranon'i Jehovah araka ny tenin'ny mpanjaka.
22 Yaadin cine no bonkoono Yowasa mana fongu nda gomno kaŋ a baabo Yehoyda te nga se, amma a n'a izo wi. Saaya kaŋ cine a goono ga ba ka bu, Zakariya ne: «Rabbi ma guna, ka bana.»
22Toy izany no tsy nahatsiarovan'i Joasy mpanjaka ny soa nataon'i Joiada rainy taminy, fa namono ny zanany izy. Ary nony efa ho faty Zakaria, dia niteny hoe: Jehovah anie hijery sy hamaly izao.
23 A ciya binde, jiiro bananta, kala Suriya borey kande Yowasa gaa wongu. I kaa Yahuda nda Urusalima ka jama mayraykoyey kulu halaci borey ra. I n'i wongu arzakey kulu sambu ka kond'ey Damaskos bonkoono se.
23Ary nony efa niherina ny taona, dia avy ny miaramilan'i Syria hiady taminy; ary tonga tany Joda sy Jerosalema izy, ka matiny avokoa ny mpanapaka rehetra tao amin'ny olona, ary nampitondrainy ho any amin'ny mpanjakan'i Damaskosy ny babo rehetra.
24 Zama Suriya wongu marga boro ciraariyaŋ no i kande. Kulu nda yaadin, Rabbi na wongu marga bambata daŋ i kambe ra, zama i na Rabbi, ngey kaayey Irikoyo furu. Yaadin cine binde no i na ciiti te d'a Yowas se.
24Fa vitsy ny miaramilan'ny Syriana izay tonga teo, nefa Jehovah nanolotra miaramila maro ho eo an-tànany noho ny nahafoizany an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany. Toy izany no nahatanterahan'ireo ny famaliana an'i Joasy.
25 Waato kaŋ i fay d'a mo, (zama i fay d'a da doori korno), kal a tamey na me haw a boŋ Alfa Yehoyda izo kuro sabbay se. I na bonkoono wi nga daaro boŋ. A bu, i n'a fiji mo Dawda birno ra, amma i man'a fiji bonkooney saarayey ra.
25Ary nony nilaozany tamin'ny faharariany mafy izy, ny mpanompony dia niodina taminy noho ny ran'ny zanak'i Joiada mpisorona, ka namono azy teo am-pandriany, dia maty izy; ary naleviny tany an-Tanànan'i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin'ny fasan'ny mpanjaka.
26 Wo kaŋ yaŋ na me-hawyaŋo te a se, ngey neeya: Zabad, kaŋ nyaŋo maa Simeyat Amon boro no, da Yehozabad, kaŋ nyaŋo maa Simrit Mowab boro no.
26Ary izao no niodina taminy: Zabada, zanak'i Simata Amonita, sy Jozabada, zanak'i Simrita Moabita.Ary ny amin'ny zanany sy ny hamafin'ny faminaniana nilaza ny loza hanjo azy ary ny nanamboarany ny tranon'Andriamanitra, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjaka izany. Ary Amazia zanany no nanjaka nandimby azy.
27 A izey sanni ciine ra da muraadu tiŋo beerey kaŋ yaŋ i dake a boŋ, da Irikoy windo hanseyaŋo, ngey neeya, i n'i hantum bonkooney baaru tira ra. A izo Amaziya na mayray te a nango ra.
27Ary ny amin'ny zanany sy ny hamafin'ny faminaniana nilaza ny loza hanjo azy ary ny nanamboarany ny tranon'Andriamanitra, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjaka izany. Ary Amazia zanany no nanjaka nandimby azy.