1 Kala Hezeciya donton Israyla nda Yahuda kulu gaa. A na tirayaŋ hantum mo ka samba Ifraymu nda Manasse kulu se, ka ne i ma kaa Rabbi windo kaŋ go Urusalima do, zama i ma Paska* bato te Rabbi, Israyla Irikoyo se.
1[Ny nitandreman'i Hezekia sy ny vahoaka ny Paska] Ary Hezekia naniraka tany amin'ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nanoratra taratasy ho amin'ny Efraima sy ny Manase koa mba hankanesany any an-tranon'i Jehovah any Jerosalema hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
2 Zama bonkoono na saaware te no, nga nda nga mayraykoyey da jama kulu kaŋ go Urusalima ra, i ma Paska bato haggoy handu hinkanta ra.
2Fa ny mpanjaka sy ny mpanapaka mbamin'ny fiangonana rehetra tany Jerosalema dia niara-nihevitra ny amin'ny hitandremana ny Paska amin'ny volana faharoa.
3 Zama i mana du k'a haggoy alwaati kaŋ ga hagu ra, zama alfagey kaŋ na ngey boŋ hanandi mana wasa. Borey mo mana margu Urusalima ra jina.
3Nefa tsy nahatandrina azy tamin'izany andro izany izy, satria ny mpisorona tsy mbola nanamasina ny tenany loatra, ary ny olona koa tsy mbola vory tany Jerosalema.
4 Haya din binde boori bonkoono da jama kulu diyaŋ gaa.
4Ary sitraky ny mpanjaka sy ny fiangonana rehetra izany.
5 I binde na hin sanni te ka ne i ma fe Israyla ra nangu kulu, za Beyer-Seba gaa kal a ma koy Dan gaa, i ma kaa ka Paska haggoy Rabbi, Israyla Irikoyo se Urusalima ra. Zama i mana bato haggoy da jama beeri sanda mate kaŋ cine a go hantumante.
5Dia nandidy handefa teny eran'ny Isiraely rehetra hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana izy mba hankanesan'ny olona hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any Jerosalema; fa ny be sy ny maro tsy mba nitandrina azy araka ny voasoratra.
6 Kala diyayaŋ fun bonkoono da nga mayraykoyey do ka konda tirey Israyla da Yahuda kulu ra, bonkoono lordo boŋ. I ne: «Ya araŋ Israyla izey, wa bare ka ye ka kaa Rabbi, Ibrahim da Isaka da Israyla Irikoyo do, zama a ma ye ka kaa araŋ kaŋ cindi yaŋ do, kaŋ yaŋ du ka yana Assiriya bonkooney kambe ra.
6Dia lasa ny tsimandoa nitondra ny taratasy avy tamin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka hitety ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nilaza araka ny didin'ny mpanjaka hoe: Ry zanak'isiraely ô, miverena amin'i Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba hiverenany ho amin'izay sisa aminareo izay tsy azon'ny tànan'ireo mpanjakan'i Asyria.
7 Wa si ciya sanda araŋ kaayey cine yaŋ, wala araŋ nya-izey, kaŋ yaŋ na amaana ŋwaari te Rabbi, i kaayey Irikoyo se. Nga mo n'i nooyandi i ma ciya humburandiyaŋ hari, sanda mate kaŋ cine araŋ go ga di.
7Aza manahaka ny rainareo sy ny rahalahinareo izay nivadika tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ka dia natolony ho figagana araka izao hitanareo izao izy.
8 Sohõ binde, araŋ ma si te hanga sanday, sanda mate kaŋ cine araŋ kaayey te, amma wa araŋ boŋ salle Rabbi se. Wa furo a wane nangu hananta ra, kaŋ a hanandi hal abada din. Araŋ ma may Rabbi araŋ Irikoyo se, zama a futay korna ma bare ka fun araŋ gaa.
8Koa aza manamafy ny hatokareo toy ny nataon'ny razanareo, fa atolory an'i Jehovah ny tananareo, ka midìra ao amin'ny fitoerany masina, izay nohamasininy ho mandrakizay; ary manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, mba hiala aminareo ny fahatezerany mirehitra.
9 Zama d'araŋ bare ka ye ka kaa Rabbi do, kulu araŋ nya-izey d'araŋ izey ga du bakaraw borey kaŋ kond'ey ka daŋ tamtaray yaŋ do. I ga ye ka kaa mo laabo wo ra. Zama Rabbi araŋ Irikoyo ya gomnikoy no kaŋ gonda bakaraw. A si banda bare araŋ gaa mo, hala day araŋ ye ka kaa a do.»
9Fa raha miverina amin'i Jehovah ianareo, dia hahazo famindram-po eo anatrehan'izay nitondra azy ho babo ny rahalahinareo sy ny zanakareo, ka dia ho tafaverina amin'ity tany ity izy; fa miantra sy mamindra fo Jehovah Andriamanitrareo, ary tsy mba hiamboho anareo Izy, raha miverina aminy ianareo.
10 Kala diyey koy ka galley gana Ifraymu da Manasse kulu ra, ka koy hala Zabluna ra, amma i dond'ey k'i hahaara, hala i na sanno ciya foori hari.
10Ary ny tsimandoa nitety ny tanàna hatrany amin'ny tanin'ny Efraima sy ny Manase ka hatrany amin'ny Zebolona; fa nihomehezan'ny olona sy novazivaziny foana izy.
11 Amma Aser da Manasse da Zabluna ra boro fooyaŋ na ngey boŋ kaynandi ka kaa Urusalima.
11Kanefa kosa ny tamin'ny Asera sy ny Manase ary ny Zebolona dia nisy ihany nanetry tena ka tonga tany Jerosalema.
12 Rabbi kamba goy Yahuda ra mo k'i no bine folloŋ, i ma bonkoono nda nga mayraykoyey lordo kaŋ i te Rabbi sanno do din gana.
12Ary ny tànan'Andriamanitra dia napetrany tamin'ny Joda koa mba hanome azy fo iray hankatò ny didin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka noho ny tenin'i Jehovah.
13 Boro boobo mo no ka margu Urusalima ra zama ngey ma buuru kaŋ sinda dalbu bato* haggoy handu hinkanta ra, jama bambata no nda cimi.
13Ary tamin'ny volana faharoa dia nisy olona maro nivory tany Jerosalema hitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia fivoriana lehibe tokoa.
14 I binde tun ka sargay feemey kaŋ go Urusalima ra yaŋ ku. Dugu tonyaŋ feemey kulu mo, i n'i ku k'i gusam Kidron gooro ra.
14Ary nitsangana izy, dia nandrava ireo alitara tany Jerosalema; ary ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra rehetra dia noravany koa ka nariany tany amin'ny lohasahan-driaka Kidrona.
15 Waato din gaa no i na Paska feej'izey wi handu hinkanta jirbi way cindi taaca hane. Lawi borey da alfagey mo, haawi n'i di. I na ngey boŋ hanandi ka kande sargayey kaŋ i ga ton Rabbi windo ra.
15Dia namono ny Paska izy tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa; ary menatra, ny mpisorona sy ny Levita, dia nanamasina ny tenany ka nampiditra ny fanatitra dorana ho ao an-tranon'i Jehovah.
16 I kay mo ngey nangey ra ngey sasara ra, Irikoy bora Musa asariya boŋ. Alfagey na kurey kaŋ i ta Lawi borey kambe ra say-say.
16Ary nitsangana teo amin'ny fitoerany tahaka ny fanao izy, araka ny lalàn'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra; ary ny mpisorona nanopy ny rà izay teny an-tànan'ny Levita.
17 Zama boro boobo go jama ra kaŋ yaŋ mana ngey boŋ hanandi. Woodin sabbay se no Lawi borey, ngey no ka bara nda Paska feej'ize wiyaŋo goyo borey kaŋ yaŋ sinda hananyaŋ kulu se, i m'i hanandi Rabbi se.
17Fa nisy maro tao amin'ny fiangonana izay tsy mba nanamasina ny tenany, ka dia ny Levita no nampamonoina ny Paska hisolo izay rehetra tsy madio mba hanamasina azy ho an'i Jehovah.
18 Zama boro jama, sanda Ifraymu nda Manasse da Isakar da Zabluna ra, i boobo mana ngey boŋ hanandi. Kulu nda yaadin i na Paska ŋwa, day manti sanda mate kaŋ cine i hantum din boŋ. Zama Hezeciya na adduwa te i se ka ne: «Rabbi gomnikoy ma yaafa
18Fa nisy olona betsaka, dia maro avy tamin'ny Efraima sy ny Manase sy ny Isakara ary ny Zebolona, no tsy mba nanadio ny tenany, kanefa nihinana ny Paska ihany izy, fa tsy araka izay voasoratra. Ary Hezekia nivavaka ho an'ireny ka nanao hoe: Jehovah tsara ô, mamelà
19 boro kulu se kaŋ na anniya haw nga ma Irikoy ceeci, Rabbi a kaayey Irikoyo, baa day kaŋ a mana hanan nangu hananta wano boŋ.»
19izay rehetra efa nampiomana ny fony hitady an'Andriamanitra, dia Jehovah, Andriamanitry ny razany, na dia tsy madio araka ny fahadiovan'ny fitoerana masina aza izy.
20 Rabbi maa Hezeciya adduwa kaŋ a te mo, ka jama no baani.
20Ary Jehovah nihaino an'i Hezekia ka nahasitrana ny olona.
21 Israyla izey binde kaŋ yaŋ go Urusalima ra te jirbi iyye i goono ga buuru kaŋ sinda dalbu bato haggoy da farhã gumo. Lawi borey da alfagey mo goono ga Rabbi sifa zaari ka koy zaari. Baytu jinayey kaŋ yaŋ gonda jinde beeri, i goono ga baytu Rabbi se d'ey.
21Ary ny Zanak'isiraely izay tany Jerosalema dia nitandrina hafitoana ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin'ny fifaliana lehibe; ary ny Levita sy ny mpisorona nidera an'i Jehovah isan'andro sady nampaneno zavatra mafy faneno ho an'i Jehovah. [Na: fiderana]
22 Hezeciya binde na Lawi borey kaŋ yaŋ ga goni Rabbi goyo gaa biney gaabandi. Jirbi iyya din kulu i go bato ra, i goono ga saabuyaŋ sargayey no, i goono ga saabu Rabbi ngey kaayey Irikoyo se.
22Ary Hezekia dia nankasitraka ny Levita rehetra, izay nanana fahaizana ho an'i Jehovah; ary nihinana ny Paska hafitoana izy sady nanatitra fanati-pihavanana koa sy nisaotra an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
23 Jama kulu binde na anniya sambu ngey ma ye ka jirbi iyye fo haggoy koyne. I na jirbi iyya din mo toonandi nda farhã.
23Ary ny fiangonana rehetra niara-nihevitra ny amin'ny hitandremana hafitoana indray; ka dia mbola nitandrina hafitoana koa tamin'ny hafaliana izy.
24 Zama Yahuda bonkoono Hezeciya na jama no yeeji zambar fo da feeji zambar iyye sargayey se. Mayraykoyey mo na jama no yeeji zambar fo da feeji zambar way. Alfaga boobo mo na ngey boŋ hanandi.
24Fa Hezekia, mpanjakan'ny Joda, nanome vantotr'ombilahy arivo sy ondry aman'osy fito arivo ho an'ny fiangonana; ary ny mpanapaka koa nanome vantotr'ombilahy arivo sy ondry aman'osy iray alina ho an'ny fiangonana; ary maro ny mpisorona no nanamasina ny tenany.
25 Yahuda jama kulu da alfagey da Lawi borey care banda, da jama kulu kaŋ yaŋ kaa ka fun Israyla ra, da yawey kaŋ kaa ka fun Israyla laabo ra, da borey kaŋ yaŋ goono ga ngey goray te Yahuda ra, i soobay ka farhã.
25Ary faly ny fiangonana, dia ny Joda rehetra sy ny mpisorona sy ny Levita sy izay rehetra tafangona avy tamin'ny Isiraely mbamin'ny vahiny izay avy tany amin'ny tany Isiraely ary izay nonina tany Joda.
26 I binde farhã gumo Urusalima ra, zama za Israyla bonkoono Dawda izo Suleymanu zamana ra i mana woodin dumi te Urusalima ra.
26Koa nisy fifaliana be tany Jerosalema; fa hatramin'ny andron'i Solomona, zanak'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, dia tsy mbola nisy tahaka izany tany Jerosalema.Dia nitsangana ny Levita sy ny mpisorona ka nitso-drano ny olona; ary nohenoin'Andriamanitra ny feony, ka niakatra ho any an-danitra, fonenany masina, ny fivavany.
27 Waato din gaa alfagey da Lawi borey tun ka albarka gaara jama se. Rabbi maa i jindey mo. I adduwey mo ziji ka to Irikoy nangoray hananta do, kaŋ go beena ra.
27Dia nitsangana ny Levita sy ny mpisorona ka nitso-drano ny olona; ary nohenoin'Andriamanitra ny feony, ka niakatra ho any an-danitra, fonenany masina, ny fivavany.