Zarma

Malagasy

2 Chronicles

33

1 Manasse gonda jiiri way cindi hinka waato kaŋ a sintin ka may. A may jiiri waygu cindi gu Urusalima ra.
1[Ny nanjakan'i Manase sy Amona] Roa ambin'ny folo taona Manase, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema .
2 A na goy laalo te Rabbi diyaŋ gaa. A goono ga dumi cindey fanta harey gana, dumey kaŋ Rabbi gaaray Israyla izey jine.
2Ary nanao izay ratsy eo mason'i Jehovah izy tahaka ny fahavetavetan'ny firenena izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'isiraely.
3 Zama a ye ka tudey boŋ sududuyaŋ nangey kaŋ a baabo Hezeciya zeeri yaŋ cina koyne. A na feemayaŋ cina Baaley se, a na wayboro himandi bundu tooruyaŋ te. A sombu mo beene kundey kulu se ka may i se.
3Fa namboariny indray ny fitoerana avo, izay efa noravan'i Hezekia rainy, ka nanangana alitara ho an'ireo Bala izy sady nanao Aseraha sy niankohota teo anatrehan'izay rehetra eny amin'ny lanitra ka nanompo azy
4 A na feemayaŋ cina mo Rabbi windo ra, windo kaŋ ciine ra Rabbi ne: «Urusalima ra no ay maa ga goro hal abada.»
4sady nanorina alitara tao an-tranon'i Jehovah, dia tao amin'ilay nolazain'i Jehovah hoe: Any Jerosalema no hitoeran'ny anarako mandrakizay.
5 A na sargay feemayaŋ cina beene kundey kulu se Rabbi windo batama hinka ra.
5Fa nanao alitara teo anatin'ny kianja roa amin'ny tranon'i Jehovah izy ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra.
6 A na nga izey mo daŋ danji ra Hinnom izo gooro ra. A na gunayaŋ, da safariyaŋ, da ziimataray goy te. A gonda muraadu da borey kaŋ yaŋ gonda ganakoyaŋ, da ziimey. A na goy laalo boobo te Rabbi diyaŋ gaa zama nga m'a zokoti se.
6Ary ny zanany nampamakiny ny afo teo an-dohasahan'ny taranak'i Hinoma, sady nanandro sy nanao sikidy izy sy nanana ody ary naka ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana, dia nahery nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy ka nampahatezitra Azy.
7 A na jabuyaŋ himandi tooro kaŋ a te sinji Irikoy windo ra, windo kaŋ ciine ra Irikoy ne Dawda nda nga izo Suleymanu se: «Windo wo ra da Urusalima kaŋ ay suuban Israyla kundey kulu ra, noodin no ay g'ay maa daŋ hal abada.
7Ary izay sarin-javatra voasokitra momba ny sampy nataony dia napetrany tao an-tranon'Andriamanitra, izay nolazain'Andriamanitra tamin'Davida sy Solomona zanany hoe: Eto amin'ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin'ny firenen'isiraely rehetra, no hasiako ny anarako mandrakizay;
8 Ay si ye ka Israyla ce hibandi ka kaa laabo kaŋ ay suuban araŋ kaayey se din ra, hala day i goono ga haggoy ka te hay kulu kaŋ ay n'i lordi, danga asariya, da hin sanney, da farilley kulu kaŋ yaŋ ay daŋ Musa kambe ra.»
8ary tsy hampandeha ny tongotry ny Isiraely intsony hiala amin'ny tany izay efa notendreko ho an'ny razanareo Aho, raha mba hitandrina koa izy hanao araka izay rehetra nandidiako azy, dia araka ny lalana rehetra sy ny didy ary ny fitsipika izay nampilazaina an'i Mosesy.
9 Manasse na Yahuda da Urusalima borey darandi k'i daŋ goy laalo teeyaŋ ra kaŋ jaase mebarawey wane, ngey kaŋ yaŋ Rabbi halaci Israyla izey jine.
9Kanjo nampivily ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema Manase mba hanao ratsy mihoatra noho ny firenena izay naringan'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'isiraely.
10 Rabbi salaŋ Manasse da nga jama se mo, amma i mana hangan.
10Ary Jehovah niteny tamin'i Manase sy ny vahoakany, nefa tsy nety nihaino izy.
11 Woodin se no Rabbi kande i se jine boroyaŋ, Assiriya bonkoono wongu marga wane yaŋ. I na Manasse di mo ka korbay daŋ a se niina gaa. I n'a haw da guuru-say sisiriyaŋ ka kond'a Babila.
11Dia nentin'i Jehovah hamely azy ny komandin'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Asyria, dia nosamborin'ireo Manase ka nasiany masom-by sady nogadrany gadra varahina ary nentiny ho any Babylona.
12 Waato kaŋ cine a go kankamo ra, a na Rabbi nga Irikoyo ŋwaaray. A na nga boŋ kaynandi mo da cimi Rabbi nga kaayey Irikoyo jine.
12Ary nony azom-pahoriana mafy izy, vao nifona tamin'i Jehovah Andriamaniny sady nanetry tena indrindra teo anatrehan'Andriamanitry ny razany
13 Waato kaŋ a na adduwa te a gaa mo, nga mo n'a ŋwaara saal ka tu a adduwa se. A ye ka kand'a Urusalima nga mayray nango ra. Saaya din gaa no Manasse bay kaŋ Rabbi no ga ti Irikoy.
13ka nivavaka taminy; ary Jehovah nanaiky ka nihaino ny fifonany, dia nampody azy ho any Jerosalema ho any amin'ny fanjakany. Ka dia fantatr'i Manase fa Jehovah no Andriamanitra.
14 Woodin banda a na birni cinari fo cina taray haray ka Dawda birno windi nd'a, Jihon wayna kaŋay gooro ra, hal a koy ka to Hari Ham Meyo gaa. A na Ofel mo windi nd'a k'a kuuyaŋo tonton da cimi. A na soojeyaŋ daŋ Yahuda galley kulu ra kaŋ yaŋ gonda wongu jidan bisa.
14Ary rehefa afaka izany, dia nanao manda teo ivelan'ny Tanànan'i Davida izy, dia teo andrefana hatrany Gihona, eo amin'ny lohasahan-driaka, ka hatramin'ny fidirana amin'ny vavahadin-kazandrano, ary nataony manodidina an'i Ofela sady nataony avo dia avo; ary nanendry izay ho komandin'ny miaramila ho any amin'ny tanàna mimanda rehetra any Joda izy.
15 A na de-koy yawey kaa, ngey da tooro kaŋ go Rabbi windo ra, da feemey kulu kaŋ a cina Rabbi windo tudo boŋ, da Urusalima ra. A n'i gusam birno banda.
15Dia nesoriny ireny andriamanikafa sy ny sampy tao an-tranon'i Jehovah mbamin'ny alitara rehetra izay efa naoriny teo an-tendrombohitry ny tranon'i Jehovah sy tany Jerosalema ka nariany teny ivelan'ny tanàna.
16 A ye ka Rabbi feema sinji. A boŋ mo no a na laakal kanay da saabuyaŋ sargay ton. A na Yahuda lordi mo ka ne i ma may Rabbi, Israyla Irikoyo se.
16Ary nanorina indray ny alitaran'i Jehovah izy ka namono zavatra hatao fanati-pihavanana sy fanati-pisaorana teo amboniny, dia nandidy ny Joda hanompo an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
17 Kulu nda yaadin borey mana fay da sargayey teeyaŋ tudey boŋ sududuyaŋ nangey ra, amma kala Rabbi ngey Irikoyo hinne se.
17Fa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra teny amin'ny fitoerana avo ihany, kanefa kosa ho an'i Jehovah Andriamaniny ihany.
18 Manasse goy cindey mo, d'a adduwa kaŋ a te nga Irikoyo gaa, da borey kaŋ yaŋ ga fonnay sanney kaŋ yaŋ i salaŋ a se Rabbi, Israyla Irikoyo maa gaa, ngey neeya, i go Israyla bonkooney baaru tira ra.
18Ary ny tantaran'i Manase sisa mbamin'ny vavaka nataony tamin'Andriamaniny sy ny tenin'ireo mpahita izay niteny taminy tamin'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely indro, ao amin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
19 A adduwa kaŋ a te din, da mate kaŋ Rabbi tu a se d'a, d'a zunubo d'a amaana ŋwaaray kulu, da tudey boŋ sududuyaŋ nangey kaŋ a cina, da bundu tooro kaŋ a sinji, da jabuyaŋ himandey kaŋ jine a na nga boŋ kaynandi, a go, i n'i hantum Fonnaykoy tira ra.
19Ary koa, ny vavaka nataony sy ny naneken'Andriamanitra izany ary ny fahotany sy ny fahadisoany rehetra mbamin'ny fitoerana izay nanorenany fitoerana avo sy nananganany Aseraha sy sarin-javatra voasokitra, fony izy tsy mbola nanetry tena, indro, efa voasoratra ao amin'ny tenin'i Hozay izany.
20 Manasse mo kani nga kaayey banda. I n'a fiji nga bumbo windo ra. A ize Amon te bonkooni a nango ra.
20Ary Manase lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-tranony; ary Amona zanany no nanjaka nandimby azy.
21 Amon gonda jiiri waranka cindi hinka waato kaŋ a sintin ka may. A may jiiri hinka Urusalima ra.
21Roa amby roa-polo taona Amona, fony izy vao nanjaka, ary roa taona no nanjakany tany Jerosalema.
22 A na goy laalo te Rabbi diyaŋ gaa, sanda mate kaŋ cine a baabo Manasse te. Amon na sargayyaŋ salle himandi jabantey kulu kaŋ nga baabo Manasse te yaŋ din se, a may i se mo.
22Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah tahaka ny nataon'i Manase rainy ihany izy; fa ny sarin-javatra voasokitra rehetra nataon'i Manase rainy dia namonoan'i Amona zavatra hatao fanatitra ka notompoiny;
23 Amma a mana nga boŋ kaynandi Rabbi jine, sanda mate kaŋ cine a baabo Manasse na nga boŋ kaynandi. Amma Amon wo soobay ka taali te ka tonton.
23ary tsy nanetry tena teo anatrehan'i Jehovah tahaka ny nataon'i Manase rainy izy, fa mainka nanota bebe kokoa aza.
24 A bannyey mo na me haw a boŋ k'a wi nga windo ra.
24Dia nikomy taminy ny mpanompony ka namono azy tao an-tranony.Fa ny vahoaka kosa namono izay rehetra efa nikomy tamin'i Amona mpanjaka, dia nampanjaka an'i Josia zanany hisolo azy.
25 Amma laabo borey na borey kaŋ na me-hawyaŋo te Bonkoono Amon boŋ din kulu wi. Laabo borey n'a izo Yosiya didiji bonkooni mo a nango ra.
25Fa ny vahoaka kosa namono izay rehetra efa nikomy tamin'i Amona mpanjaka, dia nampanjaka an'i Josia zanany hisolo azy.