1 Laabo borey na Yosiya izo Yehowahaz sambu k'a didiji bonkooni a baabo nango ra Urusalima.
1[Ny nanjakan'i Joahaza sy Joiakima sy Joiakina ary Zedekia, sy ny nandravana an'i Jerosalema, ary ny nitondrana ny olona ho babo tany Babylona] Ary ny vahoaka naka an'i Joahaza, zanak'i Josia, ka nampanjaka azy tany Jerosalema handimby an-drainy.
2 Yehowahaz gonda jiiri waranka cindi hinza waato kaŋ a sintin ka may. A may handu hinza Urusalima ra.
2Telo amby roa-polo taona loahaza, fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema.
3 Misira bonkoono mo n'a kaa koytara ra noodin Urusalima ra. A na laabu jukke nzarfu ton taaci nda jare cine da wura kilo waytaaci cindi gu cine.
3Ary nesorin'ny mpanjakan'i Egypta tany Jerosalema izy, sady nampandoaviny sazy talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny fanjakana.
4 Misira bonkoono mo na Yehowahaz nya izo Eliyacim didiji bonkooni Yahuda nda Urusalima boŋ. A n'a maa barmay ka daŋ Yehoyacim. Neko n'a nya izo Yehowahaz sambu ka kond'a Misira.
4Ary ny mpanjakan'i Egypta nampanjaka an'i Eliakima, rahalahin'i Joahaza, tamin'ny Joda sy Jerosalema, ary ny anarany dia novany hoe Joiakima; ary Joahaza rahalahiny kosa dia nalainy ka nentiny ho any Egypta.
5 Yehoyacim gonda jiiri waranka cindi gu alwaato kaŋ a sintin ka may. A may jiiri way cindi fo Urusalima ra. A na goy laalo goy te Rabbi nga Irikoyo diyaŋ gaa.
5Dimy amby roa-polo taona Joiakima, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah Andriamaniny izy.
6 Babila bonkoono Nebukadnezzar mo kande Yehoyacim gaa wongu. A n'a haw da guuru-say sisiriyaŋ zama nga ma kond'a Babila.
6Ary Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, dia niakatra namely azy ka namatotra azy tamin'ny gadra varahina mba hitondra azy ho any Babylona.
7 Nebukadnezzar na Rabbi windo ra jinay fooyaŋ ku mo ka kond'ey Babila. A n'i daŋ nga tooro windo ra noodin Babila.
7Ary ny fanaka sasany tao an-tranon'i Jehovah dia nentin'i Nebokadnezara ho any Babylona koa ka nataony tao amin'ny tempoliny tany Babylona.
8 Yehoyacim goy cindey mo, d'a fanta harey kaŋ a te, da taalo kaŋ i gar a do, ngey neeya, i n'i hantum Israyla da Yahuda bonkooney tira ra. A izo Yehoyacin te bonkooni a nango ra.
8Ary ny tantaran'i Joiakima sisa sy ny fahavetavetana nataony mbamin'izay toetoeny rehetra, dia, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny Joda izany; ary Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.
9 Yehoyacin gonda jiiri ahakku waato kaŋ a sintin ka may. A may handu hinza nda jirbi way Urusalima ra. A na goy laalo te Rabbi diyaŋ gaa.
9Valo taona Joiakina, fony izy vao nanjaka, ary telo volana sy hafoloana no nanjakany tany Jerosalema; ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy. [Na: Valo ambin'ny folo, izahao 2 Mpan. xxiv. 8]
10 Waato kaŋ jiiro bare, bonkoono Nebukadnezzar donton i ma kond'a Babila, nga nda Rabbi windo jinay hanney. I n'a dumi fo Zedeciya daŋ koytaray Yahuda nda Urusalima boŋ.
10Ary nony niherina ny taona, dia naniraka Nebokadnezara mpanjaka ka nitondra azy mbamin'ny fanaka tsara tao an-tranon'i Jehovah ho any Babylona, dia nampanjaka an'i Zedekia rahalahin-drainy tamin'ny Joda sy Jerosalema izy.[Heb. rahalahiny]
11 Zedeciya gonda jiiri waranka cindi fo waato kaŋ a sintin ka may. A may jiiri way cindi fo Urusalima ra.
11Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema.
12 A na goy laalo te Rabbi nga Irikoyo diyaŋ gaa. A mana nga boŋ kaynandi annabi Irimiya jine, nga kaŋ na Rabbi me sanno salaŋ.
12Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah Andriamaniny izy, fa tsy nanetry tena teo anatrehan'i Jeremia mpaminany, izay nilaza ny tenin'Andriamanitra.
13 A murte mo Bonkoono Nebukadnezzar gaa, nga kaŋ n'a daŋ zeyaŋ Irikoy maa boŋ, amma a na nga hanga sandandi. A na nga bina sandandi mo nga ma si bare ka ye Rabbi, Israyla Irikoyo do.
13Ary nikomy tamin'i Nebokadnezara mpanjaka izay efa nampianiana azy tamin'Andriamanitra koa izy; ary nanamafy ny hatony sy nanasarotra ny fony izy mba tsy hiverina ho amin'Andriamanitry ny Isiraely.
14 Alfaga beerey kulu mo, da jama na asariya daaru gumo, dumi cindey fanta harey kulu boŋ. I na Rabbi windo kaŋ a hanandi Urusalima ra din ziibandi.
14Ary ny lehibe rehetra tamin'ny mpisorona sy ny vahoaka koa nanao izay mahadiso indrindra araka ny fahavetavetana rehetra fanaon'ny jentilisa ka nandoto ny tranon'i Jehovah tany Jerosalema izay nohamasininy.
15 Rabbi mo, i kaayey Irikoyo donton i gaa nga diyey do. A ga soobay k'i donton, zama a ga bakar nga borey se, da nga nangora mo se.
15Kanefa Jehovah, Andriamanitry ny razany, nampitondra teny ny iraka izay nirahiny ho any aminy; eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka, fa namindra fo tamin'ny olony sy ny fonenany.
16 Amma i na Irikoy diyey hahaara, i donda a sanno. I na me nyatte a annabey gaa, hala Rabbi futa tun ka gaaba nda nga jama, hal a sinda safari.
16Kanjo ny olona nihomehy ireny irak'Andriamanitra ireny sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran'i Jehovah taminy, ka tsy nisy nahavonjy azy.
17 Woodin se no a kande Kaldancey bonkoono i gaa. Nga mo n'i arwasey wi da takuba i nangu hananta ra. Arwasu gaa, wandiyo gaa, albeeri gaa, hamni kwaaray gaa, a mana bakar baa afo se. Rabbi n'i kulu daŋ a kambe ra.
17Koa nentiny namely azy ny mpanjakan'ny Kaldeana, izay namono ny zatovony tamin'ny sabatra tao an-trano fitoerana masina, ary tsy nisy namindrany fo, na zatovo na virijina, na ny antitra sy ny fotsy volo; fa izy rehetra dia natolony ho eo an-tànany avokoa.
18 Irikoy windo jinay kulu, ikayna nda ibeeri, da Rabbi fuwo ra jinay darzantey, da koyo wane jinay darzantey, d'a mayraykoyey waney, woodin yaŋ kulu a kond'ey Babila.
18Ary ny fanaka rehetra tao an-tranon'Andriamanitra, na ny vaventy na ny madinika, mbamin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah ary ny rakitry ny mpanjaka sy ny mpanapaka, ireny rehetra ireny dia nentiny ho any Babylona avokoa.
19 I na Irikoy windo ton ka Urusalima birni cinaro bagu-bagu. I n'a faadey kulu ton da danji, i n'a jinay hanney kulu halaci.
19Dia nodorany koa ny tranon'Andriamanitra, ary noravany ny mandan'i Jerosalema; ny lapan'andriana rehetra tao koa dia nodorany tamin'ny afo, ary ny fanaka tsara rehetra tao nosimbany.
20 Borey kaŋ yaŋ na takuba yana mo, a kond'ey Babila. I ciya a tamyaŋ d'a izey mo waney hal a to Persiya mayra zamana gaa,
20Ary ny olona sisa tsy matin-tsabatra dia nentiny ho babo tany Babylona, ka tonga mpanompo azy sy ny zanany ireny mandra-panjakan'ny mpanjakan'i Persia,
21 zama i ma Rabbi sanno kaŋ a ci Irimiya me ra toonandi, hala waati kaŋ cine laabo ga maa nga asibtey kaani. Zama duumi kaŋ a goono ga goro kurmu, a n'a asibtey haggoy, hala jiiri wayye timmante.
21hanatanterahana ny tenin'i Jehovah nampilaza.na an'i Jeremia, mandra-panonitry ny tany ny Sabatany; fa tamin'ny andro rehetra izay nahafoanany dia natsahatra ny tany mba hanonitra ny Sabatany mandra-pahatapitry ny fito-polo taona.[Izaho Lev xxvi. 34]
22 I go no binde, Persiya bonkoono Sirus koytara jiiri sintina ra, zama Rabbi sanno kaŋ a ci annabi Irimiya me ra ma to, kala Rabbi n'a daŋ Persiya bonkoono Sirus biya ra hal i ma fe nga mayra kulu ra. A naŋ i ma hantum mo ka ne:
22[Ny teny nataon'i Kyrosy nandefasana ny Jiosy hody ho any an-tanindrazana] Ary tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Perisa, dia notairin'i Jehovah ny fanahin'i Kyrosy mpanjakan'i Persia. mba hanatanteraka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Jeremia, ka dia nandefa teny eran'ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe:Izao no lazain'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany dia efa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema, izay any Joda. Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Jehovah Andriamaniny anie nomba azy, fa aoka hiakatra izy.
23 «Yaa no Persiya bonkoono Sirus ne: ‹Rabbi Irikoy kaŋ go beene, a na ndunnya mayrayey kulu no ay se. A gaabandi ay se mo ya windi cina nga se Urusalima ra, kwaara kaŋ go Yahuda laabo ra. Boro kulu kaŋ no araŋ a borey ra, Rabbi a Irikoyo ma goro a banda. Bora ma tun ka koy noodin.› »
23Izao no lazain'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany dia efa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema, izay any Joda. Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Jehovah Andriamaniny anie nomba azy, fa aoka hiakatra izy.