Zarma

Malagasy

2 Kings

13

1 Yahuda bonkoono Yowasa, Ahaziya izo, a mayra jiiri waranka cindi hinzanta ra no Yehowahaz, Yehu izo te bonkooni Israyla boŋ Samariya ra. A may mo jiiri way cindi iyye.
1[Ny nanjakan'i Joahaza sy Joasy zanany tamin'ny Isiraely, ary ny nahafatesan'i Elisa] Tamin'ny taona fahatelo amby roa-polo nanjakan'i Joasy, zanak'i Ahazia, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Joahaza, zanak'i Jeho, tamin'ny Isiraely tany Samaria, ary nanjaka fito ambin'ny folo taona izy.
2 A na goy laalo te Rabbi diyaŋ gaa. A na Yerobowam Nebat ize zunubey gana, naŋ kaŋ a na Israyla daŋ a ma zunubi te; a mana fay d'ey mo.
2Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa nanaraka ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely; tsy niala tamin'izany izy.
3 Kala Rabbi bine koroŋ Israyla boŋ. A n'i daŋ Suriya bonkoono Hazayel, da Ben-Hadad, Hazayel izo kambe ra waati kulu.
3Ary ny fahatezeran'i Jehovah nirehitra tamin'ny Isiraely, ka dia natolony teo an-tanan'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, sy teo an-tanan'i Beni-hadada, zanak'i Hazaela, mandrakariva izy.
4 Yehowahaz na Rabbi ŋwaaray. Rabbi mo maa a se, zama a di kankami kaŋ go ga te Israyla se Suriya bonkoono kambe ra no.
4Ary Joahaza nifona tamin'i Jehovah, dia nohenoin'i Jehovah izy, satria hitany ny fahorian'ny Isiraely, fa nampahory azy ny mpanjakan'i Syria.
5 Rabbi mo na Israyla no faabako hal i yana ka fun Suriyancey kambe ra. Israyla izey mo goro ngey windey ra sanda doŋ wano cine.
5Ary Jehovah nanome mpamonjy ho amin'ny Isiraely, ka dia afaka tamin'ny tanan'ny Syriana izy; ary nandry fahizay toy ny teo aloha ny Zanak'Isiraely.
6 Kulu nda yaadin, i mana fay da Yerobowam kwaara zunubey bo, naŋ kaŋ a na Israyla daŋ i ma zunubi te, amma i soobay ka dira i ra. Wayboro himandi bundu tooruyaŋ mo cindi Samariya ra.
6Kanefa tsy niala tamin'ny fahotan'ny taranak'i Jeroboama, izay nampanotany ny Isiraely, izy, fa nandeha tamin'izany ihany, ary na dia ilay Aseraha aza dia mbola tao Samaria ihany.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny]
7 Zama a na kaaruko waygu da wongu torko way, da ce-koy zambar way hinne naŋ Yehowahaz se. Zama Suriya bonkoono n'i halaci, a n'i ciya sanda du kaŋ boro ga taamu cine.
7Fa tsy nisy sisa navelan'i Jehovah ho an'i Joahaza, afa-tsy mpitaingin-tsoavaly dimam-polo sy kalesy folo ary miaramila an-tongotra iray alina; fa ny mpanjakan'i Syria efa nandringana azy ka nanao azy ho toy ny vovoka hitsakitsahina.
8 Yehowahaz goy cindey, da haŋ kaŋ a te kulu, d'a soojetaray manti i n'i hantum Israyla bonkooney baaru tira ra bo?
8Ary ny tantaran'i Joahaza sisa mbamin'izay rehetra nataony ary ny heriny, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
9 Yehowahaz binde kani nga kaayey banda; i n'a fiji Samariya ra. A izo Yehowasa te bonkooni a nango ra.
9Ary Joahaza lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao Samaria izy; ary Joasy zanany no nanjaka nandimby azy.
10 Yahuda bonkoono Yehowasa mayra jiiri waranza cindi iyyanta ra no Yehowasa, Yehowahaz izo te bonkooni Samariya ra Israyla boŋ. A may mo jiiri way cindi iddu.
10Tamin'ny taona fahafito amby telo-polo nanjakan'i Joasy, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Joasy, zanak'i Joahaza, tamin'ny Isiraely tany Samaria, ary nanjaka enina ambin'ny folo taona izy.
11 A na teera laalo te Rabbi diyaŋ gaa. A mana fay da Yerobowam Nebat izo zunubey, naŋ kaŋ a na Israyla daŋ i ma zunubi te, amma i ra no a soobay ka dira.
11Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy; fa tsy niala tamin'ny fahotana rehetra izay nataon'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sady nampanotany ny Isiraely; fa nandeha tamin'izany ihany izy.
12 Yehowasa goy cindey mo, da haŋ kaŋ a te kulu, da gaabi kaŋ a na wongu te d'a Yahuda bonkoono Amaziya gaa, manti i n'i hantum Israyla bonkooney baaru tira ra bo?
12Ary ny tantaran'i Joasy sisa mbamin'izay rehetra nataony sy ny heriny niadiany tamin'i Amazia, mpanjakan'ny Joda, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
13 Yehowasa kani nga kaayey banda, Yerobowam mo goro a karga boŋ. I na Yehowasa fiji Samariya ra, naŋ kaŋ i ga Israyla bonkooney fiji.
13Ary Joasy lasa nodi-mandry any amin'ny razany, ary Jeroboama nipetraka tamin'ny seza fiandrianany; ary Joasy dia nalevina tany Samaria tao amin'ny mpanjakan'ny Isiraely.
14 A go no, kala dooro kaŋ ga Iliyasu wi din n'a di hal a kani. Israyla bonkoono Yehowasa mo kaa a do. A soobay ka hẽ a boŋ, ka ne: «Ay baaba! Ay baaba! Israyla torko nd'a kaarukoy no.»
14Ary Elisa dia nararin'ny aretina izay hahafaty azy. Ary Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, nidina nankany aminy ka niondrika nitomany teo ambonin'ny tavan'i Elisa ka nanao hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô, ny kalesin'ny Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny!
15 Iliyasu ne a se: «Ni ma hangaw da biraw sambu.» A na hangawo da birawo sambu mo.
15Ary hoy Elisa taminy: Makà tsipìka sy zana-tsipìka. Ary dia naka tsipìka sy zana-tsipìka izy.
16 A ne Israyla bonkoono se: «Ni kamba daŋ birawo gaa.» A na nga kamba daŋ mo. Iliyasu na nga kambey dake bonkoono kambey boŋ.
16Ary hoy izy tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely: Henjano ny tsipìka. Dia nohenjaniny; ary Elisa nametraka ny tànany teo amin'ny tanan'ny mpanjaka.
17 A ne: «Ma wayna funay haray finetaro fiti.» A n'a fiti. Iliyasu ne a se: «Hay!» A hay. A ne: «Rabbi hangawo Suriyancey boŋ, zaamayaŋ hangaw no. Zama ni ga Suriyancey kar Afek ra, hala ni m'i ŋwa.»
17Ary hoy izy: Vohay ny varavarankely atsinanana. Ary dia novohany. Dia hoy Elisa: Alefao. Ka dia nalefany. Ary hoy izy: Zana-tsipìkan'ny famonjen'i Jehovah, dia zana-tsipìkan'ny famonjena hahavoa ny Syriana! fa hamely ny Syriana ao Afeka ianao mandra-pandringanao azy.
18 Iliyasu ne mo: «Ma sambu hangawey.» A sambu koyne. A ne: «Israyla bonkoono ma laabo kar.» A n'a kar hala sorro hinza ka naŋ.
18Ary hoy koa izy: Raiso ny zana-tsipìka. Dia noraisiny. Ary hoy izy tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely: Kapohy ny tany. Ary nokapohiny intelo, dia nitsahatra izy.
19 Irikoy bora mo futu a se ka ne: «A hima ni ma kar sorro gu wala iddu. Yaadin cine no ni ga Suriya kar ka ŋwa mo. Amma sohõ sorro hinza hinne no ni ga Suriya kar.»
19Ary ilay lehilahin'Andriamanitra dia tezitra taminy ka nanao hoe: Tokony ho nikapoka indimy na inenina ianao, dia ho nasianao ny Syriana mandra-pandringanao azy; fa izao dia intelo ihany no hamelezanao ny Syriana.
20 Iliyasu bu, a n'a fiji mo. Jiiri tajo sintina Mowab soojey kande wongu laabo ra.
20Ary dia maty Elisa ka nalevina. Ary ny mpitoha adin'ny Moabita nananika ny tany amin'ny fitsingerenan'ny taona.
21 A ciya mo, i go boro fo fijiyaŋ gaa, kal i na soojeyaŋ fonnay. I na bora jindaw Iliyasu saara ra. Kaŋ bora lamba Iliyasu biriyey gaa, kal a ye ka tun ka kay nga cey boŋ.
21Ary nisy nandevina olona, dia, indro, nahita ireo mpitoha ady izy, ka dia natsipiny tao am-pasan'i Elisa ny faty; ary raha vao nitehika tamin'ny taolan'i Elisa ny fatin-dralehilahy, dia velona izy ka nijoro tamin'ny tongony.
22 Suriya bonkoono Hazayel mo na Israyla kaynandi Yehowahaz jirbey kulu ra.
22Ary Hazaela, mpanjakan'i Syria, nampahory ny Isiraely tamin'ny andro rehetra nanjakan'i Joahaza.
23 Amma Rabbi na gomni te i se, a di i bakaraw, a fongu i gaa nga alkawlo kaŋ a sambu Ibrahim da Isaka nda Yakuba se din sabbay se. A mana yadda i m'i halaci mo, a si ba nga m'i ban jina.
23Fa Jehovah namindra fo taminy sy niantra azy ary nitsinjo azy noho ny fanekeny tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka tsy ta-handringana azy na hanaisotra azy tsy ho eo anatrehany mandraka ankehitriny.
24 Suriya bonkoono Hazayel bu. A izo Ben-Hadad mo te bonkooni a nango ra.
24Ary maty Hazaela, mpanjakan'i Syria; ary Beni-hadada zanany no nanjaka nandimby azy.Ary Joasy, zanak'i Joahaza, naka indray teo an-tànan'i Beni-hadada, zanak'i Hazaela, ny tanàna izay efa nalain'i Hazaela teo an-tànan'i Joahaza, rain'i Joasy, tamin'ny ady. Intelo no nandresen'i Joasy azy, ka dia azony indray ny tanànan'ny Isiraely.
25 Yehowasa, Yehowahaz ize mo ye ka kwaarey ta Ben-Hadad, Hazayel izo kamba ra, wo kaŋ yaŋ Hazayel ta a baabo Yehowahaz kamba ra. Wongu do ce hinza no Yehowasa n'a kar, a ye ka Israyla kwaarey ta mo.
25Ary Joasy, zanak'i Joahaza, naka indray teo an-tànan'i Beni-hadada, zanak'i Hazaela, ny tanàna izay efa nalain'i Hazaela teo an-tànan'i Joahaza, rain'i Joasy, tamin'ny ady. Intelo no nandresen'i Joasy azy, ka dia azony indray ny tanànan'ny Isiraely.