Zarma

Malagasy

2 Kings

15

1 Israyla bonkoono Yerobowam mayra jiiri waranka cindi iyyanta ra no Yahuda bonkoono Azariya Amaziya izo te bonkooni.
1[Ny nanjakan'i Azaria tamin'ny Joda, ary ny nanjakan'i Zakaria sy Saloma sy Menahema sy Pekahia ary Peka tamin'ny Isiraely] Tamin'ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Azaria, zanak'i Amazia, mpanjakan'ny Joda.
2 A gonda jiiri way cindi iddu waato kaŋ a sintin ka may. A may mo jiiri waygu cindi hinka Urusalima ra. A nyaŋo maa Yekoliya, Urusalima boro no.
2Enina ambin'ny folo taona izy, fony vao nanjaka, ary roa amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jekolia, avy any Jerosalema.
3 A na haŋ kaŋ ga saba te Rabbi diyaŋ gaa, mate kulu kaŋ cine nga baabo Amaziya te.
3Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon'i Amazia rainy;
4 Amma i mana tudey boŋ sududuyaŋ nangey kaa bo. Hala ka kaa sohõ jama ga sargayey wi ka dugu ton mo tudey boŋ sududuyaŋ nangey ra.
4kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany ny olona.
5 Rabbi mo na bonkoono ham k'a ciya jiray kal a buuyaŋ. A goro fu fo ra waani. Bonkoono izo Yotam mo goro bonkoono windo ra ka ciiti dumbu laabo jama se.
5Ary Jehovah namely ny mpanjaka, ka dia boka mandra-pahafatiny izy ka nitoetra tao an-trano nitokana. Ary Jotama, zanakalahin'ny mpanjaka, no nanapaka tao an-dapa sy nitsara ny vahoaka.
6 Azariya goy cindey mo, da haŋ kaŋ a te kulu, manti i n'i hantum Yahuda bonkooney baaru tira ra bo?
6Ary ny tantaran'i Azaria sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
7 Azariya mo kani nga kaayey banda. I n'a fiji nga kaayey banda Dawda birno ra. A izo Yotam mo te bonkooni a nango ra.
7Ary Azaria dia lasa nodimandry any amin'ny razany, ka nalevina tao amin'ny razany tao an-tanànan'i Davida izy; ary Jotama zanany no nanjaka nandimby azy.
8 Yahuda bonkoono Azariya mayra jiiri waranza cindi ahakkanta ra no Zakariya Yerobowam izo na Israyla may Samariya ra handu iddu.
8Tamin'ny taona fahavalo amby telo-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no nanjakan'i Zakaria, zanak'i Jeroboama, tamin'ny Isiraely, ary nanjaka enim-bolana tao Samaria izy.
9 A na teera laalo te Rabbi diyaŋ gaa sanda mate kaŋ a kaayey te. A mana fay da Yerobowam Nebat izo zunubey bo, naŋ kaŋ a na Israyla daŋ i ma zunubi te.
9Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah tahaka ny nataon'ny razany izy, fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, Izay nampanotany ny Isiraely.
10 Kala Sallum, Yabez izo murte a gaa. A n'a kar jama jine k'a wi, ka te bonkooni a nango ra.
10Ary Saloma, zanak'i Jabesy, nikomy taminy, dia namely azy teo anatrehan'ny olona ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy.
11 Zakariya goy cindey mo, ngey neeya, i n'i hantum Israyla bonkooney baaru tira ra.
11Ary ny tantaran'i Zakaria sisa, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
12 Rabbi sanno no, kaŋ a ci Yehu se ka ne: «Ni izey ga goro Israyla karga boŋ hala ni hangasi-ham.» A ciya mo yaadin.
12Izany no ilay tenin'i Jehovah nolazainy tamin'i Jeho hoe: Ny taranakao hatramin'ny zafindohalika dia hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely. Ka dia tanteraka izany.
13 Sallum Yabez izo te bonkooni Yahuda bonkoono Uzziya mayra jiiri waranza cindi yagganta ra. A may mo handu folloŋ Samariya ra.
13Ary Saloma, zanak'i Jabesy, dia vao nanjaka tamin'ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan'i Ozia, mpanjakan'ny Joda; ary nanjaka andro iray volana tany Samaria izy.
14 Kala Menahem Gadi ize tun ka fun Tirza ra. Gaa no a kaa Samariya ka Sallum Yabez izo kar Samariya ra k'a wi. A te bonkooni a nango ra.
14Fa Menahema, zanak'i Gady, niakatra avy tany Tirza ka nankany Samaria, dia namely an'i Saloma, zanak'i Jabesy, tany Samaria ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy.
15 Sallum goy cindey mo, da murteyaŋ kaŋ a te, guna, i n'i hantum Israyla bonkooney baaru tira ra.
15Ary ny tantaran'i Saloma sisa mbamin'ny nikomiany, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
16 Saaya din Menahem na Tifsa da borey kaŋ yaŋ go a ra kulu, d'a kawyey kulu kar za Tirza, zama i mana fiti a se. Woodin sabbay se no a n'a kar. Wayboro gundekoyey kulu mo, a n'i fooru.
16Tamin'izany Menahema dia niala tany Tirza ka namely an'i Tifsa mbamin'izay rehetra tao hatramin'ny sisin-taniny; fa tsy namoha vavahady azy Tifsa, ka dia nasiany, ary izay bevohoka rehetra tao notatahany.
17 Yahuda bonkoono Azariya mayra jiiri waranza cindi yagganta ra no Menahem Gadi izo te bonkooni Israyla boŋ. A te jiiri way Samariya koytaray ra.
17Tamin'ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Menahema, zanak'i Gady, tamin'ny Isiraely, ary nanjaka folo taona tao Samaria izy.
18 A na teera laalo te Rabbi diyaŋ gaa. A fundi jirbey kulu ra a mana fay da Yerobowam Nebat izo zunubey, naŋ kaŋ a na Israyla daŋ i ma zunubi te.
18Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa tamin'ny androny rehetra dia tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
19 Assiriya bonkoono Pul mo kande wongu laabo gaa; Menahem mo na Pul no nzarfu ton waytaaci cindi gu cine, a ma kamba daŋ nga se, a ma koytara tabbatandi nga kambe ra.
19Ary Pola, mpanjakan'i Asyria, dia avy hananika ny tany; ary Menahema nanome an'i Pola talenta volafotsy arivo mba hampitoetra ny fanjakana eo an-tànan'i Menahema.
20 Menahem mo na nooru ta Israyla gaa, danga Israyla arzakante beerey kulu gaa. Boro fo kulu na nzarfu sekel* waygu bana zama i m'a no Assiriya bonkoono se. Assiriya bonkoono mo na banda bare; a mana goro laabo ra koyne.
20Ary nampandoavin'i Menahema io vola io ny mpanankarena rehetra tamin'ny Isiraely, dia sekely volafotsy dimam-polo avy isan-olona, homeny ny mpanjakan'i Asyria. Ka dia niverina ny mpanjakan'i Asyria, fa tsy nitoetra tao amin'ny tany.
21 Menahem goy cindey mo, da haŋ kaŋ a te kulu, manti i n'i hantum Israyla bonkooney baaru tira ra bo?
21Ary ny tantaran'i Menahema sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
22 Menahem mo kani nga kaayey banda. Pekahiya Menahem izo te bonkooni Israyla boŋ a nango ra.
22Ary Menahema lasa nodi-mandry any amin'ny razany, ary Pekahia zanany no nanjaka nandimby azy.
23 Yahuda bonkoono Azariya mayra jiiri waygo ra no Pekahiya Menahem izo te bonkooni Israyla boŋ Samariya ra. A te jiiri hinka koytara ra.
23Tamin'ny taona fahadimam-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Pekahia, zanak'i Menahema, tamin'ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa taona izy.
24 A na teera laalo te Rabbi diyaŋ gaa. A mana fay da Yerobowam Nebat izo zunubey, naŋ kaŋ a na Israyla daŋ i ma zunubi te.
24Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
25 A sooja Peka Remaliya izo mo murte a gaa k'a kar Samariya ra, bonkoono faada ra, nga nda Argob da Ariye care banda, da boro waygu koyne, Jileyad boroyaŋ. A n'a wi ka te bonkooni a nango ra.
25Ary Peka, zanak'i Remalia, lefiny, dia nikomy taminy ka namely an'i Pekahia mbamin'i Argoba sy Aria teo Samaria, tao amin'ny trano-avo amin'ny lapa, ary teo amin'Peka nisy olona dimam-polo lahy tamin'ny taranak'i Gileada; koa namono azy izy, dia nanjaka nandimby azy.
26 Pekahiya goy cindey, da haŋ kaŋ a te kulu, guna, i n'i hantum Israyla bonkooney baaru tira ra.
26Ary ny tantaran'i Pekahia sisa mbamin'izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
27 Yahuda bonkoono Azariya jiiri waygu cindi hinkanta ra no Peka Remaliya izo te bonkooni Israyla boŋ Samariya ra. A may mo jiiri waranka.
27Tamin'ny taona faharoa amby dimam-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Peka, zanak'i Remalia, tamin'ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa-polo taona izy.
28 A na teera laalo te Rabbi diyaŋ gaa. A mana fay da Yerobowam Nebat ize zunubey, naŋ kaŋ a na Israyla daŋ i ma zunubi te.
28Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
29 Israyla bonkoono Peka jirbey ra, Assiriya bonkoono Tiglat-Pileser kaa ka Iyon, da Abel-Bayt-Maaka, da Yanowa, da Kedes, da Hazor ŋwa, danga Jileyad da Galili da Naftali laabey kulu no. A kond'ey tamtaray Assiriya laabo ra.
29Tamin'ny andron'i Peka, mpanjakan'ny Isiraely, dia tonga Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, ka nahafaka an'Iona sy Abela-beti-maka sy Janoa sy Kadesy sy Hazora sy Gileada ary Galilia, dia ny tanin'ny Naftaly rehetra, ary nitondra ny olona ho babo tany Asyria izy.
30 Hoseya Ela izo mo murte Peka Remaliya izo gaa k'a kar ka wi. A te bonkooni a nango ra, Yotam Uzziya izo jiiri warankanta ra.
30Ary Hosea, zanak'i Elaha, nikomy tamin'i Peta, Zanak'i Remalia, dia namely azy ho faty ka nanjaka nandimby azy tamin'ny taona faharoa-polo nanjakan'i Jotama, zanak'i Ozia.
31 Peka goy cindey mo da haŋ kaŋ a te kulu, guna, i n'i hantum Israyla bonkooney baaru tira ra.
31Ary ny tantaran'i Peka sisa mbamin'izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
32 Israyla bonkoono Peka Remaliya izo mayra jiiri hinkanta ra no Yahuda bonkoono Yotam Uzziya izo te bonkooni.
32[Ny nanjakan'i Jotama tamin'ny Joda] Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Peka, zanak'i Remalia, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Jotama, zanak'i Ozia, mpanjakan'ny Joda.
33 A gonda jiiri waranka cindi gu waato kaŋ a sintin ka may. A may mo jiiri way cindi iddu Urusalima ra. A nyaŋo maa Yerusa Zadok ize way mo.
33Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jerosa, zanakavavin'i Zadoka.
34 Yotam te haŋ kaŋ ga saba Rabbi diyaŋ gaa. A na hay kulu te mate kaŋ cine nga baabo Uzziya te.
34Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy; tahaka izay rehetra nataon'i Ozia rainy no nataony.
35 Amma i mana tudey boŋ sududuyaŋ nangey tuusu. Hala ka kaa sohõ borey ga sargayyaŋ wi ka dugu ton tudey boŋ sududuyaŋ nangey ra. A na Rabbi windo beene meyo cina.
35Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany ny olona. Izy no nanao ny vavahady ambony amin'ny tranon'i Jehovah.
36 Yotam goy cindey mo da haŋ kaŋ a te kulu, manti i n'i hantum Yahuda bonkooney baaru tira ra bo?
36Ary ny tantaran'i Jotama sisa mbamin'Izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
37 Jirbey din ra Rabbi sintin ka Suriya bonkoono Rezin donton a ma wongu nda Yahuda, da Peka Remaliya izo mo.
37Tamin'izany andro Izany no vao nampandehanan'i Jehovah an'i Rezina, mpanjakan'i Syria, sy Peka, zanak'i Remalia, hanafika an'i Joda.Ary Jotama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy.
38 Yotam kani nga kaayey banda. I n'a fiji mo nga kaayey banda a kaayo Dawda birno ra. A izo Ahaz te bonkooni a nango ra.
38Ary Jotama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy.