Zarma

Malagasy

2 Kings

8

1 Amma Iliyasu jin ka salaŋ da waybora kaŋ a n'a izo fundo yeti. A ne: «Ni ma tun ka koy, nin da ni almayaaley, ka koy naŋ kaŋ ni ga zumbu kulu. Zama Rabbi ce ka ne haray ma te. Jiiri iyye mo no a ga te laabo ra.»
1[Ny amin'ny nahazoan'ilay vehivavy Sonemita ny tranony sy ny taniny] Ary Elisa efa niteny tamin-dravehivavy, renin'ilay zaza maty novelominy, ka nanao hoe: Miaingà, ka mandehana ianao sy ny ankohonanao, ary mivahinia any amin'izay azonao hivahiniana; fa Jehovah efa niantso ny mosary, sady efa ho tonga izany ka haharitra fito taona amin'ny tany.
2 Kala waybora tun ka te Irikoy bora ciyaŋo boŋ. A koy, nga nda nga almayaaley care banda ka goro Filistancey laabo ra jiiri iyye.
2Dia niainga ravehivavy ka nanao araka ny tenin'ilay lehilahin'Andriamanitra; eny, lasa izy sy ny ankohonany ka nivahiny fito taona tany amin'ny tanin'ny Filistina.
3 A ciya, jiiri iyya din bananta ra, kala waybora din tun Filistancey laabo ra. A ye ka kaa nga kwaara. A fatta mo zama nga ma hẽ bonkoono gaa a windo nd'a farey sabbay se.
3Ary nony afaka ny fito taona, dia nody avy tany amin'ny tanin'ny Filistina ravehivavy; ary lasa nitaraina tamin'ny mpanjaka izy ny amin'ny tranony sy ny taniny.
4 A kaa ka saba nda bonkoono go ga salaŋ da Gehazi, Irikoy bora zanka. A go ga ne: «Ay ga ni ŋwaaray, ma ded'ay se hari bambata kulu kaŋ Iliyasu te.»
4Ary ny mpanjaka niteny tamin'i Gehazy, zatovon'ny lehilahin'Andriamanitra, hoe: Masìna ianao, lazao amiko izay zava-dehibe rehetra nataon'i Elisa.
5 Nga mo go baaru ciyaŋ gaa bonkoono se, mate kaŋ cine a ye ka buukwa no fundi, kala waybora kaŋ Iliyasu n'a izo fundo ye a gaa din go, a kande nga hẽeno bonkoono do, nga windo nda nga farey se. Gehazi mo ne: «Ya Koyo ay bonkoono, woone no ga ti waybora kaŋ izo Iliyasu ye ka kand'a fundo a gaa.»
5Ary raha mbola nilazalaza tamin'ny mpanjaka ny amin'ny nameloman'i Elisa ny maty izy dia, indro, ilay vehivavy renin'ny zaza maty novelominy, nitaraina tamin'ny mpanjaka ny amin'ny tranony sy ny taniny. Ary hoy Gehazy: Ry mpanjaka tompoko ô, ity ilay vehivavy, ary io koa ilay zanany maty novelomin'i Elisa.
6 Alwaato kaŋ bonkoono na waybora hã, nga mo na baaro dede a se. Bonkoono mo na doogari fo daŋ ka ne: «I ma yeti a se hay kulu kaŋ ga ti a wane, da nga fari albarka kulu za han kaŋ hane a na laabo naŋ hala hunkuna.»
6Ary nony nanontanian'ny mpanjaka ravehivavy, dia nilaza. Ary dia notendren'ny mpanjaka ny tandapa anankiray ka nomeny teny hoe: Avereno izay azy rehetra, ary onero ny vokatry ny taniny rehetra hatramin'ny andro nialany tamin'ny tany ka mandraka ankehitriny.
7 Kala Iliyasu kaa Damaskos kwaara. Suriya bonkoono Ben-Hadad mo jante. I ci a se ka ne: «Irikoy bora kaa ne.»
7[Ny nilazan'i Elisa tamin'i Hazaela ny handimbasany an'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria] Ary Elisa tonga tany Damaskosy tamin'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, narary; ary nisy nanambara taminy hoe: Indro, tonga atỳ ny lehilahin'Andriamanitra.
8 Bonkoono ne Hazayel se: «Ma nooyaŋ sambu ni kamba ra ka koy ka Irikoy bora kubay. Ma Rabbi hã a do ka ne: ay ga du baani ay dooro wo gaa, _wala ay si|_?»
8Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Hazaela: Mitondrà fanomezana eny an-tananao, ka mandehana, mitsenà ilay lehilahin'Andriamanitra, ary manontania izay tenin'i Jehovah aminy ka ataovy hoe: Ho sitrana ihany va aho amin'izao aretiko izao?
9 Hazayel mo koy k'a kubay da nooyaŋo nga kamba ra, sanda Damaskos hari darzakoy kulu, yo jeje waytaaci. A kaa mo ka kay Iliyasu jine ka ne: «Ni izo, Suriya bonkoono Ben-Hadad k'ay donton ni gaa. A ga hã hala nga ga du baani dooro wo gaa?»
9Dia lasa Hazaela nitsena azy sady nitondra fanomezana tamin'izay zava-tsoa rehetra any Damaskosy, dia entana entin-drameva efa-polo; ary tonga izy ka nitsangana teo anatrehany ary nanao hoe: Beni-hadada zanakao, mpanjakan'i Syria, no naniraka ahy ho atỳ aminao hanontany hoe: Ho sitrana ihany va aho amin'izao aretiko izao?
10 Iliyasu ne a se: «Koy ka ci a se: ‹Daahir ni ga du baani.› Kulu nda yaadin, Rabbi cabe ay se kaŋ daahir a ga bu.»
10Ary hoy Elisa taminy: Mandehana, ka lazao aminy hoe: Eny, ho sitrana tokoa ianao. Kanefa Jehovah efa naneho ahy fa ho faty tokoa izy.[Na: (Tsy ho sitrana ianao; fa)]
11 Kal a na mo sinji Hazayel gaa gumo, hala haawi n'a di, Irikoy bora mo hẽ.
11Ary nibanjina azy mandra-pikaodikaodiny izy; ary dia nitomany ny lehilahin'Andriamanitra.
12 Hazayel mo ne: «Ifo se no ay jine bora ga hẽ?» A tu ka ne: «Zama ay bay laala kaŋ ni ga ba ka te Israyla izey se. Ni ga danji daŋ i wongu fuwey gaa, ni g'i arwasey wi nda takuba, ni ga ize kayney kar-kar mo, k'i wayboro gundekoyey fooru.»
12Ary hoy Hazaela: Nahoana no mitomany ianao, tompoko? Ary izy namaly hoe: Satria fantatro izay ratsy hataonao amin'ny Zanak'Isiraely: ny fiarovany mafy hodoranao, ny zatovony hovonoinao amin'ny sabatra, ny zanany madinika hotorotoroinao, ary izay bevohoka eo aminy hotatahanao.
13 Hazayel ne: «Ay, ni bannya ya may no, kaŋ hansi hinne no, hal ay ma hari bambatey din te?» Iliyasu mo tu ka ne: «Rabbi n'ay cabe kaŋ ni ga ciya Suriya bonkooni.»
13Fa hoy Hazaela: Fa zinona moa ny mpanomponao, dia ity alika ity, no dia hahavita izany zavatra lehibe izany? Fa Elisa namaly hoe: Efa nasehon'i Jehovah tamiko fa, indro, ianao ho mpanjakan'i Syria.
14 Noodin mo no a fay da Iliyasu. A kaa nga jine bora do. Nga mo ne a se: «Ifo no Iliyasu ne ni se?» A tu ka ne: «A ci ay se ka ne: ‹Daahir ni ga du baani.› »
14Dia niala tamin'i Elisa izy ka nankany amin'ny tompony; ary izy nanontany azy hoe: Ahoana no nolazain'i Elisa taminao? Dia namaly hoe izy: Nolazainy tamiko fa ho velona tokoa ianao.
15 A ciya, a wane suba, kala Hazayel na kunta sambu k'a sufu hari ra. A n'a daabu bonkoono moyduma gaa hal a bu. Hazayel mo te bonkooni a nango ra.
15Ary nony ampitso, dia nalain'i Hazaela ny lamba firakotra ka natsobony tamin'ny rano ary nasarony ny tavan'i Beni-hadada, ka dia maty izy; ary Hazaela no nanjaka nandimby azy.
16 Israyla bonkoono Yoram, Ahab haama, a koytara jiiri guwanta ra no Yahuda bonkoono Yehoram Yehosafat izo te bonkooni.
16[Ny nanjakan'i Jehorama sy Ahazia tamin'ny Joda] Ary tamin'ny taona fahadimy nanjakan'i Jorama, zanak'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Jehorama, zanak'i Josafata, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny nanjakan'i Josafata tany Joda.
17 A gonda jiiri waranza cindi hinka waato kaŋ a sintin ka may, a may mo jiiri ahakku Urusalima* ra.
17Roa amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema.
18 A na Israyla bonkooney fonda gana sanda mate kaŋ cine Ahab dumo te, zama a na Ahab ize hiiji, a na goy laalo te mo Rabbi diyaŋ gaa.
18Ary nandeha tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny Isiraely izy, dia tahaka ny nataon'ny taranak'i Ahaba, fa ny zanakavavin'i Ahaba no vadiny, eny, nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy.
19 Amma Rabbi mana yadda ka Yahuda halaci bo, nga tamo Dawda sabbay se, za kaŋ a na alkawli sambu a se ka ne nga g'a no fitilla ka koy a izey gaa hal abada.
19Nefa Jehovah tsy nety nandringana ny Joda noho ny amin'i Davida mpanompony, araka ilay nolazainy taminy fa homeny jiro mandrakizay ho an'ny taranany.[Na: izy sy]
20 A zamana ra no Edom murte Yahuda koytara gaa. I na bonkooni daŋ ngey boŋ se.
20Tamin'ny androny no niodinan'i Edoma ka tsy nanoa ny Joda, fa nanangana mpanjaka ho azy;
21 Alwaato din mo Yehoram daaru ka koy Zayir nga nda torkey kulu nga banda. Edomancey da torko jine borey n'a windi. A tun mo cino ra k'i kar. Yahuda soojey mo zuru ka ye fu.
21ka dia nankany Zaira Jehorama, ary ny kalesy rehetra nentiny hiaraka aminy; ary nanaovany latsak'alina ny Edomita, izay nanodidina azy, mbamin'ny komandin'ny kalesy; ary ny olona nandositra nody.[Heb. ho any an-dainy]
22 Yaadin no Edomancey murte nd'a ka fun Yahuda kambe ra hala ka kaa sohõ. Saaya din Libna mo murte alwaati follonka ra.
22Ary Edoma mbola niodina ka tsy nanoa ny Joda mandraka androany. Ary Libna koa dia niodina tamin'izany andro izany.
23 Yehoram goy cindey da haŋ kaŋ a te kulu, manti i n'i hantum Yahuda bonkooney baaru tira ra bo?
23Ary ny tantaran'i Jehorama sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va?
24 Yehoram mo kani nga kaayey banda, i n'a fiji a kaayey banda Dawda birno ra. A izo Ahaziya te bonkooni a nango ra.
24Ary Jehorama lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-tanànan'i Davida; ary Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy.
25 Israyla bonkoono Ahab haama Yoram mayra jiiri way cindi hinkanta ra no Yahuda bonkoono Yehoram izo Ahaziya te bonkooni.
25Ary tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Jorama, zanak'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Ahazia, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda,
26 Ahaziya gonda jiiri waranka cindi hinka waato kaŋ a te bonkooni, a may mo jiiri fo Urusalima ra. A nya maa Ataliya, Israyla bonkoono Omri ize wayo.
26Roa amby roa-polo taona Ahazia, fony izy vao nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Atalia, zanakavavin'i Omry, mpanjakan'ny Isiraely.
27 A na Ahab dumo fonda gana ka goy laalo te Rabbi diyaŋ gaa, sanda mate kaŋ cine Ahab dumo te, zama Ahab kwaara borey anzuray no.
27Ary nandeha tamin'ny lalan'ny taranak'i Ahaba izy, ka nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah tahaka ny nataon'ny taranak'i Ahaba, fa vinanton'ny taranak'i Ahaba ihany izy.
28 A koy mo Ahab haama Yoram banda zama ngey ma wongu nda Suriya bonkoono Hazayel noodin Ramot-Jileyad. Suriyancey mo na Yoram guuru.
28Ary niaraka tamin'i Jorama, zanak'i Ahaba, izy mba hiady amin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, tany Ramota-gileada; ary ny Syriana nahavoa an'i Jorama.Dia niverina Jorama mpanjaka mba hotsaboina tao Jezirela amin'ny feriny tamin'ny nahavoazan'ny Syriana azy tao Rama, fony izy niady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria. Ary Ahazia, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda, nidina hamangy an'i Jorama, zanak'i Ahaba, teo Jezirela, satria narary izy.
29 Bonkoono Yoram mo ye ka kaa Yezreyel zama nga ma du baani nga marayyaŋo gaa kaŋ Suriyancey te a se Rama ra, waato kaŋ a go ga wongu nda Suriya bonkoono Hazayel. Yahuda bonkoono Ahaziya, Yehoram izo koy hala nga ma Ahab haama Yoram kunfa Yezreyel ra, zama a sinda baani.
29Dia niverina Jorama mpanjaka mba hotsaboina tao Jezirela amin'ny feriny tamin'ny nahavoazan'ny Syriana azy tao Rama, fony izy niady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria. Ary Ahazia, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda, nidina hamangy an'i Jorama, zanak'i Ahaba, teo Jezirela, satria narary izy.