Zarma

Malagasy

Daniel

7

1 Babila bonkoono Belsazzar zamana jiiri sintina ra, Daniyel na hindiri nda bangandiyaŋ te, nga boŋo ra wane, kaŋ a go nga dima boŋ ga kani. Saaya din a na hindiro hantum, a n'a misey mo ci.
1[] Fahitana niseho tamin'i Daniela ny amin'ny fanjakana efatra lehibe, sy ny hitsaran'Andriamanitra ireo.Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Belsazara, mpanjakan'i Babylona, dia nanonofy Daniela sady nahita fahitana tao am-pandriany, ary nosoratany ny nofy, ka nambarany ny fotopototry ny teny.[Ar. fahitan'ny lohany]
2 Daniyel salaŋ ka ne: «Ay cin bangando ra, ay go ga di, kala beene haw taaci naan ka tun teeku beero boŋ.
2Dia niteny Daniela ka nanao hoe: Nahita tamin'ny fahitako tamin'ny alina aho, fa, indreo, ny rivotra efatry ny lanitra nibosesika teny amin'ny ranomasina lehibe.
3 Ganji ham bambata taaci mo tun ka fun teeko ra da himandi waani-waani yaŋ.
3Ary nisy biby efatra lehibe samy hafa niakatra avy tamin'ny ranomasina.
4 Sintina ga hima muusu beeri, a gonda zeeban fata. Ay go ga guna kala i n'a fatey kosu, i n'a sambu ndunnya boŋ, i n'a kayandi ce hinka boŋ danga boro cine, i n'a no boro bine.
4Ny voalohany dia toy ny liona ary nanana elatry ny voromahery; nijery aho ambara-panongotra ny elany, ary natsangana avy tamin'ny tany izy ka najoro tamin'ny tongony roa toy ny fijoron'ny olona, sady natao manana fon'olombelona izy.
5 Ganji ham fa mo go, ihinkanta, a ga hima urs*, a kuray fa kaaru afa boŋ, caraw sari ize hinza go a meyo ra, a hinjey game ra. I ne a se: ‹Tun ka ham boobo ŋwa.›
5Ary indro koa ny faharoa, biby hafa tahaka ny bera, izay nampisondrotra ny ila-tenany, sady nisy taolan-tehezana telo teo am-bavany anelanelan'ny nifiny; ary toy izao no voalaza taminy: Mitsangàna, homàna nofo be.
6 Woodin banda ay guna, kal afo mo go kaŋ ga hima mari, a banda boŋ mo gonda fata taaci, curo wane dumi. Ganji hamo din gonda boŋ taaci, i n'a no mayray mo.
6Ary nony afaka izany, dia nahita aho fa, indro, nisy hafa koa toy ny leoparda, izay nanana ela-borona efatra teo an-damosiny, ary io biby io nanana loha efatra, ary nomena fanapahana izy.
7 Woodin banda cin bangando ra ay di ganji ham fo mo go, itaacanta. A ga humburandi, hinkoy no, gaabikooni mo no gumo. A gonda guuru-bi hinje bambata yaŋ. A ŋwa, a bagu-bagu, a na cindey taamu nda nga ce taamey. A waana mo ganji ham cindey kaŋ n'a jin yaŋ, a gonda hilli way mo.
7Nony afaka izany, dia nahita tamin'ny fahitana tamin'ny alina aho, ary, indro ny fahefatra, biby mahatsiravina sady matanjaka sy mahery indrindra, ary nanana nify vy lehibe izy; nihinana sy nanotahota izy, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen'ny tongony; ary hafa noho ny biby rehetra teo alohany izy sady nanana tandroka folo.
8 Ay laakal d'a hilley, kala koyne hilli fo mo go, a tun i ra, ikayna no. A jine mo i na hilli hinza dagu hilli sintinayey din ra. A go no, hillo din ra moyaŋ go no kaŋ ga hima boro wane, da me mo koyne kaŋ ga hari beeri yaŋ ci.
8Nodinihiko ny tandroka, ka, indro, nisy tandroka iray kely koa nipoitra teo aminy, ary novohana teo anoloan'io ny tandroka telo tamin'ireo taloha; ary, indro, nanana maso toy ny mason'olona sy vava miteny zavatra mihoa-pampana izy.
9 Ay goono ga guna kal ay di, I na kargayaŋ sinji. Afo mo kaŋ ga ti Waato Zamaneykoy go ga goro. A bankaaray ga kwaaray law! sanda neezu* cine, A boŋ hamno mo ga kwaaray sanda feeji hamni cine. A karga danji beeleyaŋ no; A torkey mo danji kaŋ ga di no.
9Mbola nijery ihany aho mandra-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon'ondry madio; ny seza fiandrianany dia lelafo, ary ny kodiany dia afo mirehitra.
10 Gooru kaŋ ga hima danji mo bangay ka fun a jine. Zambarey mo go g'a saajaw. Zambar-zambarey mo go ga kay a jine. I na ciiti teeyaŋ do sinji, I na tirayaŋ mo fiti.
10Ony afo no nivoaka sy nandeha avy teo anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany; nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky.
11 Ay goono ga guna kala hillo na boŋ sifayaŋ sanni bambatayaŋ ci. Ay soobay ga guna kal i na ganji hamo din wi, i n'a gaahamo halaci, i n'a daŋ danji ra zama a ma ton.
11Dia mbola nijery ihany aho noho ny feon'ny teny mihoapampana notenenin'ilay tandroka; eny, nijery aho ambara-pamono ny biby, ka nolevonina ny tenany, ary natao teo amin'ny afo mirehitra izy.
12 Ganji ham cindey sanni mo binde, i n'i mayra ta i gaa, amma i n'i fundi jirbey kuukandi jirbiyaŋ da alwaati fo.
12Ary ny amin'ny biby, sasany, dia nesorina taminy ny fanapahany; nefa nohalavaina ihany ny andro hiainany mandra-pahalanin'ny andro sy ny fotoana.
13 Cin bangayyaŋo ra ay di, a go, boro fo kaa, beene burey go a banda, a ga hima Boro Izo. A kaa mo hala Waato Zamaneykoyo do. I n'a maanandi a jine.
13Ary mbola nahita tamin'ny fahitana tamin'ny alina ihany aho, ary, indro, nisy toy ny zanak'olona avy tamin'ny rahon'ny lanitra, ary nankeo amin'ny Fahagola Izy, dia nampanakekeny teo anatrehany.
14 I n'a no koytaray da darza da mayray, zama borey kulu da dumey kulu da deeney kulu ma may a se. A koytara ya duumikoy no, kaŋ si ban, a mayra mo si halaci.
14Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan'ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava.
15 Ay wo Daniyel, ay biya halaci ay gaahamo bindo ra, ay boŋo bangayyaŋ mo n'ay kankam.
15Izaho Daniela nalahelo tam-panahy, ary ny fahitan'ny lohako naharaiki-tahotra ahy.
16 Kal ay kaa boro fo jarga kaŋ goono ga kay noodin. Ay n'a hã woone yaŋ kulu cimo. A ci ay se, a n'ay bayrandi mo da hayey din feerijey.
16Dia nanakaiky ilay anankiray tamin'izay nitsangana teo aho ka nanontany azy ny fototr'izany rehetra izany. Dia nambarany tamiko, ka nampahafantariny ahy ny hevitry ny zavatra.
17 ‹Ganji ham beeri taaca din, bonkooni taaci no kaŋ yaŋ ga tun ndunnya ra.
17Ireo biby lehibe efatra ireo dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin'ny tany.
18 Amma Beeray-Beeri-Koyo hanantey ga mayra ta, i ga koytaray ŋwa hal abada, danga hal abada abadin nooya.›
18Nefa ny olo-masin'ny Avo Indrindra no hahazo ny fanjakana ary hanana ny fanjakana mandrakizay alaovalo.
19 Noodin binde ay ceeci ay ma ganji ham taacanta din cimo bay, nga kaŋ ga waana ikulu, kaŋ ga humburandi gumo, kaŋ a hinjey guuru-bi wane no, a ce camsey guuru-say wane no, nga kaŋ ŋwa ka ban, a bagu-bagu, a na cindey taamu nda nga cey.
19Dia naniry hahalala izay fototra marina ny amin'ny fahefatra aho, dia ilay biby hafa noho izy rehetra sady mahatsiravina indrindra izay nanana nify vy sy hoho varahina sady nihinana sy nanotahota, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen'ny tongony;
20 Ay ceeci hilli waya din mo sanni kaŋ go a boŋo boŋ da hilli fa din mo kaŋ zay, kaŋ a jine mo hilli hinza fun ka kaŋ. Danga hillo din kaŋ gonda moy da me kaŋ ga ruubu bambata ci, nga kaŋ himayaŋo bisa nga himakasiney kulu wane wargayaŋ.
20ary ny amin'ny tandroka folo teo an-dohany sy ny anankiray koa izay nipoitra, ka nisy telo potraka teo anoloany, dia ilay tandroka nanana maso sy vava izay niteny zavatra mihoapampana, ary ny fijery azy dia lehibe noho ny namany.
21 Ay goono ga guna kala hillo din na wongu te da hanantey hal a hin ey.
21Mbola nijery ihany aho, ary izany tandroka izany nanoto ny olo-masina ka naharesy azy,
22 Kala waato kaŋ nga din, Waato Zamaneykoyo kaa ka ciiti no Beeray-Beeri-Koyo hanantey kamba ra. Alwaato to mo kaŋ a hanantey ga mayra tubu ŋwa.
22ambara-pihavin'ny Fahagola, ka nomena rariny ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ary tonga ny fotoana nahazoan'ny olo-masina ny fanjakana.
23 Yaa no a ne: ‹Ganji ham taacanta ga ciya mayray taacanta ndunnya boŋ. A ga waana koytaray cindey. A ga ndunnya kulu ŋwa. A g'a taamu-taamu, a g'a bagu-bagu.
23Izao no nolazainy: Ilay fahefatra amin'ny biby dia fanjakana fahefatra etỳ ambonin'ny tany, izay ho hafa noho ny fanjakana rehetra sady handrava ny tany rehetra ary hanosihosy sy hanorotoro azy.
24 Ngey, hilli waya din mo ga ti bonkooni way kaŋ ga tun mayra din ra. Afo mo ga tun i banda, nga mo ga goro waani da ijiney. A ga bonkooni hinza ŋwa.
24Ary ny tandroka folo dia mpanjaka folo izay hitsangana avy amin'izany fanjakana izany; ary hisy iray koa hitsangana manaraka azy; hafa noho ny voalohany izy ary handresy mpanjaka telo.
25 A ga ruubu sanni te ka gaaba nda Beeray-Beeri-Koyo. A ga Beeray-Beeri-Koyo wane hanantey fargandi mo. A gonda anniya koyne nga ma zamaney da asariya barmay. Hanantey ga furo a kambe ra, hala alwaati fo, da alwaati hinka, da alwaati jare.
25Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin'ny Avo Indrindra ary hitady hanova fotoana sy lalàna; ary hatolotra eny an-tànany ireo ambara-pahatapitry ny fetr'andro iray sy ny fetr'andro roa ary ny antsasaky ny fetr'andro.
26 Amma i g'a ciiti, i g'a mayra ta a gaa, i m'a halaci hala bananta.
26Fa hipetraka ny Mpitsara, ary hesorina ny fanapahany, ka horavana sy hosimbana hatramin'ny farany izy.
27 Amma koytara nda mayra, da mayrayey kaŋ go beena cire beera, ikulu i g'i no Beeray-Beeri-Koyo hanantey jama se. A mayra mo mayray kaŋ ga duumi no, mayray kulu ga may a se, k'a gana.›
27Ary ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan'ny fanjakana eny ambanin'ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy.Hatramin'izao no faran'izany zavatra izany. Ny amiko, izaho Daniela, dia naharaiki-tahotra ahy indrindra ny eritreritro, ka nivaloarika ny tarehiko, nefa notehiriziko tao am-poko ihany izany zavatra izany.
28 Sanno bananta nooya. Ay mo, Daniyel, ay fonguyaŋey n'ay kankam gumo, ay moyduma hananyaŋ bare, amma ay na sanno gaay ay bina ra.»
28Hatramin'izao no faran'izany zavatra izany. Ny amiko, izaho Daniela, dia naharaiki-tahotra ahy indrindra ny eritreritro, ka nivaloarika ny tarehiko, nefa notehiriziko tao am-poko ihany izany zavatra izany.