1 Alfagey da Lawitey, sanda Lawi kunda kulu nooya, i si du baa wala tubu Israyla banda. Kala sargayey* kaŋ i ga ton da danji ka salle Rabbi se, kaŋ ga ti Rabbi baa, ngey no i ga ŋwa.
1[Ny amin'ny ho anjaran'ny mpisorona sy ny Levita] Ny Levita mpisorona, dia ny firenen'i Levy rehetra, tsy mba hanana anjara na lova eo amin'ny Isiraely; ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah sy ny anjaran'i Jehovah no ho fihinany.
2 I si du tubu kulu ngey nya-izey game ra. Rabbi no ga ti i tubo, danga mate kaŋ a ci i se.
2Fa tsy hanan-dova eo amin'ny rahalahiny izy; Jehovah no lovany, araka izay nolazainy taminy.
3 Woone yaŋ no ga goro alfagey alhakku kaŋ jama g'i no waati kaŋ i ga sargay salle: da haw wala feeji no, i g'a no kambe fo da garbe hinka nda gunde ra jinayey.
3Ary izao no ho anjaran'ny mpisorona avy amin'ny olona, dia avy amin'izay mamono zavatra hatao fanatitra, na omby, na ondry, na osy: dia homeny ho an'ny mpisorona ny sorony sy ny takolany roa ary ny vavoniny;
4 Ni fari boŋ-jina mo, da ni reyzin* kali wane, da ni ji wane, da ni feeji kulu hõseyaŋ sintina, ni g'i no a se.
4ary ny voaloham-bokatry ny varinao koa sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny voalohan'ny volon'ondrinao no homenao azy.
5 Zama Rabbi ni Irikoyo n'a suuban ni kundey kulu ra, a ma kay ka goy te Rabbi maa ra, nga nda nga izey hal abada.
5Fa izy sy ny taranany no nofidin'i Jehovah Andriamanitrao tamin'ny firenenao rehetra hitsangana hanao fanompoam-pivavahana mandrakizay amin'ny anaran'i Jehovah.
6 Da Lawiti go da goray Israyla kwaara fo kulu ra, d'a fun noodin ka kaa nda nga anniya kulu hala nango kaŋ Rabbi ga suuban,
6Ary raha misy Levita miala amin'ny tanànanao anankiray, izay nivahiniany, amin'ny Isiraely rehetra, ka mandeha araka ny fanirian'ny fony ho any amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah,
7 a ga goy mo Rabbi nga Irikoyo maa ra, mate kaŋ cine a nya-izey Lawitey ga te. Ngey kaŋ yaŋ ga kay noodin Rabbi jine,
7ka manao fanompoam-pivavahana amin'ny anaran'i Jehovah Andriamaniny, tahaka ny Levita rahalahiny rehetra, izay mitsangana eo anatrehan'i Jehovah,
8 i boro kulu baa ga saba, baaba do tubu baa si.
8dia anjara mitovy amin'ny an'ireo ihany no ho fihinany, na dia misy aza izay vidin'ny azony tamin-drainy.
9 Da ni furo laabo kaŋ Rabbi ni Irikoyo ga ni no ra, ni ma si dumey din fanta hari goyey dondon.
9[Ny amin'ny mpaminany] REHEFA tonga any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ianao, dia aza mianatra hanao araka ny fahavetavetana ataon'ireo firenena ireo.
10 I ma si boro kulu gar araŋ do kaŋ ga nga ize aru wala nga ize way daŋ danji ra, wala kaŋ ga guna, wala kaŋ ga handariya sanni ceeci, wala kaŋ ga guna nda hiila sanni, wala dobokoy,
10Aoka tsy hisy eo aminao izay mampandeha ny zananilahy na ny zananivavy hamaky ny afo, na mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody,
11 wala moodabal teeko, wala wayboro ziima, wala alboro ziima, wala boro kaŋ ga buukoy biyey hã.
11na manao ho masim-bava, na mpanadina amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin'ny maty.
12 Zama boro kulu kaŋ ga hayey din te ya fanta hari no Rabbi se. Fanta hayey din sabbay se mo no Rabbi ni Irikoyo go g'i gaaray ni jine.
12Fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany, ary izany fahavetavetana izany no androahan'i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao.
13 Nin wo, ni ma ciya toonante Rabbi ni Irikoyo banda.
13Aoka ho tanteraka amin'i Jehovah Andriamanitrao ianao.
14 Zama dumey din kaŋ ni ga furo k'i laabey ŋwa, i ga hangan handariya ceecikoyaŋ da gunakoyaŋ se. Amma nin wo, Rabbi ni Irikoyo mana yadda ni ma te yaadin.
14Fa ireo firenena izay efa horoahinao ireo dia mihaino ny mpanandro sy ny mpanao fankatovana; fa ianao kosa tsy navelan'i Jehovah Andriamanitrao hanao izany.
15 Rabbi ni Irikoyo ga annabi* fo tunandi ni se ni nya-izey game ra, danga ay cine. A se no araŋ ga hima ka hangan.
15Mpaminany avy eo aminao, dia avy amin'ny rahalahinao, tahaka ahy, no hatsangan'i Jehovah Andriamanitrao ho anao; izy no hohenoinareo;
16 Danga mate kulu kaŋ ni ŋwaaray Rabbi ni Irikoyo gaa boŋ, noodin Horeb cire marga zaaro ra, kaŋ ni ne: «Ay ma si ye ka maa Rabbi ay Irikoyo jinda koyne, ay ma si ye ka di danji bambata wo mo, hal ay ma si bu.»
16araka izay rehetra nangatahinao tamin'i Jehovah Andriamanitrao tao Horeba tamin'ny andro nivoriana hoe: Aoka tsy hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitro intsony aho, ary aoka tsy hahita izany afo lehibe izany intsony aho, fandrao maty.
17 Rabbi mo ne ay se: «Wo kaŋ i ci din boori.
17Dia hoy Jehovah tamiko: Tsara ny teny izay nolazainy.
18 Ay ga annabi fo tunandi i se i nya-izey game ra, danga ni cine. Ay g'ay sanney daŋ a meyo ra. Nga mo ga salaŋ i se ka ci hay kulu kaŋ ay g'a lordi nd'a.
18Mpaminany no hatsangako ho azy avy amin'ny rahalahiny, tahaka anao, ka hataoko ao am-bavany ny teniko, ary holazainy aminy izay rehetra handidiako azy.
19 A ga ciya mo, boro kulu kaŋ si hangan ay sanney se kaŋ bora din ga salaŋ ay maa ra, ay bumbo ga bora koy hã d'a.
19Ary izay rehetra tsy mihaino ny teniko, izay holazainy amin'ny anarako, dia Izaho no hitsara azy.
20 Amma annabi kaŋ ga tun da farrati ka sanni salaŋ ay maa ra, kaŋ ay man'a lordi nd'a ka ne a ma salaŋ, wala d'a ga salaŋ de-koy waani-waaney maayey ra, kulu annabo din ga bu.»
20Fa ny mpaminany izay sahy hilaza teny amin'ny anarako, nefa tsy nasaiko nolazainy, na izay miteny amin'ny anaran'andriamani-kafa, dia hatao maty.
21 Da ni ga hã ni bina ra ka ne: «Amma day, mate no iri ga te ka bay sanno kaŋ Rabbi mana salaŋ gaa?»
21Ary raha hoy ianao anakampo: Hataontsika ahoana no fahafantatra ny teny izay tsy nolazain'i Jehovah?Raha miteny amin'ny anaran'i Jehovah ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka, dia teny izay tsy nolazain'i Jehovah izany: tamin'ny fahasahisahiana no nilazan'ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy.
22 To, da annabi salaŋ Rabbi maa ra, da haya kaŋ a ci din mana to, wala a si kokor ka to mo, kulu haya din ga ti wo kaŋ Rabbi mana ci no. Amma annabo din no k'a ci da farrati. Ni ma si humburu bora din.
22Raha miteny amin'ny anaran'i Jehovah ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka, dia teny izay tsy nolazain'i Jehovah izany: tamin'ny fahasahisahiana no nilazan'ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy.