Zarma

Malagasy

Exodus

17

1 Israyla izey marga kulu tun ka dira Sin ganjo ra, gata ka koy gata, Rabbi lordo* boŋ. I zumbu Refidim. I jaŋ hari kaŋ borey ga haŋ.
1[Ny nimonomononan'ny Zanak'Isiraely noho ny tsi-fisian-drano, sy ny nanomezan'Andriamanitra azy rano avy tamin'ny vatolampy] Ary nifindra ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka niala tao an-efitra Sina, araka izay natoron'i Jehovah hitobiany, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano hosotroin'ny olona.
2 Woodin se no borey kaŋ Musa boŋ da deeni. I ne: «M'iri no hari iri ma haŋ!» Musa ne: «Ifo se no araŋ ga kaŋ ay boŋ da deeni. Ifo se no araŋ ga Rabbi si mo?»
2Dia nila ady tamin'i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Omeo rano izahay mba hosotroinay. Fa hoy Mosesy taminy: Nahoana no mila ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy an'i Jehovah ianareo?
3 Noodin no jama maa jaw. Borey binde na Musa jance ka ne: «Ifo se no ni n'iri kaa Misira ra, zama ni m'iri wi da jaw, iri nd'iri izey d'iri almaney?»
3Ary nangetaheta teo ny olona, dia nimonomonona tamin'i Mosesy izy ka nanao hoe: Nahoana ianao no nitondra anay niakatra niala tany Egypta hahafatin-ketaheta anay sy ny zanakay ary ny bibinay?
4 Musa binde hẽ Rabbi gaa ka ne: «Mate n'ay ga te borey wo se? A cindi kayna i m'ay catu-catu nda tondiyaŋ.»
4Ary Mosesy nitaraina tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Ahoana no hataoko amin'ireto olona ireto? fa mila hitora-bato ahy izy.
5 Rabbi ne Musa se: «Furo borey jine. Ma Israyla arkusey sambu ni banda. Ni goobo mo kaŋ ni na isa kar d'a, m'a sambu ni kamba ra ka koy.
5Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandrosoa eo alohan'ny olona, ary itondray hiaraka aminao ny loholon'ny Isiraely; ary ny tehinao, ilay nikapohanao an'i Neily, dia ento eny an-tananao, ka mandehana.
6 Guna, ay ga kay ni jine noodin Horeb ra, tondi falala boŋ. Ni ga tondo kar, hari ga fun a ra, borey ga haŋ mo.» Musa mo te yaadin Israyla arkusey jine.
6Ary, indro, hijanona eo anatrehanao eo ambonin'ny harambato any Horeba Aho, dia hikapoka ny harambato ianao, ka hisy rano hivoaka avy aminy hosotroin'ny olona. Dia nanao izany Mosesy teo imason'ny loholon'ny Isiraely.
7 A na nango maa daŋ Masa da Meriba, Israyla izey janca sabbay se. Zama i na Rabbi si ka ne: « Rabbi go iri do, wala a si no?»
7Ary ny anaran'izany tany izany dia natao­ny hoe Masa sy Meriba, noho ny ady nataon'ny Zanak'Isiraely, sy noho ny nakany fanahy an'i Jehovah hoe: Eto aminay va Jehovah, sa tsia?
8 Alwaato din ra no Amalek kaa ka wongu nda Israyla Refidim ra.
8Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin'ny Isiraely tao Refidima.
9 Musa mo ne Yasuwa se: «Ma suuban ay se alboroyaŋ ka fatta ka wongu nda Amalek. Suba ay mo ga koy ka kay tudo yolla gaa da Rabbi goobo ay kambe ra.»
9Dia hoy Mosesy tamin'i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin'ny Amalekita; rahampitso dia hijoro eo an-tampon'ny havoana aho ka hitana ny tehin'Andriamanitra etỳ an-tanako.
10 Yasuwa binde te danga mate kaŋ Musa ci nga se ka wongu nda Amalek. Musa nda Haruna nda Hur kaaru tudo yolla gaa.
10Ary Josoa dia nanao araka izay efa nolazain'i Mosesy taminy, ka niady tamin'ny Amalekita izy; ary Mosesy sy Arona sy Hora kosa niakatra ho ao an-tampon'ny havoana.
11 A ciya binde, da Musa kambey go sallante beene, Israyla no ga te zaama, amma d'a na nga kambey ye ganda, Amalek no ga te zaama.
11Ary raha nasandratr'i Mosesy ny tànany, dia nahery ny Isiraely; fa raha nampidininy ny tànany, dia nahery kosa ny Amalekita.
12 Amma Musa kambey dusu. I binde na tondi fo sambu ka daŋ a cire, a ma goro a boŋ. Haruna nda Hur mo go ga kambey tambe, afo kambu woone gaa, afa mo go kambu fa din gaa. A kambey gonda kayyaŋ gaabi hala wayna kaŋyaŋ.
12Fa efa vizana ny tanan'i Mosesy; ka dia naka vato izy roa lahy, ka nataony teo ambanin'i Mosesy hipetrahany; ary Arona sy Hora dia nanohana ny tànany, ka ny iray tamin'ny anila, ary ny iray kosa tamin'ny anila; dia naharitra tsy nidina intsony ny tànany mandra-pahafatin'ny masoandro.
13 Yasuwa na Amalek da nga jama zeeri mo da takuba.
13Ary Josoa dia nandresy ny Amalekita sy ny olony tamin'ny lelan-tsabatra.
14 Rabbi ne Musa se: «Ma woone hantum tira fo ra, zama i ma fong'a se. Ni m'a ci mo Yasuwa hangey ra: ay ga Amalek fonguyaŋ tuusu pat! beena cire.»
14Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Soraty eo amin'ny boky izany ho fahatsiarovana, ka ambarao amin'i Josoa; fa hofoanako tokoa ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eny ambanin'ny lanitra.
15 Musa mo na feema cina k'a maa daŋ Rabbi Nissi, _kaŋ a feerijo ga ti Rabbi ya iri liiliwalo no|_.
15Dia nanorina alitara Mosesy ka nanao ny anarany hoe: Jehovah Nisi.Fa hoy izy: Jehovah nianiana hoe: Ny adin'i Jehovah amin'ny Amalekita dia tsy hitsahatra hatramin'izay taranany fara mandimby.
16 A ne: «Za kaŋ i na kambe salle Rabbi karga do haray, woodin se no Rabbi ga wongu nda Amalek zamana ka koy zamana.»
16Fa hoy izy: Jehovah nianiana hoe: Ny adin'i Jehovah amin'ny Amalekita dia tsy hitsahatra hatramin'izay taranany fara mandimby.