Zarma

Malagasy

Exodus

39

1 I na bankaarayey te nda fatala suudi nda suniya nda iciray, kaymi goy hanno wane yaŋ, nangu hananta ra goyo se, da mo bankaaray hanante yaŋ Haruna se, danga mate kaŋ Rabbi na Musa lordi* nd'a.
1[Ny nanaovana ny fitafian'ny mpisorona] Ary tamin'ny manga sy ny volomparasy ary ny mena no nanaovany ny fitafiana makarakara, hanaovana fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, ary nanao ny fitafiana masina ho an'i Arona izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.[Na: fitondra manompo]
2 A na efod* kwaayo te da wura, da silli suudi nda suniya nda iciray, lin* baano taafe gaa.
2Ary nanao ny efoda tamin'ny volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina izy.
3 A na wura dan kal a te kobto cine k'a dumbu-dumbu ka te silli zama i ma goy d'a suudi nda suniya nda iciray ra, lin baano gaa, gonitaray goy.
3Ary namisaka ny volamena ho takelaka manify izy, dia nandidididy azy ho kofehy volamena, hahasiny amin'ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika, dia asan'ny mpanenona mahay.
4 I na jasa boŋ yaŋ te efod marguyaŋo se. Yaadin no a me hinka margu care gaa d'a.
4Ary nataony nisy soroka roa avy amin'ny sisiny roa hampikambanana azy.
5 Guddama kaŋ go efod kwaayo gaa mo, a kulu kaymi goy fo. I n'a te da wura, da silli suudi nda suniya nda iciray, lin baano taafe gaa, danga mate kaŋ Rabbi na Musa lordi nd'a.
5Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay teo amboniny, dia niray taminy sady nitovy tarehy taminy, ka nataony volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
6 I na oniks* tondiyaŋ goy k'i daŋ wura taalamante jisiyaŋ nango ra, hantumante nda kawaatimi hantumyaŋ Israyla izey maayey boŋ.
6Ary ny vato beryla nasiany randram-bola­mena manodidina, ary dia nosoratany, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, araka ny anaran'ny firenen'ny Zanak'Isiraely.
7 A n'i daŋ efod kwaayo jase boŋey boŋ, fonguyaŋ tondiyaŋ no Israyla izey se, danga mate kaŋ Rabbi na Musa lordi nd'a.
7Ary nataony teo amin'ny soroky ny efoda ny vato, ho vato fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
8 A na gande daabiri mo te da gonitaray goy, danga efod kwaayo goyo cine. I n'a te da wura, da silli suudi nda suniya nda iciray, lin baano taafe gaa.
8Ary nanao ny saron-tratra tamin'ny asan'ny mpanenona mahay izy, tahaka ny nanaovana ny efoda, dia volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina.
9 Kambey kulu ga saba. I n'a taabu care gaa, a salleyaŋo kambe gaaba fo no, a hayyaŋo mo kambe gaaba fo kaŋ taabante no.
9Ary efa-joro miforitra roa no nanaovany ny saron-tratra, ary irain-jehy avy ny lafiny efatra, sady niforitra roa izy.
10 I na tondi sasare taaci daŋ a ra. Sasare sintina ra: sardiyus* fo, da topaz* fo, da karbonkal* fo;
10Ary nasiany vato nalatsaka an-tranontranony izy, dia vato efatra andalana: ny andalana voalohany dia karnelia sy topaza ary emeralda;
11 sasare hinkanta ra: krisolit* fo, da safir* fo, da daminti fo;
11ary ny andalana faharoa dia robina sy safira ary onyksa;
12 sasare hinzanta ra: opal fo, da kalsedoni* fo, da amotosto fo;
12ary ny andalana fahatelo dia opala sy agata ary ametysta;
13 sasare taacanta ra: beril* fo, da oniks fo, da yaspidi* fo. Tondey din, i n'i jisi ngey wura taalamante jisiyaŋ nangey ra.
13ary ny andalana fahefatra dia krysolita sy beryla ary jaspy; ary nasiany randram-bolamena manodidina ny fitoerany avy.
14 I to iway cindi hinka Israyla izey maayey boŋ, danga kawaatimi karyaŋ cine, tondi fo kulu nda nga maa, kunda way cindi hinka din se.
14Ary ny vato dia nalahatra araka ny anaran'ny firenen'ny Zanak'Isiraely, dia roa ambin'ny folo araka ny anarany; ary nisy soratra toy ny amin'ny fanombohan-kase ho an'ny firenena roa ambin'ny folo araka ny anarany avy.
15 Gande daabiro gaa mo i na sisiriyaŋ te, kaŋ i bi nda wura zalla.
15Ary nanao olam-bolamena tsara mifanolana toy ny tady ho eo amin'ny saron-tratra izy.
16 I na sarkuyaŋ do hinka da korbay hinka mo te da wura. I na korbay hinka din daŋ gande daabiro kambu hinka gaa.
16Ary nanao randram-bolamena roa sy vava volamena roa izy; ary ny vava vola dia nataony teo amin'ny zorony roa ambony amin'ny saron-tratra.
17 I na sisiri biyante hinka din daŋ korbay hinka din ra gande daabiro meyey do haray.
17Ary ny tady volamena roa dia nataony teo amin'ny vava vola roa izay amin'ny zorony roa ambany amin'ny saron-tratra.
18 Sisiri biyante me hinka waani, i n'i daŋ sarkuyaŋ hari hinka din gaa k'i haw efod kwaayo jase boŋey gaa a jine haray.
18Ary ny lanin'ny tady roa dia nataony teo amin'ny randram-bolamena roa, dia nataony teo amin'ny soroky ny efoda anoloana.
19 I na wura korbay hinka te k'i daŋ gande daabiro kambu hinka gaa, a meyey gaa, wo kaŋ go efod kwaayo gaa a ra haray.
19Ary nanao vava volamena roa izy ka nataony teo amin'ny zorony roa ambany amin'ny saron-tratra, dia amin'ny sisiny anatiny izay manolotra ny efoda.
20 A na wura korbay hinka te koyne k'i daŋ efod kwaayo jase boŋ hinka cire, jine haray, a marguyaŋo do maanante, efod kwaayo guddama se beene.
20Ary nanao vava volamena roa koa izy ka nataony teo amin'ny soroka roa amin'ny efoda, dia ao ambaniny,eo anoloany, akaikin'ny fikambanany, eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda.
21 I na gande daabiro haw a korbayey gaa k'i margu nda efod kwaayo korbayey da suudi korfo, zama gande daabiro ma goro efod kwaayo guddama se beene, zama gande daabiro ma si feeri ka fun efod kwaayo gaa, danga mate kaŋ Rabbi na Musa lordi nd'a.
21Ary kofehy manga no namehezany ny vava volan'ny saron-tratra tamin'ny vava volan'ny efoda, mba ho eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra ka tsy ho afaka eo, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
22 A na kwaay izo kaŋ boŋ i ga efod kwaayo dake mo te, kaymi goy. A n'a kulu te da fatala suudi.
22Ary nanao ny akanjo ivelany misy ny efoda, asan'ny mpanenona, izy, ka nataony manga avokoa.
23 Kwaay izo jinda kurkuto mo go a bindo ra, danga wongu kwaay cine. I n'a kay ka jinda windi zama a ma si kortu.
23Ary ny vozon'ny akanjo ivelany dia teo afovoany tahaka ny vozon'ny akanjo fiarovan-tratra, ary nisy sisiny manodidina ny vozony mba tsy hahatriatra azy.
24 I na garenad* himandiyaŋ te a meyo gaa ganda, suudi nda suniya nda iciray wane, lin biyaŋ.
24Ary teo amin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany dia nasiany sarin'ampongaben-danitra manga sy volomparasy sy mena voahasina;
25 I na wura zalla lond'izeyaŋ te koyne, ka lond'izey daŋ garenadey game ra, kwaay izo meyo gaa ganda a windanta,
25ary nanao famohamandry volamena tsara izy, ary ny famohamandry dia nataony teo anelanelan'ny ampongaben-danitra tamin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany manodidina (dia teo anelanelan'ny ampongaben-danitra):
26 lond'ize fo da garenad fo, lond'ize fo da garenad fo, kwaay izo me gaa windanta kaŋ i ga daŋ goy teeyaŋ se, danga mate kaŋ Rabbi na Musa lordi nd'a.
26dia famohamandry sy sarin'ampongaben-danitra mifanelanelana manodidina eo amin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany, ho entiny manao ny fanompoam-pivavahana, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
27 I na jabbayaŋ te mo, lin baano kaymi wane, Haruna nda nga izey se.
27Ary ny akanjo lava nataony rongony fotsy madinika, asan'ny mpanenona, ho an'i Arona sy ny zanany.
28 Ngey nda lin baano boŋtobay, da lin baano fatala fuula hannoyaŋ, da lin mudunyaŋ,
28Ary ny hamama dia na­taony rongony fotsy madinika, ary ny satroka tsara tarehy nataony rongony fotsy madinika; ary ny kalisaona fohy dia nataony rongony fotsy madinika voahasina.
29 da lin baano guddamayaŋ kaŋ i taalam da suudi nda suniya nda iciray. I n'i te danga mate kaŋ Rabbi na Musa lordi nd'a.
29Ary ny fehin-kibo nataony rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
30 I na wura zalla walhã kayna te, ihanno, ka hantumyaŋ fo hantum a gaa, danga kawaatimi hantumyaŋ ya-cine: «HANANTE NO RABBI SE.»
30Ary ny takelaka ho eo amin'ny diadema masina dia nataony volamena tsara, ary nasiany soratra, araka ny fanoratana amin'ny fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN'I JEHOVAH.
31 I na suudi korfo daŋ a gaa zama i m'a haw boŋtoba boŋ beene, danga mate kaŋ Rabbi na Musa lordi nd'a.
31Ary nasiany kofehy manga hamehezany azy amin'ny hamama eo ambony, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
32 Yaadin no i na Irikoy nangora kaŋ go kubayyaŋ hukumo ra goyo kulu toonandi nd'a. Israyla izey te danga mate kaŋ Rabbi na Musa lordi nd'a kulu, yaadin mo no i te.
32Ary vita ny asa rehetra tamin'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana; fa ny Zanak'Isiraely efa nanao araka izay rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
33 I kande Irikoy nangora Musa do, hukumo da nga jinayey kulu: a kanjar'izey, d'a kataakey, d'a bundu-gaarey, d'a bonjarey, d'a dabey,
33Dia nentiny teo amin'i Mosesy ny tabernakely; dia ny lay sy ny fanaka rehetra nomba azy, ary ny farangony sy ny zana-kazony ary ny barany sy ny andriny ary ny faladiany,
34 d'a feeji kuuru ciray daabiro, da hari-ra-hansi kuuru daabiro, da daabuyaŋ kosaray taafa,
34ary ny firakotra hoditr'ondrilahy efa nomenaina sy ny sarona hodi-takasy, ary ny efitra lamba fanakonana,
35 da seeda daŋyaŋ sundurko da nga goobey, da sasabandiyaŋo do,
35ary ny fiaran'ny Vavolombelona sy ny baony ary ny rakotra fanaovam-panavotana,
36 da taablo da nga jinayey kulu, da jisiyaŋ buurey,
36ary ny latabatra sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny mofo aseho,
37 da wura zalla fitilla suntulo, da nga fitilley soolanteyaŋ, d'a jinayey kulu, da kaari se jiyo,
37ary ny fanaovan-jiro tsara sy ny lela fanaovan-jirony, dia ny lela fanaovan-jiro halahatra, sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny diloilo hatao fanazavana,
38 da wura feema, da tuusuyaŋ jiyo, da tonyaŋ dugu haw kaano se, da daabule hukumo meyo se.
38ary ny alitara volamena sy ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo mani-pofona ary ny varavarana lamba ho eo amin'ny varavaran'ny trano-lay,
39 I kande guuru-say sargay* feema da nga tandarayaŋ haro kaŋ i te da guuru-say, da nga goobey, d'a jinayey kulu, da nyumayyaŋ taasa, d'a daba.
39ary ny alitara varahina sy ny makarakara varahina ho eo aminy ary ny baony sy ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy sy ny faladiany,
40 I kande batama kosaray taafey, d'a windi bundey, d'a dabey, da daabula windi meyo se, d'a korfey, d'a loley, da Irikoy nangora goy jinayey kulu, kubayyaŋ hukumo se.
40ary ny fefy lamban'ny kianja sy ny tsangantsangany sy ny faladiany ary ny vavahady lamba eo amin'ny vavahadin'ny kianja ary ny kofehiny sy ny tsimatra, ary ny fiasana rehetra momba ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana,
41 I kande bankaaray kaymi-hanno-koyey nangu hananta ra goyo teeyaŋ se, da bankaaray hanante yaŋ Alfa Haruna se d'a izey bankaarayey, zama i ma goy alfagataray goyey ra.
41ary ny fitafiana makarakara ho enti-manao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina ho an'i Arona mpisorona sy ny fitafian'ny zanany ho entiny manao fisoronana.
42 Hay kulu kaŋ Irikoy na Musa lordi boŋ, yaadin no Israyla izey na goyo kulu te d'a.
42Araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy, dia toy izany no nanaovan'ny Zanak'Isiraely ny asa rehetra.Ary nizaha ny asa rehetra Mosesy, ka, indro, efa nataony araka izay nandidian'i Jehovah; dia nisaotra azy Mosesy.
43 Musa na goy kulu kaŋ i te guna, a di kaŋ i n'a kubandi. Danga mate kaŋ Rabbi lordi, yaadin mo no i n'a te. Musa binde na albarka gaara i se.
43Ary nizaha ny asa rehetra Mosesy, ka, indro, efa nataony araka izay nandidian'i Jehovah; dia nisaotra azy Mosesy.