1 Rabbi sanno ye ka kaa ay do koyne ka ne:
1[Fanoharana ny amin'ny ala may sy ny sabatra voatsoaka] Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Boro izo, ma ni moyduma ye dandi kambe haray, ka ni sanno salaŋ ka gaaba nda dandi kambe haray. Ma annabitaray te dandi kambe saajo tuuri lunku-lunko boŋ.
2Ry zanak'olona, manatreha ny atsimo, ary mitenena manandrify ny atsimo, ka maminania ny amin'ny hamelezana ny ala amin'ny tany atsimo.
3 Ma ne dandi kambe tuuri lunku-lunko se: Ma maa Rabbi sanno. Ya-cine no Rabbi, Koy Beero ci: A go, ay ga ba ka danji tusu ni gaa, danji kaŋ ga ni tuuri taya da ni tuuri koga kulu ŋwa ka ban. Danji beela korna din si bu bo. Laabo batama kulu, za dandi kamba kala a ma koy azawa kambe, i kulu ga kukure danjo ra.
3Ary lazao amin'ny ala amin'ny tany atsimo hoe: Henoy ny tenin'i Jehovah: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hampirehitra afo ao aminao Aho, izay handevona ny hazo maitso sy ny hazo maina rehetra ao aminao; tsy hovonoina ny lelafo midedadeda, fa ho main'ny afo ny tava rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra;
4 Fundikooney kulu ga di kaŋ ay, Rabbi, ay no ka danjo din tusu, a si bu mo.
4Ka dia ho hitan'ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no nampirehitra io, ka tsy hovonoina.
5 Kal ay ne: «Kaari, ya Rabbi, Koy Beero! I go ga ne ay se, misa sanni day no ay go ga te.»
5Dia hoy izaho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Hoy ny fitenin'ny olona ahy: Tsy fanoharana va no ataony?
6 Rabbi sanno kaa ay do ka ne:
6Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
7 Boro izo, ni moyduma ye Urusalima haray. Ma salaŋ ka gaaba nda nangu hanantey. Ma annabitaray te ka gaaba nda Israyla laabo,
7Ry zanak'olona, manandrifia an'i Jerosalema, ary mitenena manandrify ny fitoerana masina, ka maminania ny amin'ny hamelezana ny tanin'ny Isiraely.
8 ka ne Israyla laabo se: Yaa no Rabbi ci: A go, ay ga gaaba nda nin. Ay g'ay takuba foobu ka kaa nga nyaŋo ra, ya adilantey da ilaaley kulu pati ka kaa ni ra.
8Ary ataovy amin'ny tanin'ny Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho no mamely anao, ary hotsoahako amin'ny tranony ny sabatro, ka haringako ny marina sy ny meloka eo aminao.
9 A binde, za kaŋ ay ga adilantey da ilaaley kulu pati ka kaa ni ra, ay takuba ga fatta ka gaaba nda fundikooney kulu, za dandi kambe kal a ma koy azawa kambe.
9Ary noho ny handringanako ny marina sy ny meloka eo aminao, dia izany no hitsoahan'ny sabatro amin'ny tranony hamely ny nofo rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra,
10 Fundikooney kulu ga bay kaŋ ay, Rabbi, ay n'ay takuba foobu ka kaa nga nyaŋo ra, a si ye ka furo mo koyne.
10Ka dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no nanatsoaka ny sabatro tamin'ny tranony; Tsy hiditra intsony izy.
11 Ni binde, ya nin boro izo, ma duray da bine saray. Bine saray konno no ni ga duray d'a i jine.
11Ary ianao, ry zanak'olona, midridridridria toy ny tapa-balahana, eny, midridridridria amin'ny fangidiana eo imasony.
12 D'i ga ne ni se: «Ifo se no ni go ga duray?» kala ni ma ne: «Baaro kaŋ goono ga kaa sabbay se no. Boro kulu bine ga jaŋ gaabi, boro kulu kambe londi ga bu, boro kulu biya ga kasam, boro kulu kange londi ga bu mo sanda hari cine. A go, masiiba go kaa, haya tabbat mo. Yaadin no Rabbi, Koy Beero ci.»
12Ary raha izy manao aminao hoe: Nahoana ianao no midridridridry? Dia valio hoe: Noho ny teny efa re, fa ho avy izany, ho kivy ny fo rehetra, hiraviravy ny tanana rehetra, ary hivarahontsana ny fanahy rehetra, sady hanjary ho toy ny rano ny lohalika rehetra. Eny, ho avy izany ka ho tanteraka, hoy Jehovah Tompo;
13 Rabbi sanno kaa ay do koyne ka ne:
13Dia tonga tamiko ay tenin'i Jehovah nanao hoe:
14 Boro izo, ma annabitaray te ka ne: Yaa no Rabbi ci: Ni ma ne: Takuba! He, takuba! I n'a kaanandi, i n'a ziiri mo.
14Ry zanak'olona, maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Injao! sabatra! sabatra re! Voaranitra sady voafotsy koa.
15 I n'a kaanandi zama a ma wi se, I n'a ziiri zama a ma ciya sanda maliyaŋ. Iri mo, iri ma soobay ka haaru, wala? Ay izo goobo ga donda tuuri kulu no, wala?
15Voaranitra hahafaty be izy; Voafotsy hanelatselatra izy (Sa isika hifaly hoe: Ny tsorakazon'ny zanako mamingavinga ny hazo rehetra?)
16 I na takuba nooyandi i m'a ziiri se, Zama i ma goy te d'a! I n'a kaanandi, oho, i n'a ziiri, Zama i m'a daŋ wiiko kambe ra.
16Ary nomena hofotsiana izy Mba horaisin-tanana; Voaranitra io sabatra io sady voafotsy, Mba hatolotra eo an-tanan'ny mpamono.
17 Ya nin boro izo, ma hẽ, ma baray! Zama i na takuba candi ka gaaba nd'ay borey, Israyla mayraykoyey kulu boŋ no a go. Ngey nd'ay borey, ay n'i nooyandi takuba se, Ni binde ma ni kambey koli.
17Mitomania sy midradradradrà, ry zanak'olona! Fa mihatra amin'ny oloko izany, dia amin'ny lehibe rehetra amin'ny Isiraely; Lavon'ny sabatra miaraka amin'ny oloko izy, koa misafoa sirana ianao;
18 Zama siyaŋ go kaa, kala ifo koyne da ni donda goobo? Yaadin no Rabbi, Koy Beero ci.
18Fa vita ny fizahan-toetra, Ka manao ahoana, raha ilay tehim-panjakana namingavinga iny aza no ho tonga tsinontsinona ? hoy Jehovah Tompo.
19 Ni binde, boro izo, kala ni ma annabitaray te. Ma ni kambey koli gande _ka ne|_: I ma beeri nda takuba ce hinka wala ce hinza, Takuba kaŋ ga boro wi nooya. Wiyaŋ boobo takuba no, kaŋ g'i windi kuray kulu.
19Ary ianao, ry zanak'olona, dia maminania, ka mitehafa tanana, ary aoka hihaloza roa heny, na telo heny aza, ny sabatra, dia ny sabatra izay efa nahatrabaka olona; Eny, ny sabatra izay efa nahatrabaka ny andriana no manemitra azy.[Heb. lehibe]
20 Ay na takuba kaŋ ga kaa i gaa daŋ i kulu birni meyey gaa, Zama i biney ma pati, i boro boobo mo ma kati ka kaŋ. Kaari! Sanda maliyaŋ cine no i na takuba te, I n'a foobu wiyaŋ se.
20Nahebihebiko teny amin'ny vavahadiny rehetra ny sabatra, mba hahakivy ny fo sy hahatonga fahatafintohinana maro. Indrisy! nataoko nanelatselatra izy sady voaranitra hamono.[Na: voatsoaka]
21 Sohõ kala ni ma soola ka koy kambe ŋwaari haray. Te soola ka koy kambe wow haray, Nangu kulu kaŋ ni meyo miila.
21Miomana, ka mandrosoa eo ankavanana ianao, mijoroa, ka mandrosoa eo an-kavia, amin'izay voatendry hamelezanao na aiza na aiza.
22 Ay mo, y'ay kambey kokobe, Ay futay korna mo ma yay. Ay, Rabbi no ka woodin ci.
22Hiteha-tanana koa Aho ary hiala fo; Izaho Jehovah no nilaza izany.
23 Rabbi sanno kaa ay do ka ne:
23Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe:
24 Nin mo, boro izo, ma fondo hinka cabe, naŋ kaŋ Babila bonkoono takuba ga gana ka kaa, i boro hinka kulu mo ga fun laabu folloŋ ra. Ma fondo fayyaŋ seeda te, naŋ kaŋ fondey ga fay ka koy gallo do.
24Hianao, ry zanak'olona, manaova lalana roa ho anao hihavian'ny sabatry ny mpanjakan'i Babylona; avy amin'ny tany iray no hihavian'izy roa; ka manaova sarin'ny famantaran-dalana, eo an-tsampanan-dalana mankany amin'ny tanàna no anaovinao azy.[Heb: voatsoaka]
25 Kala ni ma takuba cabe fonda kaŋ a ga gana ka kaa Rabba, Amon izey wano do. Ma fondo fo mo cabe kaŋ ga kaa ka furo Yahuda ra. A ma furo Urusalima, kaŋ ga ti kwaara wongu-cinari-koyo.
25Manaova lalana hihavian'ny sabatra ho any Raban'ny taranak'i Amona sy ho any ny Joda ao Jerosalema mimanda.
26 Zama Babila bonkoono ga kay fondo fayey gaa, fonda hinka din boŋ, zama nga ma gunayaŋ te. A ga hangawey zinji, a ma saaware ceeci toorey do, a ma alman haame guna.
26Fa ny mpanjakan'i Babylona mijanona eo amin'ny sampanan-dalana, dia eo an-dohan'ny lalana roa, mba hanao sikidy; dia manetsiketsika ny zana-tsipìka izy ary manontany amin'ny sampy sy mizaha amin'ny atin-kena.[Heb. terafima]
27 A kambe ŋwaari ra mo gunayaŋ haro na Urusalima cabe. I ma wongu cinari baguyaŋ dubiyaŋ sinji. I ma wiyaŋ kuuwa te, i ma jinde sambu da wongu kuuwa, i ma wongu cinari baguyaŋ dubiyaŋ sinji gallo me daabirjey do haray, i ma laabu gusam, i ma wongu fuyaŋ cina mo.
27Mby eo an-tànany ankavanana ny sikidy, dia ny ho an'i Jerosalema, mba hametraka lohondry vy fandravana, hisoka-bava hiantsoantso, hanandra-peo amin'ny akoran'ady, hametraka lohondry vy fandravana eo akaikin'ny vavahady, hanandratra tovon-tany sy tilikambo.
28 Ngey wo se, gunayaŋo din tangari no, ngey kaŋ yaŋ na zeyaŋ beeri te. Amma ay wo se, laala fonguyaŋ no, zama i m'i di.
28Nefa tahaka ny sikidy lainga izany eo imason'ireny izay efa nianiana mafy, nefa Jehovah no mampahatsiaro ny helony mba hisamborana azy.[Na: izay efa nianianana mafy][Heb. Izy]
29 Woodin se binde, yaa no Rabbi, Koy Beero ci: Araŋ naŋ i ma fongu araŋ laalayaŋey gaa, mate kaŋ cine araŋ taaley fisi ka fun taray d'a. Baa araŋ goyey kulu ra araŋ zunubey bangay taray kwaaray, za kaŋ i kande araŋ fonguyaŋo ya-cine, i g'araŋ di no da kambe.
29Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nampahatsiarovanareo ny helokareo tamin'ny nampiharihariana ny fahadisoanareo mba hampisehoana ny fahotanareo tamin'izay rehetra nataonareo, noho ny nahatsiarovana anareo dia hosamborin-tanana ianareo.
30 Ni binde, Israyla mayraykoyo, nin boro laalo jaahilo, ni zaaro kaa, ciiti bananta zaaro nooya.
30Ary ianao, ry ilay ratsy fanahy voatrabaka, dia ilay mpanjakan'ny Isiraely, izay tapitra andro amin'ny fotoan'ny heloka mahafaty,
31 I ma boŋtoba kaa, i ma koytaray fuula mo foobu ka kaa. Zama haya si ye ka ciya sanda waato cine koyne. I ma kaynante beerandi, i ma beeraykoy kaynandi. Yaadin no Rabbi, Koy Beero ci.
31izao no lazain'i Jehovah Tompo Hesorina ny hamama, ary halàna ny satro-boninahitra, tsy ho ao intsony ireo; hasandratra ny iva, ary haetry ny avo.
32 Ay g'a ciya kurmu, kurmu, kurmu! Haya mo si ye ka ciya sanda waato cine bo, kala waati kaŋ bora kaa, nga kaŋ ga hima nd'a. Ay mo, y'a no a se.
32Havadiko, havadiko, havadiko izany; fa izany koa aza dia tsy mba haharitra mandra-pahatongan'izay tena tompony tokoa, ka homeko azy izany.
33 Ni mo, boro izo, kala ni ma annabitaray te ka ne: «Wa maa haŋ kaŋ Rabbi, Koy Beero ci Amon izey da wowo kaŋ i te din boŋ: Takuba! I na takuba foobu wiyaŋ se. I n'a ziiri a ma ŋwa ka ban se, A ma nyaale sanda maliyaŋ cine.
33Ary ianao, ry zanak'olona, dia maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny amin'ny taranak'i Amona sy ny latsa ataony, dia ataovy hoe: Indro sabatra! Dia sabatra voatsoaka hamono! Voafotsy handringana sy hanelatselatra izy
34 I goono ga di bangandi yaamo yaŋ araŋ se, I goono ga tangari gunayaŋ te araŋ se, Kaŋ ga ne takuba din ga ilaaley jindey beeri, Ngey kaŋ guuru wongu ra. I zaaro kaa, ciiti bananta alwaato wane.
34(Raha mahita zava-poana ho anao izy sy maminany lainga aminao) Handavoany anao ao amin'ny vozon'ny ratsy fanahy voatrabaka, Izay tapitra andro amin'ny fotoan'ny heloka mahafaty.[Heb. Hametrahana]
35 Ma takuba ye nga nyaŋo ra. Ni takayaŋo do, laabo kaŋ i na ni hay din ra no, Ay ga ciiti te ni se.
35Ampidiro amin'ny tranony izy. Any amin'ny tany namoronana anao, dia any amin'ny tany nahaterahanao, no hitsarako anao.
36 Ay g'ay dukuro gusam ni boŋ. Ay g'ay futa danjo funsu ni boŋ. Ay ga ni daŋ boroyaŋ kaŋ biney ga koroŋ kambe ra, Borey kaŋ yaŋ ga goni halaciyaŋ goy gaa.
36Ary haidiko aminao ny fahavinirako, ny afon'ny fahatezerako no hotsofiko aminao, ka hatolotro eo an-tànan'ny olona ketrina. Sy izay mpamorona fandringanana ianao,Dia ho kitain'ny afo ianao; Ho eny amin'ny tany ny rànao; Tsy hotsaroana ianao; Fa Izaho Jehovah no niteny izany.
37 Ni ga ciya danji ŋwaari, Ni kuro go nangu kulu laabo ra. I si ye ka fongu ni gaa koyne, Zama ay, Rabbi no ka salaŋ.»
37Dia ho kitain'ny afo ianao; Ho eny amin'ny tany ny rànao; Tsy hotsaroana ianao; Fa Izaho Jehovah no niteny izany.