1 I go no, jiiri hinka kubay, Firawna mo hindiri. Kal a go ga kay isa me gaa.
1[Ny nilazan'i Josefa ny nofin'i Farao, sy ny nanandratana azy ho mpanapaka any Egypta] Ary rehefa afaka roa taona mipaka, dia nanonofy Farao, fa, indro, nitsangana teo amoron'i Neily izy.
2 Kala haw iyye go, i fatta isa ra, kaŋ yaŋ ga naasu, i ga boori. I go ga kuru kundo ra.
2Koa, indreo, nisy ombivavy fito tsara tarehy sady matavy niakatra avy teo Neily ka nihinana teny amin'ny bararata.
3 Kala koyne, haw iyye fooyaŋ mo fun i banda isa ra, ilaaloyaŋ, ifaaboyaŋ. I kay haw yongo yaŋ jarga, isa jabo gaa.
3Ary indreo, nisy ombivavy fito hafa kosa ratsy tarehy sady mahia niakatra avy teo Neily nanaraka azy, ka dia nijanona teo anilan'ireo ombivavy teo amoron'i Neily.
4 Haw laalo faabey din na haw naaso hanno iyya din ŋwa. Firawna binde mo hay.
4Ary ireo ombivavy ratsy tarehy sady mahia nihinana ireo ombivavy fito tsara tarehy sady matavy. Dia nahatsiaro Farao.
5 A jirbi koyne, a ye ka hindiri. Kala jeeni iyye go, i fatta kwaari folloŋ gaa, i ga warga, i ga boori.
5Ary natory indray izy ka nanonofy fanindroany; ary, indro, nisy salohim-bary fito niseho tamin'ny tahony iray, sady vokatra no tsara.
6 Kala jeeni iyye fooyaŋ mo go, imariyoyaŋ, kaŋ yaŋ wayna funay haw n'i kokobe, ijiney banda.
6Ary, indreo kosa, nisy salohim-bary fito maivam-boa sady main'ny rivotra avy any atsinanana, niseho nanaraka ireny.
7 Jeeni mariyey mo na jeeni kaso iyye kaŋ yaŋ ga to gon. Firawna mo hay koyne, wiiza, hindiri no.
7Ary ny salohim-bary maivam-boa nitelina ny salohim-vary fito vokatra sy be voa. Dia nahatsiaro Farao, koa indro fa nofy ihany izany.
8 A go no, kaŋ mo bo, a laakalo tun. A donton ka ne i ma Misira moodabal teekoy kulu da saykoy kulu kaŋ yaŋ go laabo ra ce. Firawna na nga hindirey ci i se, amma i mana du i ra boro kaŋ g'i feerijo ci Firawna se.
8Ary nony maraina, dia nitebiteby ny fanahiny, ka dia naniraka nampaka ny ombiasy rehetra tao Egypta sy ny olon-kendry rehetra tao izy; ary nambaran'i Farao tamin'ireny ny nofiny, kanjo tsy nisy na dia iray aza nahalaza izay heviny tamin'i Farao.
9 Saaya din gaa no hari tabakwa salaŋ Firawna se ka ne: «Hunkuna no ay fongu nd'ay taalo.
9Dia niteny tamin'i Farao ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka ka nanao hoe: Tsaroako izao ny fahadisoako:
10 Firawna te bine nga bannyey se, a n'ay haw doogarey koyo kwaara, in da haaguyaŋ koyo.
10Farao dia tezitra tamin'ny mpanompony ka nanao ahy tao an-trano-maizina tao anatin'ny tranon'ny mpifehy ny mpiambina, dia izaho sy ilay lehiben'ny mpanao mofo.
11 Cin folloŋ ra iri hindiri, in d'a, iri boro kulu nga hindiro feerijo boŋ.
11Ary nanonofy izahay indray alina, dia izaho sy izy; samy nanonofy araka ny hevitry ny nofinay avy izahay.
12 Noodin mo arwasu fo go iri banda, kaŋ Ibraniyance no, doogarey jine funa bannya no. Iri ci a se, nga mo n'iri hindirey feeri iri se, boro kulu nga hindiro boŋ no a n'i feeri.
12Ary tao aminay dia nisy zatovo Hebreo anankiray, mpanompon'ny mpifehy ny mpiambina; dia nambaranay taminy ny nofinay, ka nolazainy taminay ny heviny; samy nilazany araka ny nofinay avy izahay.
13 A ciya mo, danga mate kaŋ a na feerijo ci iri se, yaadin no ka tabbat. Ay wo, i n'ay yeti ay kayyaŋ nango ra, nga mo, i n'a sarku.»
13Ary samy tonga araka izay efa nolazainy taminay indrindra izany: izaho nampodiny ho ao amin'ilay nipetrahako, fa izy kosa nahantony.
14 Saaya din Firawna donton ka ne i ma Yusufu ce. I binde n'a kaa kaso ra da cahãyaŋ. I kond'a. A na nga boŋo cabu ka nga bankaarayey barmay ka furo Firawna do.
14Dia naniraka Farao ka nampaka an'i Josefa, dia nalaina faingana niala tao andavaka izy; ary nanaratra ny volom-bavany sy niova fitafiana izy, dia nankany amin'i Farao.
15 Firawna ne Yusufu se: «Ay hindiri no. Boro si no mo kaŋ n'a feeri ay se. Ay maa i ga salaŋ ni boŋ ka ne da ni maa hindiri, ni ga waani k'a feeri.»
15Ary hoy Farao tamin'i Josefa : Nanonofy aho, koa tsy misy mahalaza ny heviny; ary izaho nahare fa ianao, hono, raha mandre nofy, dia mahalaza ny heviny.
16 Yusufu tu Firawna se ka ne: «Manti ay se no a go bo. Irikoy no ga tu Firawna se da baani sanni.»
16Ary Josefa dia namaly an'i Farao ka nanao hoe: Tsy ahy izany; Andriamanitra no hilaza izay valiny hiadanan'i Farao.
17 Kala Firawna ne Yusufu se: «Ay hindiro ra, ay go ga kay isa me gaa.
17Ary hoy Farao tamin'i Josefa: Nofiko fa indro, hono, nitsangana teo amoron'i Neily aho;
18 Kala haw iyye go kaŋ yaŋ ga naasu, i ga boori, i fatta isa ra. I soobay ka kuru kundo ra.
18koa, indreo, nisy ombivavy fito matavy sady tsara tarehy niakatra avy teo Neily; ary nihinana teny amin'ny bararata ireny.
19 Haw iyye fooyaŋ mo go kaŋ yaŋ fun i banda koyne, ifaaboyaŋ, ilaaloyaŋ no gumo. I faabuyaŋo mo, ay mana di i dumi Misira ra baa ce fo, i jaŋ-ka-booriyaŋo se.
19Ary, indreo, nisy ombivavy fito hafa koa niakatra nanaraka ireny, mihozohozo sady ratsy tarehy indrindra no mahia, ka tsy mbola hitako izay ratsy toa azy teto amin'ny tany Egypta rehetra.
20 Haw faabo laaley din binde na sintinay wane naasey din ŋwa.
20Ary ireo ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy dia nihinana ireo ombivavy fito matavy izay nialoha azy.
21 Saaya kaŋ i n'i ŋwa mo, i sinda mate kaŋ boro ga bay hal i n'i ŋwa, zama hala hõ ilaaloyaŋ no, danga waato. Kal ay mo hay.
21Ary rehefa nihinana azy izy, dia tsy fantatra akory fa efa mby ao an-kibony ireny; fa mbola ratsy tarehy tahaka ny tamin'ny fahiny ihany izy. Dia nahatsiaro aho.
22 Ay hindiro ra koyne jeeni iyye go, i fun kwaari folloŋ gaa, toonanteyaŋ, ihannoyaŋ mo.
22Ary hitako tamin'ny nofiko indray, ka, indreo nisy salohim-bary fito niseho tamin'ny tahony iray, sady vokatra no tsara;
23 Kala jeeni iyye go koyne, isanfuyaŋ, imariyoyaŋ, kaŋ yaŋ wayna funay haw n'i kar, i fatta ijiney banda.
23ary, indreo kosa, nisy salohim-bary fito sady malazo no maivam-boa, main'ny rivotra avy any atsinanana, niseho nanaraka ireny;
24 Jeeni mariyo iyya din na jeeni hanno iyya din gon. Ay na woodin ci moodabal teekoy se, amma ra i sinda boro kaŋ hin k'a feeri ay se.»
24ary ny salohim-bary maivam-boa dia nitelina ny salohim-bary fito vokatra. Ary nolazaiko tamin'ny ombiasy izany, nefa tsy nisy nahalaza ny heviny tamiko.
25 Yusufu ne Firawna se: «Firawna hindirey, hari folloŋ no. Haŋ kaŋ Irikoy soola, kaŋ a ga ba ka te, nga no a cabe Firawna se.
25Ary hoy Josefa tamin'i Farao: Ny nofin'i Farao dia iray ihany; izay efa hataon'Andriamanitra no nambarany tamin'i Farao.
26 Haw hanno iyya din, jiiri iyye no. Jeeni hanno iyya din mo, jiiri iyye no. Hindirey wo sanni folloŋ no.
26Ny ombivavy fito tsara tarehy dia fito taona; ary ny salohim-bary fito vokatra koa dia fito taona; iray ihany ny nofy.
27 Haw faabo iyya din kaŋ fun i banda mo jiiri iyye no, koyne jeeni sanfante iyya din kaŋ wayna funay hawo kar, ngey mo jiiri iyye no, haray wane yaŋ.
27Ary ny ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy, izay niakatra nanaraka ireny, dia fito taona; ary ny salohim-bary fito tsy nisy voa sady main'ny rivotra avy any atsinanana, dia ho fito taona mosarena.
28 Haŋ kaŋ ay ga ci Firawna se neeya: haŋ kaŋ Irikoy soola, kaŋ a ga ba ka te, a n'a bangandi Firawna se.
28Izany dia ilay efa nolazaiko tamin'i Farao teo hoe: Izay efa hataon'Andriamanitra no asehony amin'i Farao.
29 Jiiri iyye go kaa, kunji wane yaŋ, Misira laabo kulu ra.
29Indro, hisy fito taona zina indrindra eran'ny tany Egypta rehetra;
30 I banda no jiiri iyye fo ga kaa, haray wane. I ga dinya kunji kulu Misira laabo kulu ra. Hara ga laabo ŋwa.
30ary manaraka izany kosa dia hisy fito taona mosarena, ka ho hadino ny fahavokarana be rehetra teo amin'ny tany Egypta ary ho ritry ny mosary ny tany;
31 I si fongu nda kunji laabo ra mo, hara din kaŋ g'a banda gana sabbay se, zama a ga koroŋ gumo.
31ary ny fahavokarana eo amin'ny tany tsy ho fantatra noho izany mosary manaraka azy izany; fa ho mafy indrindra izany.
32 Woodin se i na hindiro yaara sorro hinka Firawna se, zama Irikoy do haya din, a tabbat, sohõ no Irikoy g'a sintin.
32Ary naverina indroa ny nofin'i Farao, satria efa voatendrin'Andriamanitra izany zavatra izany ka hotanterahin'Andriamanitra faingana.
33 Sohõ binde, Firawna ma ceeci boro fo kaŋ gonda fahamay, kaŋ gonda laakal, a m'a daŋ a ma Misira laabo kulu may.
33Koa ankehitriny aoka Farao hizaha lehilahy manan-tsaina sady hendry ka hanendry azy hanapaka ny tany Egypta.
34 Firawna ma woone te mo: a ma jine funeyaŋ daŋ laabo ra, zama i ma ta Misira laabo nafa haro ra, jare fo igu kulu ra, kunji jiiri iyya din ra.
34Aoka hanao izany Farao, ary aoka izy hanendry mpikarakara hitandrina ny tany sy hamory ny ampahadimin'ny vokatry ny tany Egypta amin'ny taon-jina fito.
35 Koyne, i ma ŋwaari margu jiiri hanney kaŋ yaŋ ga kaa din waney. I ma ŋwaari jisi Firawna dabari ra kwaarey kulu ra, i m'a batu mo.
35Ary aoka izy ireo hanangona ny hanina rehetra amin'ireo taona tsara ho avy ireo ka hamory vary be amin'ny anaran'i Farao ho fihinana any amin'ny tanana maro, ka aoka hitahiry izany izy
36 }waari ga goro jisante nooya laabo se, jiiri iyye hara din kaŋ ga ba ka sintin Misira laabo ra. Soolayaŋ nooya hala laabo ma si halaci nda haray.»
36Ary aoka izany hanina izany hotehirizina ao amin'ny tany ho amin'ny fito taona mosarena, izay ho tonga amin'ny tany Egypta, mba tsy ho simban'ny mosary ny tany.
37 Dabaro din boori mo Firawna nda nga bannyey kulu diyaŋ gaa.
37Ary sitrak'i Farao sy ny mpanompony rehetra izany hevitra izany.
38 Firawna mo ne nga bannyey se: «Iri ga hin ka du boro wo cine no, kaŋ Irikoy Biya go a ra?»
38Dia hoy Farao tamin'ny mpanompony: Hahita lehilahy tahaka io, izay manana ny Fanahin'Andriamanitra ao anatiny, va isika?
39 Firawna ne Yusufu se: «Za kaŋ Irikoy na woodin kulu cabe ni se, fahamaykoy fo si no, laakalkooni mo si no danga ni cine.
39Ary hoy koa Farao tamin'i Josefa: Satria efa nampahafantarin'Andriamanitra anao izany rehetra izany, dia tsy misy lehilahy manan-tsaina sady hendry tahaka anao;
40 Nin no ga goro ay windo boŋ. Ni ciyaŋo boŋ no i g'ay borey kulu may mo. Karga boŋ haray hinne no ay ga bisa nin beeray.»
40koa ianao no hanapaka ny ato an-tranoko, ary araka ny teninao no hitondrana ny oloko rehetra; ny seza fiandrianana ihany no hahalehibe ahy noho ianao.
41 Firawna ne Yusufu se koyne: «A go, ay na ni daŋ Misira laabo kulu boŋ.»
41Ary hoy indray Farao tamin'i Josefa: Indro, efa nanendry anao hanapaka ny tany Egypta rehetra aho.
42 Firawna na nga kambe korba kaŋ gonda kawaatimo foobu. A n'a daŋ Yusufu kambe gaa. A na lin* bankaaray hanno daŋ a gaa, a na wura sisiri mo sarku a jinda gaa.
42Dia nesorin'i Farao ny peratra tamin'ny tanany ka nataony tamin'ny tànan'i Josefa, dia nampitafiny rongony fotsy madinika izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony;
43 A n'a kaarandi nga bari torko hinkanta ra. I soobay ka zamu a jine ka ne: «Wa somb'a se!» Kala Firawna n'a daŋ Misira laabo kulu boŋ.
43dia nampitaingeniny teo anatin'ny kalesiny faharoa izy, ary ny vahoaka niantso teo alohany nanao hoe: Mandohaleha; ary notendreny ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra izy.
44 A ne Yusufu se: «Ay, Firawna no ka ci: boro fo si no kaŋ ga nga kambe sambu wala a ma nga ce dagu Misira laabo kulu ra, kala nda ni yadda.»
44Ary hoy Farao tamin'i Josefa: Izaho no Farao, ary raha tsy teninao, dia tsy hisy olona hanetsika ny tànany na ny tongony eto amin'ny tany Egypta rehetra.
45 Koyne, Firawna na maa daŋ Yusufu gaa ka ne a se Zafanatu-Panaya. A na Alfa Potifera, On wano, ize wayo Asenata hiijandi a se. Yusufu bar-bare mo Misira laabo ra.
45Ary nataon'i Farao hoe Zafenata-panea no anaran'i Josefa; dia nomeny azy Asenata, zanakavavin'i Poti-fera, mpisorona tao Ona, ho vadiny. Ary Josefa nandeha nitety ny tany Egypta.
46 Yusufu to jiiri waranza saaya kaŋ a kay Misira bonkoono Firawna jine. Yusufu fatta Firawna do ka Misira laabo gana, a me-a-me.
46Ary efa telo-polo taona Josefa, raha niseho teo anatrehan'i Farao, mpanjakan'i Egypta. Dia niala teo anatrehan'i Farao Josefa ka nandeha nitety ny tany Egypta rehetra.
47 Kunji jiiri iyya din ra laabo yulwa nda ŋwaari.
47Ary ny tany dia nahavokatra tsy omby fàmpana tamin'ny taon-jina fito.
48 Yusufu na ŋwaari jisi kwaarey ra. Farey kaŋ yaŋ goono ga kwaara kulu windi, a n'i ŋwaaro jisi kwaara ra.
48Dia namory ny hanina rehetra tamin'izany fito taona izany teo amin'ny tany Egypta izy ka nitahiry izany tao amin'ny tanàna rehetra: ny vokatry ny saha manodidina ny isan-tanàna dia notehiriziny tao anatin'ny tanàna.
49 Yusufu na masangu jisi kaŋ baa gumo danga teeku me gaa taasi cine, hal a fay da lasaabo, zama a baa da lasaabuyaŋ.
49Ary Josefa namory vary tahaka ny fasika any an-dranomasina, eny, be indrindra, ka tsy nanisa intsony izy, satria efa tsy hita isa.
50 I na ize aru hinka hay Yusufu se, za hara jiirey mana kaa, kaŋ yaŋ Asenata (kaŋ a baabo ga ti Alfa Potifera, kaŋ ga ti On wane) hay a se.
50Ary nisy zazalahy roa naterak'i Asenata, zanakavavin'i Poti-fera, mpisorona tao Ona, tamin'i Josefa, raha tsy mbola tonga ny taona mosarena.
51 Yusufu na nga hay-jina maa daŋ Manasse, zama a ne: «Irikoy naŋ ay ma dinya ay taabo kulu, d'ay baaba windo kulu.»
51Ary ny anaran'ny lahimatoa dia nataon'i Josefa hoe Manase; fa hoy izy: Andriamanitra efa nampanadino ahy ny fahoriako rehetra sy izay rehetra tao an-tranon'ny raiko.
52 Ihinkanta mo, a n'a maa daŋ Ifraymu. Zama a ne: «Irikoy n'ay no izeyaŋ ay kaynandiyaŋ laabo ra.»
52Ary ny anaran'ny zandriny kosa nataony hoe Efraima; fa hoy izy: Andriamanitra efa nahamaro ahy teto amin'ny tanin'ny fahoriako.
53 Kunji jiiri iyya din kaŋ i te Misira laabo ra bisa.
53Ary tapitra ny taon-jina fito teo amin'ny tany Egypta;
54 Haray jiiri iyya kaŋ Yusufu ci din mo sintin. Haray te laabey kulu ra, amma nangu kulu Misira laabo ra, ŋwaari go no.
54dia niandoha kosa ny fito taona mosarena, araka izay efa nolazain'i Josefa; ary nisy mosary tany amin'ny tany rehetra; nefa eran'ny tany Egypta rehetra dia mbola nisy hanina ihany.
55 Saaya kaŋ Misira laabo kulu kankam da haray, borey hẽ Firawna gaa ŋwaari sabbay se. Firawna mo ne Misirancey se: «Wa koy Yusufu do. Haŋ kaŋ a ci araŋ se kulu, araŋ m'a te.»
55Ary rehefa mosarena ny tany Egypta rehetra, dia nitaraina nangataka hanina tamin'i Farao ny olona; ary hoy Farao tamin'ny Egyptiana rehetra: Mankanesa any amin'i Josefa; ary izay holazainy aminareo dia ataovy.
56 Hara binde go laabey kulu ra, Yusufu mo na ŋwaari jisante barmey kulu me fiti. A soobay ka neera Misirancey se. Zama hara koroŋ Misira laabo ra.
56Ary ny mosary dia tany amin'ny tany rehetra. Ary Josefa namoha ny trano fitehirizam-bary ka nivaro-bary tamin'ny Egyptiana.Ary ny tany rehetra nankany Egypta ho any amin'i Josefa mba hividy vary; fa efa mafy ny mosary tany amin'ny tany rehetra.
57 Laabey kulu kaa Misira Yusufu do, zama ngey ma ŋwaari day, zama hara kankam laabey kulu ra.
57Ary ny tany rehetra nankany Egypta ho any amin'i Josefa mba hividy vary; fa efa mafy ny mosary tany amin'ny tany rehetra.