Zarma

Malagasy

Genesis

43

1 Hara kankam laabo ra.
1[Ny nandehanan'ny zanak'i Jakoba fanindroany, sy ny nizahan'i Josefa toetra azy] Ary mafy ny mosary teo amin'ny tany.
2 A ciya mo, saaya kaŋ masango kaŋ i kande ka fun Misira din i n'a ŋwa ka ban, baabo ne i se: «Wa ye ka koy ka ŋwaari kayna day iri se koyne.»
2AryY rehefa laniny ny vary izay efa nalainy tany Egypta, dia hoy ny rainy taminy: Mandehana indray, mividia hanina kely ho antsika.
3 Kala Yahuda salaŋ a se ka ne: «Bora na sanno gaabandi ka ne: ‹Araŋ si di ay moyduma abada, kala nda araŋ kayno go araŋ banda.›
3Ary Joda niteny taminy ka nanao hoe: Efa nilaza mafy taminay ralehilahy ka nanao hoe: Tsy hahita ny tavako ianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo.
4 Da ni g'iri kayno daŋ iri banda, iri ga koy ka ŋwaari day,
4Raha hampandehaninao hiaraka aminay ny rahalahinay, dia hidina izahay ka hividy hanina ho anao;
5 amma da ni s'a daŋ _iri banda|_, iri si koy. Zama bora ne iri se: ‹Araŋ si di ay moyduma kala nda araŋ kayno go araŋ banda.› »
5fa raha tsy hampandehaninao izy, dia tsy hidina izahay; fa hoy ralehilahy taminay: Tsy hahita ny tavako ianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo.
6 Israyla binde ne: «Ifo se no araŋ n'ay zamba ya-cine, za kaŋ araŋ ne bora se kaŋ araŋ gonda nya-ize fo kaŋ cindi?»
6Ary hoy Isiraely: Nahoana no dia nampidi-doza tamiko ianareo ka nanambara tamin-dralehilahy fa mbola nanan-drahalahy koa ianareo?
7 I ne: «Bora din n'iri hã no iri bumbey sanni boŋ da iri dumo wane. A ne: ‹Araŋ gonda baaba kaŋ gonda fundi? wala araŋ gonda nya-ize fo koyne?› Iri mo, iri tu a se sanni woone yaŋ boŋ. Man iri gonda bayray baa kayna hal a ga ne: ‹Wa kande araŋ kayno ay do?› »
7Ary hoy izy ireo: Nanadina dia nanadina ny amin'ny tenanay sy ny mpianakavinay ralehilahy ka nanao hoe: Mbola velona ihany va izay rainareo? ary manan-drahalahy hafa koa va ianareo? Dia nambaranay taminy araka izany teny izany; moa nampoizinay akory va izay hanaovany hoe: Ento midina ny rahalahinareo?
8 Yahuda ne nga baabo Israyla se: «Ma zanka daŋ ay banda. Iri mo, iri ma tun ka koy, zama iri ma funa, iri ma si bu, iri nda nin da iri izey mo.
8Ary hoy Joda tamin'Isiraely rainy: Ampandehano hiaraka amiko ny zaza, dia hiainga izahay ka handeha, mba ho velona isika ka tsy ho faty, dia izahay sy ianao ary ny zanatsika madinika koa.
9 Ay g'a fundo tolme sambu ay boŋ, ay kambe ra no ni g'a ceeci. D'ay mana ye ka kand'a ni do k'a daŋ ni kambe ra, kal ay ma goro nda taali hal abada ay boŋ.
9Izaho no hiantoka azy; amin'ny tanako no handraisanao azy; raha tsy ho entiko atỳ aminao ka hatolotro eto anatrehanao izy, dia ho meloka aminao amin'ny andro rehetra hiainako aho;
10 Zama da manti kaŋ iri gay, haciika doŋ sohõ iri ye ka kaa ce hinka.»
10fa raha tsy nijanonjanona izahay, dia efa tafaverina fanindroany toy izay.
11 I baabo Israyla ne i se: «D'a tilas, yaadin gaa mate kaŋ araŋ ga te neeya: araŋ ma sambu iri laabo wane hay fo caadante araŋ jeejay ra ka kond'a bora se fooyaŋ hari. Wa konda zawul* kayna da yu kayna, da turaare jinay da yaazi da damsi da amand*.
11Ary hoy Isiraely rainy taminy: Raha izany ary no izy, dia izao no ataovy: analao ny vokatra malaza amin'ny tany ka ataovy ao anatin'ny fitondran-entanareo, dia ento midina haterina ho an-dralehilahy, dia balsama kely sy tantely kely, ditin-kazo nekota sy lota sy pistakia ary amygdala;
12 Araŋ ma nooru labu-care hinka sambu araŋ kambe ra. Noorey kaŋ i ye araŋ hawgarey ra, araŋ ma ye nd'ey araŋ kambe ra. Hambara forgay no.
12ary mitondra vola toraka ny teo eny an-tananareo; ary ilay vola izay naverina teo am-bavan'ny lasakanareo dia ento miverina indray; angamba fahadisoana izany.
13 Wa araŋ kayno sambu mo, ka tun ka ye bora do.
13Ary ny rahalahinareo ento ihany; dia miainga ka miverena indray ho any amin-dralehilahy;
14 Irikoy kaŋ ti Hina-Kulu-Koyo ma araŋ no suuji bora do, zama a ma araŋ nya-ize fa din taŋ araŋ se, nga nda Benyamin kulu. Ay mo, d'i n'ay mursandi nd'ay izey, ay murs'ey no.»
14ary Andriamanitra Tsitoha anie hampahita famindram-po anareo eo anatrehan-dralehilahy, mba hampodiny ny rahalahinareo anankiray sy Benjamina. Ary izaho, raha foanana anaka aho, dia foana anaka ihany.
15 Kala borey na fooyaŋey sambu. I na nooru labu-care hinka mo sambu ngey kambe ra, da Benyamin mo. I tun ngey do ka koy Misira ka kay Yusufu jine.
15Dia nentin'ireo lehilahy ireo ny zavatra hateriny, ary vola indroa toraka ny teo koa no nentiny teny an-tànany mbamin'i Benjamina; ary niainga izy, dia nidina tany Egypta ka tonga teo anatrehan'i Josefa.
16 Saaya kaŋ Yusufu di Benyamin go i banda, a ne nga windi jine funa se: «Ma furo nda borey din windo ra. Ma alman wi mo k'a soola, zama da wayna to zaari bindi, borey din ga ŋwa ay banda.»
16Ary Josefa, raha nahita an'i Benjamina niaraka taminy, dia nanao tamin'ny mpikarakara ny tao an-tranony hoe: Ampidiro atsy an-trano ireo lehilahy ireo, dia amonoy zavatra izy ka anaovy nahandro; fa hiara-mihinana amiko izy raha mitataovovonana ny andro.
17 Kala bora te danga mate kaŋ Yusufu ci nga se ka borey daŋ Yusufu windo ra.
17Dia nataon-dralehilahy araka izay nandidian'i Josefa; ka nampidirin-dralehilahy tao an-tranon'i Josefa ireo.
18 Borey din humburu zama i n'i daŋ Yusufu windo ra. I ne: «Nooro din kaŋ i ye iri hawgarey ra za sintina gaa din, a se no i n'iri daŋ, zama nga ma du kobay ka kaŋ iri boŋ, ka iri te bannyayaŋ, iri nda iri farkayey kulu.»
18Dia raiki-tahotra ireo lehilahy ireo, satria nampidirina tao an-tranon'i Josefa, ka hoy izy: Maintsy ilay vola naverina tao anatin'ny lasakantsika fahiny va no nampidirana antsika, hivarinany amintsika sy hianjerany amintsika! dia halainy ho andevo isika, ary halainy koa ny borikintsika.
19 Kal i sosoro ka maan Yusufu windi jine funa do. I salaŋ a se windo me gaa
19Dia nanatona an-dralehilahy, mpikarakara ny tao an-tranon'i Josefa, izy ka niteny taminy teo am-baravaran'ny trano nanao hoe:
20 ka ne: «Ya iri jine bora, daahir iri kaayaŋ jina gaa, iri kaa zama iri ma ŋwaari day no.
20Mba henoy kely izahay, tompokolahy: nidina hividy hanina tokoa izahay fahiny:
21 A ciya mo, waato kaŋ iri to zumbuyaŋo do, iri n'iri hawgarey feeri, kala boro kulu nooro go a hawgara me gaa. Iri noorey neeya timmante. Iri ye ka kand'ey iri kambe ra.
21ary rehefa tonga teo amin'izay nandrianay izahay, dia nosokafanay ny lasakanay, ka indreo ny volanay isan-dahy teo am-bavan'ny lasakanay avy, tonga lanja avokoa ny volanay; ary efa nentinay niverina eto an-tananay izany.
22 Iri kande nooru fooyaŋ mo koyne zama iri ma ŋwaari day. Iri mana bay boro kaŋ n'iri noorey ye iri hawgarey ra.»
22Ary nitondra vola hafa koa eto an-tananay izahay hamidy hanina: tsy fantatray izay nanao ny volanay tao anatin'ny lasakanay.
23 Kal a ne: «Laakal kanay ma goro araŋ gaa, araŋ ma si humburu bo. Araŋ Irikoyo, araŋ baaba Irikoyo, nga no k'araŋ no arzaka araŋ hawgarey ra. Araŋ noorey furo ay kambe ra.» A na Simeyon mo kaa taray.
23Ary hoy izy: Matokia ianareo, fa aza matahotra; Andriamanitrareo, dia Andriamanitry ny rainareo, no nanome anareo harena tao anatin'ny lasakanareo; ny volanareo dia efa tonga tatỳ amiko ihany. Dia namoaka an'i Simeona ho eo aminy izy.
24 Bannya din mo na borey daŋ Yusufu fuwo ra. A n'i no hari, i na ngey cey nyun. A n'i farkayey mo no ŋwaari.
24Ary nampidirin-dralehilahy tao an-tranon'i Josefa ireo olona ireo ka nomeny rano, dia nanasa tongotra izy, ary ny borikiny nomeny hanina koa.
25 I na fooyaŋ haro soola hala Yusufu ga kaa zaari bindi, zama i ci i se kaŋ i ga ŋwa noodin.
25Dia nandamina ny zavatra hateriny izy mandra-pihavin'i Josefa rehefa mitataovovonana ny andro; fa efa reny fa eo no hihinanany hanina.
26 Waato kaŋ Yusufu ye ka kaa fu, i kond'a se fooyaŋ haro kaŋ go i kambey ra windo ra. I gurfa a jine hala ganda.
26Ary rehefa tonga tao an-trano Josefa, dia nampidirin'izy mirahalahy avy ho ao an-trano mba hatolotra azy ireo zavatra efa nentiny, dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany izy.
27 A n'i baani hã ka ne: «Araŋ baabo go baani, wala, dottija din kaŋ araŋ ci? A gonda fundi hala hõ?»
27Ary Josefa nanontany ny toeny ka nanao hoe: Tsara ihany va ny rainareo, ilay lahy antitra nolazainareo? mbola velona ihany va izy?
28 I ne: «Ni bannya, iri baaba go baani. A gonda fundi hala hõ.» I na boŋ sumbal ka sombu a jine.
28Dia hoy izy: Tsara ihany ny mpanomponao rainay; mbola velona ihany izy. Dia niondrika izy ireo ka niankohoka.
29 A na nga boŋ sambu ka di nga kayno, Benyamin, a nyaŋo izo. A ne: «Araŋ koda no, wala? nga kaŋ araŋ ci ay se?» A ne koyne: «Irikoy ma gomni te ni se, ay izo!»
29Ary Josefa nanopy ny masony ka nahita an'i Benjamina rahalahiny, zanakalahin'ny reniny, dia hoy izy: Io va no zandrinareo faralahy, izay nolazainareo tamiko? Sady hoy koa izy: Andriamanitra anie hanisy soa anao, anaka
30 Kala Yusufu waasu, zama a gaahamo jijiri, nga kayno bakaraw se. A na nangu ceeci zama nga ma hẽ. A furo nga kaniyaŋ fuwo ra ka hẽ noodin.
30Dia niala faingana Josefa, fa nangorakoraka ny fony noho ny rahalahiny, ka nitady izay hitomaniany izy; dia niditra tao an-efi-trano izy ka nitomany tao.
31 A na nga moyduma nyun ka fatta, kal a hin nga boŋ. A ne i ma kande ŋwaari.
31Ary rehefa nanasa ny tavany izy, dia nivoaka; ary nanindry ny fangorakoraky ny fony izy ka nanao hoe: Ento ny nahandro.
32 I daŋ a se nga wane, nga hinne. Ngey mo wane go waani i do. Misirancey kaŋ yaŋ go noodin mo, i ŋwaaro go waani, zama kabiya hari no Misirancey se i ma ŋwa Ibraniyancey banda; fanta hari no Misirancey se.
32Dia narosony mitokana ny ho an'i Josefa, ary mitokana ny ho an'ny rahalahiny, ary mitokana koa ny ho an'ny Egyptiana izay nihinana teo aminy, satria ny Egyptiana tsy mahazo miara-komana amin'ny Hebreo, fa fahavetavetana amin'ny Egyptiana izany.
33 I goro a jine, hay-jina nga hayyaŋ darza boŋ, koda mo nga kaynayaŋo boŋ. Borey mo na care guna nda dambara.
33Dia nipetraka teo anatrehany izy, ny lahimatoa araka ny fizokiany, ary ny faralahy araka ny fizandriany; dia samy talanjona ka nifampijerijery izy.Ary samy nitondrana anjara-hanina avy teo anoloan'i Josefa izy mirahalahy avy; kanefa ny anjara-hanin'i Benjamina dia indimy toraka ny anjaran-drery tamin'izy rehetra. Dia niara-nisotro sy nivoky divay teo aminy izy.
34 A ne i ma ŋwaaro sambu nga jine ka kond'a i se. Amma Benyamin wano, a naŋ i m'a te a ma to cindey wane fo sorro gu. I haŋ ka maa kaani a banda.
34Ary samy nitondrana anjara-hanina avy teo anoloan'i Josefa izy mirahalahy avy; kanefa ny anjara-hanin'i Benjamina dia indimy toraka ny anjaran-drery tamin'izy rehetra. Dia niara-nisotro sy nivoky divay teo aminy izy.