Zarma

Malagasy

Genesis

46

1 Israyla* binde na nga mayray haro kulu margu ka kaa Beyer-Seba. A na sargay* salle nga baabo Isaka wane Irikoyo se.
1[Ny nifindran'Isiraely sy ny ankohonany ho any amin'ny tany Egypta] Ary niainga Isiraely nitondra izay rehetra nananany ka nankany Beri-sheba, dia namono zavatra hatao fanatitra ho an'Andriamanitr'Isaka rainy izy.
2 Irikoy mo salaŋ Israyla se cin bangandi ra ka ne: «Yakuba! Yakuba!» Yakuba ne: «Ay neeya.»
2Ary Andriamanitra niteny tamin'Isiraely tao amin'ny fahitana nony alina ka nanao ho : Ry Jakoba, ry Jakoba ô! Ary hoy kosa izy: Inty aho.
3 A ne: «Ay no Irikoy, ni baaba wane Irikoyo. Ma si humburu Misira koyyaŋ, zama ay ga naŋ ni ma ciya dumi bambata noodin.
3Dia hoy Izy: Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitry ny rainao; aza matahotra hidina any Egypta ianao, fa hataoko firenena lehibe any ianao.
4 Ay ga koy ni banda Misira ra. Daahir mo, ay ga ye nda nin koyne, Yusufu ga ni moy mooru mo.»
4Izaho hiara-midina aminao ho any Egypta; ary Izaho hitondra anao hiakatra indray tokoa ary ny tànan'i Josefa no hanirina ny masonao.
5 Kala Yakuba tun Beyer-Seba. Israyla izey mo na ngey baabo Yakuba sambu, nga nda i izey d'i wandey mo, torkey ra kaŋ yaŋ Firawna samba i m'i sambu se.
5Dia niainga Jakoba ka niala tao Beri-sheba; ary ny zanak'Isiraely nitondra an'i Jakoba rainy sy ny zanany madinika ary ny vadiny teo anatin'ny sariety, izay efa nampitondrain'i Farao hitondrana azy.
6 I na ngey almaney boy. I na ngey jinayey kaŋ yaŋ i du Kanaana laabo ra ku. I koy Misira, Yakuba nda nga banda kulu,
6Ary nentin'izy ireo ny omby aman'ondriny sy ny fananany, izay efa nohariny tany amin'ny tany Kanana, dia tonga tany Egypta Jakoba sy ny zanany rehetra nomba azy:
7 a ize arey d'a izey ize arey, a ize wayey d'a ize arey ize wayey, d'a banda kulu, a kand'ey nga banda Misira.
7ny zananilahy sy ny zafini-lahy nomba azy, ary ny zananivavy sy ny zafini-vavy; eny, nentiny nomba azy ho any Egypta avokoa ny zanany rehetra.
8 Israyla izey kaŋ yaŋ kaa Misira ra, i maayey neeya, Yakuba nda nga izey: Ruben, Yakuba hay-jina.
8Ary izao no anaran'ny zanak'Isiraely izay tonga tany Egypta, dia Jakoba sy ny zananilahy :
9 Ruben izey neeya: Hanoku, da Pallu, da Hezron, da Karmi.
9Robena, lahimatoan'i Jakoba. Ary ny zanakalahin-dRobena dia Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy
10 Simeyon izey mo ga ti: Yemuwel, da Yamin, da Ohad, da Yacin, da Zohar, da Sawul, Kanaana wayboro fo ize.
10Ary ny zanakalahin'i Simeona dia Jemoela sy Jamina sy Ohada sy Jakina sy Zohara ary Saoly, zanakalahin'ny vehivavy Kananita.
11 Lawi izey mo ga ti: Gerson, da Kohat, da Merari.
11Ary ny zanakalahin'i Levy dia Gersona sy Kehata atỳ Merary.
12 Yahuda izey mo ga ti: Er, da Onan da, Sela, da Farisa, da Zera. Amma Er da Onan bu Kanaana laabo ra. Farisa izey mo: Hezron da Hamul.
12Ary ny zanakalahin'i Joda dia Era sy Onana sy Sela sy Fareza ary Zera; ary Era sy Onana anefa dia maty tany amin'ny tany Kanana ihany. Ary ny zanakalahin'i Fareza dia Hezrona sy Hamola.
13 Isakar izey mo ga ti: Tola, da Puba, da Ayuba, da Simron.
13Ary ny zanakalahin'Isakara dia Tola sy Pova sy Joba ary Simrona.
14 Zabluna izey mo ga ti: Saredu, da Elon, da Yaleyel.
14Ary ny zanakalahin'i Zebolona dia Sereda sy Elona ary Jahalela.
15 Borey din kulu Laya izey no, kaŋ a hay Yakuba se Padan-Aram ra, ngey d'a ize wayo Dina. A izey kulu, alboro nda wayboro, boro waranza cindi hinza no.
15lreo no zanakalahin'i Lea izay naterany tamin'i Jakoba tany Mesopotamia, ary Dina zananivavy; ny isan'ny zananilahy rehetra mbamin'ny zananivavy dia telo amby telo-polo.
16 Gad izey mo ga ti: Zifiyon, da Haggi, da Suni, da Ezbon, da Er, da Arod, da Areli.
16Ary ny zanakalahin'i Gada dia Zifiona sy Hagy sy Sony sy Ezbona sy Erỳ sy Aroda ary Arely.
17 Aser izey mo ga ti: Imna, da Isba, da Isbi, da Beriya, d'i wayme Sera. Beriya izey mo ga ti: Heber da Malciyel.
17Ary ny zanak'i Asera dia Jimna sy Jisva sy Jisvy sy Beria ary Sera, anabavin'ireo; ary ny zanakalahin'i Beria dia Hebera sy Malkiela.
18 Zilpa kaŋ Laban no nga ize wayo Laya se, a izey nooya. Borey din no a hay Yakuba se, i boro way cindi iddu.
18Ireo no zanak'i Zilpa, izay nomen'i Labana an'i Lea zananivavy, ary ireo no naterany tamin'i Jakoba, dia enina ambin'ny folo izy.
19 Rahila, Yakuba wando izey mo neeya: Yusufu da Benyamin.
19Ny zanakalahin-dRahely, vadin'i Jakoba dia Josefa sy Benjamina.
20 I na Manasse nda Ifraymu hay Yusufu se Misira laabo ra, Asenata, Alfa Potifera, kaŋ ga ti On wano, ize wayo no k'i hay a se.
20Ary ny zanakalahin'i Asenata, zanakavavin'i Poti-fera, mpisorona tao Ona, izay naterak'i Josefa tany amin'ny tany Egypta, dia Manase sy Efraima.
21 Benyamin izey mo ga ti: Bela, da Beker, da Asbela, da Gera, da Naaman, da Ehi, da Ros, da Mupim, da Huppim, da Arda.
21Ary ny zanakalahin'i Benjamina dia Bela sy Bakera sy Asbela sy Gera sy Namana sy Ehy sy Rosy sy Mopima sy Hopima ary Arda.
22 Borey din no ga ti Rahila izey, kaŋ yaŋ a hay Yakuba se, i kulu boro way cindi taaci no.
22Ireo no zanakalahin-dRahely, izay naterany tamin'i Jakoba; efatra ambin'ny folo ny isan'izy rehetra.
23 Dan ize ga ti: Husim.
23Ary ny zanakalahin'i Dana dia Hosima.
24 Naftali izey mo ga ti: Yazeyel, da Guni, da Yezer, da Sallum.
24Ary ny zanakalahin'i Naftaly dia Jaziela sy Gony sy Jezera ary Silema.
25 Bila kaŋ Laban na nga ize wayo Rahila no, a izey nooya. Borey din no a hay Yakuba se, i kulu, ngey boro iyye no.
25Ireo no zanakalahin'i Bila, izay nomen'i Labana an-dRahely zananivavy, ary ireo no naterak'i Jakoba; fito no isan'izy rehetra.
26 Borey kulu kaŋ yaŋ koy Yakuba banda Misira, borey kaŋ yaŋ fun a gaa, Yakuba izey wandey baa si, i kulu ngey boro waydu cindi iddu no.
26Ny isan'izay rehetra nankany Egypta niaraka tamin'i Jakoba, dia izay naloaky ny kibony, afa-tsy ny vadin'ny zanakalahin'i Jakoba dia enina amby enim-polo.
27 Yusufu izey kaŋ yaŋ i hay a se Misira ra mo, ngey boro hinka no. Yakuba windo borey kaŋ yaŋ koy Misira binde, i kulu marganta wayye no.
27Ary ny zanakalahin'i Josefa, izay naterany tany Egypta, dia roa lahy; ny isan'ny terak'i Jakoba rehetra, izay tonga tany Egypta, dia fito-polo.
28 Yakuba na Yahuda donton nga jine a ma koy Yusufu do, zama nga ma fonda cabe a se nga jine hala Gosen. I kaa mo Gosen laabo ra.
28Ary Joda nirahiny nialoha azy hankany amin'i Josefa mba hanoro lalana azy ho any Gosena; dia tonga tany amin'ny tany Gosena izy.
29 Yusufu mo na nga torka soola, a kaaru zama a ma nga baabo Israyla kubay Gosen. A binde to a do, a koli a jinda gaa ka hẽ a jinda gaa kal a gay.
29Ary Josefa nampanamboatra ny kalesiny, dia niakatra hitsena an'Isiraely rainy tany Gosena izy; ary raha niseho taminy izy, dia namihina ny vozony ka nitomany ela teo amin'ny vozony.
30 Israyla binde ne Yusufu se: «Sohõ naŋ ay ma bu, zama ay di ni moyduma, ni gonda fundi mo hala hõ.»
30Ary hoy Isiraely tamin'i Josefa: Aoka ho faty amin'izao aho, satria efa hitako ny tavanao, fa mbola velona ihany ianao.
31 Yusufu mo ne nga nya-izey da nga baabo banda se: «Kal ay ma koy ka ci Firawna se, ay ma ne a se: ‹Ay nya-izey d'ay baabo banda kaŋ yaŋ goro Kanaana laabo ra, a go, i kaa ay do.
31Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny sy ny ankohonan'ny rainy: Hiakatra aho hilaza amin'i Farao ka hanao aminy hoe: Ny rahalahiko sy ny ankohonan'ny raiko, izay tany amin'ny tany Kanana, dia efa tonga atỳ amiko.
32 Borey mo hawjiyaŋ no, zama za doŋ alman no i ga kuru. I kande mo ngey haw kurey da feejey da hay kulu kaŋ go i se.›
32Ary mpiandry ondry ireo lehilahy ireo, fa mpiompy omby aman'ondry izy; ary ny ondry aman'osiny sy ny ombiny mbamin'izay rehetra ananany dia nentiny avokoa.
33 A ga ciya mo, waato kaŋ Firawna g'araŋ ce ka ne: ‹Ifo ga ti araŋ goy?›
33Ary raha hiantso anareo Farao ka hanao hoe : Inona no raharaha fanaonareo?dia izao no havalinareo: Miompy omby aman'ondry no raharaha fanaon'ny mpanomponao, hatry ny fony vao zaza ka ambaraka ankehitriny, dia izahay sy ny razanay koa mba hahazoanareo monina ao amin'ny tany Gosena, satria fahavetavetana amin'ny Egyptiana ny mpiandry ondry rehetra.
34 kala araŋ ma ne: ‹Ni bannyey wo, alman hawjiyaŋ no, za i go zanka hala ka kaa sohõ, iri nda iri kaayey.› Zama araŋ ma goro Gosen laabo ra. Zama hawji kulu ya fanta hari no Misirancey se.»
34dia izao no havalinareo: Miompy omby aman'ondry no raharaha fanaon'ny mpanomponao, hatry ny fony vao zaza ka ambaraka ankehitriny, dia izahay sy ny razanay koa mba hahazoanareo monina ao amin'ny tany Gosena, satria fahavetavetana amin'ny Egyptiana ny mpiandry ondry rehetra.