1 Irikoy fongu Nuhu nda ganji hamey da kwaara almaney kulu kaŋ yaŋ go a banda hiyo ra. Irikoy na haw fo daŋ a ma faaru ndunnya boŋ, hala haro ye.
1Ary Andriamanitra nahatsiaro an'i Noa mbamin'ny bibi-dia rehetra ary ny biby fiompy rehetra, izay niara-nitoetra taminy tao anatin'ny sambo-fiara; ary Andriamanitra nampandeha rivotra eran'ny tany, ka dia nihena ny rano.
2 A na ganda harey da beene daabirjo lutu, a na beene haro mo gaay.
2Ary tampina ny loharanon'ny lalina sy ny varavaran'ny lanitra, ka nitsahatra ilay ranonorana nivatravatra avy tany an-danitra.
3 Haro mo soobay ka zabu ka fun laabo boŋ waati kulu. Jirbi zangu nda waygo banda haro zabu ndunnya boŋ.
3Ary nihena niandalana niala tamin'ny tany ny rano; ary rehefa afaka dimam-polo amby zato andro, dia efa nihena ny rano.
4 Handu iyyanta, zaari way cindi iyyanta hando ra no hiyo fandi Ararat tondey boŋ.
4Dia nipetraka teo amin'ny tendrombohitra any Ararata ny sambo-fiara tamin'ny andro fahafito ambin'ny folo tamin'ny volana fahafito.
5 Haro soobay ka zabu waati kulu hala handu wayanta. Handu wayanta zaari sintina ra, tondey boŋey sintin ka bangay.
5Ary ny rano dia mbola nihena niandalana hatramin'ny volana fahafolo; tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahafolo dia niseho ny tampon'ny tendrombohitra.
6 A go no, jirbi waytaaci banda, kala Nuhu na daabirjo kaa finetaro kaŋ a te hiyo ra gaa.
6Ary rehefa afaka efa-polo andro, dia novohan'i Noa ny varavarankelin'ny sambo-fiara izay efa nataony.
7 A na gaaru fo taŋ kaŋ soobay ka windi-windi kala haro koogu ndunnya boŋ.
7Dia namoaka goaika anankiray izy, ary niverimberina mandra-paharitry ny rano tamin'ny tany iny.
8 A na koloŋay fo mo taŋ, zama nga ma di hala haro kulu fun laabo boŋ.
8Dia namoaka voromailala anankiray izay teo aminy izy, hizahany na efa kely ny rano tambonin'ny tany, na tsia.
9 Amma koloŋa mana du nangu kaŋ ga zumbu. A ye ka kaa Nuhu do hiyo ra, zama haro go no ndunnya fando kulu boŋ. Kala Nuhu na nga kambe salle k'a candi ka daŋ nga do hiyo ra.
9Fa tsy hitan'ilay voromailala izay hipetrahan'ny faladiany, dia niverina tamin'i Noa tao anatin'ny sambo-fiara izy, satria mbola nisy rano tambonin'ny tany rehetra; ary Noa naninjitra ny tànany ka nandray sy nampiditra azy ho ao aminy tao anatin'ny sambo-fiara.
10 A ye ka batu jirbi iyye fo, a na koloŋa taŋ koyne a ma fun hiyo ra.
10Ary mbola niandry hafitoana koa izy; dia namoaka ilay voromailala tamin'ny sambo-fiara indray izy.
11 Koloŋa ye ka kaa a do wiciri kambo ra. Kal a kande zeytun* kobto fo nga meyo ra kaŋ a kosu. Woodin gaa no Nuhu bay kaŋ haro kulu dandi ka fun laabo boŋ.
11Dia niditra teo aminy ilay voromailala nony hariva ny andro; ary, indro, nisy ravin'oliva maitso teo am-bavany; izany no nahafantaran'i Noa fa efa kely ny rano tambonin'ny tany.
12 A goro koyne jirbi iyye, a na koloŋa taŋ. A mana ye ka kaa Nuhu do koyne.
12Ary mbola niandry hafitoana indray izy, dia namoaka ilay voromailala; ary tsy niverina teo aminy intsony iny.
13 A go no mo, _Nuhu|_ jiiri zangu iddu nda afo ra, handu sintina zaari sintina ra, kala harey koogu ka fun laabo boŋ. Nuhu na hiyo daabirjo kaa. A guna, a di kaŋ laabo batama goono ga koogu.
13[Ny nivoahan'i Noa avy tao amin'ny sambo-fiara sy ny nanaovan'Andriamanitra fanekena taminy] Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona fahiraika amby enin-jato, dia ritra ny rano teo ambonin'ny tany; ary nanaisotra ny tafon'ny sambo-fiara Noa ka nijery, ary, indro, efa maina ny tany.
14 Handu hinkanta, a jirbi waranka cindi iyyanta ra, laabo koogu gumo.
14Ary tamin'ny andro fahafito amby roa-polo tamin'ny volana faharoa, dia maina ny tany.
15 Irikoy salaŋ Nuhu se ka ne:
15Ary Andriamanitra dia niteny tamin'i Noa ka nanao hoe:
16 «Ma fatta hiyo ra, nin da ni wando da ni ize arey da ngey wandey ni banda.
16Mivoaha amin'ny sambo-fiara ianao sy ny vadinao aman-janakao ary ny vinantonao vavy miaraka aminao.
17 Ma fundikooney kulu kaŋ yaŋ go ni banda mo fattandi: curey da almaney da gande birantey kulu kaŋ yaŋ ga ganda biri laabo boŋ. I ma hay ka te ize boobo ka tonton laabo boŋ.»
17Ary ny zava-manan'aina rehetra, izay eo aminao, avy tamin'ny nofo rehetra, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia ento mivoaka miaraka aminao; ary aoka hiteraka be eny ambonin'ny tany sy ho maro anaka ary hihabetsaka eny ambonin'ny tany ireny.
18 Nuhu binde fatta, nga nda nga izey da nga wando da izey wandey care banda.
18[Ny nataon'izy telo mirahalahy, zanak'i Noa, sy ny teny naminanian-drainy azy] Dia nivoaka Noa mbamin'ny vadiny aman-janany ary ny vinantonivavy niaraka taminy;
19 Alman kulu, da ganda birante kulu, da curo kulu, da haŋ kaŋ ga ganda biri laabo boŋ fatta hiyo ra, ngey dumey boŋ.
19Ny zava-manan'aina rehetra sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka ary ny vorona rehetra mbamin'izay rehetra mihetsiketsika eny ambonin'ny tany dia samy nivoaka avy tao amin'ny sambo-fiara araka ny karazany.
20 Nuhu na sargay* feema te Rabbi se. A suuban alman halalantey kulu ra, da curo hanantey kulu ra mo. A n'i sarga k'i ton feema boŋ.
20Ary Noa dia nanorina alitara ho an'i Jehovah; ary ny biby madio rehetra sy ny vorona madio rehetra dia nanalany ka nataony fanatitra odorana teo ambonin'ny alitara.
21 Kala Rabbi maa haw kaana. Rabbi ne nga bina ra: «Ay si ye ka laabo laali koyne boro sabbay se, zama boro bine fonguyaŋ, ilaalo no za a zankatara gaa. Ay si ye mo ka hay kulu kaŋ ga funa kar, mate kaŋ ay jin ka te din.
21Dia nandre ny hanitra ankasitrahana Jehovah, ka hoy Izy tam-pony: Tsy mba hanozona ny tany intsony noho ny amin'ny olona Aho; fa ny fisainan'ny fon'ny olona dia ratsy hatramin'ny fahazazany; ary tsy mba handringana ny velona rehetra intsony Aho tahaka izay nataoko.Raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana, ary ny hatsiaka sy ny hafanana ary ny fahavaratra sy ny ririnina,ary ny andro sy ny alina.
22 Waati kulu kaŋ ndunnya go no mo, burjina nda heemar, hargu nda fufule, kaydiya nda jaw, cin da zaari si jaŋ ka te.»
22Raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana, ary ny hatsiaka sy ny hafanana ary ny fahavaratra sy ny ririnina,ary ny andro sy ny alina.