Zarma

Malagasy

Job

2

1 Han fo koyne Irikoy izey ye ka koy zama ngey ma bangay Rabbi jine. Saytan mo furo i ra zama nga mo ma bangay Rabbi jine.
1[Ny fizahan-toetra faharoa nahazo an'i Joba, sy ny namangian'ny sakaizany telo lahy azy] Ary tamin'ny indray andro koa dia avy ireo zanak'Andriamanitra hiseho teo anatrehan'i Jehovah, ka dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy hiseho teo anatrehan'i Jehovah.
2 Rabbi ne Saytan se: «Man gaa no ni fun?» Saytan mo tu Rabbi se ka ne: «Ay goono ga bar-bare no ndunnya ra, ka koy-da-ye te mo koyne a ra.»
2Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Avy taiza ianao? Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin'ny tany aho ka nivezivezy teny.
3 Rabbi ne Saytan se: «D'a-ta day, ni ga faham d'ay tamo din Ayuba? A cine si no ndunnya ra kaŋ toonante no, adilante* mo no, kaŋ ga humburu Irikoy ka banda bare ilaalo gaa mo. Hala sohõ mo a goono ga nga cimo gaay, baa kaŋ day ni n'ay zukku hal ay ma gaaba nd'a k'a halaci sabaabu kulu si.»
3Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy? Ary mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy, na dia nanesika Ahy hamongotra azy foana aza ianao.
4 Saytan binde tu Rabbi se ka ne: «Kuuru no ga kuuru bana! Daahir, hay kulu kaŋ go boro se a g'a no ka nga fundo fansa.
4Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Hoditra fefin'ny hoditra, eny, izay rehetra ananan'ny olona dia homeny ho-fefin'ny ainy.
5 To, ma ni kambe salle sohõ k'a biri nd'a baso ham. Sohõ a ga ni wow ni jine.»
5Fa ahinjiro ange ny tananao, ka tendreo ny taolany sy ny nofony raha tsy handà Anao eo Imasonao aza Izy e![Na: hahafoy Anao mihitsy]
6 Rabbi mo ne Saytan se: «Guna, a go ni kambe ra, kal a fundo hinne kaŋ ni ga naŋ.»
6Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro, eo an-tananao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana.
7 Saytan binde fun Rabbi do ka koy ka Ayuba kar da jombo laalo yaŋ kaŋ ga dooru, za a ce taamey gaa kal a boŋo ra.
7Dia nivoaka Satana avy teo anatrehan'i Jehovah ka namely vay ratsy an'i Joba hatramin'ny faladiany ka hatramin'ny tampon-dohany.
8 Kala Ayuba na car-cambu sambu ka soobay ka nga boŋ jirti nd'a. A koy ka goro mo boosu ra.
8Dia naka tavim-bilany hihaorany izy, raha nipetraka teo an-davenona.
9 A wando binde ne a se: «Hala sohõ ni goono ga ni cimo gaay, wala? Ma Irikoy wow ka bu!»
9Ary hoy ny vadiny taminy: Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va ianao? Mahafoiza an'Andriamanitra ianao, dia aoka ho faty.
10 Amma Ayuba ne nga wando se: «Wayborey kaŋ sinda laakal, i sanney dumi no ni goono ga te ya! E, mate nooya? iri ma gomni ta Rabbi kambe ra, iri ma si masiiba ta, wala?» Woodin yaŋ kulu ra Ayuba mana zunubi te da nga meyo.
10Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin'ny anankiray amin'ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin'Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa? Tamin'izany rehetra izany dia tsy nanota tamin'ny molony Joba.
11 Waato kaŋ Ayuba coro hinza maa masiibey din kulu kaŋ yaŋ du a baaru, i kulu tun ngey windey ra ka kaa a do. Ngey neeya: Elifaz Timna bora, da Bildad Suhi bora, da Zofar Naamat bora. I soola care banda hala ngey ma kaa k'a kunfa, k'a yaamar mo.
11Ary rehefa ren'ny sakaizan'i Joba telo lahy ny fahoriana rehetra izay nanjo azy, dia samy niainga avy tany amin'ny fonenany avy izy dia Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ary nifamotoana izy mba handeha hitsapa alahelo sy hampionona azy.
12 Waato kaŋ i n'a fonnay nangu mooro, i man'a bay mo, kal i na ngey jindey sambu ka soobay ka hẽ. I afo kulu mo na nga kwaay tooru-tooru ka kusa daŋ nga boŋo gaa.
12Ary nanopy ny masony teny lavidavitra eny izy telo lahy ka tsy nahafantatra azy, dia nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary samy nandriatra ny lambany avy koa izy rehetra, dia nanopy vovoka ho amin'ny lanitra hiraraka amin'ny lohany.Ary niara-nipetraka teo aminy tamin'ny tany hafitoan'andro sy hafitoan'alina izy, nefa tsy nisy niteny taminy na dia indraim-bava akory aza, satria hitany fa mafy loatra ny fahoriany.
13 I goro ganda a banda kala jirbi iyye, cin da zaari. Boro kulu mana salaŋ a se zama i bay kaŋ a gurzuga baa gumo.
13Ary niara-nipetraka teo aminy tamin'ny tany hafitoan'andro sy hafitoan'alina izy, nefa tsy nisy niteny taminy na dia indraim-bava akory aza, satria hitany fa mafy loatra ny fahoriany.