Zarma

Malagasy

Jonah

1

1 Rabbi sanno kaa Amittay izo Yonana do, ka ne:
1[Ny nanirahan'Andriamanitra an'i Jona hankany Ninive, sy ny nandosirany, ary ny nanjo azy noho izany] Ary tonga tamin'i Jona, zanak'i Amitahy, ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 «Tun ka koy gallu beero do kaŋ se i ga ne Ninawiya. Ma ni jinda sambu ka kaseeti a gaa, zama a laalayaŋo ziji ka kaa hal ay jine.»
2Mitsangàna, mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe, ary miantsoa ny amin'ny hamelezana azy, fa tafakatra eto anatrehako ny faharatsiany.
3 Amma Yonana tun, ga ba nga ma zuru Rabbi se ka koy Tarsis ka tugu. A zulli ka do Yaffa ka hi fo gar kaŋ ga koy Tarsis. A binde na nga nooro bana ka furo hiyo ra zama nga ma koy i banda Tarsis. A goono ga zuru Rabbi se.
3Nefa Jona nitsangana handositra ho any Tarsisy mba hiala eo anatrehan'i Jehovah; ary nidina tany Jopa izy ka nahita sambo hankany Tarsisy, dia nandoa ny karamany ka niondrana taminy hiara-mandeha tamin'ny tao ho any Tarsisy hiala eo anatrehan'i Jehovah.
4 Amma Rabbi na hari haw bambata tunandi teeko ra. Beene hirriyaŋ bambata mo tun ka kaa teeko boŋ, hala hiyo goono ga ba ka kortu.
4Fa Jehovah nahatonga rivotra mahery teny ambonin'ny ranomasina, dia nanonja mafy ny ranomasina, ka dia efa nila ho vaky ny sambo.
5 Waato din binde hi goy-izey humburu, i afo kulu na nga tooro ce. I na hiyo ra jinayey jindaw teeko ra zama i ma tiŋa zabu. Amma Yonana jin ka zumbu hiyo ra haray nangu fo ganda ka jirbi noodin da jirbi tiŋo.
5Dia raiki-tahotra ny matilo, ka samy nitaraina tamin'ny andriamaniny avy sady nariany tany anaty ranomasina ny zavatra tao an-tsambo mba hampahatony ny loza. Fa Jona kosa efa nidina nankao anaty sambo ka nandry renoky ny torimaso.[Heb. fanaka]
6 Kala hiyo dabarikwa kaa a do ka ne a se: « He! Ifo no woone, nin kaŋ go ga jirbi? Ma tun ka ni Irikoyo ce. Hambara Irikoy ga fongu iri gaa, iri ma si halaci.»
6Dia nankao aminy ny kapitenin-tsambo ka nanao taminy hoe: Endrey ity ianao renoky ny torimaso foana eto! Mitsangàna, ka antsoy ny Andriamanitrao, fa angamba hihevitra antsika Andriamanitra, ka dia tsy ho faty isika.
7 Kal i ra afo kulu ne nga cala se: «Wa kaa iri ma goŋ te, hal iri ma du ka bay boro kaŋ no ka masiiba wo candi ka kande iri boŋ.» I binde na goŋo te, kala goŋo na Yonana di.
7Ary dia samy nanao tamin'ny namany hoe izy: Avia isika hanao filokana mba hizahantsika izay mahatonga izao loza izao amintsika. Dia nanao filokana izy, ka Jona no azo.
8 Waato din gaa i ne a se: «Iri ga ni ŋwaaray, ma ci iri se, may sabbay se no i na masiiba wo candi ka kande iri boŋ. Ifo ga ti ni goy? wala mo man no ni fun? Ni ya laabu fo boro no? Ni ya dumi fo dumi no?»
8Dia hoy ireo taminy: Masìna ianao, lazao aminay: Noho ny amin'iza moa no mahatonga izao loza izao amintsika? Inona no raharaha fanaonao? Ary avy taiza ianao? Aiza no taninao? Ary avy amin'ny firenen'iza ianao?
9 A ne i se: «Ay ya Ibraniyance no, ay ga humburu Rabbi Irikoy mo, beene wano, nga kaŋ na teeko da laabo te.»
9Dia hoy izy tamin'ireo: Hebreo aho; ary Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, no ivavahako, dia Izay nanao ny ranomasina sy ny tany maina.
10 Kaŋ i maa woodin borey din humburu gumo ka ne a se: «Ifo no ni te wo?» (zama i bay kaŋ a zuru no Rabbi se, zama a jin ka ci i se.)
10Dia raiki-tahotra indrindra ny olona ka nanao taminy hoe: Adray izato ataonao izato! Fa fantany fa nandositra hiala eo anatrehan'i Jehovah izy, satria efa nambarany taminy izany.
11 Waato din gaa no i ne a se: «To, ifo no iri ga te ni se, zama teeko ma kani?» Zama teeko go ga follo ka tonton ka koy jina.
11Dia hoy ireo taminy: Hataonay ahoana ary ianao mba hahatony ny ranomasina aminay? Fa mbola nihananonja ihany ny ranomasina.
12 Kal a ne i se: «W'ay sambu ka jindaw teeko ra. Yaadin gaa no teeko ga te araŋ se daama ka kani. Zama ay bay kaŋ ay sabbay se no hari haw bambata woone wo du araŋ.»
12Ary hoy izy tamin'ireo: Betao aho, ka atsipazo any anatin'ny ranomasina hahatony ny ranomasina aminareo; fa fantatro fa noho ny amiko no mahatonga izao onja mahery izao aminareo.
13 Kulu nda yaadin, borey soobay ka hiyo fun da anniya, zama ngey ma to jabo gaa, amma i gaze. Zama teeko soobay ka tonton ka koy jina nda follay, a goono ga tangam d'ey.
13Nefa namaky onja fatratra ny olona mba hamerina ny sambo ho amin'ny tany maina, fa tsy zakany, satria ny ranomasina mbola nihananonja mafy taminy.
14 Woodin sabbay se no i hẽ Rabbi gaa ka ne: «Iri ga ni ŋwaaray no! Ya Rabbi, iri ga ni ŋwaaray! Ma si naŋ iri ma halaci boro wo fundo sabbay se. Ma si boro wo alhakko candi mo ka kande iri boŋ, iri kaŋ sinda taali, zama nin, ya Rabbi, haŋ kaŋ ga kaan ni se no ni ga te.»
14Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Mifona aminao izahay, Jehovah ô, aoka tsy ho faty izahay noho ny amin'ny ain'ity lehilahy ity ary aza atao ho mpandatsaka rà marina izahay; fa Hianao, Jehovah ô, efa nanao izay sitraky ny fonao.
15 I binde na Yonana sambu ka jindaw teeko ra, teeko mo na nga folla naŋ.
15Dia nobetain'izy ireo Jona ka natsipiny tany anatin'ny ranomasina; ary dia nitsahatra ny fisafoaky ny ranomasina.Dia natahotra an'i Jehovah indrindra ireo olona ireo ka namono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah sady nivoady.
16 Saaya din binde borey din humburu Rabbi gumo. I na sargay fo salle Rabbi se ka ye ka sartiyaŋ sambu.
16Dia natahotra an'i Jehovah indrindra ireo olona ireo ka namono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah sady nivoady.