1 Rabbi salaŋ Musa se koyne ka ne:
1[Lalàna ny amin'ny hanamasinana ny fanambadiana] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 «Ma salaŋ Israyla izey se ka ne: Ay no Rabbi, araŋ Irikoyo.
2Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo:
3 Teerey kaŋ i goono ga te Misira laabo ra, nango kaŋ araŋ goro din, araŋ ma s'i te. Teerey kaŋ i goono ga te Kanaana laabo ra mo, nango kaŋ ay ga konda araŋ, wa s'i te. Araŋ ma si i alaadey gana.
3Aza manao araka ny fanaon'ny tany Egypta, izay nonenanareo; ary aza manao araka ny fanaon'ny tany Kanana, izay ampidirako anareo, ary aza manaraka ny fombany.
4 Ay bumbo farilley no araŋ ga gana. Ay hin sanney mo, ngey no araŋ ga gana, ka dira i fondey ra.
4Ny fitsipiko no harahinareo, ary ny didiko no hotandremanareo, hanarahanareo azy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
5 Ay ya Rabbi no, araŋ Irikoyo. Araŋ ga haggoy d'ay hin sanney d'ay farilley. Boro kaŋ g'i gana, a ga nga baafuna te i ra. Ay ya Rabbi no.
5Ary tandremo ny didiko sy ny fitsipiko; fa raha mahatandrina izany ny olona, dia ho velona amin'izany izy: Izaho no Jehovah.
6 Araŋ boro fo kulu ma si maan nga fu borey gaa, danga nga dumey, hal a m'i haawi feeri. Ay ya Rabbi no.
6Aza misy mila izay havany akaiky handry aminy ianareo: Izaho. no Jehovah.
7 Ni baaba haawi, danga ni nya wane nooya, ni ma s'a feeri. Nga ya ni nya no. Ni ma s'a haawi feeri.
7Aza mandry amin'izay nandrian'ny rainao; fa reninao izy, ka aza mandry aminy.
8 Ni baaba wando haawi ni ma s'a feeri, zama ni baaba wane no.
8Aza mandry amin'ny renikelinao; fa nandrian'ny rainao izy.
9 Ni ma si ni wayme haawi feeri, danga ni baabo ize way, wala ni nyaŋo ize way, d'i n'a hay windo ra wala yawtaray do -- ni ma s'i haawo feeri.
9Aza mandry amin'ny anabavinao, zanaky ny rainao, na zanaky ny reninao, na teraka tao an-trano, na teraka tany ivelany; aza mandry aminy.
10 Ni ize aru ize way wala ni ize wayo ize way, ni ma s'i haawi feeri, zama i haawo ya ni wane no.
10Aza mandry amin'ny zanakavavin'ny zanakao-lahy, na ny zanakavavin'ny zanakao-vavy; fa avy aminao no nihavian'izy roa.
11 Ni baaba wande ize way, kaŋ a hay ni baaba se, nga mo ni wayme no. Ni ma s'a haawo feeri.
11Aza mandry amin'ny zanakavavin'ny renikelinao, izay teraky ny rainao; fa anabavinao izy; aza mandry aminy.
12 Ni baaba wayme haawi ni ma s'a feeri, zama ni baaba nya ize no.
12Aza mandry amin'ny anabavin-drainao; fa havan-drainao akaiky izy.
13 Ni nya beere wala a kayne wayboro, ni ma s'a haawi feeri, zama ni nyaŋo nya ize no.
13Aza mandry amin'ny rahavavin-dreninao; fa havan-dreninao akaiky izy.
14 Ni baaba beere wala a kayne, ni ma s'a haawi feeri, sanda a wande wane, zama ni nyayaŋ no.
14Aza mandry amin'izay nandrian'ny rahalahin-drainao; aza mila ny vadiny fa vadin'ny rahalahin-drainao izy.
15 Ni ma si ni anzuray wayboro haawi feeri, sanda ni ize aru wande nooya, ni ma s'a feeri.
15Aza mandry amin'ny vinantovavinao; fa vadin'ny zanakao-lahy izy, koa aza mandry aminy.
16 Ni ma si ni beere wala ni kayne wande haawi feeri, zama ni nya ize wane no.
16Aza mandry amin'ny vadin-drahalahinao; fa nandrian'ny rahalahinao izy.
17 Ni ma si wayboro fo da nga ize way kulu haawi feeri, wala mo ni ma si sambu a ize aro ize way wala a ize wayo ize way, (sanda a haama nooya) k'a haawi feeri, zama i ciya dumi folloŋ. Woodin goy laalo no gumo.
17Aza mandry amin'ny vehivavy sy ny zananivavy; aza maka ny zanakavavin'ny zananilahy, na ny zanakavavin'ny zananivavy, handry aminy; havany akaiky ireo, ka fahavetavetana izany.
18 Woodin banda ni ma si ni wande beere wala a kayne hiiji ka te a se wayce zama ni m'a haawi feeri se, ni wando fundo jirbey ra.
18Ary aza mampakatra vehivavy ho rafin'ny rahavaviny izay mbola velona.
19 Ni ma si maan wayboro gaa k'a haawi feeri waati kulu kaŋ a go fayante nga ziibo sabbay se.
19Ary aza mila vehivavy mararin'ny fadim-bolany handry aminy.
20 Ni ma si kani nda ni gorokasin wande, ka ni boŋ ziibandi nd'a.
20Ary aza mandry amin'ny vadin'ny namanao, handoto ny tenanao aminy.
21 Ni ma si ni ize kulu no hal i m'i daŋ danji ra tooro Molek se, ni ma si ni Irikoyo maa kayna mo. Ay ya Rabbi no.
21Ary aza misy ampandehaninao hamaky ny afo ho an'i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
22 Ni ma si kani nda alboro mate kaŋ ni ga kani nda wayboro; woodin mo fanta hari no.
22Aza mandry amin'ny lehilahy tahaka ny fandry amin'ny vehivavy; fa fahavetavetana izany.
23 Ni ma si kani nda alman kulu mo, ka ni boŋ ziibandi nd'a. Wayboro mo ma si kay alman kulu jine ka kani a se; woodin mo diibi-diiba no.
23Ary aza mandry amin'ny biby handoto ny tenanao aminy; ary aoka tsy hisy vehivavy hety handrian'ny biby; fa zavatra fady indrindra izany.
24 Araŋ ma si araŋ boŋ ziibandi nda hayey din kulu, baa afo. Zama dumey kaŋ yaŋ ay ga gaaray araŋ jine k'araŋ daŋ, teerey din no i ziibi nd'a.
24Aza mandoto ny tenanareo amin'izany zavatra izany akory; fa izany rehetra izany no nandotoan'ny jentilisa ny tenany, izay efa horoahiko eo anoloanareo.
25 Laabo mo ziibi. Woodin sabbay se no ay g'a laalayaŋo bana a gaa, laabo mo ga nga gorokoy yeeri.
25Ary efa maloto ny tany, ka dia hamaly azy Aho noho ny helony, ary haloan'ny tany ny mponina eo.
26 Araŋ binde m'ay hin sanney d'ay ciiti sanney gana. Wa si fanta hayey din kulu te, baa afo, da laab'ize no, wala yaw kaŋ ga goro araŋ game ra no.
26Fa mitandrema ny didiko sy ny fitsipiko ianareo, ka aza misy ataonareo izany fahavetavetana izany, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo
27 (Zama fanta hayey din kulu no laabo wo borey doona ka te, ngey kaŋ yaŋ na araŋ jin. Laabo mo ziibi.)
27(fa izany fahavetavetana rehetra izany no nataon'ny tompon-tany izay talohanareo, ka dia naloto ny tany),
28 A ma si koy ka te laabo m'araŋ mo yeeri d'araŋ n'a ziibandi, danga mate kaŋ cine a na dumo kaŋ n'araŋ jin din yeeri.
28mba tsy handotoanareo ny tany ka tsy handoavany anareo, tahaka ny nandoavany ny firenena izay talohanareo.
29 Zama boro kulu kaŋ ga fanta hayey din ra baa afolloŋ te, i ga fundey din kaŋ yaŋ g'i te waasu ka kaa ngey dumey ra.
29Fa izay rehetra manao izany fahavetavetana izany na dia iray aza dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.Koa dia tandremo izay asaiko tandremana, mba tsy hisy hataonareo akory izany fanao vetaveta izany, izay nataon'ny olona talohanareo, ka aza mandoto ny tenanareo amin'izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
30 Woodin sabbay se no araŋ ma haggoy d'ay kaseeto, hala araŋ ma si baa afo te fanta alaadey din ra, kaŋ yaŋ dumey din doona ka te za araŋ mana kaa. Woodin banda, araŋ ma si araŋ boŋ ziibandi i do. Ay ya Rabbi no, araŋ Irikoyo.»
30Koa dia tandremo izay asaiko tandremana, mba tsy hisy hataonareo akory izany fanao vetaveta izany, izay nataon'ny olona talohanareo, ka aza mandoto ny tenanareo amin'izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.