Zarma

Malagasy

Nehemiah

9

1 A ciya mo, handu woodin jirbi waranka cindi taacanta hane, Israyla izey kaa ka margu ka mehaw ka bufu zaara haw ngey gaa, ka laabu daŋ ngey boŋey ra.
1Ary tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'izany volana izany dia niangona ny Zanak'Isiraely, sady nifady hanina no samy nitafy lamba fisaonana sy nihosin-tany.
2 Israyla kunda na ngey boŋ fay waani ka fun yawey kulu game ra. I kay ka ngey taaley da ngey kaayey laalayaŋey mo ci.
2Dia niavaka tamin'ny olona hafa firenena rehetra ny taranak'Isiraely ary nitsangana ka niaiky ny fahotany sy ny heloky ny razany.
3 I kay ngey nangey ra ka caw Rabbi ngey Irikoyo asariya* tira ra, danga zaari farsimi taacanta i goono ga kay. Sanda yaadin cine gayyaŋ koyne, i goono ga ngey taali ci ka sududu Rabbi ngey Irikoyo se.
3Ary nitsangana teo amin'ny fitoerany avy izy, dia namaky ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàn'i Jehovah Andriamaniny tamin'ny ampahefatry ny andro; ary tamin'ny ampahefatry ny andro koa dia nitsotra sy niankohoka teo anatrehan'i Jehovah Andriamaniny izy.
4 Yesuwa, da Bani, da Kadmiyel, da Sabaniya, da Bunni, da Serebiya, da Bani, da Kanani, i kay Lawi borey kaarimi harey boŋ, ka jinde tunandi nda gaabi Rabbi ngey Irikoyo gaa.
4Ary Jesoa sy Bany sy Kadmiela sy Sebania sy Bony sy Serebia sy Bany ary Kenany dia nitsangana teo ambonin'ny lampihazon'ny Levita ka nitaraina mafy tamin'i Jehovah Andriamaniny.
5 Gaa no Lawi borey wo: Yesuwa, da Kadmiyel, da Bani, da Hasabneya, da Serebiya, da Hodiya, da Sabaniya, da Petahiya ne: «Wa tun ka kay ka Rabbi araŋ Irikoyo beerandi, nga kaŋ go no za doŋ-doŋ kaŋ sinda me ka koy hal abada abadin. Ni maa darzakoyo, i m'a sifa, ni maa kaŋ ga ti beeraykoy ka bisa albarka nda saabuyaŋ kulu.
5Ary hoy ny Levita, dia Jesoa sy Kadmiela sy Bany sy Hasabnia sy Serebia sy Hodia sy Sebania ary Petahia: Mitsangana, ka misaora an'i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay mandrakizay. Ary isaorana anie ny anaranao malaza, izay voasandratra ambonin'ny fisaorana sy ny fiderana rehetra.
6 Nin no ga ti Rabbi, ni hinne. Nin no ka beene te, da beeney beena, d'i margey kulu, da ganda mo nda harey kulu kaŋ go a ra, da teekoy da harey kulu kaŋ go i ra; nin no mo g'i kulu hallasi. Beena ra marga mo goono ga sududu ni se.
6Hianao dia Hianao irery ihany no Jehovah; Hianao no nanao ny lanitra, dia ny lanitry ny lanitra, mbamin'izay rehetra any aminy, ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, ary Hianao no mamelona azy rehetra; ary ireo maro any an-danitra samy miankohoka eo anatrehanao.
7 Nin no ga ti Rabbi Irikoy kaŋ na Abram suuban. Ni kand'a ka fun Ur, Kaldancey laabo ra, k'a no nga maa Ibrahim.
7Hianao no Jehovah Andriamanitra, Izay nifidy an'i Abrama ka nitondra azy nivoaka avy tany Oran'ny Kaldeana sady nanao ny anarany hoe Abrahama;
8 Ni n'a bina gar mo naanaykoy ni jine. Ni na alkawli te a se mo ka ne ni g'a no Kanaanancey laabo, da Hittancey, da Amorancey, da Perizancey, da Yebusancey, da Jirgasancey waney, a m'i laabo nooyandi nga banda se, hala mo ni na ni sanno toonandi, zama ni ya adilitaraykoy no.
8ary Hianao nahita ny fony fa nahatoky teo anatrehanao, ka dia nanao ilay fanekena taminy hanome ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Jebosita ary ny Girgasita ho an'ny taranany; ary efa nahatanteraka ny teninao Hianao, satria marina Hianao.
9 Koyne, ni di iri kaayey kankamo Misira laabo ra, ni maa i hẽeno mo Teeku Cira me gaa.
9Ary nahita ny fahorian'ny razanay tany Egypta koa Hianao sady nandre ny fitarainany teo amoron'ny Ranomasina Mena,
10 Ni na alaamey da dambara hari yaŋ cabe Firawna* nda nga bannyey kulu boŋ, d'a laabo borey kulu boŋ mo, zama ni bay kaŋ i na boŋbeeray goy cabe ni se. Ni na ni maa beerandi mo, sanda mate kaŋ cine a bara hunkuna.
10dia nanao famantarana sy fahagagana tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra sy tamin'ny olona rehetra tany amin'ny taniny Hianao; fa fantatrao fa nirehareha taminy ireo; dia nanao anarana ho Anao Hianao tahaka ny amin'izao anio izao.
11 Ni na teeko fay mo Israyla jine, hal a te mate kaŋ i ga hin ka bisa laabu kogo boŋ teeko bindi ra. I ce banda ganakoy mo, ni n'i furu guusuyaŋey ra, danga day tondi kaŋ i taŋ hari bambata ra.
11Ary ny ranomasina dia nosarahinao teo anoloany, ka nandeha namaky teo afovoan'ny ranomasina nandia ny tany maina izy; ary ireo nanenjika azy dia natsipinao hilentika amin'ny lalina tahaka ny vato amin'ny rano manonja.
12 Woodin banda mo ni furo i jine zaari buru sari himandi ra, cin mo danji sari himandi ra, zama ni m'i no kaari fonda kaŋ i ga gana din ra.
12Andri-rahona no nitondranao azy raha antoandro, ary andri-afo nony alina, mba hampahazava azy hahitany izay lalana tokony halehany.
13 Ni zumbu Sinayi tondo boŋ mo. Ni salaŋ d'ey mo, ni jinda fun beena ra. Ni n'i no adilitaray farilley da asariya cimikoyyaŋ, da hin sanney da lordi hanno yaŋ.
13Efa nidina tao ambonin'ny tendrombohitra Sinay Hianao, dia niteny taminy tany an-danitra ka nanome azy fitsipika mahitsy sy lalana marina ary fomba sy didy tsara.
14 Ni n'i bayrandi da ni asibti* hananta mo, k'i no lordiyaŋ da hin sanniyaŋ, da asariya mo ni tamo Musa kambe ra.
14Ary nampahalala azy ny Sabatanao masina Hianao, ary Mosesy mpanomponao nampilazainao didy sy fomba ary lalàna taminy;
15 Ni n'i no ŋwaaro mo kaŋ fun beene kaŋ g'i hara safar, i jawo se mo ni na hari kaa taray a ma fun tondo ra. Ni n'i lordi mo ka ne i ma furo ka laabo ŋwa, wo kaŋ ni jin ka ze d'a i se ka ne ni g'i no nd'a din.
15ary mofo avy tany an-danitra no nomenao azy, raha noana izy; ary rano avy tamin'ny vatolampy no navoakanao hosotroiny, raha nangetaheta izy; ary nilaza taminy Hianao fa hiditra ka handova ny tany izay nanangananao tanàna homena azy izy.
16 Amma ngey, iri kaayey nooya, i na boŋbeeray goy te, i na ngey hangey sandandi, i mana hangan ni lordey se mo.
16Fa niavonavona ireny razanay ireny, dia nanamafy ny hatony ka tsy nihaino ny didinao,
17 I wangu ka gana, i mana fongu mo ni dambara goyey gaa, kaŋ ni goy i game ra din, amma i na ngey hangey sandandi. I murteyaŋo ra mo i na jine boro fo daŋ zama ngey ma ye tamtara ra. Amma ni ya Irikoy kaŋ soola yaafayaŋ se no, gomni nda suuji Koy mo no, kaŋ ga munye bine tunyaŋ gaa, kaŋ gonda baakasinay suuji yulwante, ni mana i furu mo.
17ary nandà tsy nety nanaraka izany izy sady tsy nahatsiaro ny fahagagana izay nataonao teo aminy; fa nanamafy ny hatony izy ka niodina, dia nanendry mpitarika mba hiverenany ho any amin'ny fahandevozany; fa Andriamanitry ny famelan-keloka Hianao ka miantra sy mamindra fo, mahari-po sady be famindram-po, ka dia tsy nahafoy azy.
18 Oho, baa waato kaŋ i na sooguyaŋ handayze te ngey boŋ se ka ne: ‹Woone ni Irikoyo no kaŋ na ni kaa Misira laabo ra!› i na ni zokoti mo sorro boobo nda ngey goyey.
18Eny, nanao ilay ombilahy kely an-idina izy ka nanao hoe: Io no andriamanitrao izay nitondra anao hiakatra avy tany Egypta, dia nampahasosotra indrindra izy;
19 Kulu nda yaadin ni suuji booba sabbay se ni mana i furu saajo ra. Buru sari himandi mana tun i boŋ do ka fay d'ey zaari ra, amma a furo i jine fonda ra. Cin mo danji sari himandi ga kaari cabe i se, da fondo mo kaŋ i ga gana.
19kanefa noho ny haben'ny famindram-ponao dia tsy mba nahafoy azy tany an-efitra Hianao; ny andri-rahona, izay nitondra azy teny an-dalana, dia tsy niala taminy raha antoandro, na ny andri-afo, izay nampahazava azy nony alina, hahitany izay lalana tokony halehany.
20 Ni n'i no ni Biya Hanna mo a m'i dondonandi. Ni mana ni Manna* ganji mo i meyey se, ni n'i no hari i jaw maayaŋo se mo.
20Ary ny Fanahinao tsara dia nomenao azy koa hampianatra azy, ary tsy niaro ny namanao tamin'ny vavany Hianao sady nanome azy rano, raha nangetaheta izy;
21 Oho, hala jiiri waytaaci no ni n'i laamey bana saajo ra, kaŋ i mana jaŋ hay kulu. I bankaarayey mana zeen, i cey mo mana fuusu.
21eny, efa-polo taona no namelomanao azy tany an-efitra, ka tsy nanan-java-mahory akory izy; tsy rovitra ny fitafiany, ary tsy nivonto ny tongony.
22 Ni n'i no mo mayray ndunnya dumi cindey boŋ. Ni fay-fay i se mo i ibaay boŋ. Yaadin no i na Sihon mayra ta d'a, danga Hesbon bonkoono laabo nooya, nga nda Basan bonkoono Og laabo.
22Ary nanome azy fanjakana sy firenena maro Hianao, ka voazaranao araka ny faritaniny avy ireny; ka dia nahazo ny tanin'i Sihona sy ny tanin'ny mpanjakan'i Hesbona ary ny tanin'i Oga, mpanjakan'i Basana, izy.
23 Ni n'i izey baayaŋ labu-care mo sanda beene handariyayzey cine. Ni kand'ey laabu wo ra kaŋ ni ci i kaayey se ka ne i ga furo k'a ŋwa.
23Ary ny zanany dia nohamaroinao ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra, sady nentinao ho amin'ny tany izay nolazainao tamin'ny razany fa hidirany holovana.
24 Yaadin cine no izey din furo nd'a ka laabo koytara ŋwa. Ni na laabo din borey daŋ i mayray cire mo, sanda Kanaanancey nooya. Ni n'i daŋ i kambe ra, ngey nda ngey koyey kulu, da laabo din dumey, zama i ma te i se hay kulu kaŋ i ga ba.
24Dia niditra ny zanany ka nandova ny tany, ary nampietrenao teo anoloany ny Kananita tompon-tany, dia natolotrao ho eo an-tanany ireo mbamin'ny mpanjakany sy ny vahoakany hanaovany azy araka ny sitrapony.
25 I na gallu birnikoyyaŋ da laabu kaŋ gonda albarka mo ŋwa. I na windi mayray ta kaŋ yaŋ gonda jinay hanno yaŋ dumi kulu, da dayyaŋ kaŋ i hanse hal i ma boori, da reyzin kaliyaŋ, da zeytun* fariyaŋ, da tuuri kaŋ gonda ize boobo yaŋ. I binde ŋwa ka kungu ka naasu. I na ndunnya kaani maayaŋ waate ŋwa ni gomni beero ra.
25Ary nahazo tanana mimanda sy tany lonaka izy ary trano feno zava-tsoa rehetra sy lavaka famorian-drano voahady sy tany voavoly voaloboka sy oliva ary hazo fihinam-boa betsaka; dia nihinana izy ka voky ary nihanatavy ka nifalifaly tamin'ny fahatsaranao lehibe.
26 Kulu nda yaadin i wangu ka ni gana, i murte ni gaa, i na ni asariya furu ngey banda mo. Ni annabey kaŋ yaŋ na seeda te i boŋ ka miila ngey ma ye ka kand'ey ni do, i n'i wi. I na ni zokotiyaŋ goy boobo te.
26Kanefa nandà izy sady niodina taminao ary nanary ny lalànao teo ivohony, dia namono ny mpaminaninao, izay nananatra azy mafy hampiverenana azy ho aminao, ka nanao izay nampahasosotra indrindra izy.
27 Woodin se no ni n'i daŋ i ibarey kambe ra, ngey mo n'i taabandi. I kankamo ra mo, waato kaŋ i hẽ ni gaa, ni maa i se beene. Ni suuji booba boŋ mo ni n'i no faabakoyaŋ kaŋ g'i faaba i ibarey kambey ra.
27Koa dia natolotrao ho eo an-tànan'ny fahavalony izy, ka nampahory azy ireny; nefa tamin'ny andro fahoriany dia nitaraina taminao izy, ka nihaino azy tany an-danitra Hianao, ary araka ny haben'ny fiantranao dia nomenao mpamonjy izy, ka namonjy azy tamin'ny tanan'ny fahavalony ireo.
28 Amma waato kaŋ i fulanzam din banda, kal i ye ka goy laalo te ni jine. Woodin se no ni n'i naŋ i ibarey kambey ra, hal i du i mayray k'i dabari. Kulu nda yaadin, waato kaŋ i ye ka kaa ka hẽ ni gaa, ni go beene, ni maa i se, sorro boobo mo no ni n'i faaba ni suujo boŋ.
28Kanjo rehefa niadana izy, dia nanao ratsy teo anatrehanao indray; dia nafoinao ho eo an-tànan'ny fahavalony kosa izy, ka nanapaka azy ireny; fa nitaraina taminao indray izy, ary Hianao nihaino azy tany an-danitra ka namonjy izy matetika araka ny haben'ny fiantranao.
29 Ni na seeda te mo i boŋ, zama ni ma ye ka kand'ey ni asariya do. Kulu nda yaadin, i na boŋbeeray goy te. I mana hangan ni lordey se, amma i na zunubi te ka ni farilley furu, (farilley kaŋ yaŋ da boro n'i goy, i ga naŋ bora ma funa). I na jase saku ka ngey hangey sandandi ka wangu ka maa.
29Ary nananatra azy mafy Hianao hampiverenanao azy ho amin'ny lalànao; kanefa mbola niavonavona ihany izy ka tsy nihaino ny didinao, fa nanota ny fitsipikao (iza mahavelona ny olona mankatò azy) ka nampihemotra ny sorony sy nanamafy ny hatony ary tsy nety nihaino.
30 Amma jiiri boobo ni go ga suuru i se, ni na seeda te i boŋ mo nda ni Biya ni annabey meyey ra. Hala hõ mo i wangu ka hanga jeeri. Woodin se no ni n'i daŋ laabu cindey dumey kambe ra.
30Nefa nandefitra taona maro taminy Hianao, ary ny Fanahinao, Izay tao amin'ny mpaminaninao, no nentinao nananatra azy mafy; fa tsy nety nihaino ihany izy, ka dia natolotrao ho eo an-tànan'ny firenena amin'ny tany hafa.
31 Kulu nda yaadin ni mana i halaci ni suuji booba ra, ni mana i furu mo, zama nin, ya Irikoy, ni ya suuji nda gomnikoy no.
31Nefa noho ny haben'ny fiantranao dia tsy navelanao ho lany ringana izy ary tsy nafoinao, satria Andriamanitra mamindra fo sy miantra Hianao.
32 Sohõ binde, ya iri Irikoyo, Beeraykoy, Hinkoy, Irikoy kaŋ ga humburandi, kaŋ ga haggoy da alkawli nda baakasinay suuji, taabo wo kulu, ni ma s'a himandi hay fo kayna ni jine. Taabo wo kaa iri nd'iri bonkooney, d'iri laabukoyey, d'iri alfagey, d'iri annabey, d'iri kaayey, da ni jama kulu gaa, za Assiriya bonkooney zamana ra hala ka kaa hunkuna.
32Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, Andriamanitra lehibe sady mahery no mahatahotra, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao, aoka tsy ho kely eo imasonao ny fahoriana rehetra izay nanjo anay, dia ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny mpisoronay sy ny mpaminaninay ary ny razanay, dia ny olonao rehetra, hatramin'ny andron'ireo mpanjakan'i Asyria ka mandraka androany.
33 Amma ni wo ga hanan hari kulu kaŋ du iri ra, zama nin no ka cimi goy te, amma iri wo, ilaalo no iri goy.
33Hianao no marina tamin'izay rehetra nanjo anay, fa marina ny nataonao; fa izahay no nanao ratsy;
34 Zama iri bonkooney, d'iri laabukoyey, d'iri alfagey, d'iri kaayey mana ni asariya haggoy. I mana hanga jeeri ni lordey da ni kaseetey gaa mo, nango kaŋ ni kaseeti i gaa.
34ary ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny mpisoronay ary ny razanay dia samy tsy nankato ny lalànao, na nihaino ny didinao sy ny teni-vavolombelonao, izay nananaranao azy mafy.
35 Zama i mana may ni se ngey mayray laabo ra, da ni gomni beero mo kaŋ ni no i se din ra da laabu beero kaŋ ni n'i no ra mo, laabu kaŋ gonda albarka. I mana bare mo ka fay da ngey goy laaley.
35Fa tsy nanompo Anao teo amin'ny fanjakany izy sy teo amin'ny haben'ny zava-tsoa nomenao azy ary teo amin'ny tany malalaka sy lonaka izay nomenao ho eo anoloany, sady tsy niala tamin'ny ratsy fanaony izy.
36 Guna, hunkuna iri ya bannyayaŋ no. Laabo kaŋ ni n'iri kaayey no nd'a zama i m'a albarka nd'a nafa ŋwa se mo, a ciine ra iri ya bannyayaŋ no a ra.
36Koa, indreto, andevo izahay izao, ary ny amin'ny tany izay nomenao ny razanay hihinanany ny vokatra sy ny soa avy aminy, indreto, andevo eto izahay;ary mahavokatra be izy, kanefa ho an'ireo mpanjaka izay notendrenao hanapaka anay noho ny fahotanay ihany izany; eny, manapaka ny tenanay sy ny biby fiompinay araka ny sitrapony izy, ka ozoim-pahoriana mafy izahay.
37 A goono ga nafa boobo hay mo bonkooney se kaŋ ni dake iri boŋ iri zunubey sabbay se. I gonda hina mo iri d'iri almaney boŋ. I go ga te haŋ kaŋ kaan ngey se, iri mo, iri kayna gumo.
37ary mahavokatra be izy, kanefa ho an'ireo mpanjaka izay notendrenao hanapaka anay noho ny fahotanay ihany izany; eny, manapaka ny tenanay sy ny biby fiompinay araka ny sitrapony izy, ka ozoim-pahoriana mafy izahay.
38 Kulu nda yaadin iri ga naanay alkawli sambu, iri g'a hantum mo. Iri laabukoyey da Lawi borey d'iri alfagey ga kawaatimi kar a gaa.»