1 Rabbi salaŋ Musa se koyne ka ne:
1Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 «Ma salaŋ Israyla izey se ka ne: I kunda kulu ma goobu fo suuban ngey kaayey dumey boŋ. I ma jine boro fo suuban i kaayey dumey kulu se, danga goobu way cindi hinka nooya. Ni ma boro kulu maa hantum a goobo gaa.
2Mitenena amin'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, mba hotsimponiny eo anatin'ny may ny fitondran'afo, ary ny afo dia aelezo lavitra; fa masina ireny;
3 Ma Haruna maa hantum Lawi goobo gaa. I ma ciya goobu fo kunda kulu jine boro se.
3ary ny fitondran'afon'ireo mpanota nanimba tena ireo dia aoka hatao takelaka manify hapetaka amin'ny alitara; fa nateriny teo anatrehan'i Jehovah ireny ka masina; ary ho famantarana ho an'ny Zanak'Isiraely ireny.
4 Ni m'i jisi kubayyaŋ hukumo ra seeda nango jine, nango kaŋ ay doona ka kubay d'araŋ.
4Ary nalain'i Eleazara mpisorona ny fitondran'afo varahina, izay efa nanateran'ireo olona may ireo, ka nofisahiny ho takelaka hapetaka amin'ny alitara
5 A ga ciya mo, bora kaŋ ay n'a goobo suuban, goobo ga zay. Yaadin no ay ga te hala Israyla izey janceyaŋo ma ban ay gaa, kaŋ i goono ga jance ni boŋ.»
5ho fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely mba tsy hisy olon-kafa afa-tsy ny taranak'i Arona ihany no hahazo manakaiky handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan'i Jehovah; fandrao ho tahaka an'i Kora sy ny namany izy, dia araka ny tenin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.
6 Kala Musa salaŋ Israyla izey se. I jine borey kulu n'a no goobuyaŋ: goobu fo jine boro fo se, goobu fo jine boro fo se, danga goobu way cindi hinka nooya. Haruna goobo mo go i goobey game ra.
6Ary nony ampitso dia nimonomonona tamin'i Mosey sy Arona ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Hianareo efa nahafaty ny olon'i Jehovah.
7 Musa binde na goobey jisi Rabbi jine, seeda hukumo ra.
7Ary raha niangona hanome tsiny an'i Mosesy sy Arona ny fiangonana, dia nijery ny trano-lay fihaonana izy, ka, indro, nanarona azy ny rahona, ary niseho ny voninahitr'i Jehovah.
8 A ciya mo, a suba waato kaŋ Musa furo seeda hukumo ra, kal a go, Haruna goobo, Lawi kunda wano zay ka zaada, a na boosiyaŋ te, a na amand* izeyaŋ hay.
8Ary Mosesy sy Arona dia nankeo anoloan'ny trano-lay fihaonana.
9 Kala Musa fatta nda goobey kulu kaŋ yaŋ go Rabbi jine ka kand'ey Israyla izey do. Ngey mo guna, boro fo kulu na nga goobo ta.
9Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
10 Rabbi ne Musa se: «Ma Haruna goobo ye seeda jine, i m'a gaay a ma ciya alaama murteyaŋ izey wo se. Yaadin no i g'i janceyaŋo kaa d'a ay jine hal i ma si bu.»
10Mialà amin'io fiangonana io handringanako azy amin'ny indray mipi-maso monja. Dia niankohoka izy roa lahy.
11 Musa mo te yaadin. Mate kaŋ cine Rabbi n'a lordi nd'a, yaadin mo no a te.
11Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Alao ny fitondran'afo, ka asio afo avy eo ambonin'ny alitara izy, dia asio ditin-kazo manitra, ka ento faingana eo amin'ny fiangonana, ka manaova fanavotana ho azy; fa efa mivoaka avy tamin'i Jehovah ny fahatezerana, ary efa miantomboka ny areti-mandringana.
12 Kala Israyla izey salaŋ Musa se ka ne: «Way! way! Iri go ga bu! Iri go ga halaci, iri kulu ga halaci!
12Dia nalain'i Arona izany, araka izay nandidian'i Mosesy, ka nihazakazaka ho eo afovoan'ny fiangonana izy; ary, indro, efa niantomboka teo amin'ny olona ny areti-mandringana; ary nandoro ny ditin-kazo manitra teo izy ka nanao fanavotana ho an'ny olona.
13 Boro kulu kaŋ kaa ka maan Rabbi Irikoy nangora gaa baa kayna, a koy ga bu. Wala iri kulu ga halaci no?»
13Dia nijanona teo anelanelan'ny maty sy ny velona izy, ka dia nitsahatra ny areti-mandringana.
14Ary izay efa matin'ny areti-mandringana dia fiton-jato amby efatra arivo sy iray alina, afa-tsy izay efa maty noho ny amin'i Kora.
15Ary Arona niverina ho eo amin'i Mosesy teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana; ary ny areti-mandringana dia nitsahatra.
16Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
17Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely, ka analao tehina iray avy araka ny fianakaviany izy, ka ny lohan'ny fireneny rehetra araka ny fianakaviany avy no hanalana azy, dia tehina roa ambin'ny folo; ary samy soraty eo amin'ny tehiny avy ny anaran'izy rehetra.
18Fa ny anaran'i Arona no hosoratanao amin'ny tehin'i Levy; fa tehina iray avy no ho an'ny lohan'ny fianakaviany.
19Dia hataonao ao amin'ny trano-lay fihaonana ireo, dia eo anoloan'ny Vavolombelona, izay ihaonako aminareo.
20Ary ny tehin'ny lehilahy izay hofidiko dia hitsimoka; ka dia hampanginiko ny fimonomononan'ny Zanak'Isiraely amiko, izay imonomononany aminareo.
21Ary Mosesy dia niteny tamin'ny Zanak'Isiraely, ka ny lohan'ny firenena dia samy nanatitra tehina iray avy teo aminy araka ny fianakaviany, dia tehina roa ambin'ny folo; ary ny tehin'i Arona dia teo afovoan'ireo tehiny ireo.
22Dia napetrak'i Mosesy teo anatrehan'i Jehovah, dia tao amin'ny trano lain'ny Vavolombelona ireo tehina ireo.
23Ary nony ampitso dia niditra tao amin'ny trano-lain'ny Vavolombelona Mosesy, ary indro fa nitsimoka ny tehin'i Arona, izay ho an'ny taranak'i Levy, dia nanaroka sy namony ka namoa amygdala.
24Dia nentin'i Mosesy nivoaka hiala eo anatrehan'i Jehovah ny tehina rehetra, ho eo amin'ny Zanak'Isiraely rehetra; dia nijery izy, ka samy nandray ny tehiny avy.
25Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Avereno ny tehin'i Arona ho eo anoloan'ny Vavolombelona, hotehirizina ho famantarana ho an'ny mpiodina, ka dia hatsahatrao hiala amiko ny fimonomononany, mba tsy ho faty izy.
26Dia nataon'i Mosesy izany; araka izay efa nandidian'i Jehovah azy no nataony.
27Dia niteny tamin'i Mosesy ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Indro, maty izahay, ringana izahay, eny, ringana avokoa izahay rehetra.Ho faty izay rehetra manakaiky, dia izay manakaiky ny tabernakelin'i Jehovah; ho lany maty va izahay?
28Ho faty izay rehetra manakaiky, dia izay manakaiky ny tabernakelin'i Jehovah; ho lany maty va izahay?