1 Alleluya! Wa baytu taji te Rabbi se, W'a sifayaŋo doon mo a hanantey jama ra.
1[Haleloia ho an'i Jehovah, Izay aherezan'ny olony] Haleloia. Mihirà fihiram-baovao ho an'i Jehovah, Ny fiderana Azy eo amin'ny fiangonan'ny olona masina.
2 Israyla ma farhã nga kaŋ n'a te din ra. Sihiyona izey ma farhã ngey Koy Beero ra.
2Aoka ny Isiraely hifaly amin'ny Mpanao azy; Aoka ho finaritra amin'ny Mpanjakany ny zanak'i Ziona.
3 I m'a maa sifa nda gaani, I ma sifayaŋ baytu te a se da gaasu kaŋ i fay haray da moolo beeri.
3Aoka hidera ny anarany amin'ny dihy izy Sy hankalaza Azy amin'ny ampongatapaka sy ny lokanga.
4 Zama Rabbi ga maa nga borey kaani. A ga borey kaŋ yaŋ go taabi ra taalam da faaba.
4Fa sitrak'i Jehovah ny olony; Ravahany famonjena ny mpandefitra.
5 Hanantey ma zamu darza ra, I ma soobay ka baytu mo farhã sabbay se ngey daarijey boŋ.
5Aoka ny olona masina hifaly amin'ny voninahitra; Aoka hihoby tsara eo am-pandriany izy.
6 Irikoy sifayaŋ beera ma goro i meyey ra, Takuba kaŋ ga kaan mo ma bara i kambey ra.
6Aoka hisy fanandratana an'Andriamanitra eo am-bavany Sy sabatra roa lela eny an-tànany,
7 Zama i ma banandi ciito toonandi dumi cindey boŋ, Goojiyaŋ mo jama boŋ.
7Hamaliany ny Jentilisa Sy hamaizany ny firenena maro,
8 I m'i bonkooney haw da sisiriyaŋ, I mayraykoyey mo da guuru bakayaŋ*.
8Hamatorany ireo mpanjakany amin'ny gadra, Sy ny olo-malazany amin'ny gadra vy.Mba hanaovany ny fitsarana voasoratra: Voninahitry ny olony masina rehetra Izany. Haleloia.
9 I ma ciiti i se da ciito kaŋ ni hantum din. Darza woodin, a hanantey kulu no ka bara nd'a. Alleluya!
9Mba hanaovany ny fitsarana voasoratra: Voninahitry ny olony masina rehetra Izany. Haleloia.