1Och filistéerna stridde mot Israel; och Israels män flydde för filistéerna och föllo slagna på berget Gilboa.
1[Ny nahafatesan'i Saoly sy ny zananilahy] Ary ny Filistina niady tamin'ny Isiraely, ary nandositra teo anoloan'ny Filistina ny lehilahy amin'ny Isiraely, ka niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.
2Och filistéerna ansatte ivrigt Saul och hans söner. Och filistéerna dödade Jonatan, Abinadab och Malki-Sua, Sauls söner.
2Ary ny Filistina nanenjika fatratra an'i Saoly sy ny zanany, ka matin'ny Filistina Jonatana sy Abinadaba sy Malkisoa, zanakalahin'i Saoly.
3När då Saul själv blev häftigt anfallen och bågskyttarna kommo över honom, greps han av förskräckelse för skyttarna.
3Ary mafy ny ady tamin'i Saoly, dia nifanehatra tamin'ny mpandefa tsipìka izy; ary raiki-tahotra izy noho ny mpandefa tsipìka.
4Och Saul sade till sin vapendragare: »Drag ut ditt svärd och genomborra mig därmed, så att icke dessa oomskurna komma och hantera mig skändligt.» Men hans vapendragare ville det icke, ty han fruktade storligen. Då tog Saul själv svärdet och störtade sig därpå.
4Ka hoy Saoly tamin'ny mpitondra ny fiadiany: Tsoahy ny sabatrao, ka tsatohy miboroaka aho; fandrao avy irery tsy mifora irery ka hanao ahy ho fihomehezana. Nefa tsy nety ny mpitondra ny fiadiany, fa natahotra loatra izy. Dia nalain'i Saoly ny sabatra ka nianjerany.
5Men när vapendragaren såg att Saul var död, störtade han sig ock på sitt svärd och dog.
5Ary rehefa hitan'ny mpitondra ny fiadiana fa maty Saoly, dia mba nianjera tamin'ny sabany koa izy ka maty.
6Så dogo då Saul och hans tre söner; och alla som hörde till hans hus dogo på samma gång.
6Ka dia niara-maty Saoly sy ny zanany telo lahy ary ny ankohonany rehetra.
7Och när alla israeliterna i dalen förnummo att deras här hade flytt, och att Saul och hans söner voro döda, övergåvo de sina städer och flydde; sedan kommo filistéerna och bosatte sig i dem.
7Ary nony hitan'ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely teny amin'ny lohasaha fa nandositra ny olona, ary maty Saoly sy ny zanany, dia niala tamin'ny tanànany izy ka nandositra; ary dia tonga ny Filistina ka nonina tao.
8Dagen därefter kommo filistéerna för att plundra de slagna och funno då Saul och hans söner, där de lågo fallna på berget Gilboa.
8Ary nony ampitso, raha tonga haka ny zavatra teo amin'ny faty ny Filistina, dia nahita an'i Saoly sy ny zananilahy niampatrampatra teo an-tendrombohitra Gilboa izy.
9Och de plundrade honom och togo med sig hans huvud och hans vapen och sände dem omkring i filistéernas land och läto förkunna det glada budskapet för sina avgudar och för folket.
9Dia nesoriny ny akanjony, ka nentiny ny lohany sy ny fiadiany, ary dia naniraka tany amin'ny tanin'ny Filistina manodidina izy hanambara izany zavatra mahafaly izany tamin'ny sampiny sy ny olona.
10Och de lade hans vapen i sitt gudahus, men hans huvudskål hängde de upp i Dagons tempel.
10Dia napetrany tao an-tranon'ny andriamaniny ny fiadian'i Saoly, ary nohomboany teo amin'ny tempolin'i Dagona ny lohany.
11Men när allt folket i Jabes i Gilead hörde allt vad filistéerna hade gjort med Saul,
11Ary nony ren'ny mponina rehetra tao Jabesi-gileada izay rehetra nataon'ny Filistina tamin'i Saoly,
12stodo de upp, alla stridbara män, och togo Sauls och hans söners lik och förde dem till Jabes; och de begrovo deras ben under terebinten i Jabes och fastade så i sju dagar.
12dia niainga ny lehilahy mahery rehetra naka ny fatin'i Saoly sy ny fatin'ny zanany ka nitondra azy ho any Jabesy, ary nandevina ny taolany teo ambanin'ilay hazo terebinta tany Jabesy izy, ary dia nifady hanina hafitoana.
13Detta blev Sauls död, därför att han hade begått otrohet mot HERREN, i det att han icke hade hållit HERRENS ord, så ock därför att han hade frågat en ande och sökt svar hos en sådan.
13Eny, maty Saoly noho ny nivadihany tamin'i Jehovah, dia noho ny tsy nitandremany ny tenin'i Jehovah sy noho ny nakany saina tamin'izay nanao azy ho tsindrian-javatraary noho ny tsy nanontaniany tamin'i Jehovah; ka dia novonoiny izy, ary nafindrany ho an'i Davida, zanak'i Jese, ny fanjakana.
14Han hade icke sökt svar hos HERREN; därför dödade HERREN honom. Och sedan överflyttade han konungadömet på David, Isais son.
14ary noho ny tsy nanontaniany tamin'i Jehovah; ka dia novonoiny izy, ary nafindrany ho an'i Davida, zanak'i Jese, ny fanjakana.