Svenska 1917

Malagasy

2 Chronicles

17

1Och hans son Josafat blev konung; efter honom. Han befäste sitt välde mot Israel.
1[Ny niandohan'ny nanjakan'i Josafata, sy ny fahazotoany hampandroso ny fivavahana tamin'i Jehovah, ary ny nanambinana azy] Ary Josafata, zanak'i Asa, no nanjaka nandimby azy, ary nitombo hery hiaro tena tamin'ny Isiraely izy.
2Han lade in krigsfolk i alla Juda fasta städer och lade in besättningar i Juda land och i de Efraims städer som hans fader Asa hade intagit.
2Ary namponina miaramila tamin'ny tanàna mimanda rehetra eran'i Joda izy sady nametraka miaramila tany amin'ny tany Joda sy tany amin'izay tanànan'ny Efraima efa azon'i Asa rainy.
3Och HERREN var med Josafat, ty han vandrade på sin fader Davids första vägar och sökte icke Baalerna,
3Ary Jehovah nomba an'i Josafata, satria nandeha tamin'ny nalehan'i Davida rainy izy, dia ilay tamin'ny voalohany, fa tsy mba nitady ireo Bala;
4utan sökte sin faders Gud och vandrade efter hans bud och gjorde icke såsom Israel.
4fa Jehovah, Andriamanitry ny rainy, kosa no notadiaviny, ary araka ny didiny no nalehany, fa tsy mba araka ny fanaon'ny Isiraely.
5Därför befäste HERREN konungadömet i hans hand, och hela Juda gav skänker åt Josafat, så att hans rikedom och ära blev stor.
5Koa dia nampitoerin'i Jehovah teo an-tànany ny fanjakana; ary ny Joda rehetra nitondra fanomezana ho an'i Josafata, ka dia nanana harena sy voninahitra be izy.
6Och då hans frimodighet växte på HERRENS vägar, skaffade han också bort offerhöjderna och Aserorna ur Juda.
6Ary ny fony nihanatoky tamin'ny lalan'i Jehovah. dia noravany tsy ho eo amin'ny Joda ny fitoerana avo sy ny Aseraha.
7Och i sitt tredje regeringsår sände han ut sina hövdingar Ben-Hail, Obadja, Sakarja, Netanel och Mikaja, till att undervisa i Juda städer,
7Ary tamin'ny taona fahatelo nanjakany dia naniraka ny mpanapaka izy, dia Benaila sy Obadia sy Zakaria sy Netanela ary Mikaia, hampianatra tany amin'ny tanànan'ny Joda,
8och med dem några leviter, nämligen leviterna Semaja, Netanja, Sebadja, Asael, Semiramot, Jonatan, Adonia, Tobia och Tob-Adonia; och de hade med sig prästerna Elisama och Joram.
8Ary nisy Levita koa niaraka tamin'ireo, dia Semaia sy Netania sy Zebadia sy Asahela sy Semiramota sy Jonatana sy Adonia sy Tobia ary Tob-adonia, Levita, mbamin'i Elisama sy Jorama, mpisorona.
9Dessa undervisade nu i Juda och hade HERRENS lagbok med sig; de foro omkring i alla Juda städer och undervisade bland folket.
9Ary nampianatra tany Joda izy ireo, ka nentiny ny bokin'ny lalàn'i Jehovah, dia nitety ny tanànan'ny Joda rehetra izy ka nampianatra teny amin'ny olona.
10Och en förskräckelse ifrån HERREN kom över alla riken i de länder som lågo omkring Juda, så att de icke vågade kriga mot Josafat.
10Ary ny tahotra an'i Jehovah nahazo ny fanjakana rehetra tamin'ny tany manodidina an'i Joda, ka dia tsy nisy niady tamin'i Josafata ireo.
11Och en del av filistéerna förde skänker till Josafat och gåvo silver i skatt. Därtill förde ock araberna till honom småboskap, sju tusen sju hundra vädurar och sju tusen sju undra bockar.
11Ary ny Filistina sasany nitondra fanomezana sy vola hetra ho an'i Josafata; ary ny Arabo koa nitondra ondry aman'osy, dia ondrilahy fiton-jato amby fito arivo sy osilahy fiton-jato amby fito arivo.
12Så blev Josafat allt mäktigare och till slut övermåttan mäktig. Och han byggde borgar och förrådsstäder i Juda.
12Ary Josafata nihanahery indrindra ka nanao trano fiarovana sy tanàna fitehirizana tany Joda.
13Han hade stora upplag i Juda städer; och krigsfolk, tappra stridsmän, hade han i Jerusalem.
13Ary nanana fananana betsaka tao amin'ny tanànan'ny Joda koa sy miaramila, lehilahy mahery, tany Jerosalema izy.
14Och detta var ordningen bland dem, efter deras familjer. Till Juda hörde följande överhövitsmän: hövitsmannen Adna och med honom tre hundra tusen tappra stridsmän;
14Ary izao no nandaminana azy araka ny fianakaviany avy: Ny mpifehy arivo tamin'ny Joda dia Adna komandy, ary ny fehiny dia lehilahy mahery telo hetsy;
15därnäst hövitsmannen Johanan och med honom två hundra åttio tusen;
15ary nanarakaraka azy dia Johanana komandy, ary ny fehiny dia valo alina amby roa hetsy;
16därnäst Amasja, Sikris son, som frivilligt hade givit sig i HERRENS tjänst, och med honom två hundra tusen tappra stridsmän.
16ary nanarakaraka azy indray dia Amasia, zanak'i Zikry, ilay nanolotena ho an'i Jehovah, ary ny fehiny dia lehilahy mahery roa hetsy.
17Men från Benjamin voro: Eljada, en tapper stridsman, och med honom två hundra tusen, väpnade med båge och sköld;
17Ary tamin'ny Benjamina dia Eliada, lehilahy mahery, ary ny fehiny dia lehilahy roa hetsy mitondra tsipìka sy ampinga;
18därnäst Josabad och med honom ett hundra åttio tusen, rustade till strid.
18ary nanarakaraka azy dia Jozabada, ary ny fehiny dia valo alina amby iray hetsy efa voaomana hiady.Ireo no mpitoetra tamin'ny mpanjaka, afa-tsy izay nampitoerin'ny mpanjaka tany amin'ny tanàna mimanda eran'i Joda rehetra.
19Dessa voro de som gjorde tjänst hos konungen; därtill kommo de som konungen hade förlagt i de befästa städerna i hela Juda.
19Ireo no mpitoetra tamin'ny mpanjaka, afa-tsy izay nampitoerin'ny mpanjaka tany amin'ny tanàna mimanda eran'i Joda rehetra.