1När de tjugu år voro förlidna, under vilka Salomo byggde på HERRENS hus och på sitt eget hus,
1[Ny amin'ny trano nataon'i Solomona sy ny nandaminay ny amin'ny fanatitra hatao ao amin'ny tempoly] Ary nony afaka ny roa-polo taona naonaovan'i Solomona ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'ny tenany,
2byggde Salomo upp de städer som Huram hade givit honom och lät Israels barn bosätta sig i dem.
2dia namboariny ny tanàna izay nomen'i Hirama azy ka namponenany ny Zanak'isiraely.
3Och Salomo drog till Hamat-Soba och bemäktigade sig det.
3Ary Solomona nankany Hamata-zoba ka naharesy azy.
4Och han byggde upp Tadmor i öknen och alla de förrådsstäder som i Hamat äro byggda av honom.
4Ary nanorina an'i Tadmora tany an-efitra sy ny tanana fitehirizana rehetra izay nataony tany Hamata izy.
5Vidare byggde han upp Övre Bet-Horon och Nedre Bet-Horon och gjorde dem till fasta städer med murar, portar och bommar,
5Ary namboariny koa Beti-horona ambony sy Beti-horona ambany, tanàna mafy misy manda sy vavahady mihidy,
6så ock Baalat och alla Salomos förrådsstäder, ävensom alla vagnsstäderna och häststäderna, och allt annat som Salomo kände åstundan att bygga i Jerusalem, på Libanon och eljest i hela det land som lydde under hans välde.
6ary Baleta sy ny tanàna fitehirizana rehetra izay an'i Solomona sy ny tanàna rehetra fitoeran-kalesy sy ny tanàna fitoeran'ny mpitaingin-tsoavaly ary izay rehetra tian'i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin'ny tany nanjakany rehetra.
7Allt det folk som fanns kvar av hetiterna, amoréerna, perisséerna, hivéerna och jebuséerna, korteligen, alla de som icke voro av Israel --
7Ary ny amin'ny olona sisa rehetra tamin'ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan'ny Isiraely
8deras avkomlingar, så många som funnos kvar i landet efter dem, i det att Israels barn icke hade utrotat dem, dessa pålade Salomo att vara arbetspliktiga, såsom de äro ännu i dag.
8dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin'ny taniny, fa tsy naringan'ny Isiraely, no nampanaovin'i Solomona fanompoana mandraka androany.
9Men somliga av Israels barn gjorde Salomo icke till trälar vid de arbeten han utförde, utan de blevo krigare och hövitsmän för hans kämpar, eller uppsyningsmän över hans vagnar och ridhästar.
9Fa ny Zanak'isiraely dia tsy mba nampanaovin'i Solomona izany, fa ireo kosa no miaramila sy komandin'ny mpanafika malaza ary komandin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny
10Och konung Salomos överfogdar voro två hundra femtio; dessa hade befälet över folket.
10Ary izao no mpifehy ny olona voatendrin'i Solomona mpanjaka, dia dimam-polo amby roan-jato izay nanapaka ny olona.
11Och Salomo lät Faraos dotter flytta upp från Davids stad till det hus som han hade byggt åt henne; ty han sade: »Jag vill icke att någon kvinna skall bo i Davids, Israels konungs, hus, ty det är en helig plats, eftersom HERRENS ark har kommit dit.»
11Ary Solomona nitondra ny zanakavavin'i Farao niakatra avy tany an-Tanànan'i Davida ho ao amin'ny trano izay nataony ho azy, fa hoy izy: Ny vadiko tsy mahazo mitoetra ao an-tranon'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, fa masina izay efa nidiran'ny fiaran'i Jehovah.
12Nu offrade Salomo brännoffer åt HERREN på HERRENS, altare, det som han hade byggt framför förhuset;
12Ary tamin'izany Solomona nanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah teo ambonin'ny alitaran'i Jehovah, izay naoriny teo anoloan'ny lavarangana fidirana;
13han offrade var dag de för den dagen bestämda offren, efter Moses bud, på sabbaterna, vid nymånaderna och vid högtiderna tre gånger om året, nämligen vid det osyrade brödets högtid, vid veckohögtiden och vid lövhyddohögtiden.
13eny, nanatitra izay fanao isanandro izy araka ny didin'i Mosesy dia tamin'ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fotoam-pivavahana intelo isan-taona, dia tamin'ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo.
14Och efter sin fader Davids anordning fastställde han de avdelningar i vilka prästerna skulle tjänstgöra, ävensom leviternas åligganden, att de skulle utföra lovsången och betjäna prästerna -- var dag de för den dagen bestämda åliggandena -- så ock huru dörrvaktarna, efter sina avdelningar, skulle hålla vakt vid de särskilda portarna; ty så hade gudsmannen David bjudit.
14Ary notendreny koa ny antokon'ny mpisorona araka ny nandaharan'i Davida rainy azy ho amin'ny fanompoany avy ary ny Levita ho amin'ny anjara-raharahany koa, dia ny hidera sy hanao fanompoam-pivavahana eo anoloan'ny mpisorona araka ny raharaha fanao isan'andro, ary ny mpiandry varavarana araka ny antokony amin'ny isam-bavahady; fa izany no nandidian'i Davida lehilahin'Andriamanitra, azy.
15Och man vek icke av ifrån vad konungen hade bjudit angående prästerna och leviterna, varken i fråga om någon annan angelägenhet eller i fråga om förråden.
15Ary tsy nialan'ireo ny didin'ny mpanjaka tamin'ny mpisorona sy ny Levita na amin'inona na amin'inona, indrindra fa ny amin'ny rakitra.
16Så utfördes allt Salomos arbete, först intill den dag då grunden lades till HERRENS hus, och sedan intill dess det blev fullbordat. Och så var då HERRENS hus färdigt.
16Toy izany no nanamboaran'i Solomona ny asa rehetra nataony hatramin'ny andro nanorenany ny tranon'i Jehovah ka ambara-pahavitany; ka dia vita tsara ny tranon'i Jehovah.
17Vid denna tid drog Salomo till Esjon-Geber och till Elot, på havsstranden, i Edoms land.
17Ary tamin'izay Solomona dia nankany Ezion-gebera sy Elota eo amoron'ny ranomasina any amin'ny tany Edoma,ary ny mpanompon'i Hirama dia nampandehaniny hitondra sambo sy mpanompo izay mahay ranomasina; ary niara-nandeha tamin'ny mpanompon'i Solomona ho any Ofira ireo ka nahazo talenta volamena dimam-polo amby efa-jato tany izy, dia nentiny tany amin'i Solomona mpanjaka izany.
18Och Huram sände till honom skepp genom sitt folk, och därjämte av sitt folk sjökunnigt manskap. De foro med Salomos folk till Ofir och hämtade därifrån fyra hundra femtio talenter guld, som de förde till konung Salomo.
18ary ny mpanompon'i Hirama dia nampandehaniny hitondra sambo sy mpanompo izay mahay ranomasina; ary niara-nandeha tamin'ny mpanompon'i Solomona ho any Ofira ireo ka nahazo talenta volamena dimam-polo amby efa-jato tany izy, dia nentiny tany amin'i Solomona mpanjaka izany.