1Och dessa voro de huvudmän för familjerna, som under konung Artasastas regering med mig drogo upp från Babel, och så förhöll det sig med deras släkter:
1[Ny olona niaraka tamin'i Ezra, sy ny nankanesany ho any Jerosalema] Ary izao no lohan'ny fianakaviana sy filazana ny firazanan'ny olona izay niara-niakatra tamiko avy tany Babylona tamin'ny nanjakan'i Artaksersesy mpanjaka:
2Av Pinehas' barn Gersom; av Itamars barn Daniel; av Davids barn Hattus;
2Gersoma, avy tamin'ny taranak'i Finehasa; Daniela, avy tamin'ny taranak'Itamara; Hatosy, avy tamin'ny taranak'i Davida;
3av Sekanjas barn, av Pareos' barn, Sakarja och med honom i släktregistret upptagna män, ett hundra femtio;
3Zakaria, avy tamin'ny taranak'i Sekania (avy tamin'ny zanak'i Parosy), mbamin'ny namany dimam-Polo amby zato lahy voasoratra araka ny firazanany;
4av Pahat-Moabs barn Eljoenai, Serajas son, och med honom två hundra män;
4Elihoenay, zanak'i Zerahia, avy tamin'ny taranak'i Pahata-moaba, mbamin'ny namany roan-jato lahy;
5av Sekanjas barn Jahasiels son och med honom tre hundra män;
5ny zanak'i Jahaziela, avy tamin'ny taranak'i Sekania, mbamin'ny namany telon-jato lahy;
6av Adins barn Ebed, Jonatans son, och med honom femtio män;
6Ebeda, zanak'i Jonatana, avy tamin'ny taranak'i Adina, mbamin'ny namany dimam-polo lahy;
7av Elams barn Jesaja, Ataljas son, och med honom sjuttio män;
7Jesaia, zanak'i Atalia, avy tamin'ny taranak'i Elama, mbamin'ny namany fito-polo lahy;
8av Sefatjas barn Sebadja, Mikaels son, och med honom åttio män;
8Zebadia, zanak'i Mikaela, avy tamin'ny taranak'i Sefatia, mbamin'ny namany valo-polo lahy;
9av Joabs barn Obadja, Jehiels son och med honom två hundra aderton män;
9Obadia, zanak'i Jehiela, avy tamin'ny taranak'i Joaba, mbamin'ny namany valo ambin'ny folo amby roan-jato lahy;
10av Selomits barn Josifjas son och med honom ett hundra sextio män;
10ny zanak'i Josifia, avy tamin'ny taranak'i Selomita, mbamin'ny namany enim-polo amby zato lahy;
11av Bebais barn Sakarja, Bebais son, och med honom tjuguåtta män;
11Zakaria, zanak'i Bebay, avy tamin'ny taranak'i Bebay, mbamin'ny namany valo amby roa-polo lahy,
12av Asgads barn Johanan, Hackatans son, och med honom ett hundra tio män;
12Johanana, zanak'i Hakatana, avy tamin'ny taranak'i Azgada, mbamin'ny namany folo amby zato lahy;
13av Adonikams barn de sistkomna, vilka hette Elifelet, Jegiel och Semaja, och med dem sextio män;
13ary ny avy tamin'ny taranak'i Adonikama, zandriny taoriana ireo, ary izao no anarany: Elifeleta sy Jeiela sy Semaia mbamin'ny namany enim-polo lahy,
14av Bigvais barn Utai och Sabbud och med dem sjuttio män.
14Otahy sy Zaboda, avy tamin'ny taranak'i Bigvay, mbamin'ny namany fito-polo lahy.
15Och jag församlade dessa till den ström som flyter till Ahava, och vi voro lägrade där i tre dagar. Men när jag närmare gav akt på folket och prästerna, fann jag där ingen av Levi barn.
15Ary novoriko teo amoron'ny ony mankany Ahava izy, ka nilasy teo hateloana izahay; ary nony nandinika ny olona sy ny mpisorona aho, dia nahita fa tsy nisy taranak'i Levy teo na dia iray akory aza.
16Då sände jag åstad huvudmännen Elieser, Ariel, Semaja, Elnatan, Jarib, Elnatan, Natan, Sakarja och Mesullam och lärarna Jojarib och Elnatan;
16Ka dia nirahiko Eliezera sy Ariela sy Semaia sy Elnatana sy Jariba sy Elnatana sy Natana sy Zakaria sy Mesolama (samy loholona ireo) ary Joariba sy Elnatana (samy mpampianatra ireo).
17jag bjöd dem gå till Iddo, huvudmannen i Kasifja, och jag lade dem i munnen de ord som de skulle tala till Iddo och hans broder och till tempelträlarna i Kasifja, på det att man skulle sända till oss tjänare för vår Guds hus.
17Ary nampitondraiko teny ho any amin'Ido, loholona any Kasifia, ireo, ka nambarako azy izay teny holazainy amin'Ido sy ny Netinima rahalahiny any Kasifia, mba ho entiny any aminay izay ho mpanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon'Andriamanitray.
18Och eftersom vår Guds goda hand var över oss, sände de till oss en förståndig man av Mahelis, Levis sons, Israels sons, barn, ävensom Serebja med hans söner och bröder, aderton män,
18Ary araka ny soa nataon'ny tànan'Andriamanitray taminay no nitondrany olon-kendry anankiray ho any aminay avy tamin'ny taranak'i Maly, zanak'i Levy, zanak'Isiraely, ary Serebia, sy ny zanany mbamin'ny rahalahiny, valo ambin'ny folo lahy, [Na: an'Isi-sekela]
19vidare Hasabja och med honom Jesaja, av Meraris barn, med dennes bröder och deras söner, tjugu män,
19ary Hasabia sy Jesaia, avy tamin'ny taranak'i Merary, mbamin'ny rahalahiny ary ny zanany roa-polo lahy;
20så ock två hundra tjugu tempelträlar, alla namngivna, av de tempelträlar som David och hans förnämsta män hade givit till leviternas tjänst.
20ary avy tamin'ny Netinima, izay notendren'i Davida sy ny mpanapaka hanompo ny Levita, dia roa-polo amby roan-jato lahy; notononina anarana avokoa ireo.
21Och jag lät där, vid Ahavaströmmen, lysa ut en fasta, för att vi skulle ödmjuka oss inför vår Gud, till att av honom utbedja oss en lyckosam resa för oss och våra kvinnor och barn och all vår egendom.
21Dia niantso andro fifadian-kanina aho teo amoron'ny ony Ahava hampahorianay tena eo anatrehan'Andriamanitray, mba hangataka Azy hahalavorary ny dianay sy ny an'ny vady aman-janakay ary ny biby fiompinay rehetra.
22Ty jag blygdes för att av konungen begära krigsfolk och ryttare till att hjälpa oss mot fiender på vägen, eftersom vi hade sagt till konungen: »Vår Guds hand är över alla dem som söka honom, och så går det dem väl, men hans makt och hans vrede äro emot alla dem som övergiva honom.»
22Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila sy mpitaingin-tsoavaly amin'ny mpanjaka hiaro anay amin'ny fahavalonay eny an-dalana, satria efa niteny tamin'ny mpanjaka izahay ka nanao hoe: Sy tànan'Andriamanitray mahasoa izay rehetra mitady Azy; fa ny heriny sy ny fahatezerany kosa mamely izay rehetra mahafoy Azy.
23Därför fastade vi och sökte hjälp av vår Gud, och han bönhörde oss.
23Ary nifady hanina izahay ka nangataka izany tamin'Andriamanitray, dia nihaino anay Izy.
24Och jag avskilde tolv av de översta bland prästerna, så ock Serebja och Hasabja och med dem tio av deras bröder.
24Ary nanokana roa ambin'ny folo lahy tamin'ny lohan'ny mpisorona aho, dia Serebia sy Hasabia ary rahalahiny folo lahy ho namany,
25Och jag vägde upp åt dem silvret och guldet och kärlen, den gärd till vår Guds hus, som hade blivit given av konungen och hans rådgivare och hövdingar och av alla de israeliter som voro där.
25ka nolanjaiko ny volafotsy sy ny volamena horaisiny mbamin'ny fanaka, dia ny fanatitra ho ao an-tranon'Andriamanitray, izay efa naterin'ny mpanjaka sy ireo mpanolotsainy sy ireo mpanapaka ary ny Isiraely rehetra izay vory teo;
26Jag vägde upp åt dem sex hundra femtio talenter silver jämte silverkärl till ett värde av ett hundra talenter, så ock ett hundra talenter guld,
26eny, nolanjaiko hatolotra azy ny talenta volafotsy dimam-polo amby enin-jato sy fanaka volafotsy, lanjan'ny talenta zato, ary talenta volamena zato
27därtill tjugu bägare av guld, till ett värde av tusen dariker, samt två kärl av fin, glänsande koppar, dyrbara såsom guld.
27sy kapoaka volamena misarona roa-polo, lanjan'ny darika arivo, ary fanaka varahina roa manganohano, tsara toy ny volamena. [Izahao 1 Tan. xxix. 7]
28Och jag sade till dem: »I ären helgade åt HERREN, och kärlen äro helgade, och silvret och guldet är en frivillig gåva åt HERREN, edra fäders Gud.
28Ary hoy izaho taminy: Hianareo dia masina ho an'i Jehovah, sady masina koa ny fanaka; ary ny volafotsy sy ny volamena dia fanati-tsitrapo ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo.
29Så vaken däröver och bevaren det, till dess I fån väga upp det i Jerusalem inför de översta bland prästerna och leviterna och de översta inom Israels familjer, i kamrarna i HERRENS hus.»
29Koa miambena ianareo, ka tandremo ireny mandra-pandanianareo azy indray eo anatrehan'ny lohan'ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan'ny fianakaviana amin'ny Isiraely any Jerosalema, dia amin'ny efi-trano ao an-tranon'i Jehovah.
30Då togo prästerna och leviterna emot det uppvägda, silvret och guldet och kärlen, för att de skulle föra det till Jerusalem, till vår Guds hus.
30Dia noraisin'ny mpisorona sy ny Levita izany volafotsy sy volamena ary fanaka voalanja izany mba ho entiny ho any Jerosalema ho ao an-tranon'Andriamanitray.
31Och vi bröto upp från Ahavaströmmen på tolfte dagen i första månaden för att draga till Jerusalem; och vår Guds hand var över oss och räddade oss undan fiender och försåt på vägen.
31Dia niala teo amin'ny ony Ahava izahay tamin'ny andro faharoa ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany mba hankany Jerosalema; ary ny tànan'Andriamanitray nomba anay, ka Izy no namonjy anay tamin'ny tanan'ny fahavalo sy ny mpanotrika teny an-dalana.
32Och vi kommo till Jerusalem och blevo stilla där i tre dagar.
32Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia nijanona hateloana aloha.
33Men på fjärde dagen uppvägdes silvret och guldet och kärlen i vår Guds hus, och överlämnades åt prästen Meremot, Urias son, och jämte honom åt Eleasar, Pinehas' son, och jämte dessa åt leviterna Josabad, Jesuas son, och Noadja, Binnuis som --
33Ary tamin'ny andro fahefatra no nandanjana ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka ho eo an-tànan'i Meremota, zanak'i Oria mpisorona, tao an-tranon'Andriamanitray; ary teo aminy koa Eleazara, zanak'i Finehasa; ary teo amin'izy roa lahy koa Jozabada, zanak'i Jesoa, sy Noadia, zanak'i Binoy; Levita izy roa lahy ireo;
34alltsammans efter antal och vikt, och hela vikten blev då upptecknad.
34an-isany sy an-danjany izany rehetra izany; ary voasoratra tamin'izany andro izany ny lanjany rehetra.
35De landsflyktiga som hade återkommit ifrån fångenskapen offrade nu till brännoffer åt Israels Gud tolv tjurar för hela Israel, nittiosex vädurar, sjuttiosju lamm och tolv syndoffersbockar, alltsammans till brännoffer åt HERREN.
35Ary ny olona izay niverina avy tamin'ny fahababoana dia nanatitra fanatitra dorana ho an'Andriamanitry ny Isiraely, dia vantotr'ombilahy roa ambin'ny folo ho an'ny Isiraely rehetra sy ondrilahy enina amby sivifolo sy zanak'ondry fito amby fito-polo ary osilahy roa ambin'ny folo ho fanatitra noho ny ota: fanatitra dorana ho an'i Jehovah ireo rehetra ireo.Ary ny didin'ny mpanjaka dia natolony tamin'ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka tamin'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ; ary izy ireo nampandroso ny olona sy ny tranon'Andriamanitra.
36Och de överlämnade konungens påbud åt konungens satraper och åt ståthållarna i landet på andra sidan floden, och dessa gåvo understöd åt folket och åt Guds hus.
36Ary ny didin'ny mpanjaka dia natolony tamin'ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka tamin'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ; ary izy ireo nampandroso ny olona sy ny tranon'Andriamanitra.