Svenska 1917

Malagasy

Isaiah

10

1Ve eder som stadgen orättfärdiga stadgar! I skriven, men våldslagar skriven I
1Lozan'izay mamorona fikasana tsy marina sy izay mpanoratra manoratra fampahoriana,
2för att vränga de ringas sak och beröva de fattiga i mitt folk deras rätt, för att göra änkor till edert byte och plundra de faderlösa.
2Hampialany ny mahantra amin'ny fitsarana sy hanalany ny rariny amin'izay ory eo amin'ny oloko, Handrobany ny mpitondratena sy hamaboany ny kamboty!
3Vad viljen I göra på hemsökelsens dag, när ovädret kommer fjärran ifrån? Till vem viljen I fly för att få hjälp, och var viljen I lämna edra skatter i förvar?
3Ary ahoana no hataonareo amin'ny andro famaliana sy amin'ny fandravana izay avy amin'ny lavitra? Ho any amin'iza no handosiranareo hamonjy anareo? Ary aiza no hametrahanareo ny harenareo? [Heb. voninahitrareo]
4Om man ej böjer knä såsom fånge, så måste man falla bland de dräpta. Vid allt detta vänder hans vrede icke åter, hans hand är ännu uträckt.
4Tsy misy azony atao afa-tsy ny mihohoka voatsindrin'ny mpifatotra sy ny lavo voatsindrin'ny voavono. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.[Na: Izay tsy mihohoka voatsindrin'ny babo dia ho lavo voatsindrin'ny voavono; na: Raha misaraka amiko, dia hihohoka, etc]
5Ve över Assur, min vredes ris, som bär min ogunst såsom en stav i sin hand!
5[Ny amin'ny fanjakan'i Asyria sy ny mbola handravana azy] Endrey! ry Asyria, tsorakazon'ny fahatezerako ô, Eny, tehina eny an-tànany ny fahavinirako!
6Mot ett gudlöst folk sänder jag honom, och mot min förgrymmelses folk bjuder jag honom gå, för att taga rov och göra byte, och för att nedtrampa det såsom orenlighet på gatorna.
6Hamely firenena mihatsaravelatsihy no anirahako azy, ary hamely ny firenena izay iharan'ny fahatezerako no andidiako azy, hamabo sy handroba ary hanao azy ho fanitsakitsaka tahaka ny fotaka eny an-dalambe.[Na: ratsy fanahy]
7Men så menar icke han, och i sitt hjärta tänker han ej så, utan hans hjärta står efter att förgöra och efter att utrota folk i mängd.
7Kanjo tsy izany no kasainy, ary tsy izany no heverin'ny fony; Fa ny handringana sy ny hamongotra firenena tsy vitsy no ao am-pony.
8Han säger: »Äro mina hövdingar ej allasammans konungar?
8Fa hoy izy: Tsy mpanjaka avokoa va ireny governorako ireny?
9Har det icke gått Kalno såsom Karkemis, och Hamat såsom Arpad, och Samaria såsom Damaskus?
9Tsy tahaka an'i Karkemisy va Kalno? Tsy tahaka an'i Arpada va Hamata? Ary tsy tahaka an'i Damaskosy va Samaria ?
10Då min hand har träffat de andra gudarnas riken, vilkas beläten voro förmer än Jerusalems och Samarias,
10Tahaka ny nahatraran'ny tanako ny fanjakan'ny andriamani-tsi-izy, na dia nihoatra noho ny an'i Jerosalema sy ny an'i Samaria aza ny sampin'ireo,[Heb. sarin-javatra voasokitra]
11skulle jag då ej kunna göra med Jerusalem och dess gudabilder vad jag har gjort med Samaria och dess gudar?»
11Dia tsy tahaka ny nataoko tamin'i Samaria sy ny andriamanini-tsi-izy va no hataoko amin'i Jerosalema sy ny sampiny koa ? [Heb. sarin-javatra voasokitra]
12Men när Herren har fullbordat allt sitt verk på Sions berg och i Jerusalem, då skall jag hemsöka den assyriske konungens hjärtas högmodsfrukt och hans stolta ögons förhävelse.
12Kanefa rehefa vitan'ny Tompo ny asany rehetra ao an-tendrombohitra Ziona sy Jerosalema, dia hovaliany kosa ny vokatry ny fiavonavonan'ny fon'ny mpanjakan'i Asyria sy ny reharehan'ny fiandranandran'ny masony; [Heb: hovaliako]
13Ty han säger: »Med min hands kraft har jag utfört detta och genom min vishet, ty jag har förstånd. Jag flyttade folkens gränser, deras förråd utplundrade jag, och i min väldighet stötte jag härskarna från tronen.
13Fa izy manao hoe: Tamin'ny herin'ny tanako no nanaovako izany, sy tamin'ny fahendreko, fa mahira-tsaina aho; Ary nanaisotra ny faritanin'ny firenena aho sady namabo ny hareny, ary tahaka ny famotraky ny ombilahy no namotrahako mpanapaka; [Na: Ary tahaka ny fanaon'ny lehilahy mahery no nanonganako mpanapaka]
14Och min hand grep efter folkens skatter såsom efter fågelnästen, och såsom man samlar övergivna ägg, så samlade jag jordens alla länder; ingen fanns, som rörde vingen eller öppnade näbben till något ljud.»
14Ary tahaka ny fakàna ny ao amin'ny akanim-borona no nakan'ny tanako ny haren'ny firenena; Ary tahaka ny famory atody nilaozan-dreniny no namoriako ny any amin'ny tany rehetra, Ka tsy nisy nikopaka elatra, na nisoka-bava, na nikiakiaka.
15Skall då yxan berömma sig mot honom som hugger med den, eller sågen förhäva sig mot honom som sätter den i rörelse? Som om käppen satte i rörelse honom som lyfter den, eller staven lyfte en som dock är förmer än ett stycke trä!
15Ny famaky va hirehareha amin'izay mikapa aminy? Ny tsofa va hiavonavona amin'izay manatsofa aminy? Toy ny tsorakazo, raha manetsika izay manainga azy! Ary toy ny tehina, raha manandratra ny tompony! [Heb. manandratra izay tsy hazo]
16Så skall då Herren, HERREN Sebaot sända tärande sjukdom i hans feta kropp, och under hans härlighet skall brinna en brand likasom en brinnande eld.
16Koa izany no anateran'ny Tompo, dia ny Tompon'ny maro, fahahiazana amin'ny tremalahiny; Ary ao ambanin'ny voninahiny dia hisy mirehitra toy ny firehitry ny afo.
17Och Israels ljus skall bliva en eld och hans Helige en låga, och den skall bränna upp och förtära dess törnen och dess tistlar, allt på en dag.
17Ary ny fahazavan'ny Isiraely ho tonga afo, ary ny Iray Masiny ho tonga lelafo, ka hodorany ho levona indray andro monja ny tsilony sy ny heriny;
18Och på hans skogars och parkers härlighet skall han alldeles göra en ände; det skall vara, såsom när en sjuk täres bort.
18Ary ny voninahitry ny alany sy ny sahany mahavokatra dia holevoniny, na ny fanahiny, na ny nofony, ka ho tahaka ny fifezak'izay marary mafy izany.[Na: ho tahaka ny fahatoranan'ny mpitondra faneva]
19De träd som bliva kvar i hans skog skola vara lätt räknade; ett barn skall kunna teckna upp dem.
19Ary ho vitsy ny hazo sisa any an'alany, ka na dia izay mbola zaza aza hahasoratra azy.
20På den tiden skall kvarlevan av Israel och den räddade skaran av Jakobs hus ej vidare stödja sig vid honom som slog dem; i trohet skola de stödja sig vid HERREN, Israels Helige.
20Ary amin'izany andro izany ny Isiraely sisa, izay tsy ringana amin'ny taranak'i Jakoba, dia tsy hiankina amin'izay namely azy intsony; Fa Jehovah, Iray Masin'ny Isiraely, ihany no hiankinany marina tokoa.
21En kvarleva skall omvända sig, en kvarleva av Jakob, till Gud, den väldige.
21Ary izay sisa amin'i Jakoba dia hiverina ho amin'Andriamanitra Mahery.
22Ty om än ditt folk, Israel, vore såsom sanden i havet, så skall dock allenast en kvarleva där omvända sig. Förödelsen är oryggligt besluten, den kommer med rättfärdighet såsom en flod.
22Fa na dia tahaka ny fasika any amin'ny ranomasina aza ny isan'ny Isiraely olonao, dia izay sisa aminy ihany no hiverina; Voatendry ny fandringanana izay hanafotra ho famaliana marina;
23Ty förstöring och oryggligt besluten straffdom skall Herren, HERREN Sebaot låta komma över hela jorden.
23Fa fahafonganana voatendry no hataon'i Jehovah, Tompon'ny maro, Ao amin'ny tany.
24Därför säger Herren, HERREN Sebaot så: Frukta icke, mitt folk, du som bor i Sion, för Assur, när han slår dig med riset och upplyfter sin stav mot dig, såsom man gjorde i Egypten.
24Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ry oloko, izay monina any Ziona, Aza matahotra ny Asyriana, raha mamely anao amin'ny tsorakazo izy ary manainga ny tehina aminao, tahaka ny fanao tany Egypta;
25Ty ännu allenast en liten tid, och ogunsten skall hava en ände, och min vrede skall vända sig till deras fördärv.
25Fa rehefa afaka vetivety, dia hitsahatra ny fahavinirana, ary ny fahatezerako dia handringana azy kosa.
26Och HERREN Sebaot skall svänga sitt gissel över dem, såsom när han slog Midjan vid Orebsklippan; och sin stav, som han räckte ut över havet, skall han åter upplyfta, såsom han gjorde i Egypten.
26Eny, Jehovah, Tompon'ny maro, hamely azy amin'ny kotopia, tahaka ny namelezana ny Midiana teo am-batolampy Oreba; ary ny tsorakazony haingainy eny ambonin'ny ranomasina ka hatsangany tahaka ny fanao tany Egypta.
27På den tiden skall hans börda tagas bort ifrån din skuldra och hans ok ifrån din hals, ty oket skall brista sönder för fetmas skull.
27Ary amin'izany andro izany dia ho afaka eo an-tsorokao ny entany ary ny bao fitondrany ho afaka amin'ny vozonao, ary ho tapaka ny bao fitondrana noho ny fihatavezany.[Heb. simba]
28Han kommer över Ajat, han drager fram genom Migron; i Mikmas lämnar han sin tross.
28Injao! tonga any Aiata izy, mamaky an'i Migrona izy ary mametraka ny entany ao Mikmasy,
29De draga fram över passet; i Geba taga de nattkvarter. Rama bävar; Sauls Gibea flyr.
29Mihoatra ao an-kadilanana izy Ao Geba isika no handry, hoy izy; Mangovitra Rama, mandositra Gibean'i Saoly;
30Ropa högt, du dotter Gallim. Giv akt, du Laisa. Arma Anatot!
30Mikiakiaha mafy, ry zanakavavin'i Galima, Mampandria sofina, ry Laisy. Indrisy, ry Anatota mahantra!
31Madmena flyktar; Gebims invånare bärga sitt gods.
31Lasa mandositra Madmena, ny mponina any Gebima mitondra ny entany mandositra.
32Ännu samma dag står han i Nob; han lyfter sin hand mot dottern Sions berg, mot Jerusalems höjd.
32Anio izy mbola mitoetra any Noba, Maninjitra ny tànany manambana ny tendrombohitr'i Ziona zanakavavy, dia ny havoan'i Jerosalema.
33Men se, då avhugger Herren, HERREN Sebaot den lummiga kronan, med förskräckande makt; de resliga stammarna ligga fällda, de höga träden störta ned.
33Indro, Jehovah, Tompon'ny maro, manapaka ny rantsany madinika amin'ny heriny mahatahotra; Ary izay mijoaka lava no voakapa, ary izay avo no aetry;Ary kapaina vy ny ala mikirindro, ary Libanona dia alamaky ny iray Mahery.
34Den tjocka skogen nedhugges med järnet; Libanons skogar falla för den väldige.
34Ary kapaina vy ny ala mikirindro, ary Libanona dia alamaky ny iray Mahery.