1Därefter tog Elifas från Teman till orda och sade:
1[Ny teny fanindroany nataon'i Elifaza] Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
2Skall en vis man tala så i vädret och fylla upp sitt bröst med östanvind?
2Tokony handahatra hevi-dravina va ny olon-kendry, ka hameno ny kibony amin'ny rivotra avy any atsinanana va,
3Skall han försvara sin sak med haltlöst tal, med ord som ingenting bevisa?
3Ary hamaly amin'ny teny tsy mahasoa sy ny teny tsy mahatsara?
4Än mer, du gör gudsfruktan om intet och kommer med klagolåt inför Gud.
4Eny, foananao ny fahatahorana an'Andriamanitra, ary tampenanao ny fivavahana eo anatrehany;[Na: hamavoinao]
5Ty din ondska lägger dig orden i munnen, och ditt behag står till illfundigt tal.
5Fa ny helokao no manesika ny vavanao, ary mianatra ny lelan'ny fetsy ianao.[Na: Tsy maneho ny helokao va ny vavanao, Na dia mianatra ny lelan'ny fetsy aza ianao?]
6Så dömes du nu skyldig av din mun, ej av mig, dina egna läppar vittna emot dig.
6Ny vavanao ihany no manameloka anao, fa tsy izaho; Ary ny molotrao ihany no mamely anao.
7Var du den första människa som föddes, och fick du liv, förrän höjderna funnos?
7Hianao va no voalohany izay nateraka ho olombelona? Na naloaky ny kibo talohan'ny tendrombohitra va ianao?
8Blev du åhörare i Guds hemliga råd och fick så visheten i ditt våld?
8Isan'ny mpihevitra teo amin'Andriamanitra va ianao, ka voarombakao ho anao irery ny fahendrena?
9Vad vet du då, som vi icke veta? Vad förstår du, som ej är oss kunnigt?
9Inona no fantatrao, ka tsy mba fantatray koa, na saina azonao, ka tsy ato aminay koa?
10Gråhårsman och åldring finnes också bland oss, ja, en som övergår din fader i ålder.
10Ny anti-panahy sy ny fotsy volo dia misy ato aminay, eny, olona ela niainana noho ny rainao aza.
11Försmår du den tröst som Gud har att bjuda, och det ord som i saktmod talas med dig?
11Ataonao ho tsinontsinona va ny fampiononana avy amin'Andriamanitra sy ny teny natao aminao amin'ny fahalemem-panahy?
12Vart föres du hän av ditt sinne, och varför välva dina ögon så,
12Nahoana no dia entin'ny fonao ianao? Ary nahoana no mipipy foana ny masonao,
13i det du vänder ditt raseri mot Gud och öser ut ord ur din mun?
13Ka miefonefona amin'Andriamanitra ianao, sady miteniteny foana ny vavanao?
14Vad är en människa, att hon skulle vara ren? Vad en av kvinna född, att han skulle vara rättfärdig?
14Inona ny zanak'olombelona no mba hadio izy? Ary izay tera-behivavy no mba ho marina?
15Se, ej ens på sina heliga kan han förlita sig, och himlarna äro icke rena inför hans ögon;
15Indro, ireo anjeliny aza tsy mahatoky Azy, ary ny lanitra aza tsy madio eo imasony;[Heb. masina]
16huru mycket mindre då den som är ond och fördärvad, den man som läskar sig med orättfärdighet såsom med vatten!
16Koa mainka fa izay vetaveta sy tena ratsy, dia ny olona izay misotro heloka toa rano!
17Jag vill kungöra dig något, så hör nu mig; det som jag har skådat vill jag förtälja,
17Hanambara aminao aho, ka mihainoa ahy fa izay efa hitako no holazaiko,
18vad visa män hava gjort kunnigt, lagt fram såsom ett arv ifrån sina fäder,
18Dia zavatra notorin'ny olon-kendry, fa tsy nafeniny, dia izay azony avy tamin'ny razany;
19ifrån dem som allena fingo landet till gåva, och bland vilka ingen främling ännu hade trängt in:
19Ireny ihany no nomena ny tany, ary tsy nisy olona hafa firenena nisisika teo aminy.
20Den ogudaktige har ångest i alla sina dagar, under de år, helt få, som beskäras en våldsverkare.
20Ny ratsy fanahy mijalijaly amin'ny androny rehetra, dia amin'ny taona rehetra voatendry ho an'ny lozabe.
21Skräckröster ljuda i hans öron; när han är som tryggast, kommer förhärjaren över honom.
21Feo mampitahotra no ren'ny sofiny; Ary na dia miadana aza izy, dia avy hamely azy ihany ny mpandroba.
22Han har intet hopp om räddning ur mörkret, ty svärdet lurar på honom.
22Tsy manantena ho afaka amin'ny maizina izy; Andrasan'ny sabatra izy.
23Såsom flykting söker han sitt bröd: var är det? Han förnimmer att mörkrets dag är för handen.
23Mirenireny hitady izay hohaniny izy ka manao hoe: Aiza re? Fantany fa antomotra azy ny andro maizina.
24Ångest och trångmål förskräcka honom, han nedslås av dem såsom av en stridsrustad konung.
24Fahoriana sy fahaporitana no mampitahotra azy; Mandresy azy ireo tahaka ny mpanjaka efa vonona ho amin'ny ady,[Na: Alahelo sy ahiahy]
25Ty mot Gud räckte han ut sin hand, och mot den Allsmäktige förhävde han sig;
25Satria naninjitra ny tanany hanohitra an'Andriamanitra izy Ary nirehareha hanohitra ny Tsitoha.
26han stormade mot honom med trotsig hals, med sina sköldars ryggar i sluten hop;
26Mimaona amin'ny fahamafian-katoka hamely Azy izy, dia amin'ny foitran'ampingany matevina,
27han höljde sitt ansikte med fetma och samlade hull på sin länd;
27Satria efa matavitavy tarehy izy, ary mivalon-kotraka ny valahany;
28han bosatte sig i städer, dömda till förstöring, i hus som ej fingo bebos, ty till stenhopar voro de bestämda.
28Ary monina ao an-tanana rava izy, dia ao an-trano tokony tsy hitoeran'olona, izay efa voatendry ho korontam-bato.
29Därför bliver han ej rik, och hans gods består ej, hans skördar luta ej tunga mot jorden.
29Tsy hanan-karena izy, sady tsy haharitra ny heriny, ka tsy ho vokatra ambonin'ny tany ny fananany.[Heb. hilonjehitra amin'ny tany toy ny vary efa vokatra]
30Han kan icke undslippa mörkret; hans telningar skola förtorka av hetta, och själv skall han förgås genom Guds muns anda.
30Tsy ho afaka amin'ny maizina izy; ny solofony hikainkona azon'ny lelafo; ho levon'ny fofonain'Andriamanitra izy.
31I sin förvillelse må han ej lita på vad fåfängligt är, ty fåfänglighet måste bliva hans lön.
31Aoka tsy ho voafitaka hatoky zava-poana izy; fa zava-poana no ho valiny homena azy.
32I förtid skall hans mått varda fyllt, och hans krona skall ej grönska mer.
32Raha mbola tsy tonga aza ny androny, dia manjo azy izany, ary tsy ho maitso ny sampany.
33Han bliver lik ett vinträd som i förtid mister sina druvor, lik ett olivträd som fäller sina blommor.
33Ho tahaka ny voaloboka manintsana ny voany manta izy ary ho tahaka ny hazo oliva mampiraraka ny voniny.
34Ty den gudlöses hus förbliver ofruktsamt, såsom eld förtär hyddor där mutor tagas.
34Fa tsy ho vanona ny ankohonan'ny mpihatsaravelatsihy, ary ho lanin'ny afo ny tranon'ny mpitoroka.[Na: ratsy fanahy]Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana, ary ny kibony mamorom-pitaka.
35Man går havande med olycka och föder fördärv; den livsfrukt man alstrar är ett sviket hopp.
35Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana, ary ny kibony mamorom-pitaka.