1Därefter upplät Job sin mun och förbannade sin födelsedag;
1[Ny fitarainan'i Joba noho ny fahoriana nanjo azy] Rehefa afaka izany, dia niloa-bava Joba ka nanozona ny androny
2Job tog till orda och sade:
2nanao hoe:
3Må den dag utplånas, på vilken jag föddes, och den natt som sade: »Ett gossebarn är avlat.»
3Foàna anie ny andro nahaterahako sy ny alina izay nanao hoe: Misy zazalahy vao torontoronina!
4Må den dagen vändas i mörker, må Gud i höjden ej fråga efter den och intet dagsljus lysa däröver.
4Izany andro izany dia aoka ho maizina, ary aoka tsy hitady azy Andriamanitra any ambony; ary aoka tsy hisy mazava hamirapiratra aminy;
5Mörkret och dödsskuggan börde den åter, molnen lägre sig över den; förskräcke den allt som kan förmörka en dag.
5Aoka ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana hahalasa azy indray; Aoka ny rahona hitatao eo amboniny; Aoka izay zavatra mahamaizina ny andro hampahatsiravina azy.[Na:handoto azy]
6Den natten må gripas av tjockaste mörker; ej må den få fröjda sig bland årets dagar, intet rum må den finna inom månadernas krets.
6Izany alina izany aoka ny aizim-pito hisambotra azy; Aoka tsy hiara-mifaly amin'ny andron'ny taona izy. Ary tsy ho tonga amin'ny isan'ny volana;
7Ja, ofruktsam blive den natten, aldrig höje sig jubel under den.
7Indro izany alina izany aoka ho momba izy; Aoka tsy ho velona ao ny hoby;
8Må den förbannas av dem som besvärja dagar, av dem som förmå mana upp Leviatan.
8Aoka hanozona azy ny mpanozona andro, Izay mahay mamoha ny dragona;
9Må dess grynings stjärnor förmörkas, efter ljus må den bida, utan att det kommer, morgonrodnadens ögonbryn må den aldrig få se;
9Aoka ho maizina ny kintan'ny marainany; Aoka hiandry ny mazava izy, nefa tsy hisy, ary aoka tsy ho faly mahita ny hodimason'ny maraina izy,
10eftersom den ej tillslöt dörrarna till min moders liv, ej lät olyckan förbliva dold för mina ögon.
10Satria tsy nanidy ny varavaran'ny kibon'ineny izy ka tsy nanafina fahoriana tamin'ny masoko.
11Varför fick jag ej dö strax i modersskötet, förgås vid det jag kom ut ur min moders liv?
11Nahoana re aho no tsy maty hatrany am-bohoka e, ary tsy niala aina, fony vao nivoaka avy tany an-kibo e?
12Varför funnos knän mig till mötes, och varför bröst, där jag fick di?
12Nahoana no nisy lohalika niandry ahy? Ary nahoana no nisy nono hinonoako?
13Hade så icke skett, låge jag nu i ro, jag finge då sova, jag njöte då min vila,
13Fa raha tsy izany, dia efa nandry aho toy izay ka niadana, eny, natory aho ka afa-tsasatra,
14vid sidan av konungar och rådsherrar i landet, män som byggde sig palatslika gravar,
14Teo amin'ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina avy amin'ny tany, izay nanao ireny tanàna efa rava, [Na: namboatra][Na: fasana lehibe]
15ja, vid sidan av furstar som voro rika på guld och hade sina hus uppfyllda av silver;
15Na teo amin'ny andriandahy izay manana volamena sady mameno volafotsy ny tranony;
16eller vore jag icke till, lik ett nedgrävt foster, lik ett barn som aldrig fick se ljuset.
16Na efa tsy ary toy ny zaza tsy tonga volana aho ka nafenina, dia toy ny zaza izay tsy nahita ny mazava akory.
17Där hava ju de ogudaktiga upphört att rasa, där få de uttröttade komma till vila;
17Any no itsaharan'ny ratsy fanahy tsy hampitebiteby, ary any ny reraka no afa-tsasatra;
18där hava alla fångar fått ro, de höra där ingen pådrivares röst.
18Miara-miadana avokoa ny mpifatotra; Tsy mandre ny feon'ny mpampiasa izy.
19Små och stora äro där varandra lika, trälen har där blivit fri ifrån sin herre.
19Samy any ny kely sy ny lehibe, Ary ny mpanompo dia afaka amin'ny tompony.
20Varför skulle den olycklige skåda ljuset? Ja, varför gives liv åt dem som plågas så bittert,
20Nahoana no fahazavana no mba omena ny reraka, ary fiainana ho an'izay latsaka amin'ny fangidiana?
21åt dem som vänta efter döden, utan att den kommer, och spana därefter mer än efter någon skatt,
21Izay miandry fahafatesana, nefa tsy avy izy, sady mitady azy mihoatra noho ny fitady harena nafenina:
22åt dem som skulle glädjas -- ja, intill jubel -- och fröjda sig, allenast de funne sin grav;
22Izay faly indrindra sady ravoravo, raha mahita ny fasana,
23varför åt en man vilkens väg är höljd i mörker, åt en man så kringstängd av Gud?
23Dia olona izay mandeha ao amin'ny maizina sady voafefin'Andriamanitra manodidina.
24Suckan har ju blivit mitt dagliga bröd, och såsom vatten strömma mina klagorop.
24Fa mialoha ny haninkaniko ny fitolokoko, ary migororoana toy ny rano ny fidradradradrako;
25ty det som ingav mig förskräckelse, det drabbar mig nu, och vad jag fruktade för, det kommer över mig.
25Fa Izay atahorako no mahazo ahy, ary izay angovitako no manjo ahy.Tsy mbola nahita fiadanana na fitsaharana na fakàna aina akory aza aho, dia tonga indray ny tebiteby.
26Jag får ingen rast, ingen ro, ingen vila; ångest kommer över mig.
26Tsy mbola nahita fiadanana na fitsaharana na fakàna aina akory aza aho, dia tonga indray ny tebiteby.