Svenska 1917

Malagasy

Judges

21

1Men Israels män hade svurit i Mispa och sagt: »Ingen av oss skall giva sin dotter till hustru åt någon benjaminit.»
1Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely efa nianiana tany Mizpa nanao hoe: Aoka tsy hisy amintsika hanome ny zananivavy ho vadin'ny Benjamita.
2Och nu kom folket till Betel och stannade där ända till aftonen inför Guds ansikte; och de brusto ut i bitter gråt
2Dia nankany Betela ny olona ka nitoetra teo anatrehan'Andriamanitra mandra-paharivan'ny andro, dia nanandratra ny feony ka nitomany mafy dia mafy
3och sade: »Varför, o HERRE, Israels Gud, har sådant fått ske i Israel, att i dag en hel stam fattas i Israel?»
3nanao hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, nahoana no tonga tamin'ny Isiraely izao ankehitriny, ka fongotra ny firenena iray amin'ny Isiraely?
4Dagen därefter stod folket bittida upp och byggde där ett altare och offrade brännoffer och tackoffer.
4Ary nony ampitson'iny dia nifoha maraina koa ny olona ka nanorina alitara teo ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana.
5och Israels barn sade: »Finnes någon bland Israels alla stammar, som icke kom upp till HERREN med den övriga församlingen?» Ty man hade svurit en dyr ed, att den som icke komme upp till HERREN i Mispa skulle straffas med döden.
5Ary hoy ny Zanak'Isiraely: Iza amin'ny ferenen'Isiraely rehetra no tsy niakatra teo amin'ny fiangonana hanatona an'i Jehovah? fa efa nisy fianianana lehibe ny amin'izay tsy niakatra ho any amin'i Jehovah tany Mizpa hoe: Hatao maty tokoa izy.
6Och Israels barn ömkade sig över sin broder Benjamin och sade: »Nu har en hel stam blivit borthuggen från Israel.
6Ary ny Zanak'Isiraely nanenina ny amin'i Benjamina rahalahiny ka nanao hoe: Misy firenena iray voafongotra eo amin'ny Isiraely ankehitriny.
7Vad skola vi göra för dem som äro kvar, så att de kunna få hustrur? Ty själva hava vi ju svurit vid HERREN att icke åt dem giva hustrur av våra döttrar.»
7Ahoana no hataontsika amin'ireo sisa hahazoany vady; fa isika efa nianiana tamin'i Jehovah tsy hanome vady azy amin'ny zanakavavintsika?
8Och då frågade åter: »Finnes bland Israels stammar någon som icke kom upp till HERREN i Mispa?» Och se, från Jabes i Gilead hade ingen kommit till lägret, till församlingen där.
8Dia hoy izy: Iza amin'ny firenen'Isiraely no tsy mba niakatra ho any amin'i Jehovah tany Mizpa? Ary, indro, tsy nisy olona avy tany Jebesi-gileada na dia iray akory aza nankany an-toby ho ao amin'ny fiangonana.
9Ty när folket mönstrades, befanns det att ingen av invånarna i Jabes i Gilead var där.
9Fa rehefa voalamina ny olona, dia, indro, tsy nisy tao na dia iray akory aza avy tamin'ny tompon-tany tany Jabesi-gileada.
10Då sände menigheten dit tolv tusen av de tappraste männen och bjöd dessa och sade: »Gån åstad och slån invånarna i Jabes i Gilead med svärdsegg, också kvinnor och barn.
10Dia naniraka lehilahy mahery roa arivo sy iray alin-dahy ny fiangonana ka nandidy azy hoe: Mandehana, ka mameleza ny mponina any Jabesi-gileada amin'ny lelan-tsabatra mbamin'ny zaza amim-behivavy.
11Ja, detta är vad I skolen göra: allt mankön och alla de kvinnor som hava haft med mankön att skaffa skolen I giva till spillo.
11Ary izao no hataonareo: Ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy dia haringanareo.[Heb. hataonareo herema]
12Men bland invånarna i Jabes i Gilead funno de fyra hundra unga kvinnor som voro jungfrur och icke hade haft med män, med mankön, att skaffa. Dessa förde de då till lägret i Silo i Kanaans land.
12Ary nahita zazavavy virijina efa-jato tsy mbola nahalala lahy teo amin'ny mponina tany Jabesi-gileada izy ka nitondra ireo ho any an-toby tany Silo any amin'ny tany Kanana.
13Sedan sände hela menigheten åstad och underhandlade med de benjaminiter som befunno sig på Rimmons klippa, och tillbjöd dem fred.
13Ary ny fiangonana rehetra dia naniraka niteny tamin'ny taranak'i Benjamina, izay tao amin'ny harambato tao Rimona, ka niantso azy hihavana aminy.
14Så vände nu Benjamin tillbaka; och man gav dem till hustrur de kvinnor från Jabes i Gilead, som man hade låtit leva. Men dessa räckte ingalunda till för dem.
14Dia niverina tamin'izany andro izany ny Benjamita, ka nomeny azy ireo vehivavy efa novelominy tamin'ny vehivavy tao Jabesi-gileada ireo; kanjo mbola tsy nahenina azy ihany ireo.
15Och folket ömkade sig över Benjamin, eftersom HERREN hade gjort en rämna bland Israels stammar.
15Ary ny olona nanenina noho ny amin'i Benjamina, satria nisy nobangain'i Jehovah ny firenen'Isiraely.
16Och de äldste i menigheten sade: »Vad skola vi göra med dem som äro kvar, så att de kunna få hustrur? Ty alla kvinnor äro ju utrotade ur Benjamin.»
16Dia hoy ny loholon'ny fiangonana: Ahoana no hataontsika ho an'ireo sisa mba hahazoany vady, fa efa naringana ny vehivavy tamin'ny Benjamita?
17Och de sade ytterligare: »De undkomna av Benjamin måste få en besittning, så att icke en stam bliver utplånad ur Israel.
17Ary hoy izy: Tsy maintsy mahazo lova ny Benjamita izay afa-nandositra, mba tsy hisy firenena iray fongotra amin'ny Isiraely.
18Men själva kunna vi icke åt dem giva hustrur av våra döttrar, ty Israels barn hava svurit och sagt: Förbannad vare den som giver en hustru åt Benjamin.»
18Nefa isika tsy mahazo manome azy ny zanakavavintsika ho vadiny, satria efa nianiana ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Ho voaozona anie izay manome vady ho an'ny Benjamita.
19Och de sade vidare: »En HERREN högtid plägar ju hållas år efter år i Silo, som ligger norr om Betel, öster om den väg som går från Betel upp till Sikem, och söder om Lebona.»
19Dia hoy izy: Indro, misy andro firavoravoana isan-taona ho an'i Jehovah any Silo, izay avaratr'i Betela, atsinanan'ny lalambe miakatra avy any Betela hankany Sekema, ary atsimon'i Lebona.
20Och de bjödo Benjamins barn och sade: »Gån åstad och läggen eder i försåt i vingårdarna.
20Ary nandidy ny taranak'i Benjamina izy ka nanao hoe: Mandehana, ka manotreha any amin'ny tanim-boaloboka,
21När I då fån se Silos döttrar komma ut för att uppföra sina dansar, skolen I komma fram ur vingårdarna, och var och en av eder skall bland Silos döttrar rycka till sig en som kan bliva hans hustru; därefter skolen I begiva eder hem till Benjamins land.
21ka jereo, ka raha, indreo, mivoaka handihy ny zazavavy avy any Silo, dia mivoaha avy ao amin'ny tanim-boaloboka ianareo, ary samia misambotra amin'ny zazavavy avy any Silo ho vadiny avy, ka mandehana any amin'ny tanin'ny Benjamina indray.
22Om sedan deras fäder eller deras bröder komma och beklaga sig för oss, vilja vi säga till dem: 'Förunnen oss dem; ty ingen av oss har tagit sig någon hustru i kriget. I haven ju då icke själva givit dem åt dessa; ty i sådant fall haden I ådragit eder skuld.'»
22Ary raha mankany aminay hitaraina ny rainy na ny anadahiny, dia holazainay aminy hoe: Omeo anay ihany izy, fa izahay tsy mba nahazo vady tany amin'ilay ady teo; fa tsy ianareo no nanome azy; fa raha izany, dia meloka ihany ianareo.
23Och Benjamins barn gjorde så och skaffade sig hustrur, lika många som de själva voro, bland de dansande kvinnor som de rövade. Sedan begåvo de sig tillbaka till sin arvedel och byggde åter upp städerna och bosatte sig i dem.
23Dia nanao izany ny taranak'i Benjamina ka samy naka vady araka ny isany tamin'ny mpandihy izay nosamboriny; dia nandeha izy ka niverina ho any amin'ny lovany ary namboatra ireo tanàna ireo ka nonina tao.
24Också de övriga israeliterna begåvo sig bort därifrån, var och en till sin stam och sin släkt, och drogo ut därifrån, var och en till sin arvedel.
24Dia samy nandeha niala teo ny Zanak'Isiraely tamin'izany andro izany, samy ho any amin'ny fireneny sy ny fokony avy; dia niala teo ho any amin'ny lovany avy ny olona rehetra.Tsy nisy mpanjaka teo amin'ny Isiraely tamin'izany andro izany; fa samy nanao izay nataony ho marina avy izy rehetra.
25På den tiden fanns ingen konung i Israel; var och en gjorde vad honom behagade.
25Tsy nisy mpanjaka teo amin'ny Isiraely tamin'izany andro izany; fa samy nanao izay nataony ho marina avy izy rehetra.