1En lovsång av David. Jag vill upphöja dig, min Gud, du konung, och lova ditt namn alltid och evinnerligen.
1[Salamo abidy. Fiderana an'Andriamanitra, Mpanjaka be indrafo] Fideran'i Davida. Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, Sy hankalaza ny anaranao mandrakizay doria.
2Jag vill dagligen lova dig och prisa ditt namn alltid och evinnerligen.
2Hankalaza Anao isan'andro aho sy hidera ny anaranao mandrakizay doria.
3Stor är HERREN och högtlovad, ja, hans storhet är outrannsaklig.
3Lehibe Jehovah ka tokony hoderaina indrindra; Ary tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany .
4Det ena släktet prisar för det andra dina verk, de förkunna dina väldiga gärningar.
4Ny taranaka rehetra samy hidera ny asanao amin'izay mandimby azy Sy hanambara ny asanao lehibe.
5Ditt majestäts härlighet och ära vill jag begrunda och dina underfulla verk.
5Ny lazan'ny voninahitry ny fiandriananao Sy ny asanao mahagaga no hosaintsainiko.
6Man skall tala om dina fruktansvärda gärningars makt; dina storverk skall jag förtälja.
6Ny herin'ny asanao mahatahotra no hotenenin'ny olona; Ary ny fahalehibiazanao no holazaiko.
7Man skall utbreda ryktet om din stora godhet och jubla över din rättfärdighet.
7Hanonona ny fahatsiarovana ny haben'ny fahatsaranao izy Sy hihoby ny fahamarinanao.
8Nådig och barmhärtig är HERREN, långmodig och stor i mildhet.
8Mamindra fo sy miantra Jehovah; Mahari-po sady be famindram-po Izy.
9HERREN är god mot alla och förbarmar sig över alla sina verk.
9Manisy soa izao tontolo izao Jehovah; Ary ny fiantràny dia eny amin'ny asany rehetra.
10Alla dina verk, HERRE, skola tacka dig, och dina fromma skola lova dig.
10Jehovah ô, midera Anao ny asanao rehetra; Ary ny olonao masina misaotra Anao.
11De skola tala om ditt rikes ära, och din makt skola de förkunna.
11Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy Sady miresaka ny herinao,
12Så skola de kungöra för människors barn dina väldiga gärningar och ditt rikes ära och härlighet.
12Mba hampahafantarina ny zanak'olombelona ny herinao Sy ny haben'ny voninahitry ny fanjakanao. [Heb. heriny][Heb. fanjakany]
13Ditt rike är ett rike för alla evigheter, och ditt herradöme varar från släkte till släkte.
13Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, Ary hitatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fanapahanao.
14HERREN uppehåller alla dem som äro på väg att falla, och han upprättar alla nedböjda.
14Jehovah manohana izay rehetra efa ho lavo Sy mampitraka izay rehetra mitanondrika.
15Allas ögon vänta efter dig, och du giver dem deras mat i rätt tid.
15Ny mason'izao rehetra izao miandrandra Anao, Ary Hianao manome azy ny haniny amin'ny fotoany.
16Du upplåter din hand och mättar allt levande med nåd.
16Manokatra ny tananao Hianao Ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.
17HERREN är rättfärdig i alla sina vägar och nådig i alla sina verk.
17Marina Jehovah amin'ny lalany rehetra, Sady mamindra fo amin'ny asany rehetra.
18HERREN är nära alla dem som åkalla honom, alla dem som åkalla honom uppriktigt.
18Jehovah dia eo akaikin'izay rehetra miantso Azy, Dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.
19Han gör vad de gudfruktiga begära och hör deras rop och frälsar dem.
19Hanefa ny irin'izay matahotra Azy Izy Ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy.
20HERREN bevarar alla dem som älska honom, men alla ogudaktiga skall han förgöra.
20Miaro izay rehetra tia Azy Jehovah; Fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany.Ny fiderana an'i Jehovah no hotenenin'ny vavako; Ary aoka ny nofo rehetra hankalaza ny anarany masina mandrakizay doria.
21Min mun skall uttala HERREN lov, och allt kött skall prisa hans heliga namn alltid och evinnerligen.
21Ny fiderana an'i Jehovah no hotenenin'ny vavako; Ary aoka ny nofo rehetra hankalaza ny anarany masina mandrakizay doria.