Svenska 1917

Malagasy

Psalms

17

1En bön av David. Hör, o HERRE, en rättfärdig sak, akta på mitt rop, lyssna till min bön; den kommer icke ifrån falska läppar.
1[Fivavaky ny ory mba hovonjen'Andriamanitra tsy ho azon'ny hery sy ny reharehan'ny fahavalony] Fivavak'i Davida. Jehovah ô, mihainoa ny rariny, mandrenesa ny fitarainako, atongilano ny sofinao amin'ny fivavako avy amin'ny molotra tsy misy fitaka.
2Av dig må jag få min rätt; dina ögon må skåda vad rättvist är.
2Hivoaka avy eo anatrehanao ny fitsarana ahy; ny masonao hijery marina.
3Du prövar mitt hjärta, du utrannsakar mig, men du finner intet; ingen ond tanke går ut ur min mun.
3Nizaha toetra ny foko Hianao, namantatra ahy nony alina; nizaha toetra ahy tamin'ny memy Hianao, fa tsy nahita na inona na inona; ny vavako tsy hafa noho ny eritreritro. [Na: fa tsy nahita hevi-dratsy; Tsy ho diso ny vavako na: Mikasa tsy hampanota ny vavako aho]
4Efter dina läppars ord, och vad människor än må göra, tager jag mig till vara för våldsverkares stigar.
4Ny amin'ny asan'ny olona, dia ny tenin'ny molotrao no nitandremako tsy ho amin'ny lalan'ny mpanao an-keriny.
5Mina steg hålla sig stadigt på dina vägar, mina fötter vackla icke.
5Ny diako maharitra eo amin'ny lalanao, tsy solafaka ny tongotro.
6Så åkallar jag nu dig, ty du, Gud, skall svara mig; böj ditt öra till mig, hör mitt tal.
6Izaho miantso Anao, ka mamaly ahy Hianao, Andriamanitra ô; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny teniko.
7Bevisa din underbara nåd, du som frälsar undan motståndarna dem som taga sin tillflykt till din högra hand.
7Ataovy mahagaga ny famindram-ponao, ry Mpamonjy amin'ny tananao ankavanana izay olona mialoka aminao, mba tsy ho azon'ny fahavalo.
8Bevara mig såsom en ögonsten, beskärma mig under dina vingars skugga
8Arovy tahaka ny anakandriamaso aho, afeno ao ambanin'ny aloky ny elatrao,
9för de ogudaktiga, som vilja fördärva mig, för mina dödsfiender, som omringa mig.
9Mba tsy ho azon'ny ratsy fanahy izay mampahory ahy, dia ny fahavaloko masiaka, izay manodidina ahy.
10Sitt hjärta förstocka de; med sin mun tala de stora ord.
10Efa mihirim-belona izy; teny miavonavona no aloaky ny vavany.
11Nu äro de omkring mig, var vi gå, deras ögon speja efter huru de skola böja mig till jorden.
11Manodidina anay amin'ny alehanay ankehitriny izy, Vandrininy hapotrany amin'ny tany izahay;[Na: Ahy]
12Ja, denne är lik ett lejon som längtar efter rov, lik ett ungt lejon som ligger i försåt.
12Ny fijery azy dia tahaka ny liona noana ta-hamiravira, sy tahaka ny liona tanora mamitsaka ao am-pierena.
13Stå upp, HERRE; träd emot honom, slå honom ned, rädda med ditt svärd min själ från den ogudaktige,
13Mitsangàna, Jehovah ô, sakano izy, aripaho izy; vonjeo amin'ny sabatrao ny fanahiko tsy ho azon'ny ratsy fanahy;
14ja, med din hand, från människorna, HERRE, från denna världens människor, som hava sin del i detta livet, och vilkas buk du fyller med dina håvor, som hava söner i mängd och lämna sitt överflöd åt sina barn.
14Vonjeo amin'ny tananao aho, Jehovah ô, mba tsy ho azon'ny olon'izao tontolo izao, izay manana ny anjarany amin'izao fiainana izao, sady fenoinao ny harenao ny kibony; Maro anaka izy, dia mamela ny fananany be ho an'ny zanany madinika.Fa izaho kosa, dia aoka hahita ny tavanao amin'ny fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy, raha mifoha.
15Men jag skall skåda ditt ansikte i rättfärdighet; när jag uppvaknar, vill jag mätta mig av din åsyn.
15Fa izaho kosa, dia aoka hahita ny tavanao amin'ny fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy, raha mifoha.