Vietnamese 1934

Malagasy

Ecclesiastes

4

1Ta xây lại, xem xét mọi sự hà hiếp làm ra ở dưới mặt trời; kìa, nước mắt của kẻ bị hà hiếp, song không ai an ủi họ! Kẻ hà hiếp có quyền phép, song không ai an ủi cho kẻ bị hà hiếp!
1[Ny manjo ny olona noho ny fampahorian'ny sasany azy, sy ny lolom-po, sy ny fitoerany irery ary ny ataon'ny mpitondra azy] Dia hitako koa ny fampahoriana rehetra atao atỳ ambanin'ny masoandro; ary indro ny ranomason'ny ampahorina, sady tsy nisy mpanony azy; ary loza no ataon'ny tanan'ny mpampahory azy, sady tsy nisy mpanony.
2Vậy, ta khen những kẻ chết đã lâu rồi là sướng hơn kẻ còn sống;
2Ary ny maty izay efa maty ela dia nataoko ho sambatra noho ny velona izay mbola velona,
3còn kẻ chưa được sanh ra, chưa thấy những gian ác làm ra dưới mặt trời, ta cho là có phước hơn hai đằng kia.
3nefa tsara indray noho izy roa tonta aza ny tsy ary, izay tsy nahita ny ratsy atao atỳ ambanin'ny masoandro akory.
4Ta cũng thấy mọi công lao và mọi nghề khéo là điều gây cho người nầy kẻ khác ganh ghét nhau. Ðiều đó cũng là sự hư không, theo luồng gió thổi.
4Ary hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahaizan-javatra rehetra, fa avy amin'ny fifampialonan'ny olona izany. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.[Na: Homan-drivotra]
5Kẻ ngu muội khoanh tay, ăn lấy thịt mình.
5Ny adala manohon-tanana ka homana ny tenany.
6Thà đầy một lòng bàn tay mà bình an, hơn là đầy cả hai mà bị lao khổ, theo luồng gió thổi.
6Tsara ny eran-tànan'ila misy fiadanana noho ny eran-tànan-droa misy fisasarana sady misambo-drivotra foana.[Na: Tsara ny fiadanana eran-tànan'ila noho ny fisasarana,][Na: Homan-drivotra]
7Ta bèn xây lại xem thấy sự hư không ở dưới mặt trời:
7Ary izao koa no zava-poana hitako atỳ ambanin'ny masoandro:
8Nầy một người cô độc, chẳng có ai hoặc con trai hay là anh em; dầu vậy, lao khổ nó không thôi, mắt nó không hề chán của cải; nó không hề nghĩ rằng: Vậy ta lao khổ, ta bắt linh hồn nhịn các phước là vì ai? Ðiều đó cũng là hư không, thật là công việc cực nhọc.
8Misy mitoetra irery ka tsy mana-namana, eny, tsy manan-janaka na rahalahy aza, nefa tsy misy farany ny fisasarany rehetra, ary ny masony tsy afa-po amin'ny harena, hanaovany hoe: Ho an'iza no isasarako sy tsy ampananako soa ny fanahiko? Zava-poana sy asa mahareraka koa izany.
9Hai người hơn một, vì hai sẽ được công giá tốt về công việc mình.
9Tsara ny roa noho ny iray; fa misy valiny tsara ny fisasarany.
10Nếu người này sa ngã, thì người kia sẽ đỡ bạn mình lên; nhưng khốn thay cho kẻ ở một mình mà sa ngã, không có ai đỡ mình lên!
10Raha misy lavo izy, dia arenin'ny namany; fa mahantra ny lavo izay tsy manana namana hanarina azy.
11Cũng vậy, nếu hai người ngủ chung thì ấm; còn một mình thì làm sao ấm được?
11Ary koa, raha miara-mandry ny roa, dia mafana izy; fa hatao ahoana no hampahafana ny irery?
12Lại nếu kẻ ở một mình bị người khác thắng, thì hai người có thế chống cự nó; một sợi dây đánh ba tao lấy làm khó đứt.
12Raha misy maharesy ny irery aza, ny roa tsy ho leony tsy akory; ary ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina.
13Một kẻ trẻ tuổi nghèo mà khôn hơn một ông vua già cả mà dại, chẳng còn biết nghe lời khuyên can.
13Aleo zatovo malahelo hendry toy izay mpanjaka antitra adala ka tsy laitra anarina intsony;
14Vì kẻ trẻ ra khỏi ngục khám đặng làm vua, dầu sanh ra nghèo trong nước mình.
14fa avy ao an-tranomaizina no nivoahany hanjaka, na dia nateraka tamin'alahelo tamin'ny fanjakany aza izy. [na: fa na dia nateraka tamin'ny fanjakany aza izy, dia tamin'alahelo ihany]
15Ta thấy mọi người sống đi đi lại lại dưới mặt trời, đều theo kẻ trẻ ấy, là người kế vị cho vua kia.
15Hitako ny miaina rehetra izay miriaria atỳ ambanin'ny masoandro manotrona ilay zazalahy dia ilay faharoa izay mitsangana handimby ny teo.
16Dân phục dưới quyền người thật đông vô số; dầu vậy, những kẻ đến sau sẽ chẳng vui thích về người. Ðiều đó cũng là sự hư không, theo luồng gió thổi.
16Tsy hita isa ny olona rehetra, dia izay rehetra anjakany; nefa izay any aoriana tsy mba hifaly aminy; fa zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.[Na: Homan-drivotra][Ny mety hatao amin'Andriamanitra na amin'ny fivavahana na amin'ny voady] Tandremo ny tongotrao, raha mankao an-tranon'Andriamanitra ianao; fa ny manatona hihaino no tsara noho ny fanateran'ny adala fanatitra; fa tsy fantatr'ireny ho manao ratsy izy.
17[Ny mety hatao amin'Andriamanitra na amin'ny fivavahana na amin'ny voady] Tandremo ny tongotrao, raha mankao an-tranon'Andriamanitra ianao; fa ny manatona hihaino no tsara noho ny fanateran'ny adala fanatitra; fa tsy fantatr'ireny ho manao ratsy izy.