1Ðức Giê-hô-va phán cùng Môi-se rằng:
1[Ny nandidian'Andriamanitra an'i Mosesy ny amin'ny hanaovana ny Tabernakely sy ny fanaka momba azy] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2Hãy nói cùng dân Y-sơ-ra-ên đặng họ dâng lễ vật cho ta; các ngươi hãy nhận lấy lễ vật của mọi người có lòng thành dâng cho.
2Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely mba hitondra fanatitra ho Ahy izy; dia avy amin'ny olona rehetra izay amporisihin'ny fony no handraisanareo ny fanatitra ho Ahy.
3Nầy là lễ vật các ngươi sẽ nhận lấy của họ: vàng, bạc, và đồng;
3Ary izao no fanatitra izay horaisinareo aminy: volamena sy volafotsy sy varahina,
4chỉ tím, đỏ điều, đỏ sặm, vải gai mịn, lông dê, da chiên đực nhuộm đỏ,
4sy manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika sy volon'osy,'
5da cá nược, cây si-tim,
5sy hoditr'ondrilahy efa nomen'aina sy hodi-takasy sy hazo akasia,
6dầu thắp, hương liệu đặng làm dầu xức và hương,
6sy diloilo hatao fanazavana sy zava-manitra ho amin'ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona,
7bích ngọc cùng các thứ ngọc khác để gắn vào ê-phót và bảng đeo ngực.
7sy vato beryla sy vato halatsaka an-tranontranony amin'ny efoda sy amin'ny saron-tratra.
8Họ sẽ làm cho ta một đền thánh và ta sẽ ở giữa họ.
8Ary asaovy manao fitoerana masina ho Ahy izy, dia honina eo aminy Aho.
9Hãy làm điều đó y như kiểu đền tạm cùng kiểu các đồ dùng mà ta sẽ chỉ cho ngươi.
9Araka izay rehetra asehoko aminao, dia ny endriky ny tabernakely sy ny endriky ny fanaka rehetra momba azy, dia araka izany no hanaovanao azy.
10Vậy, chúng hãy đóng một cái hòm bằng cây si-tim; bề dài hai thước rưỡi, bề ngang một thước rưỡi, và bề cao cũng một thước rưỡi,
10Ary asaovy manao fiara hazo akasia izy: roa hakiho sy sasany ny lavany; ary iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.
11lấy vàng ròng bọc trong, bọc ngoài, và chạy đường viền chung quanh hòm bằng vàng.
11Ary petaho takela-bolamena tsara izy: ny atiny sy ny ivelany dia samy hopetahanao takela-bolamena avokoa; ary asio koronosy volamena manodidina eo amboniny.
12Ngươi cũng hãy đúc bốn khoen bằng vàng để tại bốn góc hòm: hai cái bên hông nầy, hai cái bên hông kia,
12Ary mandrendreha vava volamena efatra hatao aminy, ka ataovy eo amin'ny tongony efatra; dia vava volamena roa eo amin'ny lafiny iray, ary vava volamena roa eo amin'ny lafiny iray koa.
13cùng làm hai cây đòn bằng cây si-tim, bọc vàng;
13Ary manaova bao hazo akasia, ka petaho takela-bolamena.
14rồi lòn đòn vào khoen hai bên hông hòm, để dùng đòn khiêng hòm.
14Ary ampidiro ny bao ho eo amin'ny vava volamena, izay eo amin'ny lafin'ny fiara, hilanjana azy.
15Ðòn sẽ ở trong khoen luôn, không nên rút ra.
15Eo amin'ny vava volan'ny fiara no hitoeran'ny bao, ka tsy hesorina eo izy.
16Ngươi hãy cất vào trong hòm bảng chứng mà ta sẽ ban cho.
16Ary ataovy ao anatin'ny fiara ny Vavolombelona izay homeko anao.
17Ngươi cũng hãy làm một cái nắp thi ân bằng vàng ròng, bề dài hai thước rưỡi, bề ngang một thước rưỡi.
17Ary manaova rakotra fanaovam-panavotana amin'ny volamena tsara: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany.
18Lại làm hai tượng chê-ru-bin bằng vàng giát mỏng, để hai đầu nắp thi ân,
18Ary manaova kerobima volamena roa; voasana no hanaovanao azy roa ho eo amin'ny sakany roa amin'ny rakotra fanaovam-panavotana
19ló ra ngoài, một tượng ở đầu nầy và một tượng ở đầu kia.
19Ny kerobima iray ataovy indray mivofy amin'ny sakany anankiray, ary ny kerobima iray kosa amin'ny sakany anankiray: indray mivofy amin'ny rakotra fanaovam-panavotana no hanaovanareo ny kerobima roa, dia amin'ny sakany roa.
20Hai chê-ru-bin sẽ sè cánh ra, che trên nắp thi ân, đối diện nhau và xây mặt vào nắp thi ân.
20Ary aoka hivelatra eo ambony ny elatry ny kerobima, mba hanalofan'ny elany ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ny tavany hifanatrika, sady hanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa izy.
21Ngươi hãy để nắp thi ân trên hòm, rồi để vào trong hòm bảng chứng mà ta sẽ ban cho.
21Ary apetraho eo ambonin'ny fiara ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ao anatin'ny fiara no asio ny Vavolombelona izay homeko anao.
22Ta sẽ gặp ngươi tại đó, và ở trên nắp thi ân, giữa hai tượng chê-ru-bin, trên hòm bảng chứng, ta sẽ truyền cho ngươi các mạng lịnh về dân Y-sơ-ra-ên.
22Ary ao no hihaona aminao Aho, ka ao ambonin'ny rakotra fanaovam-panavotana no hitenenako aminao, dia ao anelanelan'ny kerobima roa, izay eo ambonin'ny fiaran'ny Vavolombelona, ka holazaiko izay rehetra handidiako anao holazainao amin'ny Zanak'Isiraely.
23Ngươi cũng hãy đóng một cái bàn bằng cây si-tim; bề dài hai thước, bề ngang một thước, và bề cao một thước rưỡi,
23Ary manaova latabatra hazo akasia: roa hakiho ny lavany, ary iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.
24bọc bằng vàng ròng, và chạy một đường viền chung quanh;
24Ary petaho takela-bolamena tsara izy, sady asio koronosy volamena manodidina azy.
25rồi lên be cho tứ vi bàn, cao chừng bốn ngón tay và chạy cho be một đường viền vàng.
25Ary asio sisiny vodivoam-pelatanana manodidina azy, ary asio koronosy volamena ny sisiny manodidina.
26Lại đúc bốn cái khoen vàng, tra vào bốn góc nơi chân bàn.
26Ary manaova vava volamena efatra hatao aminy, ka ataovy eo amin'ny zorony efatra izay eo amin'ny tongony efatra ireo:
27Khoen sẽ ở gần be, để xỏ đòn khiêng bàn.
27eo akaikin'ny sisiny no hasiana ny vava volamena ho fitoeran'ny bao hilanjana ny latabatra.
28Ngươi hãy chuốt đòn bằng cây si-tim, bọc vàng, rồi người ta sẽ dùng khiêng bàn đó.
28Ary hazo akasia no anaovy ny bao, ka petaho takela-bolamena; ary amin'ireo no hilanjana ny latabatra.
29Lại hãy lấy vàng ròng mà làm dĩa, chén, chậu, và ly đặng dùng làm lễ quán.
29Ary manaova ny loviany sy ny lovia keliny ary ny fitoeran-divainy sy ny kapoakany ho fanidinam-panatitra; volamena tsara no hanaovanao ireo.
30Trên bàn ngươi sẽ để bánh trần thiết cho có luôn luôn trước mặt ta.
30Ary asio mofo aseho eo ambonin'ny latabatra ho eo anatrehako mandrakariva.
31Ngươi cũng hãy làm chân đèn bằng vàng ròng. Cái chân, cái thân, cái đài, cái bầu cùng cái hoa của đèn đều làm bằng vàng đánh giát.
31Ary manaova ny fanaovan-jiro volamena tsara; voasana no hanaovanao ny fanaovan-jiro, hatao indray mivofy ihany ny faladiany sy ny tahony sy ny vodi-voniny sy ny kiboriny ary ny voniny.
32Hai bên thân đèn sẽ có sáu nhánh nứt ra, hạ nhánh ở bên nầy và ba nhánh ở bên kia.
32Ary hisy sampany enina amin'ny ankilany roa: dia sampany telo amin'ny fanaovan-jiro eo amin'ny ankilany iray, ary sampany telo amin'ny fanaovan-jiro eo amin'ny ankilany iray koa,
33Trong sáu nhánh nứt ra trên chân đèn, mỗi nhánh đều sẽ có ba cái đài hình như hột hạnh nhân cùng bầu và hoa.
33dia vodi-voniny telo atao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny, eo amin'ny sampany anankiray; ary vodi-voniny telo koa atao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny, eo amin'ny sampany anankiray koa; dia toy izany avokoa amin'ny sampany enina izay amin'ny fanaovan-jiro.
34Trên thân chân đèn, lại cũng sẽ có bốn cái đài hình hột hạnh nhân, bầu và hoa.
34Ary eo amin'ny fanaovan-jiro dia hisy vodi-voniny efatra atao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny,
35Trong sáu nhánh từ thân chân đèn nứt ra, hễ cứ mỗi hai nhánh thì dưới có một cái bầu.
35dia kiboriny iray eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray koa eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray koa eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy; dia amin'ny sampany enina izay miray amin'ny fanaovan-jiro.
36Bầu cùng nhánh của chân đèn đều bằng vàng ròng nguyên miếng đánh giát.
36Ny kiboriny sy ny sampany dia hiray avokoa; hatao indray mivofy aminy amin'ny volamena tsara izy rehetra.
37Ngươi cũng hãy làm bảy cái thếp đèn, đặng hễ khi thắp thì chiếu trước chân đèn.
37Ary manaova lela fanaovan-jirony fito, ka ampireheto eo aminy ireo mba hanazava ny anoloany.
38Kéo bắt tim cùng đồ đựng tàn đèn cũng sẽ bằng vàng ròng.
38Ary ny hetin-jirony Sy ny fitoeran-davenon-jirony dia ataovy volamena tsara.
39Người ta sẽ dùng một ta lâng vàng ròng làm chân đèn nầy và các đồ phụ tùng của chân đèn.
39Volamena tsara talenta iray no hanaovana azy mbamin'ireny fanaka rehetra ireny.Ary tandremo mba hataonao araka ny endriny izay naseho taminao tao an-tendrombohitra izy.
40Vậy, ngươi hãy xem, cứ làm y như kiểu đã chỉ cho trên núi.
40Ary tandremo mba hataonao araka ny endriny izay naseho taminao tao an-tendrombohitra izy.