Vietnamese 1934

Malagasy

Ezekiel

19

1Vậy ngươi hãy đọc bài ca thương về các quan trưởng Y-sơ-ra-ên,
1Ary manaova hira fahalahelovana ny amin'ireo andrianan'ny Isiraely ianao,
2mà rằng: Mẹ ngươi xưa kia là thế nào? Là sư tử cái nằm giữa những sư tử đực; nuôi nấng con nó giữa những sư tử con.
2ka ataovy hoe: Nahoana ny liom-bavy reninareo no namitsaka tao amin'ny liom-bavy. Ary nitaiza ny zanany tao amin'ny liona tanora?[Na: Inona moa reninareo? Liom-bavy izy. Namitsaka]
3Nuôi nấng một con trong các con nó, trở nên một sư tử tơ; tập bắt mồi, và nuốt người ta.
3Ary nahalehibe ny zanany anankiray izy, dia tonga liona tanora io ka nianatra hamiravira haza sady nihinana olona.
4Các dân nghe tiếng về nó; nó bị bắt trong hầm; sau khi đã đặt móc nơi hàm, các nước điệu nó sang đất Ê-díp-tô.
4Nahare ny lazany ny firenena, dia namandrika azy tamin'ny lavaka, ka nasiany masom-by ny orony, dia nentiny ho any amin'ny tany Egypta izy.
5Khi sư tử cái đợi chờ đã lâu, và sự trông cậy mình đã mất, bèn lấy một con khác và nuôi nên một sư tử tơ.
5Ary nony hitan'ny liom-bavy fa foana sy levona ny fanantenany, dia nangalany indray ny zanany ka notezainy ho tonga liona tanora.
6Nó đi lại giữa những sư tử, trở nên một sư tử tơ; tập bắt mồi, và nuốt người ta.
6Ary nivoivoy teny amin'ny liom-bavy iny, dia tonga liona tanora ka nianatra hamiravira haza sady nihinana olona.
7Nó biết cung đền chúng nó, và hủy phá các thành; đất nầy cùng mọi vật trong nó đều bị hoang vu, vì tiếng gầm của nó.
7Ary nisavika ny mpitondratenan'ireny izy sady nandrava ny tanànany, ka lao ny tany mbamin'izay rehetra tao aminy. Noho ny feon'ny fierony.[Na: Ary fantany ny lapan'ireny]
8Các nước ở mọi miền chung quanh bày hàng ra nghịch cùng nó, bủa lưới trên nó; bó bị bắt trong hầm.
8Ary ny jentilisa manodidina, izay avy any amin'ny fanjakana samy hafa, dia nanamboatra sy namelatra ny fandrika haratony taminy, ka dia voafandrika tamin'ny lavaka izy.
9Lấy móc móc hàm và nhốt nó vào cũi, rồi điệu đến nơi vua nước Ba-by-lôn; dắt nó vào nơi đồn lũy, hầu cho tiếng nó không vang ra nữa trên núi Y-sơ-ra-ên.
9Ary nataony tamin'ny vata izy, sady nasiany masom-by ny orony, ka nentiny ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona izy, nentiny ho ao amin'ny fiarovana izy, mba tsy ho re eny amin'ny tendrombohitry ny Isiraely intsony ny feony.
10Mẹ ngươi như một cây nho, trong máu ngươi, trồng nơi mé nước. Trịu những trái và nhành, nhờ có nhiều nước.
10Ny reninao dia tahaka ny voalobota voavoly teo amoron-drano Tamin'ny andro niadananao: Vokatra sady nanaroka izy azon'ny rano be,[Na: Fony tamin'ny rànao ianao; izahao xvi. 6; na: Eny, tahaka ny tenanao]
11Nó mang những nhành mạnh mẽ, trở nên gậy của kẻ cai trị. Thân nó cao quá các nhánh.
11Ka nisy rantsany mafy azo natao tehim-panjakana ho an'izay manapaka, dia tonga avo izy ka nitehika tamin'ny rahona matevina, ary niseho tamin'ny hahavony izy noho ny hamaroan'ny rantsany.
12Nhưng nó đã bị nhổ bởi cơn giận, và bị quăng nơi đất. Gió đông đã làm khô trái nó; những nhánh mạnh mẽ của nó đã bị bẻ ra và khô; lửa đã nuốt nó đi!
12Nefa nongotana tamin'ny fahavinirana izy ka nazera ho amin'ny tany, ary ny rivotra avy any atsinanana no nahamaina ny voany; Ny rantsany mafy dia tapaka ka maina; Levon'ny afo ireny.
13Bây giờ nó bị trồng nơi đồng vắng, trong đất khô và khát.
13Ary ankehitriny voavoly any an-efitra, dia ao amin'ny tany maina karankaina izy.Ary afo no mivoaka avy amin'ny sampany misy tehina ka mandevona ny voany, dia tsy misy rantsany mafy azo atao tehim-panjakana ho fanapahana intsony izy. Hira fahalahelovana izany sady mbola ho hira fahalahelovana ihany.
14Lửa đã ra từ các nhành của nó, và đã nuốt trái nó, đến nỗi không còn có nhành mạnh mẽ nữa, để làm gậy mà cai trị. Ấy là bài ca thương, về sau sẽ lấy làm bài ca thương.
14Ary afo no mivoaka avy amin'ny sampany misy tehina ka mandevona ny voany, dia tsy misy rantsany mafy azo atao tehim-panjakana ho fanapahana intsony izy. Hira fahalahelovana izany sady mbola ho hira fahalahelovana ihany.