1Phàm khi nào ai dâng của lễ thù ân bằng bò, hoặc đực hoặc cái, thì phải dâng lên trước mặt Ðức Giê-hô-va, không tì vít chi.
1[Ny fanati-pihavanana] Ary raha fanati-pihavanana no fanatiny, ka ombilahy na ombivavy no ateriny, dia izay tsy misy kilema no hateriny eo anatrehan'i Jehovah.
2Người sẽ nhận tay mình trên đầu con sinh của mình, rồi giết nó tại cửa hội mạc; các con trai A-rôn, tức những thầy tế lễ, sẽ rảy huyết chung quanh trên bàn thờ.
2Ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana; ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara.
3Do của lễ thù ân nầy, người sẽ dâng làm của lễ dùng lửa dâng cho Ðức Giê-hô-va, mỡ chài và mỡ bộ lòng;
3Dia hangalan'ny mpisorona ny fanati-pihavanana, ka hateriny ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy
4hai trái cật, mỡ trên hai trái cật nơi cạnh hông, và tấm da mỏng bọc gan, gỡ gần nơi hai trái cật.
4sy ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, ary ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin'ny voany no fanaisony izany.
5Các con trai A-rôn sẽ xông mấy món đó nơi bàn thờ trên của lễ thiêu đã chất trên củi chụm lửa rồi; ấy là một của lễ dùng lửa dâng lên, có mùi thơm cho Ðức Giê-hô-va.
5Ary ireo zanak'i Arona dia handoro izany ho fofona eo ambonin'ny alitara miaraka amin'ny fanatitra dorana izay eo ambonin'ny kitay eo amin'ny afo; dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izany.
6Nếu người dâng cho Ðức Giê-hô-va của lễ thù ân bằng chiên, hoặc đực hoặc cái, thì phải dâng lên không tì vít chi.
6Ary raha ondry na osy no ateriny ho fanati-pihavanana ho an'i Jehovah, dia izay tsy misy kilema, na lahy na vavy, no hateriny.
7Vì của lễ bằng chiên con thì phải dâng nó lên trước mặt Ðức Giê-hô-va,
7Raha zanak'ondry no hateriny ho fanatiny, dia hanatitra azy eo anatrehan'i Jehovah izy.
8nhận tay mình trên đầu con sinh, rồi giết nó trước cửa hội mạc; các con trai A-rôn sẽ rảy huyết chung quanh trên bàn thờ.
8Ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary ireo zanak'i Arona hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara.
9Do của lễ thù ân nầy, người phải dâng làm của lễ dùng lửa dâng cho Ðức Giê-hô-va, mỡ và cái đuôi nguyên, chặt gần cuối xương sống, mỡ chài và mỡ bộ lòng;
9Ary hangalan'ireo ny fanati-pihavanana ka hateriny ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia ny hofany manontolo (faranana hatreo amin'ny faran'ny taolan-damosina no fanaisony izany) sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy
10hai trái cật, mỡ trên hai trái cật nơi cạnh hông, và tấm da mỏng bọc gan, gỡ gần nơi hai trái cật.
10ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin'ny voany no fanaisony izany.
11Thầy tế lễ sẽ xông các món đó trên bàn thờ; ấy là thực vật về của lễ dùng lửa dâng cho Ðức Giê-hô-va.
11Ary ny mpisorona dia handoro izany ho fofona eo ambonin'ny alitara; hanina avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.
12Nếu của lễ người bằng con dê cái, thì phải dâng lên trước mặt Ðức Giê-hô-va,
12Ary raha osy no fanatiny, dia hanatitra azy eo anatrehan'i Jehovah izy.
13nhận tay mình trên đầu con sinh, rồi giết nó trước hội mạc; các con trai A-rôn sẽ rảy huyết chung quanh trên bàn thờ.
13Ary hametraka ny tànany amin'ny lohany izy, dia hamono azy eo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary ireo zanak'i Arona dia hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara.
14Do của lễ thù ân nầy, người phải dâng làm của lễ dùng lửa dâng cho Ðức Giê-hô-va, mỡ chài và mỡ bộ lòng,
14Ary avy aminy no hanaterany ny fanatiny atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy
15hai trái cật, mỡ trên hai trái cật nơi cạnh hông và tấm da mỏng bọc gan, gỡ gần nơi hai trái cật.
15ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin'ny voany no fanaisony izany.
16Thầy tế lễ sẽ xông các món đó trên bàn thờ; ấy là thực vật về của lễ dùng lửa dâng lên có mùi thơm. Hết thảy mỡ đều thuộc về Ðức Giê-hô-va.
16Ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara; hanina avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana izany; an'i Jehovah ny sabora rehetra.Izao no ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby eny amin'izay rehetra itoeranareo: tsy hihinana sabora na rà akory ianareo.
17Ấy đó là luật lệ đời đời cho dòng dõi các ngươi, mặc dầu ở nơi nào: ngươi chẳng nên ăn mỡ hay là huyết.
17Izao no ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby eny amin'izay rehetra itoeranareo: tsy hihinana sabora na rà akory ianareo.