Vietnamese 1934

Malagasy

Nehemiah

3

1Ê-li-a-síp, thầy tế lễ thượng phẩm, chổi dậy với các anh em mình, là những thầy tế, và xây cất cái cửa Chiên. Chúng biệt nó riêng ra thánh và đặt hai cánh cửa; chúng biệt nó riêng ra thánh cho đến tháp Mê-a và cho đến tháp Ha-na-nê-ên.
1Dia nitsangana Eliasiba mpisoronabe sy ny mpisorona rahalahiny ka nandrafitra ny vavahadin'ondry; dia nanamasina azy izy ka nandatsaka ny lela-vavahadiny; hatramin'ny tilikambo Hamea ka hatramin'ny tilikambo Hananela no nohamasininy.
2Kế Ê-li-a-síp, người thành Giê-ri-cô xây cất; kế chúng, Xa-cu, con trai của Im-ri, xây cất.
2Ary manarakaraka ireo dia nandrafitra koa ny mponina tany Jeriko. Ary manarakaraka ireo indray dia nandrafitra koa Zakora, zanak'Imry.
3Con cháu của Sê-na xây cất cửa Cá. Chúng đặt khuôn và tra cánh, chốt với then nó.
3Ary ny vavahadin-kazandrano dia narafitry ny zanak'i Hasena, izy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny.
4Kế chúng, Mê-rê-mốt, con trai của U-si, cháu của Ha-cốt, lo sửa xây. Kế chúng, Mê-su-lam, con trai Bê-rê-kia, cháu Mê-sê-xa-lê-ên, làm tu bổ. Kế chúng, Xa-đốc; con trai Ba-a-na, tu bổ.
4Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Meremota.zanak'i Oria, zanak'i Hakoza. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Mesolama, zanak'i Berekia, zanak'i Mesezabela. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Zadoka, zanak'i Bana.
5Kế chúng, những người Tê-cô-a tu bổ; song các người tước vị họ chẳng ghé vai vào công việc của Chúa mình.
5Ary manarakaraka io dia namboatra koa ny Tekoita; nefa ny olona ambonimbony teo aminy dia tsy nety nampiondrika ny vozony ho amin'ny fanompoana ny Tompony.
6Giê-gia-đa, con trai của Pha-sê-a và Mê-su-lam, con trai của Bê-sô-đia, sửa xây cái cửa cũ lại; chúng lợp nó, tra cánh, chốt, và then.
6Ary ny vavahady taloha dia namboarin'i Joiada, zanak'i Pasea, sy Mesolama, zanak'i Besodia; izy roa lahy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny.
7Kế chúng, Mê-la-tia, là người Ga-ba-ôn, và Gia-đôn, là người Mê-rô-nốt, cùng những người Ga-ba-ôn và người Mích-ba, thuộc về địa hạt của quan tổng trấn bên kia sông, đều tu bổ.
7Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Melatia Gibeonita sy Jadona Meronotita mbamin'ny mponina tany Gibeona sy Mizpa, hatramin'ny seza fiandrianan'ny governora etỳ an-dafin'ny ony etỳ.
8Kế chúng, U-xi-ên, con trai Hạt-ha-gia, một kẻ trong bọn thợ vàng, tu bổ; kế người, Ha-na-nia, là người trong bọn thợ hòa hương, tu bổ; họ sửa xây Giê-ru-sa-lem cho vững bền đến vách rộng.
8Manarakaraka ireo dia namboatra koa Oziela, zanak'i Haraia, isan'ny mpanefy volamena. Manarakaraka io dia namboatra koa Hanania, isan'ny mpangaroharo zava-manitra; ary nanamafy an'i Jerosalema izy hatramin'ny mandà lehibe.
9Kế họ, Rê-pha-gia, con trai của Hu-rơ, làm quản lý phân nửa quận Giê-ru-sa-lem, tu bổ.
9Ary manarakaraka io dia namboatra koa Refaia. zanak'i Hora, komandin'ny antsasaky ny fehin'i Jerosalema.
10Kế họ, Giê-gia-đa con trai Ha-ru-máp, tu bổ nơi đối ngang với nhà người. Kế người, Hát-túc, con trai của Ha-sáp-nia, tu bổ.
10Ary manarakaraka io dia namboatra koa Jedaia, zanak'i Haromafa, dia ny teo amin'ny tandrifin'ny tranony ihany. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Hatosy, zanak'i Hasabnia.
11Manh-ki-gia, con trai của Pha-hát-Mô-áp, tu bổ một phần khác và cái tháp lò.
11Ny sasany koa mbamin'ny tilikambo misy ny fatana fandoroana dia namboarin'i Malkia, zanak'i Harima, sy Hasoba. zanak'i Pahatamoaba.
12Kế chúng, Sa-lum, con trai của Ha-lô-he, làm quản lý phân nửa quận Giê-ru-sa-lem, và các con gái của người, đều tu bổ.
12Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Saloma, zanak'i Halohesy, komandin'ny antsasaky ny fehin'i Jerosalema, dia izy sy ny zananivavy.
13Ha-nun và dân cư Xa-nô-a sửa cái cửa Trũng; chúng xây cất nó, tra cánh cửa chốt, và then; cũng xây một ngàn thước vách ngăn, cho đến cửa phân.
13Ny vavahady mankamin'ny lohasaha dia namboarin'i Hanona sy ny mponina tany Zanoa; ireo no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny arivo hakiho amin'ny manda hatramin'ny vavahadin-jezika.
14Manh-ki-gia, con trai Rê-cáp, quản lý quận Bết-Hát-kê-ren, sửa cái cửa phân; người xây cất nó, tra cánh cửa, chốt, và then.
14Ary ny vavahadin-jezika dia namboarin'i Malkia, zanak'i Rekaba, komandin'ny fehin'i Beti-hakerema; izy no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny.
15Sa-lun, con trai của Côn-Hô-xe, quản lý quận Mích-ba, sửa cái cửa Giếng; người xây cất nó, lợp nó, tra cánh cửa, chốt, và then; cũng xây vách ngăn của ao Si-lô-ê gấn bên vườn vua, và cho đến cái thang từ thành Ða-vít trở xuống.
15Ary ny vavahadin-doharano dia namboarin'i Saloma, zanak'i Kola-hoze, komandin'ny fehin'i Mizpa; izy no nandrafitra sy nanafo izany ary nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny mandan'ny farihy Siloa, teo anilan'ny sahan'ny mpanjaka, ka hatramin'ny ambaratonga midina avy any an-Tanànan'i Davida.
16Kế người, Nê-hê-mi, con trai của A-húc, quản lý phân nửa quận Bết-Xu-rơ, sửa xây vách cho đến ngang các lăng tẩm Ða-vít, cho đến ao đã đào, và cho đến nhà của các dõng sĩ.
16Ary manarakaraka io dia namboatra koa Nehemia, zanak'i Azboka, komandin'ny antsasaky ny fehin'i Beti-zora, hatramin'ny teo amin'ny tandrifin'ireo fasan'i Davida ka hatramin'ny farihy izay natao ary hatramin'ny tranon'ny lehilahy mahery.
17Kế người, Rê-hum, con trai Ba-ni, người Lê-vi, tu bổ. Kế người, Ha-sa-bia, quản lý phân nửa quận Kê -i-la, tu bổ về phần quận mình.
17Manarakaraka io dia namboatra koa ny Levita, dia Rehoma, zanak'i Bany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Hasabia , komandin'ny antsasaky ny fehin'i Keila, ho an'ny fehiny.
18Kế người, có anh em của họ, là Ba-vai, con trai của Hê-na-đát, quản lý phân nửa quận Kê -i-la, tu bổ.
18Manarakaraka io dia namboatra koa ireo rahalahiny, dia Bavay, zanak'i Henadada, komandin'ny antsasaky ny fehin'i Keila.
19Kế người, Ê-xe, con trai của Giô-suê, quản lý Mích-ba, tu bổ một phần khác, đối ngang dốc đi lên khi binh khí ở về góc thành.
19Ary manarakaraka lreo dia nisy namboarin'i Ezera, zanak'i Jesoa, komandin'i Mizpa, teo amin'ny tandrifin'ny fiakarana ho any amin'ny trano fitehirizam-piadiana eo amin'ny fiolahana.
20Sau người có Ba-rúc, con trai của Xáp-bai, lấy lòng sốt sắng tu bổ một phần khác, từ góc thành cho đến cửa vào nhà Ê-li-a-síp, thầy tế lễ thượng phẩm.
20Manarakaraka io koa dia Baroka, zanak'i Zabay, no nazoto namboatra ny sasany hatramin'ny fiolahana ka hatramin'ny varavaran'ny tranon'i Eliasiba mpisoronabe.
21Sau người có Mê-rê-mốt, con trai U-si, cháu Ha-cốt, sửa một phần khác, từ cửa vào nhà Ê-li-a-síp cho đến cuối nhà người.
21Manarakaraka io koa dia nisy namboarin'i Meremota, zanak'i Oria, zanak'i Hakoza, hatramin'ny varavaran'ny tranon'i Eliasiba ka hatramin'ny faran'ny tranon'i Eliasiba.
22Sau người có những thầy tế lễ, là kẻ ở đồng bằng Giô-đanh, tu bổ.
22Ary manarakaraka io dia namboatra koa ny mpisorona, dia ireo avy tany amin'ny tany lemaka.
23Kế chúng, Bên-gia-min và Ha-súp tu bổ phần đối ngang nhà mình. Kế chúng, A-xa-ria, con trai của ma-a-xê-gia, cháu A-na-nia, tu bổ phía bên nhà mình.
23Manarakaraka ireo dia namboatra koa Benjamina sy Hasoba teo amin'ny tandrifin'ny tranony ihany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Azaria, zanak'i Mahaseia, zanak'i Anania, teo anilan'ny tranony ihany.
24Kế người, Bin-nui, con trai của Hê-na-đát, sửa một phần khác, từ nhà A-xa-ria cho đến nơi cạnh và cho đến góc thành.
24Manarakaraka io koa, dia nisy namboarin'i Binoy, zanak'i Henadada, hatramin'ny tranon'i Azaria ka hatramin'ny fiolahana eo amin'ny zorony.
25Pha-lanh, con trai của A-xai, sửa nơi đối ngang góc thành và nơi tháp cao ló ra của đền vua, đụng giáp cái sân ngục. Kế người đó có Phê-đa-gia, con trai của Pha-rốt, tu bổ.
25Ary Palala, zanak'i Ozay, koa, dia ny teo amin'ny tandrifin'ny fiolahana sy izay mandroso eo amin'ny tilikambo ambony, eo amin'ny ranon'ny mpanjaka, eo akaikin'ny tokotanin'ny trano-maizina. Manarakaraka io koa dia Pedaia, zanak'i Parosy.
26Vả, người Nê-thi-nim ở tại Ô-phên cho đến nơi đối ngang cửa Nước về phía đông, và tháp ló ra.
26Ary ny Netinima dia nonina tany Ofela hatreo amin'ny tandrifin'ny vavahadin-drano atsinanana sy ny mandroso eo amin'ny tilikambo.
27Kế người ấy có người Thê-cô-a sửa một phần khác đối ngang tháp lớn ló ra, và cho vách Ô-phên.
27Ary manarakaraka ireo koa dia nisy namboarin'ny Tekoita, teo amin'ny tandrifin'ny mandroso eo amin'ny tilikambo lehibe ka hatramin'ny mandan'i Ofela.
28Những thầy tế lễ sửa nơi phía trên cửa Ngựa, mỗi người sửa phần đối ngang nhà của mình.
28Hatreo ambonin'ny vavahadin-tsoavaly dia namboarin'ny mpisorona, dia samy ny teo amin'ny tandrifin'ny tranony avy.
29Sau chúng, Xa-đốc, con trai Y-mê, sửa nơi đối ngang nhà mình. Kế sau người có Sê-ma-gia, con trai Sê-ca-nia, kẻ giữ cửa đông, tu bổ.
29Manarakaraka ireo dia namboatra koa Zadoka, zanak'Imera, dia ny teo amin'ny tandrifin'ny. tranony ihany. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Semaia, zanak'i Sekania, mpiandry ny vavahady atsinanana.
30Kế người, Ha-na-nia, con trai của Sê-lê-mia, và Ha-nun, con thứ sáu của Xa-láp, sửa một phần khác. Kế chúng, Mê-sa-lum, con trai của Bê-rê-kia, sửa nơi đối ngang nhà mình.
30Manarakaraka io koa dia nisy namboarin'i Hanania, zanak'i Setemia, sy Hanona, fahenin'ny zanak'i Zalafa. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Mesolama, zanak'i Berekia, dia ny teo amin'ny tandrifin'ny efi-tranony ihany.
31Kế người, Manh-ki-gia, một người trong bọn thợ vàng, sửa cho đến nhà của người Nê-thi-nim và tay buôn bán, đối ngang cửa Mi-phơ cát, và cho đến nơi dốc của góc thành.
31Manarakaraka io dia namboatra koa Malkia, isan'ny mpanefy volamena, hatramin'ny tranon'ny Netinima sy ny mpandranto, dia ny teo amin'ny tandrifin'ny vavahady Mifikada ka hatramin'ny trano ambony teo an-jorony.
32Còn những thợ vàng và tay buôn bán đều sửa phần giữa nơi góc thành và cửa Chiên.
32Ary ny teo anelanelan'ny trano ambony teo an-jorony sy ny vavahadin'ondry no namboarin'ny mpanefy volamena sy ny mpandranto.
33Ary rehefa ren'i Sanbala fa nataonay ny manda, dia tezitra sady sosotra loatra izy ka nihomehy ny Jiosy,
34dia niteny teo anatrehan'ny namany sy ny miaramilan'i Samaria hoe: Inona no ataon'ireo Jiosy osa ireo? Hahaleo tena va ireo? Hahavono zavatra hatao fanatitra va ireo? Hahatsangana indray andro va ireo ? Hahatsangana ny vato avy amin'ny lavenona miavosa va ireo?
35Ary Tobia Amonita dia teo anilan'i Sanbala ka niteny hoe: Na dia amboa-haolo aza miakatra eo amin'izay atsangany, dia haharava ny manda vato ataony.
36Mihainoa, ry Andriamanitray ô, fa atao tsinontsinona izahay; koa atsingereno ho eo an-dohany ihany ny latsa ataony, ary aoka ho babo any amin'ny tany izay ahababoany izy.
37Aza manarona ny helony, ary aza vonoina tsy ho eo anatrehanao ny fahotany; fa efa nampahatezitra Anao teo anatrehan'ireo mandrafitra izy.Ka dia narafitray ihany ny manda ka tafakambana avokoa hatramin'ny antsasany miakatra; fa nazoto niasa ny olona.
38Ka dia narafitray ihany ny manda ka tafakambana avokoa hatramin'ny antsasany miakatra; fa nazoto niasa ny olona.