1Be imitators of me, even as I also am of Christ.
1Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an'i Kristy.
2Now I praise you, brothers, that you remember me in all things, and hold firm the traditions, even as I delivered them to you.
2[Ny amin'ny tokony hisaronan'ny vehivavy loha ao am-piangonana] Ary midera anareo aho, satria mahatsiaro ahy amin'ny zavatra rehetra ianareo sady mitana tsara ny fampianarana natolotra, araka ny nanolorako azy taminareo.
3But I would have you know that the head of every man is Christ, and the head of the woman is the man, and the head of Christ is God.
3Ary tiako ho fantatrareo fa Kristy no lohan'ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan'ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan'i Kristy.
4Every man praying or prophesying, having his head covered, dishonors his head.
4Ny lehilahy rehetra, raha mivavaka na maminany ka misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany.
5But every woman praying or prophesying with her head unveiled dishonors her head. For it is one and the same thing as if she were shaved.
5Fa ny vehivavy rehetra kosa, raha mivavaka na maminany ka tsy misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany, satria toy ny voaharatra izy.
6For if a woman is not covered, let her also be shorn. But if it is shameful for a woman to be shorn or shaved, let her be covered.
6Fa raha tsy misaron-doha ny vehivavy, dia aoka hohetezana izy; fa raha mahamenatra ny vehivavy ny hohetezana na ny hoharatana, dia aoka hisaron-doha izy.
7For a man indeed ought not to have his head covered, because he is the image and glory of God, but the woman is the glory of the man.
7Ny lehilahy dia tokony tsy hisaron-doha, satria endrika sy voninahitr'Andriamanitra izy; fa ny vehivavy kosa no voninahitry ny lehilahy.
8For man is not from woman, but woman from man;
8Fa tsy ny vehivavy no nihavian'ny lehilahy; fa ny lehilahy no nihavian'ny vehivavy.
9for neither was man created for the woman, but woman for the man.
9Fa tsy ny lehilahy no natao ho an'ny vehivavy, fa ny vehivavy no ho an'ny lehilahy.
10For this cause the woman ought to have authority on her head, because of the angels.
10Izany no mahamety ny vehivavy hisaron-doha noho ny amin'ny anjely. [Gr. hanana fahefana eo amin'ny lohany]
11Nevertheless, neither is the woman independent of the man, nor the man independent of the woman, in the Lord.
11Kanefa ao amin'ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.
12For as woman came from man, so a man also comes through a woman; but all things are from God.
12Fa toy ny nihavian'ny vehivavy avy tamin'ny lehilahy, dia toy izany koa no nihavian'ny lehilahy avy tamin'ny vehivavy; fa Andriamanitra kosa no ihavian'ny zavatra rehetra.
13Judge for yourselves. Is it appropriate that a woman pray to God unveiled?
13Hevero ao am-ponareo: Mendrika va raha mivavaka amin'Andriamanitra ka tsy misaron-doha ny vehivavy?
14Doesn’t even nature itself teach you that if a man has long hair, it is a dishonor to him?
14Tsy mampianatra anareo va izao fomban'ny zavatra rehetra izao fa raha lava volo ny lehilahy, dia mahafa-boninahitra azy izany?
15But if a woman has long hair, it is a glory to her, for her hair is given to her for a covering.
15Fa raha lava volo kosa ny vehivavy, dia voninahitra ho azy izany fa ny volo no nomena azy ho fisaronana.
16But if any man seems to be contentious, we have no such custom, neither do God’s assemblies.
16Fa raha misy olona toa tia ady, dia tsy manana izany fanao izany isika, na ny fiangonan'Andriamanitra.
17But in giving you this command, I don’t praise you, that you come together not for the better but for the worse.
17[Ny amin'ny Fanasan'ny Tompo] Ary raha manao izao didy izao aho, dia tsy midera anareo tsy akory, satria tsy miangona hihatsara ianareo, fa hiharatsy.
18For first of all, when you come together in the assembly, I hear that divisions exist among you, and I partly believe it.
18Fa voalohany indrindra, raha miangona ao am-piangonana ianareo, dia reko fa misy fisarahana eo aminareo; ary mba misy inoako ihany izany.
19For there also must be factions among you, that those who are approved may be revealed among you.
19Fa tsy maintsy misy fitokoana eo aminareo, mba haseho eo aminareo izay olona ankasitrahana.
20When therefore you assemble yourselves together, it is not the Lord’s supper that you eat.
20Koa raha miangona ianareo, dia tsy misy hihinanana ny Fanasan'ny Tompo akory.
21For in your eating each one takes his own supper first. One is hungry, and another is drunken.
21Fa raha mihinana ianareo, dia samy homana ny sakafony avy aloha ianareo; koa ny anankiray dia noana, fa ny anankiray kosa mamo.
22What, don’t you have houses to eat and to drink in? Or do you despise God’s assembly, and put them to shame who don’t have? What shall I tell you? Shall I praise you? In this I don’t praise you.
22Moa tsy manan-trano hihinanana sy hisotroana va ianareo? Sa manao tsinontsinona ny fiangonan'Andriamanitra ka manome henatra ny tsy manana? Inona no holazaiko aminareo? Hidera anareo va aho? Tsy hidera anareo amin'izany aho.
23For I received from the Lord that which also I delivered to you, that the Lord Jesus on the night in which he was betrayed took bread.
23Fa izaho efa nandray tamin'ny Tompo izay natolotro anareo kosa, fa Jesosy Tompo tamin'iny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo,
24When he had given thanks, he broke it, and said, “Take, eat. This is my body, which is broken for you. Do this in memory of me.”
24ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy: Ity no tenako ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. [ Ampio hoe: [izay vakina]
25In the same way he also took the cup, after supper, saying, “This cup is the new covenant in my blood. Do this, as often as you drink, in memory of me.”
25Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin'ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro ianareo.
26For as often as you eat this bread and drink this cup, you proclaim the Lord’s death until he comes.
26Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin'ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo ianareo mandra-pihaviny.
27Therefore whoever eats this bread or drinks the Lord’s cup in a way unworthy of the Lord will be guilty of the body and the blood of the Lord.
27Koa na zovy an zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin'ny kapoaky ny Tompo amin'ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin'ny tena sy ny ran'ny Tompo izy.
28But let a man examine himself, and so let him eat of the bread, and drink of the cup.
28Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin'ny kapoaka.
29For he who eats and drinks in an unworthy way eats and drinks judgment to himself, if he doesn’t discern the Lord’s body.
29Fa izay rehetra mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an'ny tenany, raha tsy mamantatra ny tena izy.
30For this cause many among you are weak and sickly, and not a few sleep.
30Noho izany dia betsaka no marary sy marofy eo aminareo, ary maro ihany no efa nodi-mandry.
31For if we discerned ourselves, we wouldn’t be judged.
31Fa raha mba mamantatra ny tenantsika isika, dia tsy mba hotsaraina.
32But when we are judged, we are punished by the Lord, that we may not be condemned with the world.
32Fa raha tsaraina isika, dia faizan'ny Tompo mba tsy hohelohina miaraka amin'izao tontolo izao.
33Therefore, my brothers, when you come together to eat, wait for one another.
33Koa raha miangona hihinana ianareo, ry rahalahy, dia mifampiandrasa. [ Na: mifampizarà]Ary raha misy olona noana, aoka izy hihinana no an-tranony, mba tsy hiangonanareo ho fahamelohana. Ary ny zavatra sisa dia halahatro, rehefa tonga aho.
34But if anyone is hungry, let him eat at home, lest your coming together be for judgment. The rest I will set in order whenever I come.
34Ary raha misy olona noana, aoka izy hihinana no an-tranony, mba tsy hiangonanareo ho fahamelohana. Ary ny zavatra sisa dia halahatro, rehefa tonga aho.