World English Bible

Malagasy

1 Corinthians

16

1Now concerning the collection for the saints, as I commanded the assemblies of Galatia, you do likewise.
1[Ny amin'ny famoriam-bola ho an'ny olona malahelo tany Jerosalema. Teny farany sy fanaovam-beloma] Ary ny amin'ny famoriam-bola ho an'ny olona masina, dia mba manaova koa ianareo toy izay nasaiko nataon'ny fiangonana any Galatia.
2On the first day of the week, let each one of you save, as he may prosper, that no collections be made when I come.
2Amin'ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin'inona na amin'inona no anambinana azy, mba ho vita rahateo ny famoriam-bola mandra-pahatongako.
3When I arrive, I will send whoever you approve with letters to carry your gracious gift to Jerusalem.
3Ary rehefa tonga aho, dia izay sitrakareo no hirahiko hitondra taratasy hanatitra ny fiantranareo ho any Jerosalema.
4If it is appropriate for me to go also, they will go with me.
4Ary raha tokony handehanako izany, dia hiaraka amiko ireo.
5But I will come to you when I have passed through Macedonia, for I am passing through Macedonia.
5Hankatỳ aminareo aho, rehefa namaky an'i Makedonia - fa hamaky an'i Makedonia aho -
6But with you it may be that I will stay, or even winter, that you may send me on my journey wherever I go.
6ary angamba hitoetra eo aminareo aho, na handany ny ririnina aza, mba hanateranareo ahy amin'izay halehako.
7For I do not wish to see you now in passing, but I hope to stay a while with you, if the Lord permits.
7Fa tsy mikasa hamangy anareo toy ny mandalo aho ankehitriny; fa manantena hitoetra elaela eo aminareo aho, raha sitrapon'ny Tompo.
8But I will stay at Ephesus until Pentecost,
8Nefa hitoetra any Efesosy aho mandra-pihavin'ny Pentekosta;
9for a great and effective door has opened to me, and there are many adversaries.
9fa varavarana lehibe no voavoha ho ahy hahazoako miasa tsara, nefa maro ny mpanohitra.
10Now if Timothy comes, see that he is with you without fear, for he does the work of the Lord, as I also do.
10Ary rehefa tonga Timoty, dia tandremo mba tsy hanan-tahotra eo aminareo izy; fa ny asan'ny Tompo no ataony, tahaka ny ataoko koa.
11Therefore let no one despise him. But set him forward on his journey in peace, that he may come to me; for I expect him with the brothers.
11Koa aza avela hisy olona hanao tsinontsinona azy; fa atero soa aman-tsara izy mba ho tonga atỳ amiko; fa miandry azy mbamin'ny rahalahy sasany aho.
12Now concerning Apollos, the brother, I strongly urged him to come to you with the brothers; and it was not at all his desire to come now; but he will come when he has an opportunity.
12Ary ny amin'i Apolosy rahalahy, dia nangataka azy fatratra aho hiara-mandeha amin'ny rahalahy hankatỳ aminareo, saingy tsy sitrapony akory ny handeha tamin'izany; nefa ho avy ihany izy, rehefa misy andro mahalalaka azy. [ Na: saingy tsy sitrapon'Andriamanitra ny handehanany ankehitriny]
13Watch! Stand firm in the faith! Be courageous! Be strong!
13Miambena ianareo, tomoera tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza. [ Gr. miareta tory]
14Let all that you do be done in love.
14Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin'ny fitiavana.
15Now I beg you, brothers (you know the house of Stephanas, that it is the first fruits of Achaia, and that they have set themselves to serve the saints),
15Fantatrareo ny ankohonan'i Stefanasy, fa voaloham-bokatr'i Akaia izy sady efa nanolo-tena ho amin'ny fanompoana ny olona masina; dia mangataka aminareo aho, ry rahalahy,
16that you also be in subjection to such, and to everyone who helps in the work and labors.
16mba hanaiky tsara ny olona tahaka ireny sy izay rehetra miara-miasa sy mikely aina koa ianareo.
17I rejoice at the coming of Stephanas, Fortunatus, and Achaicus; for that which was lacking on your part, they supplied.
17Faly aho noho ny fihavian'i Stefanasy sy Fortonato ary Akaiko; fa ireo no nahefa ny tsy vitanareo;
18For they refreshed my spirit and yours. Therefore acknowledge those who are like that.
18fa namelombelona ny fanahiko sy ny anareo koa izy; ka mba ekeo ny tahaka ireny.
19The assemblies of Asia greet you. Aquila and Priscilla greet you much in the Lord, together with the assembly that is in their house.
19Manao veloma anareo ny fiangonana atỳ Asia. Manao veloma anareo indrindra ao amin'ny tompo Akoila sy Prisila mbamin'ny fiangonana izay ao an-tranony.
20All the brothers greet you. Greet one another with a holy kiss.
20Manao veloma anareo ny rahalahy rehetra. Mifanaova veloma amin'ny fanorohana masina.
21This greeting is by me, Paul, with my own hand.
21Ny tanako, izaho Paoly, no anaovako veloma.
22If any man doesn’t love the Lord Jesus Christ, let him be accursed . Come, Lord!
22Raha misy tsy tia ny Tompo, aoka ho voaozona izy. Maran ata. [ Gr. anatema] [ Maran ata = Avy ny Tompontsika (?)]
23The grace of the Lord Jesus Christ be with you.
23Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo;ny fitiavako dia ao aminareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. Amena.
24My love to all of you in Christ Jesus. Amen.
24ny fitiavako dia ao aminareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. Amena.