World English Bible

Malagasy

2 Corinthians

3

1Are we beginning again to commend ourselves? Or do we need, as do some, letters of commendation to you or from you?
1[Ny amin'ny voninahitra momba ny raharaha nanendrena ny Apostoly, sy ny fihoaran'izay noho ny voninahitry ny lalàna] Moa midera tena indray va izahay, sa toy ny sasany ka mila epistily filazan-tsoa anay ho aminareo, na avy aminareo?
2You are our letter, written in our hearts, known and read by all men;
2Hianareo no epistilinay voasoratra ato am-ponay sady fantatry sy vakin'ny olona rehetra;
3being revealed that you are a letter of Christ, served by us, written not with ink, but with the Spirit of the living God; not in tablets of stone, but in tablets that are hearts of flesh.
3eny, aseho ho epistilin'i Kristy izay entinay ianareo, tsy nosoratana tamin'ny ranomainty anefa, fa tamin'ny Fanahin'Andriamanitra velona, tsy teo amin'izay tena vato fisaka, fa teo amin'izay vato fisaka nofo, dia ny fo.[Na: soratanay; Gr. anompoanay]
4Such confidence we have through Christ toward God;
4Ary manana izany fahatokiana izany ny amin'Andriamanitra izahay amin'ny alalan'i Kristy.
5not that we are sufficient of ourselves, to account anything as from ourselves; but our sufficiency is from God;
5Kanefa tsy mihambo hanana fahaleovana avy aminay hihevitra na amin'inona na amin'inona izahay; fa ny fahaleovanay dia avy amin'Andriamanitra,
6who also made us sufficient as servants of a new covenant; not of the letter, but of the Spirit. For the letter kills, but the Spirit gives life.
6Izay efa nampahaleo anay koa ho mpanompo amin'izay fanekena vaovao, nefa tsy amin'ny soratra, fa amin'ny Fanahy; fa ny soratra mahafaty, fa ny Fanahy no mahavelona.
7But if the service of death, written engraved on stones, came with glory, so that the children of Israel could not look steadfastly on the face of Moses for the glory of his face; which was passing away:
7Fa raha ny fanompoana nitondra fahafatesana aza, izay voasoratra teo amin'ny vato, no nisy voninahitra, ka ny Zanak'Isiraely tsy nahabanjina ny tavan'i Mosesy noho ny voninahitry ny tavany izay nihalevona,
8won’t service of the Spirit be with much more glory?
8tsy mainka hisy voninahitra ny fanompoana omban'ny Fanahy?
9For if the service of condemnation has glory, the service of righteousness exceeds much more in glory.
9Fa raha nisy voninahitra ny fanompoana nitondra ny fanamelohana, mainka hanan-tombom-boninahitra ny fanompoana mitondra ny fahamarinana.
10For most certainly that which has been made glorious has not been made glorious in this respect, by reason of the glory that surpasses.
10Ary izay nisy voninahitra aza dia tsy manana voninahitra kosa amin'izao noho ny voninahitra izay manan-tombo.
11For if that which passes away was with glory, much more that which remains is in glory.
11Fa raha ny nilevona aza nisy voninahitra, mainka fa ny mitoetra no misy voninahitra.
12Having therefore such a hope, we use great boldness of speech,
12Koa amin'izany, satria manana izany fanantenana izany izahay, dia sahy tokoa,
13and not as Moses, who put a veil on his face, that the children of Israel wouldn’t look steadfastly on the end of that which was passing away.
13ary tsy tahaka an'i Mosesy, izay nanarona ny tavany tamin'ny fisalobonana, mba tsy hibanjinan'ny Zanak'Isiraely ny faran'izay nihalevona;
14But their minds were hardened, for until this very day at the reading of the old covenant the same veil remains, because in Christ it passes away.
14fa efa donto ny sainy; fa ambaraka androany dia mbola tsy nesorina ihany izany fisalobonana izany, raha vakina ny tenin'ny fanekena taloha, satria ao amin'i Kristy ihany no anesorana izany.
15But to this day, when Moses is read, a veil lies on their heart.
15Fa misy fisalobonana manarona ny fony ambaraka androany, raha vakina ny tenin'i Mosesy.
16But whenever one turns to the Lord, the veil is taken away.
16Kanefa raha miverina amin'ny Tompo izy, dia hesorina ihany ny fisalobonana.
17Now the Lord is the Spirit and where the Spirit of the Lord is, there is liberty.
17Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana.Fa isika rehetra kosa amin'ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra, toy ny avy amin'ny Tompo, dia ny Fanahy.[Na: Dia tahaka ny fitaratra tarafin'ny voninahitry ny Tompo]
18But we all, with unveiled face beholding as in a mirror the glory of the Lord, are transformed into the same image from glory to glory, even as from the Lord, the Spirit.
18Fa isika rehetra kosa amin'ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra, toy ny avy amin'ny Tompo, dia ny Fanahy.[Na: Dia tahaka ny fitaratra tarafin'ny voninahitry ny Tompo]