1I command you therefore before God and the Lord Jesus Christ, who will judge the living and the dead at his appearing and his Kingdom:
1Eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin'ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy:
2preach the word; be urgent in season and out of season; reprove, rebuke, and exhort, with all patience and teaching.
2mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.
3For the time will come when they will not listen to the sound doctrine, but, having itching ears, will heap up for themselves teachers after their own lusts;
3Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; [ Gr. salama]
4and will turn away their ears from the truth, and turn aside to fables.
4ary hampiala ny sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano.
5But you be sober in all things, suffer hardship, do the work of an evangelist, and fulfill your ministry.
5Fa ianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.
6For I am already being offered, and the time of my departure has come.
6Fa izaho dia efa hatolotra sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko. [ Gr. haidina ho fanatitra aidina]
7I have fought the good fight. I have finished the course. I have kept the faith.
7Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho;
8From now on, there is stored up for me the crown of righteousness, which the Lord, the righteous judge, will give to me on that day; and not to me only, but also to all those who have loved his appearing.
8hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny fisehoany koa.
9Be diligent to come to me soon,
9[Fanaovam-beloma sy hafatra] Mazotoa hankatỳ amiko faingana ianao;
10for Demas left me, having loved this present world, and went to Thessalonica; Crescens to Galatia, and Titus to Dalmatia.
10fa Demasy efa nandao ahy, satria tia izao fiainana izao izy ka lasa nankany Tesalonika; Kreska nankany Galatia, Titosy nankany Dalmatia.
11Only Luke is with me. Take Mark, and bring him with you, for he is useful to me for service.
11Lioka ihany no ato amiko. Alao Marka, ka ento miaraka aminao, fa mahasoa ahy amin'ny fanompoana izy.
12But I sent Tychicus to Ephesus.
12Tykiko dia nirahiko ho any Efesosy.
13Bring the cloak that I left at Troas with Carpus when you come, and the books, especially the parchments.
13Ilay kapôty navelako tany Troasy tao amin'i Karpo, dia ento, raha mankaty ianao, ary ny boky, indrindra fa ireo boky hoditra.
14Alexander, the coppersmith, did much evil to me. The Lord will repay him according to his works,
14Aleksandro, mpanefy varahina, efa nanisy ratsy ahy be loatra; ny Tompo hamaly azy araka ny asany;
15of whom you also must beware; for he greatly opposed our words.
15tandremonao ihany izy iny, fa nanohitra fatratra ny teninay.
16At my first defense, no one came to help me, but all left me. May it not be held against them.
16Tamin'ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako dia tsy nisy nomba ahy, fa nandao ahy avokoa izy rehetra (aza mba isaina ho helony anie izany).
17But the Lord stood by me, and strengthened me, that through me the message might be fully proclaimed, and that all the Gentiles might hear; and I was delivered out of the mouth of the lion.
17Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy, mba hotanterahina tokoa amin'ny ataoko ny fitorian-teny, ary mba ho ren'ny jentilisa rehetra izany; ary izaho novonjena tao am-bavan'ny liona.
18And the Lord will deliver me from every evil work, and will preserve me for his heavenly Kingdom; to whom be the glory forever and ever. Amen.
18Ary ny Tompo hanafaka ahy amin'ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin'ny fanjakany any an-danitra; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
19Greet Prisca and Aquila, and the house of Onesiphorus.
19Manaova veloma amin'i Prisila sy Akoila mbamin'ny ankohonan'i Onesiforosy;
20Erastus remained at Corinth, but I left Trophimus at Miletus sick.
20Erasto nitoetra tany Korinto; fa Trofimo nilaozako tany Mileto, satria narary izy.
21Be diligent to come before winter. Eubulus salutes you, as do Pudens, Linus, Claudia, and all the brothers.
21Mazotoa hankatỳ alohan'ny ririnina. Manao veloma anao Eobolo sy Poda sy Lino sy Klaodia mbamin'ny rahalahy rehetra.Ho amin'ny fanahinao anie ny Tompo. Ho aminareo anie ny fahasoavana.
22The Lord Jesus Christ be with your spirit. Grace be with you. Amen.
22Ho amin'ny fanahinao anie ny Tompo. Ho aminareo anie ny fahasoavana.