1Now in those days, when the number of the disciples was multiplying, a complaint arose from the Hellenists The Hellenists used Greek language and culture, even though they were also of Hebrew descent. against the Hebrews, because their widows were neglected in the daily service.
1[Ny nifidianana ny fito lahy, sy ny nandrosoan'ny fiangonana] Ary tamin'izany andro izany, rehefa nihamaro ny isan'ny mpianatra, dia nimonomonona tamin'ny Hebreo ny Helenista, satria tsy mba enina tamin'ny fiantrana isan'andro ny mpitondratenany.
2The twelve summoned the multitude of the disciples and said, “It is not appropriate for us to forsake the word of God and serve tables.
2Ary ny roa ambin'ny folo lahy nampiangona ny mpianatra rehetra ka nanao hoe: Tsy mety raha mandao ny tenin'Andriamanitra hitandrina latabatra izahay.
3Therefore select from among you, brothers, seven men of good report, full of the Holy Spirit and of wisdom, whom we may appoint over this business.
3Koa amin'izany, ry rahalahy, mizahà fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha izany.
4But we will continue steadfastly in prayer and in the ministry of the word.”
4Fa izahay kosa haharitra amin'ny fivavahana sy ny fampianarana.
5These words pleased the whole multitude. They chose Stephen, a man full of faith and of the Holy Spirit, Philip, Prochorus, Nicanor, Timon, Parmenas, and Nicolaus, a proselyte of Antioch;
5Dia sitraky ny olona rehetra ny teniny, ka nifidy an'i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, ary Filipo sy Prokoro sy Nikanora sy Timona sy Parmena ary Nikoleo (proselyta avy any Antiokia),
6whom they set before the apostles. When they had prayed, they laid their hands on them.
6ireo dia narosony teo anatrehan'ny Apostoly; ary rehefa nivavaka ny Apostoly, dia nametra-tanana taminy.
7The word of God increased and the number of the disciples multiplied in Jerusalem exceedingly. A great company of the priests were obedient to the faith.
7Dia nandroso ny tenin'Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan'ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana.
8Stephen, full of faith and power, performed great wonders and signs among the people.
8[Ny amin'i Stefana] Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin'ny vahoaka.
9But some of those who were of the synagogue called “The Libertines,” and of the Cyrenians, of the Alexandrians, and of those of Cilicia and Asia arose, disputing with Stephen.
9Fa ny sasany, izay avy amin'ny synagoga atao hoe Synagogan'ny Libertina sy ny Kyreniana sy ny Aleksandriana mbamin'izay avy any Kilikia sy Asia, dia nitsangana ka niady hevitra tamin'i Stefana.
10They weren’t able to withstand the wisdom and the Spirit by which he spoke.
10Fa tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany ireo;
11Then they secretly induced men to say, “We have heard him speak blasphemous words against Moses and God.”
11dia nisy olona nomeny vava hanao hoe: Efa renay niteny ratsy an'i Mosesy sy Andriamanitra ity. [ Gr. manao blasfemia; izahao Mat. 9.3]
12They stirred up the people, the elders, and the scribes, and came against him and seized him, and brought him in to the council,
12Ary nampitaitra ny olona sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna izy, dia nankeo amin'i Stefana ka nisarika azy, dia nitondra azy ho eo amin'ny Synedriona;
13and set up false witnesses who said, “This man never stops speaking blasphemous words against this holy place and the law.
13ary izy nanangana vavolombelona mandainga, izay nanao hoe: Io lehilahy io tsy mitsahatra miteny ratsy ity fitoerana masina ity sy ny lalàna;
14For we have heard him say that this Jesus of Nazareth will destroy this place, and will change the customs which Moses delivered to us.”
14Fa efa renay izy nilaza fa ilay Jesosy avy any Nazareta dia handrava ity fitoerana ity sy hanova ny fomba izay natolotr'i Mosesy antsika.Ary izay rehetra nipetraka teo amin'ny Synedriona, raha nandinika an'i Stefana, dia nahita ny tarehiny tahaka ny tarehin'anjely. ]
15All who sat in the council, fastening their eyes on him, saw his face like it was the face of an angel.
15Ary izay rehetra nipetraka teo amin'ny Synedriona, raha nandinika an'i Stefana, dia nahita ny tarehiny tahaka ny tarehin'anjely. ]