World English Bible

Malagasy

Haggai

2

1In the seventh month, in the twenty-first day of the month, the Word of Yahweh came by Haggai the prophet, saying,
1[Ny voninahitry ny tempoly vaovao, sy ny fitahiana ho azon'ny olon'Andriamanitra] Tamin'ny andro fahiraika amby roa -polo tamin'ny volana fahafito no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah nentin'i Hagay mpaminany nanao hoe:
2“Speak now to Zerubbabel, the son of Shealtiel, governor of Judah, and to Joshua, the son of Jehozadak, the high priest, and to the remnant of the people, saying,
2Lazao amin'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, governora any Joda, sy amin'i Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe, ary amin'ny sisa amin'ny vahoaka hoe:
3‘Who is left among you who saw this house in its former glory? How do you see it now? Isn’t it in your eyes as nothing?
3Iza no mbola sisa aminareo, izay nahita ity trano ity tamin'ny voninahiny taloha ? Fa manao ahoana kosa ny fahitanareo azy izao? Moa tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo ity?
4Yet now be strong, Zerubbabel,’ says Yahweh. ‘Be strong, Joshua, son of Jehozadak, the high priest. Be strong, all you people of the land,’ says Yahweh, ‘and work, for I am with you,’ says Yahweh of Armies.
4Nefa mahereza ankehitriny, ry Zerobabela, hoy Jehovah; ary mahereza, ry Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe; ary mahereza, ianareo vahoaka rehetra, hoy Jehovah, ka miasà; fa Izaho no momba anareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro,
5This is the word that I covenanted with you when you came out of Egypt, and my Spirit lived among you. ‘Don’t be afraid.’
5araka ny teny fanekena nataoko taminareo, fony nivoaka avy tany Egypta ianareo, ary ny Fanahiko dia mbola mitoetra ao aminareo ihany; koa aza matahotra ianareo.
6For this is what Yahweh of Armies says: ‘Yet once, it is a little while, and I will shake the heavens, the earth, the sea, and the dry land;
6Fa izao no lazain'i Jehovah. Tompon'ny maro: Indray maka koa, raha afaka kelikely, dia hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tany maina;
7and I will shake all nations. The precious things of all nations will come, and I will fill this house with glory, says Yahweh of Armies.
7ary hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin'ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
8The silver is mine, and the gold is mine,’ says Yahweh of Armies.
8Ahy ny volafotsy, ary Ahy ny volamena, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
9‘The latter glory of this house will be greater than the former,’ says Yahweh of Armies; ‘and in this place will I give peace,’ says Yahweh of Armies.”
9Ny voninahitr'ity trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny tany aloha, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; ary eto amin'ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
10In the twenty-fourth day of the ninth month, in the second year of Darius, the Word of Yahweh came by Haggai the prophet, saying,
10Tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'ny volana fahasivy tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah nentin'i Hagay mpaminany nanao hoe:
11“Thus says Yahweh of Armies: Ask now the priests concerning the law, saying,
11Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Andeha maka hevitra amin'ny mpisorona hoe:
12‘If someone carries holy meat in the fold of his garment, and with his fold touches bread, stew, wine, oil, or any food, will it become holy?’” The priests answered, “No.”
12Raha misy mitondra hena masina eny an-tsisin-dambany, ka voakasiky ny sisin-dambany ny mofo; na izay voahandro, na ny divay, na ny diloilo, na izay mety ho fihinana, moa ho tonga masina koa va ireo? Dia namaly ny mpisorona nanao hoe: Tsia.
13Then Haggai said, “If one who is unclean by reason of a dead body touch any of these, will it be unclean?” The priests answered, “It will be unclean.”
13Ary hoy Hagay: Raha misy maloto amim-paty mikasika ireo, moa ho tonga maloto koa va ireo? Dia namaly ny mpisorona nanao hoe: Ho tonga maloto ireo.
14Then Haggai answered, “‘So is this people, and so is this nation before me,’ says Yahweh; ‘and so is every work of their hands. That which they offer there is unclean.
14Dia namaly Hagay nanao hoe: Tahaka izany eo anatrehako ireto olona ireto, ary tahaka izany ity firenena ity, hoy Jehovah; ary tahaka izany koa ny asan'ny tànany rehetra; fa izay ateriny ao dia maloto.
15Now, please consider from this day and backward, before a stone was laid on a stone in Yahweh’s temple.
15Koa masìna ianareo, hevero ny hatramin'izao andro anio izao no ho mankary, dia fony tsy mbola nisy vato nifanongoa tao amin'ny tempolin'i Jehovah;
16Through all that time, when one came to a heap of twenty measures, there were only ten. When one came to the wine vat to draw out fifty, there were only twenty.
16fony tamin'izany andro izany raha nisy nankamin'ny vary roa-polo mifatra, dia folo ihany; raha nisy nankamin'ny vata fanantazana ranom-boaloboka hananty indimam-polon'ny famarana, dia roa-polo ihany.
17I struck you with blight, mildew, and hail in all the work of your hands; yet you didn’t turn to me,’ says Yahweh.
17Ny vary main'ny rivotra sy maty fotsy sy ny havandra no namelezako anareo tamin'ny asan'ny tananareo rehetra; nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
18‘Consider, please, from this day and backward, from the twenty-fourth day of the ninth month, since the day that the foundation of Yahweh’s temple was laid, consider it.
18Masìna ianareo, hevero ny hatramin'izao andro anio izao no ho mankary, dia hatramin'ny andro fahefatra amby roa-polo amin'ny volana fahasivy, eny, hevero hatramin'ny andro nanorenana ny tempolin'i Jehovah.
19Is the seed yet in the barn? Yes, the vine, the fig tree, the pomegranate, and the olive tree haven’t brought forth. From this day will I bless you.’”
19Mbola ao an-tsompitra ihany va ny voan-javatra? Na dia ny voaloboka sy ny aviavy sy ny ampongaben-danitra sy ny oliva aza dia tsy mbola mamoa; hatramin'izao andro anio izao no hitahiako anareo.
20The Word of Yahweh came the second time to Haggai in the twenty-fourth day of the month, saying,
20Ary tonga fanindroany tamin'i Hagay ny tenin'i Jehovah tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo nanao hoe:
21“Speak to Zerubbabel, governor of Judah, saying, ‘I will shake the heavens and the earth.
21Lazao amin'i Zerobabela, governora any Joda, hoe: Hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany
22I will overthrow the throne of kingdoms. I will destroy the strength of the kingdoms of the nations. I will overthrow the chariots, and those who ride in them. The horses and their riders will come down, everyone by the sword of his brother.
22dia hahohoko ny seza fiandrianan'ny fanjakana, ary hofoanako ny herin'ny fanjakan'ny firenena; ary hahohoko ny kalesiny sy ny mitaingina eo aminy; ary samy ho lavon'ny sabatry ny namany avy ny soavaly sy ny mpitaingina azy.Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia horaisiko ianao, ry Zerobabela mpanompoko, zanak'i Sealtiela, hoy Jehovah, ka hataoko toy ny fanombohan-kase ianao; fa efa nifidy anao Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
23In that day, says Yahweh of Armies, will I take you, Zerubbabel, my servant, the son of Shealtiel,’ says Yahweh, ‘and will make you as a signet, for I have chosen you,’ says Yahweh of Armies.”
23Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia horaisiko ianao, ry Zerobabela mpanompoko, zanak'i Sealtiela, hoy Jehovah, ka hataoko toy ny fanombohan-kase ianao; fa efa nifidy anao Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.