1My brothers, don’t hold the faith of our Lord Jesus Christ of glory with partiality.
1[Ny tsy mahamety ny fizahan-tavan'olona] Ry rahalahiko, aoka tsy hasiana fizahan-tavan'olona ny finoanareo ny Tompontsika, dia Jesosy Kristy, Tompon'ny voninahitra.
2For if a man with a gold ring, in fine clothing, comes into your synagogue or, meeting , and a poor man in filthy clothing also comes in;
2Fa raha misy olona miditra eo amin'ny synagoganareo misy peratra volamena amin'ny rantsan-tànany sady miakanjo tsara, ary mba miditra kosa izay olona malahelo miakanjo ratsy,
3and you pay special attention to him who wears the fine clothing, and say, “Sit here in a good place”; and you tell the poor man, “Stand there,” or “Sit by my footstool”;
3koa mijery ilay miakanjo tsara ianareo ka manao hoe: Mipetraha eto amin'ny fitoerana aloha ianao; ary manao amin'ilay malahelo kosa hoe: Mitoera eroa ianao, na: Mipetraha etsy amin'ny fitoeran-tongotro,-
4haven’t you shown partiality among yourselves, and become judges with evil thoughts?
4moa tsy miangatra va ianareo amin'izany ka efa mpitsara manan-kevi-dratsy? [ Na: miahanahana]
5Listen, my beloved brothers. Didn’t God choose those who are poor in this world to be rich in faith, and heirs of the Kingdom which he promised to those who love him?
5Mihainoa, ry rahalahy malalako: Tsy efa nofidin'Andriamanitra va ny malahelo amin'izao fiainana izao ho mpanankarena amin'ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana nolazainy homena izay tia Azy?
6But you have dishonored the poor man. Don’t the rich oppress you, and personally drag you before the courts?
6Fa ianareo efa nanala-baraka ny malahelo. Moa tsy ny mpanankarena va no mampahory anareo? Ary tsy izy va no mitarika anareo ho eo amin'ny fitsarana?
7Don’t they blaspheme the honorable name by which you are called?
7Tsy izy koa va no miteny ratsy ny anarana tsara izay niantsoana anareo? [ Gr. manao blasfemia; izahao Mat.9.3]
8However, if you fulfill the royal law, according to the Scripture, “You shall love your neighbor as yourself,” Leviticus 19:18 you do well.
8Kanefa raha mankatò ilay didy ambony indrindra ianareo, araka ny Soratra Masina hoe: "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" (Lev. 29.18), dia manao tsara ianareo. [ Gr. andriana]
9But if you show partiality, you commit sin, being convicted by the law as transgressors.
9Fa raha mizaha tavan'olona kosa ianareo, dia manota ka helohin'ny lalàna ho mpanota.
10For whoever keeps the whole law, and yet stumbles in one point, he has become guilty of all.
10Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin'izy rehetra.
11For he who said, “Do not commit adultery,” Exodus 20:14; Deuteronomy 5:18 also said, “Do not commit murder.” Exodus 10:13; Deuteronomy 5:17 Now if you do not commit adultery, but murder, you have become a transgressor of the law.
11Fa Ilay nanao hoe: "Aza mijangajanga" no nanao hoe koa: "Aza mamono olona" (Eks. 20.13, 14). Fa raha tahìny tsy mijangajanga ianao, kanefa mamono olona ihany, dia mpandika ny lalàna ianao.
12So speak, and so do, as men who are to be judged by a law of freedom.
12Aoka ianareo hiteny sy hanao araka izay mahamendrika anareo, izay olona hotsarain'ny lalàn'ny fahafahana.
13For judgment is without mercy to him who has shown no mercy. Mercy triumphs over judgment.
13Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran'izay tsy mamindra fo; ary ny famindram-po kosa dia faly, fa tsy mba matahotra ny fitsarana.
14What good is it, my brothers, if a man says he has faith, but has no works? Can faith save him?
14[Ny fahafoanan'ny finoana tsy misy asa] Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy?
15And if a brother or sister is naked and in lack of daily food,
15Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isan'andro,
16and one of you tells them, “Go in peace, be warmed and filled”; and yet you didn’t give them the things the body needs, what good is it?
16ka misy aminareo manao aminy hoe: Mandehana amin'ny fiadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an'ny tenany, inona moa no soa azo amin'izany?
17Even so faith, if it has no works, is dead in itself.
17Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.
18Yes, a man will say, “You have faith, and I have works.” Show me your faith without works, and I by my works will show you my faith.
18Fa angamba hisy hanao hoe: Hianao manam-pinoana, ary izaho manana asa; asehoy amiko tsy amin'ny asa ny finoanao, ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin'ny asako.
19You believe that God is one. You do well. The demons also believe, and shudder.
19Hianao manao fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany,- ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra.
20But do you want to know, vain man, that faith apart from works is dead?
20Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa?
21Wasn’t Abraham our father justified by works, in that he offered up Isaac his son on the altar?
21Tsy nohamarinina tamin'ny asa va Abrahama razantsika tamin'ny nanaterany an'isaka zanany teo ambonin'ny alitara?
22You see that faith worked with his works, and by works faith was perfected;
22Hitanao fa niara-niasa tamin'ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin'ny asa;
23and the Scripture was fulfilled which says, “Abraham believed God, and it was accounted to him as righteousness”; Genesis 15:6 and he was called the friend of God.
23ary tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: "Ary Abrahama nino an'Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany" (Gen. 25.6), ary natao hoe "Sakaizan'Andriamanitra" izy (Isa. 41.8).
24You see then that by works, a man is justified, and not only by faith.
24Koa dia hitanareo fa hamarinina amin'ny asa ny olona, fa tsy amin'ny finoana ihany.
25In the same way, wasn’t Rahab the prostitute also justified by works, in that she received the messengers, and sent them out another way?
25Ary toy izany koa Rahaba janga, tsy nohamarinina tamin'ny asa va izy tamin'ny nandraisany ireny iraka ireny sy ny nampandehanany azy tamin'ny lalan-kafa?Fa maty ny tena, raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa.
26For as the body apart from the spirit is dead, even so faith apart from works is dead.
26Fa maty ny tena, raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa.