1Brothers, my heart’s desire and my prayer to God is for Israel, that they may be saved.
1Ry rahalahy, ny irin'ny foko sy ny angatahiko amin'Andriamanitra ho an'ireny dia famonjena.
2For I testify about them that they have a zeal for God, but not according to knowledge.
2Fa vavolombelon'ireny aho fa mazoto ho an'Andriamanitra izy, saingy tsy araka ny fahalalana.
3For being ignorant of God’s righteousness, and seeking to establish their own righteousness, they didn’t subject themselves to the righteousness of God.
3Fa satria tsy nahalala ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra izy ka nitady hanamarina ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra.
4For Christ is the fulfillment or, completion, or end of the law for righteousness to everyone who believes.
4Fa Kristy no faran'ny lalàna ho fahamarinana ho an'izay rehetra mino.
5For Moses writes about the righteousness of the law, “The one who does them will live by them.” Leviticus 18:5
5Fa Mosesy nanoratra milaza fa izay olona manao ny fahamarinana avy amin'ny lalàna no ho velona amin'izany (Lev. 18. 5).
6But the righteousness which is of faith says this, “Don’t say in your heart, ‘Who will ascend into heaven?’ Deuteronomy 30:12 (that is, to bring Christ down);
6Fa ny fahamarinana izay avy amin'ny finoana kosa manao hoe: Aza milaza ao am-ponao hoe; Iza no hiakatra any an-danitra? (dia ny hampidina an'i Kristy izany,)
7or, ‘Who will descend into the abyss?’ Deuteronomy 30:13 (that is, to bring Christ up from the dead.)”
7na: Iza no hidina any amin'ny lalina? (dia ny hampiakatra an'i Kristy avy any amin'ny maty izany.)
8But what does it say? “The word is near you, in your mouth, and in your heart”; Deuteronomy 30:14 that is, the word of faith, which we preach:
8Fa ahoana no lazainy? Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao (Deo. 30. 12-14), dia ny teny ny amin'ny finoana, izay torinay;
9that if you will confess with your mouth that Jesus is Lord, and believe in your heart that God raised him from the dead, you will be saved.
9satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao ianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena ianao.
10For with the heart, one believes unto righteousness; and with the mouth confession is made unto salvation.
10Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena.
11For the Scripture says, “Whoever believes in him will not be disappointed.” Isaiah 28:16
11Fa hoy ny Soratra Masina: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy (Isa. 28. 16).
12For there is no distinction between Jew and Greek; for the same Lord is Lord of all, and is rich to all who call on him.
12Fa tsy misy hafa, na Jiosy na jentilisa, fa iray ihany no Tompon'izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Ary Izy. [Gr. Grika]
13For, “Whoever will call on the name of the Lord will be saved.” Joel 2:32
13Fa izay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena (Joe. 3. 5).
14How then will they call on him in whom they have not believed? How will they believe in him whom they have not heard? How will they hear without a preacher?
14Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory?
15And how will they preach unless they are sent? As it is written: “How beautiful are the feet of those who preach the Good News of peace, who bring glad tidings of good things!” Isaiah 52:7
15Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly! (Isa. 52. 7).
16But they didn’t all listen to the glad news. For Isaiah says, “Lord, who has believed our report?” Isaiah 53:1
16Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly. Fa hoy Isaia: Jehovah ô, iza no nino ny teny nampitondraina anay? (Isa. 53. 1.)
17So faith comes by hearing, and hearing by the word of God.
17Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy.
18But I say, didn’t they hear? Yes, most certainly, “Their sound went out into all the earth, their words to the ends of the world.” Psalm 19:4
18Fa hoy izaho: Sao tsy nahare izy? Tsia; fa Efa nivoaka ho any amin'ny tany rehetra ny feony, Ary izay mino Ary tsy ho menatra, Ary ny teniny hatramin'ny faran'izao rehetra izao (Sal. 19. 4). [ Na: filazantsara]
19But I ask, didn’t Israel know? First Moses says, “I will provoke you to jealousy with that which is no nation, with a nation void of understanding I will make you angry.” Deuteronomy 32:31
19Fa hoy izaho: Sao tsy nahalala ny Isiraely? Voalohany, Mosesy manao hoe: Izaho hampialona anareo amin'izay tsy firenena, Dia amin'ny firenena adala no hampahasosorako anareo (Deo. 32. 21).
20Isaiah is very bold, and says, “I was found by those who didn’t seek me. I was revealed to those who didn’t ask for me.” Isaiah 65:1
20Fa sahy mihitsy Isaia ka manao hoe: Hitan'izay tsy nitady Ahy Aho, Ary niseho tamin'izay tsy nanontany Ahy.Fa ny amin'ny Isiraely dia hoy izy: Mandritra ny andro no efa naninjirako ny tanako tamin'izay firenena sady tsy manaraka no mandà (Isa. 65. 1. 2).
21But as to Israel he says, “All day long I stretched out my hands to a disobedient and contrary people.” Isaiah 65:2
21Fa ny amin'ny Isiraely dia hoy izy: Mandritra ny andro no efa naninjirako ny tanako tamin'izay firenena sady tsy manaraka no mandà (Isa. 65. 1. 2).