1The angel who talked with me came again, and wakened me, as a man who is wakened out of his sleep.
1[Fahitana fahadimy: ny amin'ny fanaovan-jiro, sy ny hazo oliva roa] Ary niverina ilay anjely niresaka tamiko ka namoha ahy toy ny olona fohazina amin-tory.
2He said to me, “What do you see?” I said, “I have seen, and behold, a lampstand all of gold, with its bowl on the top of it, and its seven lamps thereon; there are seven pipes to each of the lamps, which are on the top of it;
2Dia hoy izy tamiko: Inona no hitanao? Ary hoy izaho: Hitako fa, indro, misy fanaovan-jiro tena volamena, ary ny fitoeran-diloilony dia eo an-tampony, ary ny lela fanaovan-jirony fito kosa dia eo aminy, ary misy fantsona fito avy amin'ny isan'ny lela fanaovan-jiro izay eo an-tampony;
3and two olive trees by it, one on the right side of the bowl, and the other on the left side of it.”
3ary misy hazo oliva roa eo anilany, ny anankiray eo an-kavanan'ny fitoeran-diloilo, ary ny anankiray eo an-kaviany.
4I answered and spoke to the angel who talked with me, saying, “What are these, my lord?”
4Dia niteny tamin'ilay anjely niresaka tamiko aho nanao hoe: Inona moa ireo, tompoko?
5Then the angel who talked with me answered me, “Don’t you know what these are?” I said, “No, my lord.”
5Ary ilay anjely niresaka tamiko dia namaly ka nanao tamiko hoe: Tsy fantatrao va ireo? Fa hoy izaho: Tsia, tompoko.
6Then he answered and spoke to me, saying, “This is the word of Yahweh to Zerubbabel, saying, ‘Not by might, nor by power, but by my Spirit,’ says Yahweh of Armies.
6Dia namaly izy ka nanao tamiko hoe: Izao no tenin'i Jehovah amin'i Zerobabela: Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin'ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro .
7Who are you, great mountain? Before Zerubbabel you are a plain; and he will bring out the capstone with shouts of ‘Grace, grace, to it!’”
7Iza moa ianao, ry tendrombohitra lehibe ? Ho tonga tany lemaka eo anoloan'i Zerobabela ianao; ary ho entiny mivoaka ny vato hatao tendrony sady hisy fiantsoana hoe: Fahasoavana, fahasoavana anie ho aminy! [Na: ry tendrombohitra lehibe eo anoloan'i Zerobabela? Ho tany lemaka ianao]
8Moreover the word of Yahweh came to me, saying,
8Dia tonga tamiko indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
9“The hands of Zerubbabel have laid the foundation of this house. His hands shall also finish it; and you will know that Yahweh of Armies has sent me to you.
9Ny tànan'i Zerobabela no nanao ny fanorenan'ity trano ity, ary ny tànany koa no hamita azy; ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy ho aminao.
10Indeed, who despises the day of small things? For these seven shall rejoice, and shall see the plumb line in the hand of Zerubbabel. These are the eyes of Yahweh, which run back and forth through the whole earth.”
10Fa iza no nanamavo ny andron'ny zava-madinika? Ho faly mahita ny pilao eny an-tànan'i Zerobabela ireo fito ireo, dia ny mason'i Jehovah, izay mijery eny tontolo eny eran'ny tany rehetra
11Then I asked him, “What are these two olive trees on the right side of the lampstand and on the left side of it?”
11Dia namaly aho ka nanao taminy hoe: Inona moa ireo hazo oliva roa eo an-kavanan'ny fanaovan-jiro sy eo an-kaviany ireo?
12I asked him the second time, “What are these two olive branches, which are beside the two golden spouts, that pour the golden oil out of themselves?”
12Ary namaly koa aho ka nanao taminy hoe: Inona moa ireo sampahon'oliva roa eo amin'ny fantsona volamena izay mampijononoka ny diloilo volamena avy ao aminy ireo?
13He answered me, “Don’t you know what these are?” I said, “No, my lord.”
13Dia namaly izy hoe: Tsy fantatrao va ireo? Ary hoy izaho: Tsia, tompoko.Dia hoy izy: Ireo no zana-diloilo roa, izay mitsangana eo anoloan'ny Tompon'ny tany rehetra.
14Then he said, “These are the two anointed ones who stand by the Lord The word translated “Lord” is “Adonai.” of the whole earth.”
14Dia hoy izy: Ireo no zana-diloilo roa, izay mitsangana eo anoloan'ny Tompon'ny tany rehetra.