1 Képp ku gëm ne Yeesu mooy Almasi bi, juddu nga ci Yàlla; te ku bëgg waajur, dinga bëgg itam ki mu jur.
1Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay naterany koa.
2 Xam nanu ne, bëgg nanu doomi Yàlla yi ci lii: bëgg Yàlla tey sàmm ay ndigalam.
2Izao no ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra isika, dia ny itiavantsika an'Andriamanitra sy ny ankatoavantsika ny didiny.
3 Ndaxte mbëggeel ci Yàlla mooy sàmm ay ndigalam; te ay ndigalam diisuñu.
3Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.
4 Ndaxte képp ku juddu ci Yàlla day noot àddina; te li nuy noote àddina mooy sunu ngëm.
4Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.
5 Ku noot àddina mooy kan? Mooy ki gëm ne, Yeesu mooy Doomu Yàlla.
5Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak'Andriamanitra?
6 Yeesu Kirist mooy ki ñëw, jaar ci ndox ak deret; du ci ndox rekk, waaye ndox ak deret. Te Xelu Yàlla mi moo koy seedeel, ndax Xel mi mooy dëgg.
6Izy ilay avy tamin'ny rano sy ny rà, dia Jesosy Kristy; tsy tamin'ny rano ihany, fa tamin'ny rano sy ny rà. Ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana.
7 Ndaxte am na ñetti seede:
7Fa misy telo izay manambara,
8 Xel mi, ndox ak deret, te ñoom ñett ñépp, ñoo bokk benn baat.
8dia ny Fanahy sy ny rano ary ny rà; ary mifanaraka tsara izy telo.
9 Seedes nit, dinanu ko nangu, waaye seedes Yàlla moo gën a wóor, ndax boobu seede mooy li Yàlla seede ci Doomam.
9Raha mandray ny fanambaran'ny olona isika, lehibe lavitra ny fanambaran'Andriamanitra; fa ny fanambaran'Andriamanitra dia ny nanambarany ny Zanany.
10 Ku gëm Doomu Yàlla ji, am nga seede boobu ci sa xol. Ku gëmul Yàlla, teg nga ko kuy tebbi waxam ndaxte gëmuloo li Yàlla seede ci Doomam.
10Izay mino ny Zanak'Andriamanitra no manana ny fanambarana ao anatiny; izay tsy mino an'Andriamanitra dia efa nampandainga Ary, satria tsy mino ny fanambarana izay nanambaran'Andriamanitra ny Zanany izy.
11 Te seede si mooy lii: Yàlla jox na nu dund gu dul jeex, te dund googoo ngi ci Doomam.
11Ary izao no fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen'Andriamanitra antsika, ary ao amin'ny Zanany izany fiainana izany.
12 Ku am Doom ji, am nga dund; ku amul Doomu Yàlla, amuloo dund.
12Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy manana ny fiainana.
13 Maa ngi leen di bind yëf yii, yéen ñi gëm turu Doomu Yàlla ji, ngir ngeen xam ne, am ngeen dund gu dul jeex.
13[Ny amin'ny fivavahana ary ny tsi-fitovian'ny zanak'Andriamanitra amin'ny ratsy fanahy] Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran'ny Zanak'Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo.
14 Kóolute gi nu am ci kanam Yàlla mooy lii, su nu ko ñaanee dara ci coobareem, dina nu nangul.
14Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy;
15 Gannaaw xam nañu ne, dina nangu lépp lu nu koy ñaan, xam nanu it ne, li nu ko ñaan, jox na nu ko.
15ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy.
16 Ku gis mbokkam, muy def bàkkaar bu jarul dee, na ko ñaanal, te Yàlla dina ko may dund. Ku def bàkkaar bu jarul dee laa wax. Ndaxte am na bàkkaar bu jar dee; boobu taxul may wax, mu ñaanal ko.
16Raha misy mahita ny rahalahiny manao ota tsy mahafaty, dia aoka hifona ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy fiainana ho an'izay manao ota tsy mahafaty. Misy ota mahafaty; tsy mba lazaiko fa tokony hangataka ny amin'izany izy. [ Gr. ota tsy ho amin'ny fahafatesana] [ Gr. ota ho amin'ny fahafatesana]
17 Gépp jubadi bàkkaar la, waaye am na bàkkaar bu jarul dee.
17Ota avokoa ny tsi-fahamarinana rehetra; ary misy ota tsy mahafaty. [ Gr. ota ny ho amin'ny fahafatesana]
18 Xam nanu ne, képp ku juddu ci Yàlla doo sax ci bàkkaar, waaye Doomu Yàlla ji mooy wottu sa bakkan, ba Ibliis du la manal dara.
18Fantatsika fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota; fa izay naterak'Andriamanitra, dia miaro ny tenany ka tsy mikasika azy akory ilay ratsy. [ Na: Ilay naterak'Andriamanitra no miaro azy]
19 Nun nag xam nanu ne, nu ngi ci Yàlla, te àddina sépp a ngi tëdd ci loxoy Ibliis.
19Fantatsika fa avy amin'Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin'ilay ratsy avokoa.
20 Xam nanu ne, Doomu Yàlla ji ñëw na te may na nu xel, ba nu man a xam Aji Wóor ji. Te nu ngi ci Aji Wóor ji ak ci Doomam Yeesu Kirist. Kooku mooy Yàlla ju wóor, ji yor dund gu dul jeex.
20Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina; ary isika ao amin'ilay marina, dia ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.Anaka, arovy ny tenanareo amin'ny sampy.
21 Samay doom, wottuleen seen bopp ciy xërëm.
21Anaka, arovy ny tenanareo amin'ny sampy.