Wolof: New Testament

Malagasy

1 Thessalonians

3

1 Kon nag, ba nu ko mënatul a dékku, nangu nanu ñu bàyyi nu, nun doŋŋ, ca dëkku Aten,
1Ary amin'izany, raha tsy naharitra intsony izahay, dia nataonay fa mety ny hilaozana hitoetra irery tany Atena,
2 te yónni nanu Timote, sunu mbokk ak sunu nawle ci liggéeyu Yàlla ak ci waareb xebaaru Kirist. Yónni nanu ko, ngir mu dénk leen, tey feddali seen ngëm,
2ka dia nirahinay Timoty, rahalahinay sady mpanompon'Andriamanitra amin'ny filazantsaran'i Kristy, mba hampahery sy hamporisika anareo amin'ny finoanareo,
3 ngir kenn bañ a raf ndax nattu, yi ngeen di jaar. Yéen ci seen bopp xam ngeen ne, nattu mooy sunu cér.
3mba tsy hisy ho taitra amin'izao fahoriana izao; fa ny tenanareo mahalala fa ho amin'izao no nanendrena antsika.
4 Ba nu nekkee ak yéen sax, waxoon nanu leen, waxati ko ne, fàww nu sonn; te noonu la ame, yéen xam ngeen ko.
4Fa fony teo aminareo aza izahay, dia nilaza taminareo rahateo fa tsy maintsy hampahorina isika, dia toy ny efa nanjo ihany ka fantatrareo.
5 Noonu ba ma ko mënatul a dékku, yónnee naa, ngir xam fu seen ngëm tollu, ngir ragal Seytaane fiir leen, ba sunu ñaq neen.
5Ary noho izany izaho koa, raha tsy naharitra intsony, dia naniraka hahafantatra ny finoanareo, fandrao sendra naka fanahy anareo ny mpaka-fanahy, ka ho foana ny nikelezanay aina.
6 Waaye léegi Timote bawoo na ci yéen, indaale xebaar yu neex ci seen ngëm ak seen mbëggeel; xamal na nu ne, yéena ngi am pàttaliku yu rafet ci nun te namm nu lool, ni nu leen namme yéen itam.
6Fa raha vao tonga atỳ aminay ankehitriny Timoty avy tatỳ aminareo ka nilaza teny taminay ny amin'ny finoanareo sy ny fitiavanareo ary ny fahatsiarovana anareo tsara anay mandrakariva, ka maniry hahita anay indrindra ianareo, tahaka anay aminareo koa,-
7 Noonu bokk yi, ci biir tiis ak coono yi nu nekk, seen ngëm dëfël na sunu xol.
7noho izany, ry rahalahy, dia nampionona anay teo amin'ny fahaterenay sy ny fahorianay rehetra ny finoanareo;
8 Ndaxte noo ngi dund dëgg-dëgg, ndegam yéena ngi sax ci Boroom bi.
8fa ankehitriny velona izahay, raha tomoetra tsara amin'ny Tompo ianareo.
9 Ndaw cant yu bare yu nu war a sant Yàlla ndax yéen! Ndaw mbég mu bare, mi nu am ci kanamam ndax yéen!
9Fa manao ahoana no saotra azonay havaly an'Andriamanitra ny aminareo noho ny fifaliana rehetra izay ifalianay noho ny aminareo eo anatrehan'Andriamanitray,
10 Guddi ak bëccëg nu ngi wàkkirlu ci ñaan Yàlla, ngir gis leen, ba man a mottali seen ngëm.
10amin'ny fangatahanay fatratra andro aman'alina hahita ny tavanareo sy hahatanteraka ny tsy ampy amin'ny finoanareo?
11 Na Yàlla sunu Baay moom ci boppam ak Yeesu sunu Boroom jubal sunu yoon ci yéen.
11Ary Andriamanitra Raintsika anie sy Jesosy Tompontsika hanitsy ny lalanay ho atỳ
12 Na leen Boroom bi dolli mbëggeel gu tar, ngeen bëggante te bëgg ñépp, ni nu leen bëgge nun.
12Ary ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin'ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra, dia tahaka anay aminareo koa,mba hampiorina ny fonareo tsy hanan-tsiny amin'ny fahamasinana eo anatrehan'Andriamanitra Raintsika amin'ny fihavian'i Jesosy Tompontsika mbamin'ny masiny rehetra.
13 Na samp seeni xol noonu ci cell gu amul sikk fa kanam Yàlla sunu Baay, ba bés bu Yeesu sunu Boroom dellusee, ànd ak gaayam yu sell yépp.
13mba hampiorina ny fonareo tsy hanan-tsiny amin'ny fahamasinana eo anatrehan'Andriamanitra Raintsika amin'ny fihavian'i Jesosy Tompontsika mbamin'ny masiny rehetra.