1 Man Pool, ndawul Yeesu Kirist ci coobareg Yàlla, ngir xamle dund gi nu Yàlla dig te féete ci Kirist Yeesu,
1[Ny fahatsiarovan'i Paoly an'i Timoty sy ny fitiavany azy] Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, mba ho mpitory ny teny fikasana milaza ny fiainana izay ao amin'i Kristy Jesosy,
2 maa ngi lay bind Timote, sama doomu diine ji ma bëgg. Na la Yàlla Baay bi ak Kirist Yeesu sunu Boroom may yiw, yërmande ak jàmm.
2mamangy an'i Timoty, zanako malala: ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.
3 Fu ma tollu maa ngi lay boole ci samay ñaan, di ci sant Yàlla, mi may jaamu ci xel mu dal, ni ko samay maam daan defe. Guddi ak bëccëg, bu sama xel demee ci say rangooñ,
3Misaotra an'Andriamanitra aho, Izay tompoiko araka ny nataon'ny razako amin'ny fieritreretana madio, fa tsy manam-pitsaharana akory ny fahatsiarovako anao amin'ny fivavahako andro aman'alina;
4 ma bëgg laa gis, ba am mbég mu réy.
4ary maniry hahita anao aho (satria tsaroako ny ranomasonao), mba ho feno fifaliana aho [ Na: fa andro aman'alina dia maniry hahita anao aho];
5 Maa ngi fàttaliku sa ngëm gu dëggu, gi nekkoon ci sa maam Lowis ak sa yaay Ënis, te mu wóor ma ne, sax na ci yaw it.
5fa nisy nahatsiarovako ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatinao, izay nitoetra taloha tao anatin'i Loisa renibenao sy Eonika reninao, ary matoky aho fa ao anatinao koa izany.
6 Looloo tax maa ngi lay fàttali, nga xambaat taal bi Yàlla taal ci yaw, di may gi mu la jagleel, bi ma la tegee samay loxo.
6[Famporisihana an'i Timoty mba hamelona tsara ny fanomezam-pahasoavana azony avy tamin'Andriamanitra. ] Ary noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra, izay ao anatinao tamin'ny fametrahako ny tanako.
7 Ndaxte Xel mi nu Yàlla sol du ànd ak ragal, waaye day ànd ak kàttan, mbëggeel ak moom sa bopp.
7Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.
8 Bul rus ci seedeel sunu Boroom, mbaa ci li ñu ma tëj ndax turam, waaye bokkal ak man tiis ci xamle xebaar bu baax bi, wéeru ci kàttanu Yàlla.
8Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, na ahy mpifatony ianao; fa aoka ianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin'Andriamanitra,
9 Moo nu musal te woo nu ci dund gu sell, ci lu ajuwul ci sunuy jëf, waaye ci dogalu boppam ak yiwam, wi nu Yàlla may ci Kirist Yeesu, ba àddina sosoogul.
9Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin'i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola;
10 Te léegi biral na ko ci feeñug sunu Musalkat Kirist Yeesu, mi nasaxal dee te feeñal dund ci xebaar bu baax bi, te muy dund gu sax.
10fa naharihary ankehitriny tamin'ny nisehoan'i Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika, Izay nahafoana ny herin'ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsi-fahalòvana mandrakizay;
11 Te Yàlla fal na ma ndaw ak jàngalekat, ngir may yégle xebaar bi;
11ny amin'io filazantsara io no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly ary mpampianatra. [ Na: [mpampianatra ny jentilisa]
12 looloo tax ma jànkoonte ak tiis yu mel nii. Waaye rusuma ci, ndaxte xam naa Ki ma wékk sama yaakaar, te wóor na ma ne, li ma ko dénk, man na koo denc ba bés ba.
12Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy mandra-pihavin'izay andro izay. [ Na: ilay zavatra natolony ahy]
13 Toppal ci tànki wax yu wér yi nga dégge ci man, jàpp ci ak ngëm ak mbëggeel, yi nu am ci sunu bokk ci Kirist Yeesu.
13Tano amin'ny finoana ny ny fitiavana ao amin'i Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy kilema, izay efa renao tamiko.
14 Te nga sàmm bu baax li la Yàlla dénk, wéeru ci Xel mu Sell, mi dëkk ci nun.
14Ilay zavatra tsara natolotra anao dia tehirizo amin'ny fampaherezan'ny Fanahy Masina, Izay mitoetra ao anatintsika.
15 Xam nga ne, waa diiwaanu Asi gépp, won nañu ma gannaaw, ñu deme niki Fusel ak Ermosen.
15Fantatrao fa efa nahafoy ahy izay rehetra any Asia; isan'ireny Fygelo sy Hermogena.
16 Waaye Onesifor daa na faral di dëfël sama xol; na Boroom bi sotti yërmandeem ci këram. Rusul woon sax ci samay jéng,
16Homen'ny Tompo famindram-po anie ny ankohonan'i Onesiforosy; satria namelombelona ny fanahiko matetika izy, fa tsy menatra ny gadrako;
17 waaye bi mu ñëwee dëkku Room, wut na ma fu ne, ba gis ma.
17fa raha tany Roma izy, dia nitady ahy fatratra ka nahita(ny Tompo anie hampahita azy famindram-po amin'ny Tompo amin'izay andro izay); ary ny hafatratry ny nanompoany ahy tany Efesosy dia fantatrao tsara.
18 Na ko Boroom bi teeru ak yërmandeem ca bés ba. Umplewoo it coono yi mu daj, ngir dimbali ma ca dëkku Efes.
18(ny Tompo anie hampahita azy famindram-po amin'ny Tompo amin'izay andro izay); ary ny hafatratry ny nanompoany ahy tany Efesosy dia fantatrao tsara.